finoana na fivavahana'ny gasy:remise en question?...

21. Achia ( 22/07/2006 05:47)
Zay kalo tsy afaka ahita io boky io e fa ra mahita aho mividy fa mbo azonao tantaraina fohifohy ve hoe ahoana no foma nahitany sy niresahany t@ Andriamanitra sao mbo mahasoa antsika mbo samy mikaroka e :wink:
22. rakaroka ( 22/07/2006 16:15)
Anisan'ny valin-teny nandratra ahy tokoa ny fiandrandrako valin-teny tsotra t@ namako @ domaine nataony aza, dia ny hoe mamakia boky hoy izy.
Ary c'est vrai fa teo am-pamakiana aho vao nahatsapa ny aina azo @ karazana processus lavitra ny résumé!...
Lay Boky io tantara niseho t@ ingahy mpanoratra.
Nisy vanim-potoana sady rava ny tokan-tranony no narary izy no very ny asany.Iza no mahita raha i Joba no niverina?...Very hevitra izy dé hany hery
'nde hanoratra @ tompon'andraikitra iza anefa?
mpampiasa? sa ny conseil d'orientation sns...
Farany tapaka ny heviny fa hi-s'adresser @ Atra izy.
Dia noraisiny ny peniny dé nosoratany izao:
(tohizako @ manaraka satria raha lava be dé tapaka ny ligne)
23. rakaroka ( 22/07/2006 18:09)
Pourquoi ma vie allait-elle mal? Qu'est-ce qu'il me fallait faire pour qu'elle fonctionne? Pourquoi ne pouvais-je trouver le bonheur dans les relation personnelles? Allais-je tout jamais manquer d'argent?... qu'avais-je fait pour mériter cette vie de lutte incessante? Dia mbola teo am-piheverana tsara izay fonjam-panontaniana tena tokony hamaranana ireto andiam-panontaniana izy no nihantona nisy hery nihafina nihazona ny tanany. Dia ny penina, oui la plume s'est mise à bouger d'elle-même ary nanoratra:
Veux-tu vraiment une réponse à toutes ces question, ou es-tu en train de te défouler?
-dé hoe les deux à la fois!...dé logiquement manontany tokoa aloha hoe tena Dieu marina ve?
Comment puis-je savoir si ce n'est pas ma propre imagination?
Tu sauras que ces paroles sont des Moi parceque tout seul, tu n'as jamais parlé aussi clairement. Si tu avais déjà parlé aussi clairement de ces questions tu ne serais pas en train de m'interroger.
Avec qui Dieu communique-til? Y a t il des gens extraordinaires? Y a t il des moments extraordinaire?
Tous les gens sont extraordinaire et tous les moments sont précieux.
Ohatr'ohatr'izany fa be moa karazam-panontaniana nipetraka fa dia voavaly mazava tamiko namaky aloha!
Fa na izany na tsy izany. Na tao baiboly aza dé efa ni-se communique tà fomba maro Atra. Ohatra Samoela
Mosesy, sns...Izy miteny:
Je parle à chacun.Tout le temps. Laquestion n'est pas : à qui Je parle, mais : QUI écoute?
24. soanja ( 24/07/2006 01:17)
Misaotra an'i Rakaroka nanome fanazavana momba an'ity boky novakianao ity. Izaho tokoa dia efa namaky an'ilay boky "Conversation With God" nosoratan'i Neale Donald Walsch.
Ny zavatra tsapako anefa dia hevitra toy ny hevitry ny hafa momba an'Andriamanitra no omeny ary tsy misy ifandraisany amin'i Andriamanitra ny Kristianina tokoa. Koa raha Krsitianina ianao dia mitandrema rehefa mamaky ity boky ity sao revony. Ny zavatra tian'ny olombelona ho fantatra no lazainy fa niresahan'Andriamanitra taminy. Andriamnitra amin'io resaka io dia nilaza fa avy amin'Andriamnitra ny olombelona fa noho ny tsy fahampian'i fitiavana sy ny fahaizana dia tsy Andriamanitra. Noho izany raha te hahafantatra ny momba anao ianao amin'ny mahaolombelona Andriamanitra anao dia katsaho ny fahaizana sy ny Fitiavana. Aminy dia "ny Hafaliana, ny Fahamarinana ary ny Fitiavana no Andriamanitra." (Joy, Truth and Love)
Amiko io dia tsy ampy satria aiza i Kristy amin'io resaka rehetra io? Tsy voatonona sady aminy ny baiboly dia tsy ampy fa mampisahotaka atidoha. Zavadehibe amiko anefa ny baiboly. Io no mitondra ny filamatrin'ny fiainako. I Jesoa no lalana sy Fahamarinana ary ny Fiainana ka raha vao miala amin'io ny torohevitra dia ialako lavitra raha mitady hitarika ahy na dia tsara aza ny famakiana azy.
Miezaka managana secte amiko ity rangahy ity. Manana fikambanana antsoina hoe "The Recreation" izy ary mitady olon aarivo izy hanome azy $1000 isany avy hanombohany ny fampielezan-kevitra sy finoana. Anjaranao ny mandinika raha vonona hiditra ianao na tsia fa lasa mpikambana mandrapahafaty raha manome an'io.
Tsara tokoa ny resahan'ny boky fa toy ny hevitra rehetra ihany. Mamakia tokoa raha te halala akaiky ny fomba fisain-dRaolombelona. Saingy tsy hinoako fa io Andriamanitra io ilay Andriamanitra hinoako.
25. dadabe ( 24/07/2006 03:05)
:roll::roll::roll:
26. rakaroka ( 24/07/2006 05:34)
Tsy ho évident amiko koa aloha ny haminany ilay Atr'i Soania ka raha tsy misy fanazavana mazava toa ny voambara izany hoe azon'ny olona tsotra toa ahy
compréhensible tsy ho fantatro tokoa.
Ny tena mahavariana @ sonia dé milaza fa mifototra @ baiboly ianao. Na tao @ Baiboly aza niseho T@ endriky maro Atra,tsy nisy sujet christ hatrany hoe tsy maintsy voa-évoquer justement satria ilay christ
angamba no mal placé ny fandraisana azy.
Anefa inoana fa niseho sy manana message tsy voatery miresaka mivantana christ Atra. Ka mba tiako ho fantatra angamba hoe fa iza lé Christ aminao?
Dia iza lay Atra tokony hivavahana?...
27. soanja ( 24/07/2006 17:37)
rakaroka:

Tsy ho évident amiko koa aloha ny haminany ilay Atr'i Soania ka raha tsy misy fanazavana mazava toa ny voambara izany hoe azon'ny olona tsotra toa ahy
compréhensible tsy ho fantatro tokoa.
Ny tena mahavariana @ sonia dé milaza fa mifototra @ baiboly ianao. Na tao @ Baiboly aza niseho T@ endriky maro Atra,tsy nisy sujet christ hatrany hoe tsy maintsy voa-évoquer justement satria ilay christ
angamba no mal placé ny fandraisana azy.
Anefa inoana fa niseho sy manana message tsy voatery miresaka mivantana christ Atra. Ka mba tiako ho fantatra angamba hoe fa iza lé Christ aminao?
Dia iza lay Atra tokony hivavahana?...

Rakaroka, Eny ary fa raha vao malalaka aho dia hazavaiko aminao amin'ny antsipirihany ilay Andriamanitra hinoako sy arahiko ary ilay Andriamanitry ny Kristianina.
Afaka miresaka tsara aminao koa ary afaka manome anao fahasoavana.
Mbola hitohy.




28. rakaroka ( 25/07/2006 04:47)
Dia misaotra an'i Soania mialoha satria @ maha rakaroka ahy dia liana tokoa aho hamantatra ny marina
mikasika an'Andriamanitra sy ny fiainana!
Encore merci d'avance!
29. soanja ( 25/07/2006 14:50)
Rakaroka a, io nazavaiko laabe iry ilay Andriamanitra resahiko ary miala tsiny fa tsy mbola voaresaka ao ny fomba ifandraisantsika mivanatana amin'izao fotoana izao saingy ny fehiny dia hoe ny Fanahy Masina no manome antsika izany fifandraisana mivantana firesahana amin'Andriamanitra izany. Misokatra ny adihevitra. http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m44c62e0d895de
30. rakaroka ( 27/07/2006 02:16)
Tsy hitako ny andraisana ny tenin'i xxx etsy ambony tant que hoe andraikitry ny kristiana anie ny mitory an'Atra @ ol tsy an-kanavaka ary na Zakaiosy tsy noheverina hoe tokony hifaneraseran'i Jesoa aza dia
voatariny.
Sarotra BBbe ny resak'i Soanja.be mot clé mila fandalinana manokana ny mikasika azy vao tsapa ny fahamarinany ohatra ny fipetraky ny faminaniana na Jesoa aza rahateo nilaza fa nisy mpaminany sandoka
Misy logique de base sy concept de base tsy araka ny saina tsotra fa dia natao ekena ara-pinoana fotsiny
(dogme).
Ahoana ny andraisana ny resako izao hoe Rakoto ihany rey ol no Rabe (tsotra ny anarana ampiasaiko fa ampiako) dia Gnotskialmo koa mbola anarany dé rehefa miasa ary Antsirabe izy dé Kniavgtsiak no iantsoana azy rehefa ary indray dia Fanrezamstry etc...
Ohatran'ny hoe tsy dia misy dikany loatra ny vien'ny hafa , hafa tsy Jesoa... Atra kosa angamba namorona ny ol tsy am-piangarana e!
Manahirana koa ny manaraka ny commandement raha toa
ny opposén'izany hasinina indray. Mazava ny hoe aza mamono ol! Ka ny fanahy nametraka izany tsy tokony
hihevitra ol ho fanatitra selon le cas de Jesus!
Mbola be ny concept tena tsy hita izay andraisana azy fa tsapako hazavain'ny mpitory teny araka ny hitiavany azy fotsiny!
Fiheverako noharian'Atra tahaka ny endriny ny ol t@ voalohany ary novelominy t@ fofon'aina. Izay fofon'aina izay nifindra de génération en génération.
Ny bonne question dia hoe sai dia efa ao antin'ny ol
1/1 tokoa Atra fa variana mikaroka azy aty ivelanyny ol tahaka ny hoe accès @ Jesoa ny fampianarana dia zary lasa secondaire aza ilay Atra.
31. soanja ( 27/07/2006 08:08)
Ny finoana aloha raha amin'ny fiain'izao tontolo izao dia dogma tanteraka indrindra ny an'i Kristianina. Saingy dogma nampiarahina amin'ny safidy efa be dia be nandalo teo anoloan'ny masoko. Ka na ny Atheism ary anie dia dogma ihany satria misy zavatra inoana ihany fa ny inoany dia ny hoe tsy misy Andrimanitra e.
Marina izany fa tsy vitan'ny soratra eto adiny iray ny hanazavako an'i Atra. Izy aza namorona an'izao tontolo izao tamin'ny fotoana tsy azo vinaniana nefa misy dikany daholo izany. Base fotsiny io nomeko io ary tsy ampy be dia be. Zah tsinona mihevitra fa mba efa nahafantatra ny finoana kristianina ihany indry/anao.
I Jesoa dia tena charactere sarotra eritreretina ka izay no tsy nandraisan'i Jiosy azy tamin'ny fahavelony. Toy ny ireny hippies ireny amin'zao fotoana izao. Iza marina Izy. Ka amin'ny mahaAtra azy izay no mahasarotra an'ilay concept fa ny finoana daholo no base hoe tsy mila mitady valiny akory ny fanontaniako aho satria Izay no maha Atra Azy, fa mino fotsiny fa Izy ilay Izy ary ny fanahy ao anatiko hampiseho izany amiko.
32. rakaroka ( 27/07/2006 17:23)
Ka eo no mahasarotra ny resak'i Soanja, tsy mipetraka mazava tahaka ilay resaka "Communication avec Dieu" dia ahoana kosa aza moa ny fomba haminaniana ny mikasika an'Atra? "Minoa fotsiny ihany!". Tena INOAKO mihitsy fa tsy ampy io teny io
hoenti-mino an'Atra, matoa tonga ry Mosesy, Jesoa , sns .. dia nanampy fahazavana mikasika ny tokony ho fiainan'ny ol
Ohatran'ny hoe zoky exemplaires eo aloha.
@ zavatra atao sns...antsoina koa isika mba hazava eo imason'ny ol mba hankalazainy ny Ray na @ fiteny na @ asa ka raha mitory teny @ teny tsy fantatra ny
kristiana dé aza omena tsiny kosa raha very ny ol, tsy hoe tsy nitady an'Atra izy fa nafenina mihitsy izany ilay Atra na miafina ka dé ny fanahy masina izany sisa no tompon'andraikitra raha misy fahaverezan'ny ol, dé izy no tsy nampino azy?...
33. soanja ( 28/07/2006 02:18)
Rakaroka a, ianao izao no olona voalohany hitoriko teny satria zaho aloha dia tsy mahay an'io mihitsy. Mitory teny hoy aho satria miezaka aho hampafantatra anao ilay Andriamanitra inoako ary tiako raha mba hanaraka ahy ianao. Saingy Andriamanitra amin'izao isika miteny izo dia efa main'ny endrika Fanahy Masina. Izy no solo-tenan'i Jesoa na ilay Ray tany an-danitra nazavain alavabe tary ambony. Io Fanahy Masina io anefa dia tsy azoazo amin'izao raha tsy voalohany aloha manetri-tena ka manaiky azy fa ao aminao izy ary faharoa Izy no tompon'ny vatanao fa tsy ianao satria tempolin'Andriamanitra (fanahy masina) ny vatanao.
Inoana amin'izao fa tsy misy hoe ahoana na ahoana. Mety maheno koa vavolombelona mety nilaza ny fahasoavan'Andriamanitra hatramin'ny nanany azy. Maheno toriteny milaza ny momba azy, dia mivavaka mba ho tonga ao aminao izy hanome fanazavana ny momba azy. Fa izao no resahiny momba ny teny tsy fantatra hoe
(1 Korintiana 14:1-3) " Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany. Fa izay miteny amin'ny teny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zavamiafina, ka tsy misy olona mahalala; fa izay maminany kosa miteny amin'ny olona ho fampandrosona sy ho famporisihana ary ho fampiononana."

Ka io dia efa manazava azy fa tsy ho an'ny hafa ny teny tsy fantatra fa ny communication-nao amin'Izy Andriamanitra fa raha misy tiany hampitaina amin'olona hafa ny anatin'ny teny tsy fantatra dia hisy iray hanao mpandika teny izay avy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ihany koa.

Eto aho dia hilaza aminao fa tsy nahafantatra an'Andriamanitra aho taloha fa nivavaka fotsiny. Taty afara dia nandalina ary izay vao tena nino hoe hay izany ilay izy. Efa nisy fahagagana 2 nitranga tamin'ny fiainako fa tsy afaka holazaiko aminao eto raha tsy efa hitako maso ianao ka inoako fa hihaino ahy tokoa satria fiainako manokana izany.

Mihaino vavaka Andriamanitra ary mamaly vavaka izy. Anjaranao fotsiny na hino na tsy hino fa sarotra ny manome porofo satria finoana daholo io. Ao amin'ny baiboly no hanome anao ny valin'izay tadiavinao rehetra raha toa ka tena mikatsaka marina an'Atra ianao satria ny Fanahy Masina no hanome anao io fahazavan-tsaina io.

34. rakaroka ( 28/07/2006 19:02)
Soanja, tsotra ny exemplen'i Jesoa t@ ilay samaritana tsara fanahy. Misy olona mandalo mivimbina baiboly.Ny sitrapon'Atra t@ iny dé ny nataon'ilay samaritana tsara fanahy fa tsy le mihevitra fa mi-deténir ny baiboly.
Impiry i Jesoa no namerina hoe voasoratra hoe ...; fa izaho kosa milaza aminareo hoe...
Tsy 'lé soratra loatra indraindray...no ipoiran'ny vérité mikasika sy mifanaraka @ Atra.
35. soanja ( 29/07/2006 01:33)
Ka ny baiboly anie torolalana fa ny ao anaty no tena zavadehibe. Satria ao izy ary Izy hiresaka aminao raha vonona hihaino azy ianao. Fa marina izany n'aiza n'aiza dia ahita an'Andrimanitra isika ary anjarantsika mahafantatra azy. Amin'izao tokoa dia ny fitiavana no zavadehibe. Ka rehefa manao zavatra tsy mifanohitra amin'ny tian'AndriamaNitra ianao dia aza manahy fa eo akaikinao izy hanoro anao lalana ny tena mety. Hivavaka ho an'i Rakaroka aho raha tiandry izany. :-*:-*:-*
36. rakaroka ( 29/07/2006 13:21)
Hain-dry!, raha mazava ny toro lalana dia mora ny manaraka ny lalana , christ= hazavana , izay no hisian'ny christ!
Misôtra andry tokoa hitondra ahy @ bavaka 'ndrindra mbola manana projets sacré maro aho eo @ lafiny
fitaizana: na zaza, na tanora , na lehibe na vavy na lahy.
Lehibena fikambanana aho, misy olona de différentes Nations.
Anisan'ny ol maniry fatratra koa izay soa ho an'i Mcar!sns... Be projet e! Passionnée @ Audiovisuel koa!
Mahafinaritra ahy indry manao yoga izany, nanao izany aho teo aloha fa efa najaniko fa tsy arako intsony!Ny zandriko mpivavaka be nanao hoe inona koa ny hanaovana izany anefa pour le corp fotsiny no nanaovako io.
Mahafinaritra ahy koa indry manao danse. J'aimerais tant hoe 'za mitendry gitara dé indry mandihy ho fiderana an'Atra.
Mivavaka ho andry koa!
37. rakaroka ( 29/07/2006 14:34)
Raha ny marina mampalahelo ahy Madagasikara sy ny fiainan'ny ol toa miha mivarilavo ny gasy anefa malaza mpivavaka Bbbbe!. Lasa BBbbe ny misotro toaka,
very fanantenana ny ol! taloha aza tsy fandreko tahaka izao ny ol mamono tena. Faritra maro ahatsapana fahasahiranana tanteraka : mahonena e!
Izany no mampisatangotra mitady an'Atra na
manontany tena izay mety anjara andraikitra manoloana izany!
Ka efa vavaka foana no natao fandrao misy zavatra hafa mihitsy koa angamba...
38. soanja ( 01/08/2006 04:11)
Rakaroka, Tsara ny maheno ny projet-nao. Mahavita be amin'izay atao rehetra. Efa ao anaty vavako ianao. Iza no mahalala mety hifankahita eny ampanaovana ny asan'Andriamanitra eny isika indray andro any.:-*
39. prime ( 01/08/2006 07:38)
Afaka miverina @ lohahevitra @ izay isika ô???:lol:
Rakaroka> mahaliana ny fomba fi'analyser'nao zavatra satria @ fomba tsotra nefa mazava tsara... Ny azoko ambara dia tsotra, ny baiboly no boky feno indrindra manambara ny mahaAndriamanitra an'Andriamanitra... Ny baiboly no boky tokana maneran-tany maneho @ fomba maro ny fisian'Andriamanitra sy ny asany ary ny momba Azy... Ary ny baiboly no boky tokana manambara olona iray, feno amin'ny mahaAndriamanitra Azy hatrany @ genesisy ka hatrany @ fanambaràna... Raha te-hahafantatra marina ny momba an'Andriamanitra @ mahaizy azy tanteraka ianao dia tsotra, manatona an'Andriamanitra @ alalàn'ny Fanahy Masina dia fantaro lalina @ heriny hoe iza moa Jesosy Kristy ary inona no asany ary inona no tanjony? dia ho fantatrao ny zava-miafina... Tsy @ maha-dogme azy fa @ maha Andriamanitra Azy...
40. LazaDaddy ( 01/08/2006 08:53)
rakaroka:
inoana na fivavahana'ny gasy:remise en question
tena mitombona io hevitrao io Rakaroka.

Fantatro fa maro ny ho tohina kanefa dia ambarako ihany ho an'ireo izay manam-panahy afaka mandinika, fa tsy misy fanompoana an'Andriamanitra velively ny rafitra sy ny mpitondra ao amin'ireo fiangonana mpikambana ao @ FFKM. Raha miteny i Jesoa hoe "avelao ny fahazavanareo ho hitan'ny olona", dia indrisy fa fahamaizinam-panahy sy saina no hita misongadina ao!!!

Mba vakio kely anefa ny "fiasan'ny fivavaky ny marina" ao amin'ny bokin'i Jakoba 5:16

Tsy maninona ataovy hoe secte aho fa mba eritrereto ihany anefa io teniko io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471