nanambady indray i Pst Mailhol

1. jentilisa ( 26/05/2006 07:02)
Efa nananambady manko izy fa nisaraka dia izao hanamabady fanindroany izao.Ahoana ny hevitrareo amin'io?
novalian'i dadabe ny 10/07/2006 21:18
2. Fiffi ( 26/05/2006 07:16)
ka aiza ny olana ? satria ve hoe pasitera izy ? heu...
3. mamybe ( 26/05/2006 07:33)
Sady mba misy hifanohantohan-tsy ho lavo aminy rahatrizay Prezidà-ny Repoblika izy e!:lol:
4. jentilisa ( 26/05/2006 07:40)
Tsy mety amin'ny gasy aty an-tanindrazana mihitsy izany hoe nisaraka dia nanambady indray nefa ny tena mpitondra fivavahana.
5. Fiffi ( 26/05/2006 07:40)
fa na izany aza aloha an! tsy de aiko loatra fa na dia pasitera aza izy , olombelona tahaka ny olombelona rehetra hiany izy an! saingy izany no an'ny protestanta , mahazo manambady ny pasitera de mahazo misaraka koa ,de mahazo manambady indray ka dia tsy aiko loatra eh!
6. Fiffi ( 26/05/2006 07:42)
de tsy aiko indray aloha an! zah koa moa katolika rahateo ka ny an'ny protestanta dia tsy de arako loatra.
7. booboo ( 26/05/2006 07:55)
mamybe > hihihihihi
8. kally ( 26/05/2006 07:57)
Io moa tsy hay na ilay vadiny taloha no te hisaraka taminy na ity pasitera no niala, fa isika gasy tokoa aloha mbola sarotiny amin'io resaka fisaraham-panambadiana io e!
9. dadabe ( 26/05/2006 08:15)
ka rehefa resaka mpitondra fivavahana ve tsy aleo ny soratra masina no resahina sy hifanakalozana hevitra .

jentilisa> tahaka izao angamba no tokony nanaovanao ity size ity "ahoana ny hevitry ny soratra masina raha misy mpitondra fivavahana iray nisarka t@ vadiny , ary nanambady vaovao indray "
misy maro manko r'izareo mpitondra fivavahana ao dago ao (4 nno haiko ) efa nanambady teo aloha dia nisarka , de izao nanmbady vaovao
10. pissoa ( 26/05/2006 08:35)
:-D
11. Fiffi ( 26/05/2006 08:54)
fa marina aloha ny an'i dadabe eh! satria lasa resaka tsy aiko le izy ka manjary tsy misy idirany eto @ fivavahana sy finoana. Lasa hoe ny vadiny ve no lasa sa izy sn.......?
12. mamybe ( 26/05/2006 08:56)
booboo:

mamybe > hihihihihi



Marina ange zany ry Booboo fa aza memezan-njy e!
Sady tsy aleo ve izy manam-bady de amin'izay tsy hanana eritreritra hanadala ny dorkasy sy ny tanora kristiana intsony e!

Ohatra an'izany le mianatra any @ Kolejy na faculté de théologie ireny dia amporisihana ry zareo hanam-bady alohan'ny hivoahany ho pasitera!

Misy lanjany kokoa mantsy le manam-bady ara-dalana.
Indrindra fa izy manantena ho Filohan'ny Nosy atsy ho atsy raha mandaitra ny faminaniana.
13. tsanga ( 26/05/2006 08:56)
Tsy fan droany io fa efa mihoatra fa manontania ao @ FMFOI fa iazay ihany noefa nampisitaka io taminy
14. Fiffi ( 26/05/2006 09:00)
de mbola mihitatra @ resaka tsy misy idiran'ny fivavahana sy finoana foana ilay resaka.
15. mijery ( 26/05/2006 12:46)
Ny fantatro dia izao, raha milaza izy fa mitondra fivavahana ka manaraka tsara ny tenin'Andriamanitra izay toriany io dia tena diso tanteraka izy nanambady. Voalaza ao @ soratra masiana anie izany e!Raha misy manambady, aza mitady izay hisarahana. Ary Andriamanitra efa nilaza mihitsy fa HALAKO NY FISARAHAM-BADY koa izay efa nisaraka dia tokony tsy hampakatra vehivavy hafa intsony hoy ny Tenin'Andriamanitra fa mijangajanga izay manao izany. Noho izany MPIJANGAJANGA i Maihlol. Tsy azo lazaina mihitsy fa pasteur izy; Ny pasteur dia mitarika ny ondriny à lalana tsara fa tsy izy mpitarika indray no mitondra ny olony any an_kady sy mamery ny fanahin'ny olona marobe manaraka azy. Ary izay manaraka azy koa no adala satria izy dia tsy ny tenin'Andriamanitra no arahiny fa mamorona fampianarana ho azy mitokana izy; Amiko dia "MPAMINANY SANDOKA" izy ary tandremo fa ny devoly @ izao fotoana izao di ambodia mitafy hodin-janakondry ary mitady izay ho viravirainy. Hoy ny tenin'Andriamanitra " Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara". Izay no naomezan'Andriamanitra ny olona ny saina tsy hitovy @ biby, fa tsy hoe satria Pasteur izy dia mety daholo izay hataony, tsia; FA any @ helo sy ny afobe dia misy pasteur ho any tokoa dia tsy iza fa ireo pasteurs manao fampianaran-diso, nanaiky ny torohevitry Satana, koa dia aoka hitandrina ny alehany av isika satria efa akaiky Jesosy ary anisan'ny efa mariky ny fiahanvianay izany fa na ny milaza azy ho pasteur aza dia efa tarihin'ny filany fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra intsony. Mahereza daholo
16. prime ( 26/05/2006 12:51)
17. tovobe ( 26/05/2006 13:31)
Misy fiteny koa ao amin'ny baiboly ho tsara amin'ny olona ny mitoetra tsy manam-bady fa aleo izy manambady toy izay ho maimay ka asakasakareo fa izaho aloha tsy sahy mitsara hoe mety ny ataony na tsy mety fa amiko aleo manambady toy izay teteziny ao daholo ny mpiara-mivavaka rehefa maimay izy.... Tsy haiko aloha e!! fa raha ny momba ny FMFOI indray efa hifaninanana ny azy roalahy ireo fa izaho mahalala tsara na i Mailhol na i Benjamina fa aza miteniteny foana ry....Tsanga an!!!
18. jentilisa ( 26/05/2006 13:38)
Hitan'i Fiffi fa nety ihany ny nametrahako azy teto! Ny protestanta eto Madagasikara dia tsy mahazo misaraka fa ahato amin'ny asany ny mpitandrina manao izany. Ny an'ny katolika moa tsy manambady ny pretra!
19. lapino ( 26/05/2006 13:46)
jentilisa:
Ahoana ny hevitrareo amin'io?

Rehefa tsy ny ahy no lasany, ... ahoako inona? :wink:

Tao amin'ny baiboly aza nisy mpaminany izay, tsy tadidiko ny anarany (Ezra???) nanambady vehivavy janga.
20. eprom ( 26/05/2006 13:57)
Ny tsy voalaza mihintsy :
oviana izy no nisara-panambadiana? Ary inona no antony?
Andriamanitra aza minia tsy mijery ny andron'ny fahamaizinana. Iza moa no mahita na tsy te-hisaraka izy taloha fa ny vadiny ohatra no nanao anditra? De omena tsiny amin'izany ve izy? Sady tsy tsara hono raha irery ny lehilahy eh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.521