nanambady indray i Pst Mailhol

21. jentilisa ( 26/05/2006 14:26)
tamin'ny taona 2003 ny pastora no nisara-panambadiana izany hoe efa 8 taona nitondrana ny fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara! koa andron'ny tsy fahalalana ve izany?
22. xxx ( 26/05/2006 15:03)
Manome ohatra velona ho an'ny ondriny izy angamba! loll
23. xxx ( 26/05/2006 15:15)
Maihol! ha ha ha ha, efa hitan leiry tamin'ny faminaniana io ka,mila vady kosa leiry amin 2013.Tsy mahazo mirotsaka fidiana ange raha tsy manana tokantrano ara-dalana e...mba nisy sipa nanaiky ho vadiny ihany aza:-D, mihahaka izany ny sasany.
24. Achia ( 26/05/2006 18:25)
Ra araky ny Soratra masina aloha de tokony tsy hanambady mihitsy ny ol nisarabady raha tsy oe maty angaha ny iray , fa sao de efa maty tokoa aloha le vadiny taloha e ?
25. tovobe ( 26/05/2006 18:38)
Izao re olana an!! Toa lasa resaka Protestanta sy Katôlika indray ilay resaka nefa i lery Apokalipsy, izaho moa tsy dia te hiditra resaka finoana loatra hoe ny an\'ny anona izao, ny an\'ny anona izao fa samy mety daholo na ny manambady toa an\'i Ngahy pasy na ny tsy manambady toa an\'i Damômpra fa ny tsy tiako dia ny miseho hoe \"manam-bady nefa mijangajanga manenjika vehivavy atsy sy aroa na tsy manambady nefa manenjika vehivavy atsy sy aroa mahita an\'izany aho amin\'ireo Damôpra tanora ireo an!\" ka io tsy sanatria hifampitsarana be fahantany fa ny tenin\'Andriamanitra ihany no aoka ho ekena mbola miverina amin\'ny teniko teo aloha ihany aho jereo KORINTIANA VOALOHANY 7 : 8,9 Hoe : \"Fa hoy izaho amin\'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa : Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.\" ka io ry zareo aleoko mahita azy manam-bady tokana toy izay mahita Pastera nefa mpanenjika... Raha misy tena nahalala azy dia mahatsapa tsara izany. Ny tantara marina koa dia toa ny vadiny hono no hita porofo fa ny mpitendry mozika tao ihany no nanodina azy koa na izaho tsy ho eo amin\'ny toerany kosa ve? Tsy hoe mitsara aho hoe iza no diso na iza no manana ny marina fa ny zava-dehibe dia ilay fitandroana ny toerana maha Pasitera azy no tena tanjona ka asakasak\'izay manana hevitra hafa mifanohitra amin\'izay.
26. marozevo ( 26/05/2006 20:39)
Tovobe kosa eh !!
Mampihomehy nefa misy hodinihina lalina dia lalina.
27. Achia ( 27/05/2006 04:37)
iza ary nareo lehilahy efa nanambady ka nisaraka t@ vadiny ;ka mahataty tsy mila vehivavy ao anatin'ny herin-taona;na mihaotra :mba lazao hoe?????
28. xxx ( 27/05/2006 05:22)
Tsy tokony ny mpitondra fivavahana tahaka an'i lery ny anao toa ireny . Izany hoe Pst dia tena olona inoan'ny olna sy hajaina satria mitondra mpivavako mpino maro be tokoa raha ny toerany no jerena , raha azoko tsara de ataon'i lery FATADIAVAM-BOLA ny fivavahana , raha tena manaja ny toerana ny maha Pst azy izy dia tsy tokony hanao ireny ê! mahamenatra !!! asakasak'izay mpivavaka ho entiny;
Sambany teto M/kara tantara mpivavahana no nisy toa ireny @ izay hoe :Pastera
29. xxx ( 27/05/2006 06:46)
izany avy dia mbola mahagaga anareo. Efa fantatra hatry ny ela fa olona mpisandoka ny anaran'Andriamanitra iny ry reto a!!!!
30. jentilisa ( 27/05/2006 06:54)
Efa nisy nitranga tahaka an'io manko tao amin'ny fingonana FJKM iray teto Antananarivo. Tsy hoe lasa nanambady hafa ilay mpitandrina an! fa nisaraka tamin'ny vadiny izy. Naato tamin'ny asany ary! Koa na dia nangataka aza izy ny hiasany ny fanapahan-kevitra dia izao: miverina aminy na miverina amin'ny vadiny izy vao azo raisina indray!

Ahoana ny hevitrareo eo? mametraka lalàna loatra ka tsy mijery ny maha-olona ny lalàna anaty fiangonana eo sa rehefa lalàna dia lalàna?
31. Fiffi ( 27/05/2006 07:03)
ny zavatra mahagaga ahy de zao:

-Efa mpitondra fiangonana io ny pasitera

-Ny pasitera no manao ny mariage'ny olona

-Tsy ny pasitera ve no tokony hahalala kokoa ny fiainana ara-mpiangonana , ara-pivavahana noho ny olona ?
-Noho izany : tsy fantany ve hoe "aza sarahana izay natambatr'Andriamanitra" ?

-Izany rehetra izany dia gaga hiany aho mahita fa manao an'izao izany pasitera zany !!! iza indray moa ny olona tokony henohin'ny mpiangona raha tsy ny pasitera ? nefa dia raha izao no vitany , heu.... mampiheritreritra tokoa.
32. jentilisa ( 27/05/2006 12:03)
Inona no tena gravy amin'ity raharaha ity? Ry zareo mihitsy no mampiditra ny fomba izay mbola tsy nahazatra ny malagasy loatra hatramin'izay. Ny aty an-drenivohitra no betsaka manao izany fisarahana izany fa tsy ny any ambanivohitra loatra (eritreritra ny ahy aloha). Dia ry zareo no toy ny manapariaka ilay hoe tsy maninona ry zareo na dia misaraka aza a! efa miha-tandrefana hatrany isika izany!
33. Fiffi ( 27/05/2006 13:32)
miha-tandrefana ahoana moa zany ?
34. dadabe ( 28/05/2006 06:11)
jentilisa> io ary ny anao fa lasa tsikera fiainan'olona ilay izy
: xxx [ Valio ] 26-05-2006 20:15:26
Lohateny : Re : nanambady indray i Pst Mailhol
Maihol! ha ha ha ha, efa hitan leiry tamin'ny faminaniana io ka,mila vady kosa leiry amin 2013.Tsy mahazo mirotsaka fidiana ange raha tsy manana tokantrano ara-dalana e...mba nisy sipa nanaiky ho vadiny ihany aza, mihahaka izany ny sasany.
Mpandefa : xxx [ Valio ] 26-05-2006 20:03:51
Lohateny : Re : nanambady indray i Pst Mailhol
Manome ohatra velona ho an'ny ondriny izy angamba! loll


ny voalazan'ny soratra maisna anie ry zareo dia hoe "aoka tsy misy hitsara ny olomboafidiin'Andriamanitra, Andriamanitra no aoka hitsara azy "

manahy amintsika ireo mitsara ireo aho manko fa raha tahiny efa tonga aminao ilay ozon'Andriamintra nefa tsy fantatrao hoe noho ilay tsikera nataonao teto @ serasera no nahatonga izany dia ho lozanao , satria Andriaminitra dia hamela ny helokosy ny helokao izay tsaroanao , faraha toa ka nisy helokao tsy tsaroanao , dia adinin'Andriamanitra amin'iny foana anie ianao ambara-pibebahanao an'iny helokao iny e.

@pitiavana lehibe zareo no hilazako aminareo hoe aoka mba tsy hitsara olona zaho sy ianao (indrindra fa mpanompon'Andriamanitra ) na mopera na pasitera na mpiandry na diakona , na evanjelista ...fa aoka mba ny soratra masina no hifanakalozan-kevitra .

raha mbola mitohy izao fitsikerana izao dia afaka @ ranareo izay mitsikera aho ary tsy handalo eto @ ity size eto intsony sao sanatria ka...:roll:
35. ikalakintina ( 28/05/2006 06:32)
dadabe aza mande!voalazan'ny baiboly fa fijangajangana zany, saingy aoka Andriamanitra marina no hitsara azy, de Jesoa irery ihany no jerentsika fa aza mijery pasitera sy ny mpitandrina ect.....:-*:-*:-*
36. mijery ( 29/05/2006 08:35)
MArina mihitsy ny anao. I dadabe angamba apokalipsy matoa miseho miaroaro an'i Mailhol eo. Amin'Andriamanitra tsy misy hoe rehefa pasteur ka nijangajanga dia afaka @ fitsarana. Efa hita maso hita vatana izao fa mijangajanga izy ka na izy no nisaraka na ny vadiny no niala taminy dia tsy mahazo mampakatra hafa intsony izy e. Diso tanteraka izy fa ny filany no mitondra azy. I Dadabe koa izany hanao toy ny nataony dia hanaiky ny fisian'ny fijangajangana ao an-tranon'Andriamanitra? Dia vereza i dadabe sy Mailhol any @ helo fa aza taomina ny olona hanaraka ny hevi-dratsin'ni Satana arosonareo.
37. barry ( 29/05/2006 10:05)
ory zareo an; aza mifampanome tsiny izany nareo;i mijery aza mandefa an'i dadabe any @ helo ianao; ary aza mitsara olona aloha ;fa Andriamanitra no mitsara ny tsirairay ;fa zay maka ny toeran'Andriamanitra no manao blasfème ;fa raha mbola eto antany de manana ny safidy daholo ny olona na ho any @ mahiol izy; na ho any a@ afo izy; na ho any @ i papapoly izy; ka aza mifampitsara ry reto an!;samia fotsiny mijery ny tenany sy ny lalana ho alehany; ary raha manambady mahiol:azy zany fa tsy antsika ;ary raha ny olona tarihany ;tsy mahiol no hivavahana na tompoina fa Adriamanitra irery ihany
38. dadabe ( 29/05/2006 10:18)
Mpandefa : mijery [ Valio ] 29-05-2006 13:35:45
Lohateny : Re : nanambady indray i Pst Mailhol
MArina mihitsy ny anao. I dadabe angamba apokalipsy matoa miseho miaroaro an'i Mailhol eo. Amin'Andriamanitra tsy misy hoe rehefa pasteur ka nijangajanga dia afaka @ fitsarana. Efa hita maso hita vatana izao fa mijangajanga izy ka na izy no nisaraka na ny vadiny no niala taminy dia tsy mahazo mampakatra hafa intsony izy e. Diso tanteraka izy fa ny filany no mitondra azy. I Dadabe koa izany hanao toy ny nataony dia hanaiky ny fisian'ny fijangajangana ao an-tranon'Andriamanitra? Dia vereza i dadabe sy Mailhol any @ helo fa aza taomina ny olona hanaraka ny hevi-dratsin'ni Satana arosonareo
8O8O8O mahagaga ahy inao , ngah rehefa mananatra sy manoro hevitra dia midika hoe manohana ????8O humm hivavaka ho anao aho rahaly mba tsy hitsaranao olona tahaka izany intsony @ sisa
39. dadabe ( 29/05/2006 10:20)
saika hadinoko ho an'i mijery
http://www.apocalypse-mada.com dia mazotoa ianao e :D
40. Zina ( 30/05/2006 23:08)
aleo izy manambady toy izay mijangajanga. i raolombelona dia malemy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0383