Iza no antikrista

1. xxx ( 20/01/2006 10:24)
Hoy ny baiboly:"iza no Antikrista fa tsy ireo izay milaza fa tsy tonga ara-nofo i Jesoa?"
-Ka naninona ny Baiboly no nilaza an'io afa-tsy ny hoe te hiaro ny finoany ny amin'ny fahatongavan'i Kristy ho nofo ka nifanoherany tamin'ireo "gnostiques" izay tsy nino izany.?
Raha izany tokoa mantsy no marina dia tena tsy nahita porofo mihitsy izany ireo Gnostiques ireo ny momba ny fisian'i Kristy ara-tantara tamin'izany andro izany?
Ampy ve izay mba hisalasalàna ny amin'ny fisian'i Jesoa?
Ka asa ny hefitrareo,fa ny an'ilay raika lahy iry efa fantatra:wink:
novalian'i marozevo ny 25/03/2006 00:39
2. lapino ( 20/01/2006 10:27)
ny Baiboly:


IJaona 2:18 Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. IJAONA 2

IJaona 2:22 Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. IJAONA 2

IJaona 4:3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy. IJAONA 4

IIJaona 1:7 Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin'izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. IIJAONA 1
3. dadabe ( 20/01/2006 12:34)
lapino ihany ve no xxx e??

havitrareo fa tsy hoe hefitrareo hehe:D

io resaka antikrista io aloha dia aleo hovaliko rehefa avy eo fa aleo aloha ny namana hiditra :D
4. diamondra27 ( 20/01/2006 12:48)
gnostiques sa gothiques e!
5. dadabe ( 20/01/2006 13:34)
zah koa tsy maharaka ?? inona marina ?
6. jentilisa ( 20/01/2006 13:50)
tandremo fa misy mitady hanafangaro zavatra eto!

gnostiques dia karazam-pivavahana tamin'ny faraparan'ny Antiquité moa ny gothiques indray dia sady vanim-potoana no architecture!
7. dadabe ( 20/01/2006 15:10)
:roll::roll:
8. lapino ( 20/01/2006 15:19)
dadabe:

lapino ihany ve no xxx e??

Tsia, tsy za io ka!
9. Veloo ( 20/01/2006 15:29)
hehehe tratra ndray i lapino..:-D:-D
10. dadabe ( 20/01/2006 15:30)
veloo > efa hoee tsy izy hono ka :D
11. lapino ( 20/01/2006 16:00)
Veloo: :-w:-w porofoiko indray àry ve e? :wink:

Jentilisa: ilay gothique tian'i diamondra lazaina angamba dia ireny olona manao akanjo mainty (sy mena) sy mitondra fiara mainty ireny. Tsy haiko tsara ny momba azy, fa toa lamaodim-pitafiana izany ilay izy, kanefa toa miharo foto-pisainana hafahafa, asa aza raha sekta mihitsy. Misy miteny aza ny sasany hoe satanista hono ny gothique. (Tany dago aloha za mbola tsy nahita na nahamarika an'izay). Asa raha misy ifandraisany amin'ilay "gnostique" io izany na tsia.
12. Vahinala ( 20/01/2006 16:20)
Hita fa i lapino ihany io zao koa ! :-w:-w:-w:-w:-w
13. Veloo ( 20/01/2006 17:41)
lapino a :wink::-D:-D:-D
ny anti-krista ry reto dia izay rehetra tsy manaraka ny baiboly aaaaa, olona izay mitomany oe izy no kristy, mitomany oe misolo an'i kristy eto an-tany
14. marozevo ( 21/01/2006 00:34)
Tsara be ity fa vetivety dia mivadika koa...
ANTI = contre -- manohitra.
Christ = Zanak'Andriamanitra na koa hoe voahosotr'Andriamanitra.

Dia azo sintonina amin'izany fa na iza na iza, na taloha na ankehitriny na ho mandrakizay, dia Antichrist izay rehetra mandà fa tsy Zanak'Andriamanitra i Kristy. Noho izany, izay mandà ny fisian'i Jesoa ara-tantara dia efa ao anatiny.
Aoka anefa hazava fa tsy manana dika tandancieux io teny io(Izany hoe tsy mifono hevitra ambadika), fa toy ny hoe Anti-capitalisme.. anti-clericalisme ... anti-Ratsiraka sns..
15. routa ( 21/01/2006 06:27)
marozevo > ekena :wink
16. jentilisa ( 21/01/2006 09:25)
Iazy rehetra manohitra an'i Jesoa no atao hoe anti-kristy izany hoe manohitra ny mahaizy azy! manohitra ny fisainany koa!
Tsy fantatro loatra indray aloha izany gothique heviny hafa izay e!
17. dadabe ( 21/01/2006 12:47)
hoy i marozevo
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 21-01-2006 04:34:33
Lohateny : Re : Iza no antikrista
Tsara be ity fa vetivety dia mivadika koa...
ANTI = contre -- manohitra.
Christ = Zanak'Andriamanitra na koa hoe voahosotr'Andriamanitra.

Dia azo sintonina amin'izany fa na iza na iza, na taloha na ankehitriny na ho mandrakizay, dia Antichrist izay rehetra mandà fa tsy Zanak'Andriamanitra i Kristy. Noho izany, izay mandà ny fisian'i Jesoa ara-tantara dia efa ao anatiny


mazava izany fa zao e: hono hoa :azo lazaina ho antichrist ve ny misolo tena ny zanak'Andriamanitra sa tsy anti christ e?
18. Veloo ( 22/01/2006 00:15)
jereo ao @ II jaona 1: 10 ny valiny.. afaka mamaky ny andininy faha : 7 - 10 nareo...teny anglisy any ahy ka tsy tiko soratana eto... ny titre: Be aware of Antichirst deceivers":wink:
19. marozevo ( 22/01/2006 01:35)

Volaza etsy ambony :
mazava izany fa zao e: hono hoa :azo lazaina ho antichrist ve ny misolo tena ny zanak'Andriamanitra sa tsy anti christ e?

raha ohatra ka i Kristy no naniraka ilay olona hisolo tena azy dia tsy antiChrist io olona io, fa raha sanatria... raha sanatria hoy aho... izany hoe misy ihany fa mahalana... raha sanatria ka NISORA-TENA TOA VOATANGO TANORA izy, na NANIRA-TENA HIANTSENA toy ny inona moa izy teo tsy tsaroako... dia izay angamba mety ho antiChrist. fa ny tena tiana hambara amin'ilay ANTIKRISTA koa manko dia ny manohitra ny TENY NOLAZAIN'i KRISTY eh.
20. lapino ( 22/01/2006 01:41)
Veloo: :roll::roll::roll: efa hoe ...

Veloo: http://baiboly.org/ raha hijery teny gasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4826