Mitahy ny razana-> démostration!

1. rainisalama ( 13/01/2006 23:02)
Raha razana tsy mitahy dia mifoha mihady vomanga.Kanefa tsy mbola nahita razana nihady vomanga isika,noho izany dia mitahy ny razana!:lol:
novalian'i Vahinala ny 26/01/2006 08:26
2. lapino ( 14/01/2006 00:36)
Iza aloha no efa nahita razana nitahy e? :-D:-D
3. dadou ( 14/01/2006 03:47)
RAHA MITAHY NY RAZANA TSY NISY GASY 4AMIS
4. Herimiafina ( 14/01/2006 04:00)
Ary aiza hoa i Radadatoa izay e? Dadatoa o, aiza enao, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
5. rainisalama ( 14/01/2006 04:41)
lapino:

Iza aloha no efa nahita razana nitahy e? :-D:-D
Izaho tena mahatsapa sady efa nahita my fitahian'ny razana.vokatra foana ny vary ambolen'ny olona any ambanivohitray isan-taona izao,nohon'ny fitahian'ny razana.
:lol:


6. dadabe ( 14/01/2006 05:53)
izany an!!hummm:°)
7. Herimiafina ( 14/01/2006 06:27)
Arakarak'ilay hoe razana io kah, sao mantsy de le karazana razana mangatampitahiana amin'ny velona ireny!!
8. dadabe ( 14/01/2006 07:15)
ahoana ihany koa izany le ?
9. jentilisa ( 14/01/2006 07:45)
tena aleo tsy mifoha koa ilay razana na tsy hitahy aza fa manjary lasany ny vomanga kely mba misy eto amin'ny tanàna e!
10. dadabe ( 14/01/2006 08:55)
:D:D
11. lapino ( 14/01/2006 09:41)
efa nahita àry ve i rainisalama hoe "Io ilay razana io, izao no atao hoe mitahy" ohatra ny tsy nahitanao koa hoe "Io ilay razana io fa mihady vomanga"!
12. jentilisa ( 14/01/2006 09:54)
fa vao mitsangana ny tanany ho'aho dia nitsoaka daholo ny pokona...aiza moa no hisy fitahiana azo avy amin'izany? ilay razana amin'io saiky hitso-drano an!
13. jefra ( 14/01/2006 10:33)
Raha hiandry hahita vo hino tsy misy fivavahana intsony. Tsy milaza aho hoe ivavahana ny razana, fa ny A/tra inoako mbola tsy hitako maso ihany koa.
D mino fotsiny ihany, d amboarina ny saina arak'izay miseho eo!
14. hery ( 14/01/2006 11:36)
Dia raha mitahy ny razana dia inona sy inona avy no fepetra hahazoana an'ilay fitahiana?
15. Vahinala ( 14/01/2006 11:42)
Mitahy ny razana ??????? Olona efa maty lasa vovoka koa hiandrasana hitahy ahoana ndray e, tsy azoko koa zany, raha olona tsy mpino an'Andriamnitra dia tokony hino ny fisihan'izany.
16. jentilisa ( 14/01/2006 12:38)
Aiza kosa e! Andriamanitra aza tsy hinoany ve dia hino ny razana izy? mba diso kosa angamba izay e!

Ary maninona kosa ary no aty amin'ny fihavaratra vao miresaka izany (eto Dago io) nefa ririnina ry zalahy no rakofan-damba? sa misy fomba atao hahazoana fitahiana amin'ny fahavaratra koa?
17. dadabe ( 14/01/2006 16:13)
hono hoaa hitanareo rehefa misy manao famadihana ireny , dia misy ilay mpanandro ireny mandeha mialoha eny 2 varavaram-pasana dia mandondona eo dia manao hoe " any inareo ra....tonga eto izahay hamangy anareo ary hamono lamba anareo ka mangataka anreo mba vohay dia tahio ny fianakavianareo .."

humm de lasa ny saiko hoe ary raha tia tokoa moa ka misokatra tampoka le fasana ary dia misy feo mivoaka ao amanao hoe " eny ary fa hitahy azy zahay e, sady @ feo kentsona dia ahona e e :{:{:{
18. cutie ( 14/01/2006 17:13)
fa ny razana ve tsy fanahy ???
19. pissoa ( 14/01/2006 17:50)
dadabe > :-D:-D:-D
20. booboo ( 14/01/2006 18:10)
mitahy ny razana : ny tany navelany ho an'zay taranany, ny trano natsangany, ny harena nohariany foiny ho an'ny taranany ... izany no atao hoe fitahian-drazana ... ho an'izay mbola mahatadidy ny lesony filôzôfia malagasy t@ terminale :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2037