Mitahy ny razana-> démostration!

61. booboo ( 22/01/2006 13:27)
:roll:
62. marozevo ( 22/01/2006 20:15)
lapino:

marozevo = vahinala ozizy ny razana! :-D:-D



Inona ary ity ?
Fa vahinala ve izany inona ? raha araka ny fahazoako izay lazain'i hermiafina dia hoe razana ve izany i vahinala? Misangaojy aho fa ampisangaojian'i herimiafina.
63. Herimiafina ( 22/01/2006 20:30)
Marozevo: I Lapino io fa tsy i herimiafina kah!!!!
Ny lohahevitra dia nampanantena demonstration ka dia saika hanao demonstration izaho, de niantso ny razana mba hitondra an'i Vahinala hanoratra ato, kinanjo i Marozevo no nipoitra, donky tsy nitahy ahy ny razana, izany hoe tsy mandaitra amiko izany ny fitahian'ny razana!:P
64. Vahinala ( 22/01/2006 20:46)
Abrakadabra iny aho ry Herimiafina fa nirahan'ny razana hamaly anao ! :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
65. dadabe ( 22/01/2006 23:59)
kay le!! misy manao mazia mazia ato izany kle :{

hummm
66. cutie ( 23/01/2006 12:42)
: lapino [ Valio ] 20-01-2006 13:54:55
Lohateny : Re : Mitahy ny razana-> démostration!
Hoy i cutie:

tsy aritry lapino mitsy le resaka fanahy , aiza aza ny fanahinao @ zao fotoana zao e



Ka eritrereto ange e! Ny olombelona dia VATANA + SAINA + FANAHY
- Vatana: ny faritra hita maso sy azo tsapain-tanana amin'ny olombelona.
- Saina: tsy hita maso, fa ny saintsika rehetra dia samy manaiky fa manan-tsaina ny olombelona. Heverina fa ny atidoha no mahatonga antsika hanan-tsaina.
- Fanahy: Iza amintsika no afaka hilaza momba ny azy? Ny ahy aloha tsy haiko hoe aiza no misy azy, tsy misy fantatro ny momba azy, kanefa azoko antoka fa misy izy.

Izaho sy ny razana samy olona, samy manana fanahy! Saingy ny ahy mbola tsy nisaraka tamin'ilay vatana. Tsy fantatry ny fanahiko anefa hoe afaka hitahy ve izy raha miala amin'ilay vatana?

Satria aho manana fanahy, mila mahafantatra momba ny fanahiko aho vao afaka hiresaka momba ny an'ny hafa mitovy amiko. Ary mila manana voambolana mifanaraka amin'izay koa.

Dia ahoana izany Andriamanitra? Ohatra ny ahazoako antoka fa manana fanahy aho, izay tsy haiko hazavaina, no ahazoako antoka koa fa misy Andriamanitra, ary tsy lavitra! Na tsy fantatro aza hoe aiza, ahoana no endriny, ohatrohatra ny ahoana, sns ...

Samy manana ny heviny marina, ny ahy fotsiny de zay e, ny razana dia fanahy koa. Arakaraky ny finoanao ihany io,fa ny anareo mandray ara-bakiteny fotsiny we refa mino ny fitahian'ny razana zany de we ny dikan'zany mivavaka aminy ??
Resaka finoana io amiko .
67. dadabe ( 23/01/2006 12:45)
cutie a ka ny razana anie =faty e=tsy mihetsika intsony fa ny fanahiny hafa mihitsy :roll:
68. cutie ( 23/01/2006 12:46)
dadabe , ka ny fanahiny anie no resahintsika fa tsy ny vatany e lol
69. jentilisa ( 23/01/2006 13:09)
Fa ny razana aloha tsy mitanin'andro mihitsy e! :-D
sa inona moa ilay resaka?
70. eprom ( 23/01/2006 13:12)
rainisalama:

Raha razana tsy mitahy dia mifoha mihady vomanga.Kanefa tsy mbola nahita razana nihady vomanga isika,noho izany dia mitahy ny razana!:lol:

Misy fehezan-teny 2 eto :
1 : Raha razana tsy mitahy dia mifoha mihady vomanga
2 : Kanefa tsy mbola nahita razana nihady vomanga isika,noho izany dia mitahy ny razana!
Ny fehezan-teny n°2 eto no fanaporofoana fa mitahy ny razana. Mety tsara ny raisonnement avy eo @ 1 mankeo @ 2. saingy ity lalantsaina ity de mila mi-supposer fa marina tsy iadian-kevitra ny fehezan-teny n°1 ( axiome eto izany ny fehezan-teny n°1) izay niaingana.
Fehiny : mila manaporofo rainisalama eto fa marina tsy iadin-kevitra ny fehezan-teny n°1 vao azo raisina ny fanaporofoana 1->2. Tsy ampy izany ity demonstration ity. Mitovitovy @ hoe : ny akoho no tsy mba nanidina, tsy nahandry ny andro zoma. Ny akohonay nijanona tao ampisoko hatramin'ny sabotsy=>manidina io izany.

71. lapino ( 23/01/2006 18:00)
marozevo:

lapino:

marozevo = vahinala ozizy ny razana! :-D:-D



Inona ary ity ?
Fa vahinala ve izany inona ? raha araka ny fahazoako izay lazain'i hermiafina dia hoe razana ve izany i vahinala? Misangaojy aho fa ampisangaojian'i herimiafina.




Izao e: nangataka tamin'ny farmasiana tao am'tanàna aho izany hoe omeo efferalgan. Doliprane anefa no nomeny ahy. Nanontaniako izy hoe fa ahoana, dia mitovy ihany ireo hoy izy (satria samy paracétamol).

Tsy misy hevitra ambadika io, fa sao misy fanahy mora tohina an! :wink:
72. lapino ( 23/01/2006 18:08)
cutie:
Samy manana ny heviny marina, ny ahy fotsiny de zay e, ny razana dia fanahy koa. Arakaraky ny finoanao ihany io,fa ny anareo mandray ara-bakiteny fotsiny we refa mino ny fitahian'ny razana zany de we ny dikan'zany mivavaka aminy ??
Resaka finoana io amiko .

Raha valin'ny nolazaiko io aloha, tsy niteny na ni-insinuer mihitsy kosa aloha aho hoe mino = mivavaka. Fa ny olona (i cutie ohatra :wink:) no efa manana ao an-tsaina hoe izay rehetra mino fa mitahy ny razana dia "systématiquement" hangataka fitahiana amin'ny razana, izany hoe mivavaka amin'ny razana.

Izaho anefa, na mino aho na tsy mino fa mitahy ny razana, dia tsy any mihitsy aho no hangataka fitahiana, fa aleoko any amin'ilay afaka manome bedebe na tsy ho ahy aza.

Ary ny ahafahako mino na tsy mino an'izay, dia mila mahafantatra ny fanahiko aho aloha, vao mety ho afaka hahafantatra ny fanahin'ny hafa sy ny mety ho vitany.

Fa ny "inoako nefa tsy mahita" dia Andriamanitra ihany.
73. Herimiafina ( 23/01/2006 19:48)
Vahinala:

Abrakadabra iny aho ry Herimiafina fa nirahan'ny razana hamaly anao ! :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D

Ary tena nitahy ihany ny razana klé. Fa saingy le message natsipiko fotsiny no somary taraiky vao tonga any amin-dry zareo. hehehehehe=))=))



74. marozevo ( 24/01/2006 00:23)
Oay, azafady ry Herimiafina ah... Nifangaro ny saiko dia nifangaro koa ny olona... Tena nisangaojy aho marina teo eh. Ary hatramin'izao eto amin'ity loha hevitra ity.
75. Vahinala ( 24/01/2006 08:42)
Herimiafina > Mbola sahirana namaly fangatahan'olonkafa ny razana dia somary taraiky vao voarainy ny hafatrao e ! :-D:-D:-D:-D:-D:-D
76. cutie ( 24/01/2006 20:50)
lapino [ Valio ] 23-01-2006 22:08:48
Lohateny : Re : Mitahy ny razana-> démostration!
Hoy i cutie:
Samy manana ny heviny marina, ny ahy fotsiny de zay e, ny razana dia fanahy koa. Arakaraky ny finoanao ihany io,fa ny anareo mandray ara-bakiteny fotsiny we refa mino ny fitahian'ny razana zany de we ny dikan'zany mivavaka aminy ??
Resaka finoana io amiko .

Raha valin'ny nolazaiko io aloha, tsy niteny na ni-insinuer mihitsy kosa aloha aho hoe mino = mivavaka. Fa ny olona (i cutie ohatra ) no efa manana ao an-tsaina hoe izay rehetra mino fa mitahy ny razana dia "systématiquement" hangataka fitahiana amin'ny razana, izany hoe mivavaka amin'ny razana.

Izaho anefa, na mino aho na tsy mino fa mitahy ny razana, dia tsy any mihitsy aho no hangataka fitahiana, fa aleoko any amin'ilay afaka manome bedebe na tsy ho ahy aza.

Ary ny ahafahako mino na tsy mino an'izay, dia mila mahafantatra ny fanahiko aho aloha, vao mety ho afaka hahafantatra ny fanahin'ny hafa sy ny mety ho vitany.

Fa ny "inoako nefa tsy mahita" dia Andriamanitra ihany.

lapino , efa zay zany e, tano ny finoanao , de ny ahy koa tanako.
77. Vahinala ( 24/01/2006 21:21)
Samia marina mitàna izay finoany sy eritreriny e, sarotra be ny hifandresy lahatra amzany, i Vahinala aloha dia tsy mangata-pitahiana amin'ny razana izany no sady tsy mino an'izany d zay no comment.
78. xxx ( 24/01/2006 22:03)
Vahinala:

Samia marina mitàna izay finoany sy eritreriny e, sarotra be ny hifandresy lahatra amzany, i Vahinala aloha dia tsy mangata-pitahiana amin'ny razana izany no sady tsy mino an'izany d zay no comment.




samihafa be ilay "mitahy ny razana" sy "mangata-pitahiana amin'ny razana"
79. Vahinala ( 25/01/2006 15:18)
xxx > Mety ho marina aminao zany fa tsy marina amiko, ianao mety mino fa za tsy mino, ianao tsy haharesy lahatra ahy za koa tsy haharesy lahatra anao, d zay OK ve ???
80. marozevo ( 26/01/2006 00:44)
Fa angaha natao hifandresen-dahatra indray ity serasera ity ry havako ? fa angaha tsy natao hifampizarana hevitra. Ndraindray tokoa anie izy ity manana endrika evangelisation izany eh... asa na azonareo ny tiako hambara ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3465