Mitahy ny razana-> démostration!

41. dadabe ( 18/01/2006 02:46)
hiohihiihihi
cutie zany an
Mpandefa : jefra [ Valio ] 16-01-2006 15:51:26
Lohateny : Re : Mitahy ny razana-> démostration!
Tsy hoe ivavahana vao mitahy ange!
Ny ahy d ampitoviako @ fisian'ny olomasina (St Francois, St Joseph, Ste Spohie) d tohizako hoe razana Dadabe, razana Nenibe. Personnel sy akaiky ahy kokoa noho St Jean ireo, fa samy tsy misy ivavahako.

esory kalou le razana DADABE e :evil:
42. naritsimba ( 18/01/2006 04:21)
samy manana ny finoany io e
43. dadabe ( 18/01/2006 05:55)
hihihii:D
44. cutie ( 19/01/2006 12:44)
tsy aritry lapino mitsy le resaka fanahy , aiza aza ny fanahinao @ zao fotoana zao e :-D
45. fijo ( 19/01/2006 21:53)
mahagaga ahy hianareo.tsy minoa ny fitahian'ny erazana ianareo nefa mino ny fitahianandriamanitra.
-tadidio fa ny razana,dia olona niara niaina taminareo taloha,nitia anareo,niaro anareo,niahy anareo,nanao izay azony natao rehetra momba ny hoavinareo.
-andriamanitra dia tsy mbola hitanareo,ary tsy mbola nisy nahita azy akory na izay milaza fa zanany aza.tsy mbola niresaka taminareo,tsy mbola namaly indray mandeha akory raha niantso azy ianareo.

koa raha toa ka hisy ve ny fitahiana.iza no tokony hitahy anareo kokoa,ilay olona niaina niaraka taminareo sy nitia anareo ve sa izay tsy mbola hay akory na ny fisiany aza?

misy,mamely etsy ambonyhoe raha nitahy ny razana,tsy nisy 4mis.ie fa andriamanitra izany mamela ny hisian'n 4mis?
misy koa ny mamely hoe ;"olona efa maty ve hitahy aiza?"ie ary izay tsy mbola nisy nahita ve hantenaina hitahy rahoviana??
46. marozevo ( 20/01/2006 00:14)
Toa ohatran'ny efa noresahina tary aloha be tary ity hevitra ity ry zareo ah ... Koa tsy aleo i Rainisalama mamadika kely ny pejy dia mahita hevitra be dia be ao..
47. majesty ( 20/01/2006 06:07)
ny tenany aza tsy voaarony amin'ny mpangalatra taolam-paty kou inn no iarovany anao eo :-D8O:twisted::D:D
48. jentilisa ( 20/01/2006 06:52)
Fijo> sahiko ny milaza aminao fa izaho dia efa niangavy tamin'ny alalan'ny vavaka ary namaly ahy tamin'ny fitenenana tokoa izy...saingy amin'ny fomba tsy mety azoko hatramin'izao...sady notanterahiny rahateo izay nolazainy tamiko!

Mbola miankina amin'ny finoana aho satria zavatra saro-pantarina no namaliany ahy!
na ianao aza rehefa tena mitady azy ianao...aza milaza amin'iza na iza akory, na dia izaho aza, fa hamaly anao amin'ny fomba tsy ampoizina Izy. Ho gaga ianao fa na dia ny vavaka izay ataonao aza dia misy mitarika toy ny manoro izany hoe izao indray lazaina.

Fa izany toe-javatra izany no nampandroso ahy kokoa hanompo an'Andriamanitra!
49. Vahinala ( 20/01/2006 08:40)
fijo > Ka ny razana tsinona tsy Andriamanitra ka, olona mitovy aminao ihany ireny no maty lasa vovoka ary koa mbola hanagatahinao fitahianao koa ? Tsy haiko enao na mpino na tsia fa zahay mpino tsy mino an'izany e. Samy manana ny finoany koa io fa mitahy anao moa izy dia tsara zany ho anao fa inona no olana e ! :-D:-D:-D:-D
50. lapino ( 20/01/2006 09:54)
cutie:

tsy aritry lapino mitsy le resaka fanahy , aiza aza ny fanahinao @ zao fotoana zao e :-D


Ka eritrereto ange e! Ny olombelona dia VATANA + SAINA + FANAHY
- Vatana: ny faritra hita maso sy azo tsapain-tanana amin'ny olombelona.
- Saina: tsy hita maso, fa ny saintsika rehetra dia samy manaiky fa manan-tsaina ny olombelona. Heverina fa ny atidoha no mahatonga antsika hanan-tsaina.
- Fanahy: Iza amintsika no afaka hilaza momba ny azy? Ny ahy aloha tsy haiko hoe aiza no misy azy, tsy misy fantatro ny momba azy, kanefa azoko antoka fa misy izy.

Izaho sy ny razana samy olona, samy manana fanahy! Saingy ny ahy mbola tsy nisaraka tamin'ilay vatana. Tsy fantatry ny fanahiko anefa hoe afaka hitahy ve izy raha miala amin'ilay vatana?

Satria aho manana fanahy, mila mahafantatra momba ny fanahiko aho vao afaka hiresaka momba ny an'ny hafa mitovy amiko. Ary mila manana voambolana mifanaraka amin'izay koa.

Dia ahoana izany Andriamanitra? Ohatra ny ahazoako antoka fa manana fanahy aho, izay tsy haiko hazavaina, no ahazoako antoka koa fa misy Andriamanitra, ary tsy lavitra! Na tsy fantatro aza hoe aiza, ahoana no endriny, ohatrohatra ny ahoana, sns ...
51. jentilisa ( 20/01/2006 13:57)
Izay mahita ahy dia maita ny Ray hoy izy!!!
52. marozevo ( 21/01/2006 01:02)
Vahinala:

fijo > Ka ny razana tsinona tsy Andriamanitra ka, olona mitovy aminao ihany ireny no maty lasa vovoka ary koa mbola hanagatahinao fitahianao koa ? Tsy haiko enao na mpino na tsia fa zahay mpino tsy mino an'izany e. Samy manana ny finoany koa io fa mitahy anao moa izy dia tsara zany ho anao fa inona no olana e ! :-D:-D:-D:-D



Tena mino isika mpino ka ... Ohatra, manao fomba fandevenana ara-Litorjia, mankalaza fetin'ny maty, manolotra lamesa ho fialantsasatry ny fanahin-dRanona na Ranona.... Saingy ny tena olana eto angamba dia ny teny na fehin-kevitra fonosin'ilay hoe MITAHY NY RAZANA... indrindra ilay teny hoe MITAHY. Ahoana aloha no tena andikantsika an'io teny io ? fakafakao tsara...
53. xxx ( 21/01/2006 04:19)
Vahinala:

fijo > Ka ny razana tsinona tsy Andriamanitra ka, olona mitovy aminao ihany ireny no maty lasa vovoka ary koa mbola hanagatahinao fitahianao koa ? Tsy haiko enao na mpino na tsia fa zahay mpino tsy mino an'izany e. Samy manana ny finoany koa io fa mitahy anao moa izy dia tsara zany ho anao fa inona no olana e ! :-D:-D:-D:-D



ary Jesoa sy Maria renin'i Jesoa angaha moa tsy olombelona
54. Herimiafina ( 21/01/2006 05:05)
O ry razana o! Ataovy mipoitra eo i Vahinala, hehehehehehehe:-D:-D
55. marozevo ( 22/01/2006 02:11)
Herimiafina:

O ry razana o! Ataovy mipoitra eo i Vahinala, hehehehehehehe:-D:-D



Inona ilay mipoitra ?
56. Herimiafina ( 22/01/2006 02:34)
Tena tsy nisy nitahy zah zany klé, sa diso fitahiana? Inona no marina, toa i Marozevo indray no nipoitra? hehehehehe:-D:-D
57. lapino ( 22/01/2006 02:49)
marozevo = vahinala ozizy ny razana! :-D:-D
58. Herimiafina ( 22/01/2006 03:23)
O ry razana malala o! Asaivo misy mamaly ity zavatra nosoratako ity afaka roa ora eo no ho eo, tsy maninona na plus ou moins 5 minitra aza, hehehehe=))
59. dadabe ( 22/01/2006 03:53)
oadray le!! fa i vahinala ihany ve no herimiafina e :-w
60. Herimiafina ( 22/01/2006 04:27)
Kay klé, mbola i dadabe ihany no nipoitra sady amin'izay 30mn taty afara izy no namaly, tena tsy mety le demonstration fa andraso ampiana bonbon gasy sy tany ravo ary toaka gasy kely de ivelezana akardeaou vetivetika klou, hehehehehe:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3298