Herinandro tsisy xxx

1. hery ( 11/12/2005 20:32)
Mandritra ity herinandro ity dia manao andrana tsisy xxx isika.
Inona no olana hitanareo?
Inona no mety mahatsara sy maharatsy azy?
Andramo mandritra ny herinandro aloha dia ho hita eo izay vokany :-)
novalian'i Fiffi ny 23/12/2005 07:03
2. Veloo ( 11/12/2005 20:42)
ieeeeeeeeeeeeeeeeeee=D=D=D
3. akamatiana ( 11/12/2005 21:14)
wééééééééééééééé hery an !!!=D=D=D=D=D=D=D
4. vale ( 11/12/2005 21:16)
Hery> mety hiety mety tsy hiety ihany kou! ny mahatsara azy dia: tsoriko alou fa zaho dia anisan'ny mampiasa an'io xxx io, tsy hoentiko hanaratsiana kosa aloha ny ahy e! fa resaka fangatahana toro-hevitra momba ny fiainanao manokana (vie privée) ohatra! dia mba voahaja ilay "intimité" @ izay fotoana izay!izay ny ahy no ilaivako azy!
Misy koa ny namana sasany milaza fa efa PS no ampiasaina eto, tsy ny rehetra anefa no nifidy hanao ps fa ny ahy manokana izao dia fenoiko ara-dalàna mihitsy ilay "fiche de renseignement" iny!sartia ao ny antony manokana; mety misy olona tsy hitako elabe ohatra dia mety eto @ ity serasera ity no hiahaonanay! ka raha PS no ampiasaiko dia tsy ho "possible "io!
fa nefa izay lanin'ny besinimaro ihany an!
5. Veloo ( 11/12/2005 21:35)
akama niotra kely ny anjy kle:-D:-D:-D
6. ravakamalala ( 11/12/2005 21:38)
tsara b!!!

dia jerena avy eo hoe mihena ve ny hafatra mandeha sa tsia!

vale > tsy maninn zany, raha ohatra ndry ka te haka torohevitra momba ny fiainana manokana dia tsy voatery anie hitonona hoe za fa maka ohatra fotsiny (namana, havana, mpiara miasa,...).
7. lapino ( 11/12/2005 21:56)
ravakamalala:
raha ohatra ndry ka te haka torohevitra momba ny fiainana manokana dia tsy voatery anie hitonona hoe za fa maka ohatra fotsiny (namana, havana, mpiara miasa,...)

Ndry zao ry ravakamalala namana de ahoana? :wink:
8. akamatiana ( 11/12/2005 22:06)
veloo :-D:-D:-D:-D tena adinoko lol
9. hery ( 11/12/2005 22:11)
vale> io lazain'i ravakamalala io mihitsy no tena fika kah.
Ny blem eto anie dia raha vao miresaka na mametraka fanontaniana dia tonga dia heverin'ny olona hoe ianao no lazaina amin'ilay izy e.

Raha misy manontany izao hoe "Inona no atao raha voan'ny angatra" (ohatra ratsiratsy ihany)... ny dikan'io tsy hoe izaho no voan'ny angatra... fa mety olona hafa miresaka amiko dia mba tiako hanontaniana hoe inona no atao ahafahako manampy azy sns.

Na izany aza dia tsy fitsapan-kevitra hoe hoesorina ve sa tsia ny xxx ity. Tsy mieritreritra ny hanala ny xxx mihitsy aloha amin'izao fotoana izao (be ny antony hafa) fa mba ahato kely fotsiny ny xxx ahitana hoe inona no vokany tsara na ratsy. Rehefa vita ny herinandro dia hapetraka indray ny xxx.

10. vale ( 11/12/2005 22:17)
ravaka, hery> ao fa misaotra betsaka fa tena tsy azoko an-tsaina iny !!!!!!!
11. dadabe ( 12/12/2005 00:34)
anjakaky oo inona indray ity fika ity sefo oo:{:^):roll::roll:
12. Fiffi ( 12/12/2005 05:21)
way !!!! faly ery i akamatiana @ tsy fisian'io xxx io an! izaho koa akia de mitovy hevitra @ ndriko an! hery: ka izao koa anie e! raha ohatra izao ka misy fanontaniana tian'olona iray hapetraka , raisiko io ohatra lazainao io an! hoe voan'ny "angatra" azon'ny namana tsara anie no milaza hoe " way ry zareo mba torohy hevitra aho fa mba misy olona fantako voan'ny angatra" fa tsy voatery akory izy milaza sy mitonona ilay ps-ny e! fa na izany aza aloha dia izaho aloha dia tena tsy lasa amiko ilay xxx e! be loatra koa ny fiatsarambelatsia azo hafenina ao ambadik'io xxx io . Tsy milaza akory aho hoe izay miafina rehetra @ io xxx io dia ratsy daholo an! fa mba misy fika hafa kosa ilazana azy e!sa tsy izany ry akamatiana ,:D:D
13. fasaly ( 12/12/2005 06:30)
saika handandrana zà fa tena tsy nety marina!!
aleo hijanona amzao e! amzay madio tsisy petina ny dinika sa ahoana an! zay tsy sahy miseho de tsy mametsaka tsikera...
14. diamondra27 ( 12/12/2005 06:59)
toa tsy mety xxx le izy e! nanandrana za fa tsy tafavoaka, tsy afaka mi-triche za e! SOS.

tena tsy asiana xxx intsony zany an! ka tsy ho lasa adala ve le xxx fa ahoana kosa izy no tapenambava e!, ny moana aza efa tsy fidiny.

Marina kanjo izany fa indraindray mahasosotra le xxx e! le refa vulgaire iny no tsy tiako fa rehefa oe kosa indiscret le question apetrany na réponse de tsy maninona raha ampiasaina ny xxx, fa marina mihitsy ny an'i vale, tsy zay mametraka question akory de concerné fa mety resaka nifanaovana t@ namana na mpiara miasa de mba aseho eto ahitana ze hevitry ny namana.
Zay no maha-serasera azy e!
Misaotra an'i hery manokana ny tenanay ...


15. dadabe ( 12/12/2005 11:24)
nobarazen'i sefo le xxx kle !! :evil:
16. fasaly ( 12/12/2005 12:07)
tsatsa njay bedada ve! tsy koi aky fa alefaso ami'ny maha bedada anjy amzay a!:wink:
17. Samoana ( 12/12/2005 13:14)
Aleo tapa-bolana mihintsy @ izay tsaroana tsara ity Noely sy taom-baovao ts'isy x ity e !:)
18. mamzelkely ( 12/12/2005 13:15)
aleo mandrakizay e:)
19. ari.malala ( 12/12/2005 13:30)
hihihi, tsara kosa le tsisy xxx ko! tsisy mpiadaladala tsony
20. yonikafopl ( 12/12/2005 14:23)
bizz doly klouu, milay le tsisy xxx hery aaaa, aleo mba ps no hiseho eee, ty misy fika 1 ho an le mpanao xxx, misorata anarana vaovao, de ataovy hafa am le tena ps tena izy na raha mety de ataovy xxx de rehefa te hanao xxx de le ps vaovao ampiasaina. amzay kou manko mba afaka andefasana hafatra enao avy eo ho fisaorana am fanaratsiana, satria hoy ny teny hoe : misaora izay manenjika anareo :):). Ny IP iray mou ry hery afaka mitondra ps hatramin'ny firy???:roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1751