Vonjeo ny fianakaviana

1. miaous ( 03/02/2005 13:21)
Raha te hahalala kokoa ny fitiavna sy ny tontolony dia mandehana @ seminera vonjeo ny fianakaviana ao Ambanidia izao @ 6-19 février ao @ FJKM Miandrarivo.
Tongava maro ary ê
2. chipie1 ( 03/02/2005 16:20)
hay ve mbola misy fona e? :-*
3. Tsiperifery ( 03/02/2005 16:43)
misy vidimpidirana natokana ho an'ny fianakaviana maro anaka ve sa rakitra no tatazana ? :roll:
4. chipie1 ( 03/02/2005 17:18)
gratos io ka!
5. xxx ( 03/02/2005 18:20)
Fa te hahalala ny fitiavana ahoana moa izy io? Moi je sais ce que c'est que fitiavana ka inona koa?
6. mihanta ( 03/02/2005 20:19)
raha tany aho dia mba nandeha
7. ikaretsaka ( 03/02/2005 20:20)
tsssss lasanko vavany fotsiny fa tsy handeha akory e
8. fijo ( 04/02/2005 00:28)
ka tsy any kosa izy e
9. naritsimba ( 04/02/2005 05:40)
Miarahaba antsika rehetraô!
Fantatro tsara ny fisian'io Seminera Vonjeo ny Fianakaviana io satria izaho dia efa nanmonjy an'io ary anisan'ny mpihira ny hira fanentanana mikasika io Seminera io. Maimaim-poana izy io ary indro omeko anareo ny Hira fanentanana izay ho renareo mandritra ny seminera rehefa manatrika ianareo. Io hira io dia hira vako-drazana izay nataon'ny Tarika HANITRA NENTIN-DRAZANA avy ao @ FJKM ZOARA-FANANTENANA Ambohipo ary anisan'ny mpiara-miasa @ Namanaserasera ihany koa,noho izany dia manasa anareo izay mbola tsy nanatrika ny seminera VONJEO NY FIANAKAVIANA fa ilaina izy io @ fiainana ary ho an'ireo izay efa nanatrika dia ny mamerina in-droa manana ny antitra.
ISAORANA MANOKANA NY NAMANA MIAOUS NANAO ITY FANENTANANA ITY.
TONGAVA MARO.
Indro ary ny tononkira.

AOKA ALOHA! AOKA ITSY!

Zovy no tsy mahalala ô!
Fa sarotra ny miaina ety?
Hendry ianao fa tsy adala ô!
Ka aoka re! aoka itsy!
Sao lavo efa tsy afa-miala ô!
Vao hianatra hifankatia

Azafady aminao izay mihaino
Aza tsiny aminao izay mitazana ô!
Tena tiako an\'ianao sombinaina
Ka meteza hatoroko lalana
O! ô! ô!!
Meteza hatoroko lalana ô!
Efa maro ireo mpifankatia
Nivoady fa hoe ho doria
Nefa indrisy vao tonga ny olana ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!
O! ô! ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!

Ho anao mafanafanan\'ny fitia
Ka te hamboraka,
Miankavanana, miankavia ianao
Ka te hiantoraka
Tandremo fa saro-pady anie ny tena
Aza miantoratora-poana
Seminera aloha vonjena re
Sao midona amin\'ny vody laona
Ry mpivady izay misanehaka
Efa anan\'ny lazon\'ady
Ny vao tsy manitra re no ratsy
F\'ianareo efa galy fantsy
Miala maneno akoho
Maneno alika indray vao mody
Tsy te-hahita tava ilay vady
Ompaina iantsoana tody
Efa leon\'ny mifamaly
Te hamonjy tribonaly
Sao tsy hay re ny nitia
Aoka aloha re! aoka itsy!
Meteza kely handini-tena
Ka andeha re vonjeo ny seminera

Azafady aminao izay mihaino
Aza tsiny aminao izay mitazana ô!
Tena tiako an\'ianao sombinaina
Ka meteza hatoroko lalana
O! ô! ô!!
Meteza hatoroko lalana ô!
Efa maro ireo mpifankatia
Nivoady fa hoe ho doria
Nefa indrisy vao tonga ny olana ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!
O! ô! ô!
Ny efa vita aza mbola narodana ô!

Ilay Ray fanimpanina
Tsy mba mety milamin-tsaina
Ny reny tsy mihinan-kanina
Satria ilay sombinaina
\"Je t\'aime\" fotsiny ihany dia lasa
Hiverina ve sa asa?
Toa namelona zana-baratra
Kivikivy satria voaratra
Aoka kely re! aoka itsy!
Antsoy ireo mpifankatia
Malakilaky f\'izao no LERA
\'Ndeha re vonjeo ny seminera

Ry Dada sy Neny, zoky sy zandry
Ry manam-panahy tsy tafandry mandry
Tandremo mahazo vahana ny ditra ô!
Ny tsara tadiavinao indray no ritra
Mitanjozotra ny tanora
Mamonjy \"bal\" sy foara
manala azy vita baka
Nefa betsaka no voabaraka
Sarontsaronana amin-kirahira
Ka firifiry moa no voaviravira
Efa hatry ny ela izany, tany aloha tany
Izay lavo ihany anie no mihosina amin\'ny tany
Raha tsy te ho maty hena
Seminera aloha vonjena
Ka aoka re! aoka itsy!
Vonjeo ity seminera ity.

Ireo vazaha milaza ho olo-mandroso ô!
Tsy miakatra ireny fa mikororosy ô!
Ny lehilahy indray no mifanambady
Ekena sy atao ny mariazy
Ny vavy koa dia toy izany
Tena loza amin\'ny tany
Ny rainy ve?... i Caroline
Ny reniny?...i Jacqueline
Loza ity... fa dia naninona?
Seminera ihany aloha banjinina

Fitiavana e! Fitiavana!
Fitiavanae! raha voakolokolo
Mamy be
Fitiavana e! Fitiavana!
Tandremo fa misy izy ireny
\"Cadeau empoisonné\"



Tonony: Pasteur RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa
Feony: RANAIVOSOLO William Casimir
Nandrindra: RAKAZY
Hira fanentanana: SEMINERA VONJEO NY FIANAKAVIANA
FJKM ZOARA-FANANTENANA AMBOHIPO
10. poupounesana ( 04/02/2005 06:35)
misaotra an'zay nanentana eh!
hoan'i xxx sura aho fa mbola misy tsy hainao ny @ fomba hitiavana oll sy ny hanehoana izany!
11. moi ( 04/02/2005 07:22)
Resaka fitiavana sy ny tontolony (oh : fitantanam-bola ao an-tokantrano, ny fanambadiana, psychologie comparée lahy sy vavy, dialogue conjugal, sexualité, fandrindram-piterahana ...) no hita ao. Tena misy ny Sekolin'ny fitiavana misy azy ity, ary nofintinina ao anatin'ny lohateny 12 izy rehetra.
Maimaim-poana hatrany ny fiofanana, nefa arakaraky ny mpikarakara ihany no mety hisian'ny rakitra na tsia. Ny FJKM Miandrarivo izao no niantso ity mpampiofana ity, ary manasa ny rehetra tsy ankanavaka fa rehefa ampy taona fotsiny dia izay, satria tsy resaka ho an-jaza ny ao.
Mihena be dia be ny fanontanianao momba ny fitiavana raha manatrika an'io ianao. Zay ny fanentanana mba azoko atao.
12. chipie1 ( 04/02/2005 08:02)
ary mbola i Ratovohery Eddy iany ve no manao azy ?
13. naritsimba ( 04/02/2005 08:22)
Mbola i Zoky Eddy sy Ramatoa Ernestine vadiny no manao azy io ka!
14. booboo ( 04/02/2005 11:43)
kay chipie1 koa mpanatrika an'io ? zà in-1 ihany no nanatrika t@ tany fa tiako :D
Zà klou manentana mafy mitsy oe tongava izay manam-potoana fa mahasoa
15. chipie1 ( 04/02/2005 12:42)
booboo> ié
16. Dezy ( 04/02/2005 13:12)
kay chipie ty kay à la page ny any kou ,za zao vao mba nahita io marina
ra xxx io zany no efa eny @ tampon'ny fitiavana??? :-D :-D :-D :-D
17. ikaretsaka ( 04/02/2005 19:29)
dia inona sy inona aby tokoa aloah no resahana amin' io ko?
de fianakaviana very ahoana moa izany vonjena izany
misaotra mialoha raha misy afaka mamelabelatra misimisy kokoa
18. cutie ( 04/02/2005 22:41)
anga tsy titre fotsin le vonjeo ny fianakavina?
19. hery ( 07/02/2005 08:02)
Izaho aloha efa nanatrika an'io indroa sa intelo... fa raha avec dia sarotra ihany ilay mandeha any satria dia voafantsipantsika eo ialahy :-)
Fizarana expérience amin'ny fitiavana no ataon'i Ratovohery Eddy... tsara ilay izy. Indrindra ho an'ny olona tsy tia manandrakandrana etsy sy eroa. Ireny sipa hendry be tsy mahalala nin nin ireny dia encourager-ko mihitsy mba ho any satria any mba mampisokatra. Fa tokony ho any koa ny kofa maditra... (tsy avec wah) hitsakotsakoany ny hozatry ny fitiavana :-P

Mazotoa e.
20. ikaretsaka ( 07/02/2005 23:22)
ahan!
ary ahoana ilay sipa maditra be sy fotsy varavarana ireny?
sa reny tsisy resaka?
hitako t@ statistika nnataon'ny fiasan-drabainina taloha manko heo any dago hono @ izao fotoana dia lasa vraky be ny sipa lasa fotsy varavarana sy le sipa indray no miodina ara tokatrano! (60 % izany raha 37% t@ 1990)

lazain'ilay stat hoe vokatry ny fiparitahan'ilay lamaody sy ny fitiavana te hitovy @ fitafin'ny olona de rehefa sendra mahita bandy mitondra vam de lasa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3819