Vonjeo ny fianakaviana

81. moi ( 01/04/2005 05:47)
Averina ihany fa amin'ny alahady 03 aprily ao amin'ny Falda ny fanokafana, ary izay sendra tsy afaka amin'io dia mbola mahazo mijapy eny an-dàlana eny !

"Aza tonga izay tsy liam-pivoarana"
82. Ramaso ( 01/04/2005 06:31)
za lo tsy partisan raha hoe ny atao hoe liam-pivoaranadia mbola mino an'ilay hoe "aza ny ataony no atao fa izay lazainy no tanteraho"
Ko raha ts'inona ko!
inona zoa ny mampivoatra @zany?
Tsy norm sy tsy mivoatra amiko de ny miteny hoe ratsy ny mangalatra nefa izy miteny no lohandohan'ny mpangalatra
asa aloha e
83. moi ( 01/04/2005 12:35)
Izaho manokana aloha dia mahay mandray izay mety tandrify ahy amin'ny zavatra toy itony e ! Saingy tsy hoatr'ahy daholo ny tsirairay.
Sady tsy fijeriko izany hoe tsy misy raisina rehefa tsy mifanaraka ny lazain'ny vava sy ny atao. Ny tsy mahay maka lesona no sahala amin'izany.

Efa nolazaiko teny ambony ihany ary averiko eto fa misahana lafim-piainana maro, raha tsy ny lafim-piainana rehetra mihitsy ity seminera ity (fitiavana sy ny tontolony, fanambadiana, fitantanam-bola, fandrindram-piterahana, sexualité, fitaizana, fivavahana ...) ka raha tonga lafatra, na mbola mba metimety ihany ny fiainanao amin'ireo, dia aza misahirana mandalo akory. "Aza tonga izay tsy te-hivoatra".
84. fijo ( 01/04/2005 22:10)
tongava moi de homano ny vola fa ao le boky an.
85. moi ( 04/04/2005 09:14)
Za ndray miezaka mba ho tonga fa tsy mpitaona fotsiny, sady mba manamarina izay efa reko fa tsy mihaino vavan'olona fotsiny.

fijo > Resaka boky ve ? Efa misy K7 complets koa, na audio na video. Saingy hafa ihany ny "live" gratuit. Any anaty support tsy mba misy illustration tantara firy fa amin'ny ankapobeny résumé sisa (après filtrage). Raha 2h ny séance iray en direct, eo amin'ny 1h15 ny be indrindra raketina K7. Sady tsy anaovana dokam-barotra mihitsy, satria tsy mahasolo ny fanatrehana mivantana, fa fitiavana fotsiny ny mpanatrika mila souvenir na tsy naharaka lohateny sasan-tsasany.
86. fijo ( 05/04/2005 22:18)
ka dia tongava ary dia vidio daholo koa ny K7 sy ny video e.aleo izahay hisotrosotro
87. moi ( 18/04/2005 09:13)
Dia nanaraka mivantana indray tsy tapaka an'ity seminera ity indray ny tenako, ary manamarina fa na dia tsy misy hihainan'ny mpampiofana mihitsy aza izay nolazainy rehetra, dia betsaka kosa ny fahamarinana sy ny fahalalàna nozarainy, ary ohatry ny manitatra aho raha milaza hoe nahita secrets.
Koa misaotra an'ilay nampiditra ity lohateny ity tato fa nampahafantatra vaovao.
Efa nampahafantarina ny toerana mety handalovan'ity seminera ity hatramin'ny faran'ny taona, ka hampitaina eto ihany izay tena raikitra.
88. fijo ( 18/04/2005 23:04)
enao aza izany mihaiky fa tsy hiainana izay lazainy koa tsy hitako intsony izay lazaina fa io tonga amin'ilay hoe "izay lazaiko tanterao fa aza ny ataoko"
89. spidherimanina ( 27/05/2005 11:41)
AMPATSIAHIVINA ISIKA fa hisy an'ity seminera" vonjeo ny fianakaviana ity" ao @ FJKM Amboditsiry-Mifankatia manomboka @ Alahady 04 juin 2005 izao @ 4 ora hariva.Raha mila fahasitranana ianao eo @ fiainanao araky ny nolazain'i moi eo ambony eo dia TONGAVA .Raha tsapanao moa fa ho voakitika ilay point sensible ao aminao dia ireto 2 ireto no hitranga:
- na hoy ianao hoe tsaboy aho dia ho sitrana=tonga hanatrika io seminera io ianao,
- na hoy ianao hoe: avelao aho sy ny hadalako ary ny aretiko ho eto ihany fa aza mifanelingelina @ izay seminera izany é, dia malalaka ianao
NEFA hoy aho hoe TONGAVA DIA NYTOMPO JESOA Ilay mahay ny zavatra rehetra jerena fa Izy no mahavonjy anao fa TSY NY OLOMBELONA MANANA NY KILEMANY akory ....
90. zananikely ( 10/08/2005 14:30)
Tsy ho avy hiantso ny marina aho hoy ny Tompo Jesoa fa ny manota hibebaka.Ary ny vehivavy janga aza mety hialoha lalana antsika any @ fanjakan'Andriamanitra.Fa izay maharitra hatramin'farany no hovonjena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1743