fahasarotam-piaro

1. bealah ( 23/06/2004 10:06)
Inona no mahatonga ny olona ho saropiaro ?Efa toetra ve sa .....?
novalian'i tolotra ny 18/07/2004 14:46
2. ille ( 23/06/2004 12:31)
Toi ve klou saropiaro sa tsia eh?
Raha saro-piaro toi de fa maninona no saro-piaro!
Raha tsia indray de famaninona koa ? dia jereo sy anontanio koa ny olona miaraka aminao! voavaly ho azy ny fanontanianao amin'izay
3. voninkazokely ( 23/06/2004 13:26)
Tiana matoa arovana !
4. booboo ( 23/06/2004 14:04)
ekena tanteraka !
5. tequila ( 23/06/2004 15:46)
Fitiavan-tena raha tafahoatra , tsy fitiavana raha tena tsisy hono nefa!

Afaka tsy saro-piaro nefa raha ny hevitro .

Efa resa-be teto io e!
6. mabloo ( 23/06/2004 16:49)
marina tokoa io, afaka tsy saro- piaro raha mahatoky tanteraka sy manome fahatokisana ilay tiana!!ny hoe arovana indray tsy azoko loatra hoe arovana amin'in,miakina am'ilay ol miaraka aminao ny mahasaropiaro sy tsy mahasaropiaro raha ny hevitro,misy ny hoe ny fotoana sy ny circonstance maro samihafa no mahatonga olona iray saropiaro be!!
raha manome confiance ilay oltianao enao ka le olotianao ko azo itokisana ,angamba tsy misy raison tokony ahasaropiaro anao !!
zao anefa ny ol saropiaro daholo fa ny degreany no tsy mitovy!!mety hita hiseho mivantana mety ho masqué ko!
7. fijo ( 23/06/2004 21:40)
efa nadeha teto io resaka io,fa dia averina izany.
amiko io dia haretina satria tsy hitako izay hilana azy.
8. unik ( 23/06/2004 21:43)
hummm!!!
9. ikaretsaka ( 24/06/2004 05:47)
misy heviny 3 (efa hita teto daholo )

1) (vonikazokely) tiana dia arovana

2) (efa resaka nandeha teto) fitiavantena satria tsy te hahalala afa tsy ny tenanao ianao raha saripiaro satria ny anao ihany aloha

3) aretina.. aretimn-po .. aretintsaina.. farahavana ara-batana sy arapitaovana aterany (miady ohatra de misy akamely dia maratra)....

4) finoana?? midintra ny resaka mosavy sy sabotage sns
10. xxx ( 24/06/2004 05:58)
zà alou d voan'io aretina io mitsy @zao zany koa (raha marina fa aretina izy io)!misy sipa tara @ny oll miarak@ko sady tsy manafina mitsy manko.manao zay ahasaropiaro ahy mafy ery.izy koa tsy d ratsy.atao ahoana ny hahapipetraka azy?urgent svp
11. mimich ( 24/06/2004 09:43)
efa maromaro ihany izay lh hvtr momba ny hasarotam-piaro teto izay,
raha ny fiheverako azy dia izao voajanahary ny hasarotam-piaro raha atao @ tokony ho izysy @ antonony ( tsy logique izany olona tsy miaro izay ananany izany raha mbola tiana koa ), fa rehefa tafahoatra loatra dé efa aretina indray izany ka mila fandinihana
12. rambofrau ( 24/06/2004 10:20)
Izaho aloha ry ireto tena saropiaro indrindra raha ny olona miaraka amiko mbola mijerijery vehivavy eny andalana,le manaramaso zany an,tena matsiaro be za hoe tsy misy ilana azy angamba,nefa anie za tsy dia ratsy akory fa mba manja ihany.Normal ve izany ry vehivavy sasany? ahoana ny fihetsemponareo raha tratran'izany?
13. peluche ( 24/06/2004 10:33)
ny reko ndray dia saro-piaro hono ny olona iray refa tsy sur ny tenany,asa aloha
14. fijo ( 24/06/2004 22:34)
io voalazan'i peluche io no tohanako.
15. poupounesana ( 25/06/2004 09:24)
ie marina ny an'i peluche! raha manana confiance @tenanao sy @valeur-nao enao tsy tokony atahotra mihitsy hoe harian'le olontianao
16. pitchou ( 25/06/2004 16:15)
zà indray alou d tena mandiso tanteraka ireny saropiaro reny e! satria tsy matoky izy zany, na manery ilay iray ho tia azy fotsiny izao! raha tena tia d tsy saropiaro zany mihitsy ary tsy mitady ny hamefyu ilay ankilany mihitsy!
17. fijo ( 28/06/2004 22:42)
ekena izany ry pitchou saingy indrisy fa mbola maro no tsy te ahalala izany.
18. pitchou ( 29/06/2004 06:29)
d aleo zany ialana ko! hihihi
19. poupounesana ( 29/06/2004 10:45)
pitchou ah, zao kosa anefa io hasarotam-piaro io ange ndraindray tonga ho azy ary tsapanao tampoka eh naturel ange io rehefa tia eh!tsy maintys voan'io daholo ny olona rehetra tsy akanavaka na d ray segondra fotsiny aza!saingy le izy kosa alou jerena le maharariny azy sy ny diso tafahoatra eh.
20. pitchou ( 29/06/2004 13:07)
ka raha hasarota-piaro mitombina ange hafa fa ny ankamaroany tena otran'ny aretina mihitsy e! sady matoa wa saro-piaro d misy tsy fahatokisana ao anatin'ilay fitiavana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1387