HENATRA AO AN-TRANO

1. mijo ( 30/01/2004 16:19)
Tsy azoko mihitsy fa misy fianakaviana dia tsy misy henatra intsony ao an-trano.Ny zanaka lahy tsy menatra ny miboridana eo anatrehan'ny anabaviny na ny olona rehetra ao an-trano ?.Hitanareo mety ve izany ?.
2. hendry ( 30/01/2004 16:55)
Ka zany hono no atao hoe olona mandroso koa. Tsy haiko aloha hoe mandroso mankaiza
3. donemaskit ( 30/01/2004 17:26)
nga nareo tsy niara-nandro taloha ? raha eo @ mpianadahy aloha dia tsy hitako zay tokony hahamenatra e, na dia efa lehibe aza, fa ny zanaka sy Rad no tsy mety !
4. samoina ( 30/01/2004 19:08)
niara-nandro mbola kely sy efa lehibe samihafa tanteraka Ra-maskit a ! Rehefa tonga taona(puberté) miova be ny ara-batana ary misy fiantraikany ara-tsaina ka tsy tokony hifampiseho zava-miafina intsony, indrindra fa mpiray tam-po e ! Izahay izany nampandron'ny RaD taloha dia tsy maninona koa raha mbola tohizana izany ?
5. donemaskit ( 30/01/2004 19:15)
tsy raisina ohatr'zany ilay izy ry Samoina a, ny tiako tenenina dia hoe raha sendra hitan'ny anabaviko miboridana za ohatra dia tsisy manin zany, na za na izy. Tsy hoe mifampiseho ... nge e.
Fa samy manan'ny fiainany io e.
6. lema ( 31/01/2004 13:11)
samy manana ny fitazana azy io ka ny saszany notezaina tamin'ny fahalalahan-tsaina ny sasany tao anatin'ny hoe fady dé samy manao zay mahafalifaly ny fony
7. mozart ( 31/01/2004 14:31)
msy ihany ny fotoana tokony hahamenatra fa in'1'1 io tsy kobo akory fa lasalasa eny da samy manadio ny sainy e!!!!
8. lema ( 31/01/2004 15:32)
fa miborida ahoana moa no tian'imijo ho lazaina hoe hita hatram'i stallone ve?
9. lema ( 31/01/2004 15:34)
raha ohatra indray tsy hita i stallone dé eritrereto hoe mande eny amorondranomasina ny fianakaviana manontolo dé samy manao maillot daholo.
10. pitchou ( 31/01/2004 17:30)
raha tena mifanakaiky d tsy olana izany! tao aminay zao tadidiko tsara i mamanay narary tena tsy nahavita tena d ny anadahiko no nikarakara azy hatramin'ny nanasa azy satria ny zanany vavy tsy nisy teo ary ny anadahiko tsy hahavatra hieritreritra an'i mamanay tsy mandro sy tsy misasa izany! rehefa madio ny saina tsy hitako loatra izay olana!
11. donemaskit ( 01/02/2004 09:59)
zay mihitsy e. Fa ny hampandro an'i Dadanay kosa aloha tsy vitako e !!!!
12. pitchou ( 01/02/2004 10:41)
aleonao izy miosona @ loto v? satria voelingelina ny sainao? ny sakana ange ianao ihany no mametraka azy e!
13. donemaskit ( 01/02/2004 11:03)
zao aho miteny an'zany fa refa tokoa ny tokoa dia ...
14. xxx ( 01/02/2004 15:06)
Misy tokoa fianakaviana tena tsy misy resaka mpifady izany.Na ny anabaviny aza ao @ douche dia mbola miditra ohatra ny anadahiny fa mandeha ho azy izany @ zareo.
Misy koa bandy tsy menatra an'i Mamany izany mihitsy.
Nefa @ fomba gasy dia tokony tsy hanao an'izany.
15. donemaskit ( 01/02/2004 15:37)
ny fomba Gasy nge be dé be e, ary noforonina izy ireny, raha namorona ve ny Ntaolo tsy afaka hamorona koa ny ankehitriny ?
16. lema ( 02/02/2004 09:29)
néna ndray alou dé samy mamorona ny fombany e!
17. pitchou ( 02/02/2004 10:00)
marina mihitsy ilay nolazain'i done tery ambony tery: tsy sanatria hifampidera akory! ny vhv mahafantatra hoe sahala @ ahoana ny lhl ary ny lhl mahafantatra hoe sahala @ ahoana ny vhv! raha itsikilo no anton-dianao d henatra ho anao izany na lhl na vhv no tsikilovinao! raha ampiseho no eritreritrao d henatra hoa ano koa izany! fa raha mahita tsotra tsy itako loatra izay tokony andotoana saina?
18. ravatorano ( 02/02/2004 10:19)
io miakina amin'ny kranina iany io sy ny nahazata ary indrindra ny fomba nitezana ny tena araky ny efa voalaza tery ambony fa hamafisina fotsiny iany.
lé miboridana amiko dia mivoka hatramin'i Scharzzeneger fa raha mbola takona ilery dé tsy mibory ida na zany zà ary tsy mahametra anah ny mitondra an'iny miodina ao amboo ao.
19. oupsyyy ( 02/02/2004 10:56)
Refa madio ny fisainana de tsy manin amiko. Ny fiboridanana eo imason ny anabavy na ny reniny tsy midika hoe inceste amiko. io koa ny fomba nitazaina an ilay ankizy fony kely no mahtonga an'io.
Fa raha mbola eto Dago aloha de mbola fihetsika mahamohafady zany e
20. fijo ( 03/02/2004 20:21)
izaho na tany mada na aty izao dia zatra miboridana eran'ny trano.ka tsy hitako izay olana.ny anabaviko anefa dia tsy zatra an'io,fa dia tsy taitra koa rehefa mahita ahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4278