Feon-javamaneno toy inona

1. ikaretsaka ( 20/01/2004 10:27)
Ankoatran'ilay mpihira sy ny feony, ny mozika sy ny zava maneno koa matetika dia mitana toerana lehibe eo ary anisan'ny Maha hira ny hira:
Feon-java-maneno inona ary no tena manaitra sy tianareo ao anaty hira anakiray ka mahatonga anareo te hihaino ilay hira sy hankafy azy?
2. ikaretsaka ( 20/01/2004 10:35)
Gitara ohatra ve?
3. donemaskit ( 20/01/2004 10:41)
Arakarak'ilay mpanakanto io, raha "miavaka" izy @ gitara/piano/drums dia iny no manaitra.
Ny hitiavako hira ndray dia ny voalohany indrindra ny arrangement... na tsy misy azoko aza ny tonony.
4. ikaretsaka ( 20/01/2004 10:43)
Mitovy isika sy mazkita @ iny... fa ny ahy raha vao mamolaka ilay beso dia ao zay!
5. donemaskit ( 20/01/2004 10:53)
iny ndray raha vao diso jazz be loatra dia tsy zakako!
6. ikaretsaka ( 20/01/2004 10:54)
iny indray gout... ny feoana orgue koa misy ao tsara n
7. hery ( 20/01/2004 11:33)
Rehefa manao cabaret dia zavatra telo dia ampy.
Piano, Basse ary drums :)
Ny feon-javamaneno sokiriko ao anaty hira matetika dia ilay ballade-na gitara na piano iny...
8. ikaretsaka ( 20/01/2004 13:18)
mitovy isika sy hery @ iny.. fa aza adino koa ilay piano electric mitsaingoka kely iny
9. fijo ( 21/01/2004 11:29)
ny ahy dia ny farara.ny hira misy an'io matetika tsara be foana.
10. ikaretsaka ( 21/01/2004 14:30)
ary raha soloana angorodao ry fijo?
11. moi ( 21/01/2004 10:14)
Aza mba mihaino feon-dakolosy tokana ry zareo a !
12. ikaretsaka ( 21/01/2004 13:06)
zava maneno koa iny!
13. donemaskit ( 21/01/2004 17:44)
n'in n'in, na firy na firy ny instruments ampiasaina rehefa mirindra tsara sady original, dia efa basy e ! (tsy beso a)
14. ikaretsaka ( 22/01/2004 10:25)
Raha be loatra indray mahatofoka ka... ohatran'ny heo sady efa misy carry dia asiana cube jumbo dia asiana girofle dia canelle dia sira sy siramamy ... beeerk!
15. fijo ( 22/01/2004 11:39)
aleoko farara,satria ny feon'iny manintona lavitra be.henoy anie dylan e,sy iero blouseman avy any atsimon'ny US,hooker,water,sns
16. donemaskit ( 22/01/2004 19:46)
bonne mihitsy reny ra Fijo a.
17. ikaretsaka ( 22/01/2004 13:44)
asiany an'ilay hoe wooooawooooa ohatran'ny zazakely mitomany iny.... aoka fotsiny... ny ahy indray i Stevie wonder no tiako @ fitsofany farara
18. fijo ( 23/01/2004 11:23)
ny farara mihintsy no manatsara ilay hira.indrindra ny blues.mitaraina mihintsy izy amin'iny
19. ikaretsaka ( 23/01/2004 15:06)
ka izay ny maha blues azy ko,,,hira natao itarainana
20. donemaskit ( 23/01/2004 09:10)
fa RaFijo nga mitaraindraina no tia blues tahaka zany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.273