Manambady nefa manana sipa kely

1. ster ( 28/11/2003 14:06)
Dia tena heloka bevava mihitsy ve ?

Tsy azo atao tanteraka izany ?

novalian'i fijo ny 10/02/2004 10:57
2. xxx ( 28/11/2003 14:37)
olona tsy misy saina no manao an'zany rakoto an
3. ster ( 28/11/2003 16:45)
Efa fantatro fa tsy maintsy izay no ho valin-tenin'izay miresaka eo.

Fa mba jereo ihany ny côté sasany fa aza dia maimaika e !

Mbola vao resaka sy fitsarana kristiana anie izany lazainareo izany ry xxxxxx e !

Ary ny fomba fijery sasany ?
Tsy hoe miaro ny sujet-ko aho fa mba te-ahafantatra bebe kokoa !
4. hery ( 29/11/2003 09:57)
Aleo tokoa raisina amin'ny fo tsy miangatra... izany hoe amin'ny saina tsy misyresaka hoe kristiana etsetra.

Lafiny Ekonomika. Hisy fiantraikany amin'ny fitiavana an'ilay vady be ve ny fikarakarana an'ilay sipa kely? Amin'ny voalohany mety tsy misy fa rehefa manomboka mila vaniny ra-sipa kely satria izy tsinona mety hahatsapa hoe filàna fifaliana fotsiny, dia mety hitaky zavatra be be kokoa hatrany. Tokatrano rava matetika no fiafarany (@ film aloha no tena hitako :-)

Lafiny fitiavana. Marina fa azo atao tokoa ny mitia roa. Fa iza no tiana kokoa? Ary raha ilay vady be no tiana kokoa dia inona no zon'ilay sipa kely? Fakàna fifaliana fotsiny ve?

Lafiny moraly. Raha tsy tafiditra ao anatin'ny fampirafesana ofisialy (polygamie) dia toa very maina fotsiny ilay sipa kely. Tsy fitiavan-tena ihany ve izany?

Lafiny mahalehilahy (hi hi). Raha toa ka ianao no ataon'ilay olona heverinao fa tia anao manokana ohatr'izany dia ahoana no mety hataonao? Eritrereto hoe tena potika amin'ilay sipa kely ianao. Dia rehefa kelikely dia manana kôfa miaraka aminy sady tiany izy, dia inona no hataonao? Izy mantsy mba efa niaritra anareo mivady ihany koa. Na koa raha ny vadinao no tianao, dia hevero hoe lasa miaraka amin'ny bandy kely sendra hitany izy... dia ahoana koa no hataonao?
Fehiny: Izay tianao hatao aminao no ataovy amin'ny olona... (oups lasa misy baiboly indray hihihi)

Ok mazotoa.
5. rinakely1 ( 29/11/2003 10:41)
6. rinakely1 ( 29/11/2003 10:42)
Tsy mety kosa ny ataonao izany satria enao v efa manana vady d inn ihany ary no mbola hanaovana sipa kaye!
Mb
7. ster ( 29/11/2003 16:06)
Izaho anie tsy niteny hoe cas mahazo ahy izany e ! Fa hapetrako fotsiny ho fandraisantsika anjara sy ho dinidinika mety mahasoa ny maro ny lohahevitra toa io resahintsika io.
Te-hanovo hevitra betsaka dia betsaka avy aty amintsika rehetra aho.
8. ster ( 29/11/2003 17:03)
Dia sao indray misy mihevitra fa hianatra fomba fampirafesana no ataoko eto.
Io cas io anie fahita matetika e !
Dia mba lasa ny saiko. Ary izay no antony nahatonga ahy nametraka io sujet io.
9. xxx ( 29/11/2003 13:26)
ny tena gravy be raha samy tiana izy roa!!!!!!!!!!! de mbola ho hitnao ihany ve izay asiana ny tenanao? ary raha ity hono izany ka mifanena rizareo de tsy mirafy izy fa mitambatra koa tsy ianao no ho potsitra eo?
10. lema ( 29/11/2003 15:24)
le sipa kely efa mahafantatra fa manambady zay nefa mbola misisika ihany,iza ary no diso?
11. isrine ( 30/11/2003 09:29)
Salut!
Raha ny hevitro dia ity, ilay sipa kely no erany e. Raha nampahalalaina mialoha ve izy fa efa manambady enao izay mbola mitady azy. Dia izay erany, na hiditr
12. isrine ( 30/11/2003 09:36)
tohiny
Dia izay eran'le sipa, na hiditra izy na hiala.
Mety hoe misiisika le sipa, satria tena tia an'le bandy angamba izy, na olona ratsy saina ka handrava tokatranon'olona fotsiny.
13. ster ( 30/11/2003 14:58)
Handrava tokan-trano izany angamba aloha efa tena sain-dratsy loatra fa mety ho tena tiany tanteraka ilay kôfa dia ohatry ny hoe misisika miaraka aminy ihany izy.
Na koa mety ho nisy fampanantenana na tsy hay tsy hay tany nifanarahan'izy roa dia tavela eo rasipa. Ny olona mitazana sisa no mahatsikaritra fa ho diso fanantenana eo ilay sipakely fa ny fiarahan'izy ireo ao anatiny mety ho tena matsiro sy fy ery !
Sûr dia à plus indray e !
14. rinakely1 ( 01/12/2003 20:35)
raha miezaka miala @ toetra ratsiny ny lehilahy d tokony tsy hisy mitsy na sipakely f i vadib ihany no mitoetra e! hi!hi!hi!
15. ster ( 01/12/2003 13:43)
Ho an'i Rinakely !
Angaha kosa moa dia tena tsy maintsy ho avy amin'ny lehilahy foana no mahatonga ny zavatra izay heverinao fa ratsy rehetra miseho e !
Resaka attirance anie izany ka mety ho avy amin'ny sipa, mety koa avy amin'ny lehilahy.
Izaho ohatra tena tsy nieritreritra ny hanao sipa kely izany, nefa dia voasarika ihany satria ilay sipa toa ohatry ny manao fanahy iniana misarika sy misintona ahy hiaraka aminy mihitsy.
Ary ny tena mahagaga dia ity, ary tsy fantatro na tena mahazaka lohahevitra iray mihitsy aza fa "ARAKARAKA NY FAHAFANTARAN'NY SIPA FA MANAMBADY NY OLONA IRAY VAO TENA TIANY KOKOA NY HIARAKA AMINY"

A plus indray e !
16. isrine ( 01/12/2003 15:37)
Izay le efa nolazaiko tery ambony e. Raha mahafantatra ve ilay sipakely we manambady le bandy de mbola inona no hidirana @ izany na dia we tena tia aza le sipa kely. Ny saina tokoa angamba no tys mitovy, fa nandalo t@ izany za. Lehilahy betsaka io ve, na dia atao hoe matsiro sns aza ilay bandy manambady! de izay no mety hahatonga ny faharavan'ny tokatranon'le bandy. Asa anefa na ho inona no tombotsoan'ny le sipa kely raha misy ny fisavoritahana avy eo. Satria à izay fotoana izay dia le bandy no maka ny fanapahakevitra na ho an'le sipakely na ho an'ny vady be.
De mba sainontsaino nareo lehilahy ihany ny fampirafesana fa raha sendra vehivavy hafa noho ny fahitanareo anie nareo ka ho loza e!
17. ariary ( 02/12/2003 09:29)
Mbola tsy nahitako valiny hatramin'izao ireto fanontaniana ireto :

1) Mahatsiaro sambatra kokoa ve ianao raha tsy manana sipa ivelan'ny fanambadiana ?

2) Mahatsiaro sambatra kokoa ve ianao raha tsy manana sipa ivelan'ny fanambadiana ny vadinao ?

Toa samy azo atao hoe TSIA ny valin'ireo. Tsy ho sambatra angamba aho raha toa manambady ka tsy afaka hanao baolina, tsy afaka hanao bisikileta, tsy afaka hilomano, tsy afaka hanao sipa intsony. Ny fitiavako ny vadiko dia tsy manafoana ny fitiavako sy ny fahafinaretako manao sport na manana firaisana ara-nofo amin'olonkafa.

Toy izany koa, raha tiako sady tia ahy ny vadiko, tsy zarainy amin'olonkafa ny fitiavany dia izay no zava-dehibe. Inona nefa no tokony hisakana azy tsy hizara ny tenany amin'olon-kafa ?

Araka ilay teny mivatambatana hitako indray mandeha manao hoe "On peut partager son cul sans partager son coeur".

18. fijo ( 02/12/2003 11:00)
merci ariary.
sady ilay manao sipa kely anie mamelona ilay fitiavana lazaina ery ambony hoe mihena rehefa ela ny fanambadiana e.fa kely io fa tsy be akory an.
19. rfanjav ( 02/12/2003 19:36)
Marina mihitsy ilay hoe : arakaraky ny ahitan'ny sipa kely peratra eny @ tanana no isisihany iarahana aminao, tsy fantatro loatra izay antony!

Manaraka koa, ohatra ny zavatra efa fahita ilay hoe manambady nefa mbola manana sipa kely,

nefa kosa tokony hotsaroana foana fa matoa manambady dia efa nisafidy izay ho vadiny izany (ao anatin'ny maro niarahana teo aloha raha misy) ,

efa nanome "eny" fa hitia sy hanaja azy, ka inona intsony no antony itadiavana olona hafa, handaniana herimpo, vola sy fananana, filaminan-tsaina, ary mety hanariana ny vady be koa aza indray andro any!
20. moi ( 02/12/2003 12:17)
Ny lohahevitra aloha tsy namaritra hoe lehilahy manana sipa kely, fa dia raisiko amin'ny ankapobeny, izany hoe mety ho madama manana sipa kely.

Tsy mbola tokony hanambady mihitsy rehefa misaintsaina sahady ny mbola hanao sipakely ao anatin'ny fanambadiana ! Mbola tsy ao akory ve ianao dia efa misaintsaina sahady fa cas mety hitranga aminao izany ?

Izany atao hoe Fanambadiana, indrindra nohamasinina, izany anie ka tena misy tànan'Andriamanitra ao anatiny e ! Tokantrano voatsodranon'Andriamanitra iny ve dia ho lasa voahozona, sa tianareo ny hiala eo ambany fitahiany ? Indrisy fa maro no tsy mahafantatra fa Andriamanitra dia mahakasika ny fiainam-pitiavany.

ariary > Ivelan'ny fanambadiana, zavatra azo atao ny hoe namana ; sa tsy misy an'izany, fa sexe foana no ao ambadik'izany raha vao entre sex opposé ?

xxxxx> Ilay resaka hoe olona tsy misy saina no manao an'izany
Mora tenenina izany, fa mahery anie ny fitiavana e ! Rehefa sendra izay olona tena amin'ny gout-nao zay enao ...olona amana million io ve dia tsy sendra nisy mba nahataitra anao kosa ? Fa omena lanja ny fahendrena sy ny fahamasinana ... fa tsy ny preservatif indray no omena toerana ! a a a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6898