FOHAZY NY HERINAO RY GASY!

1. STViha ( 05/07/2016 08:46)
Misaotra ireo efa nahavaky sy naneho hevitra t@izao fanolorana vahaolana hoan'ny firenena izao, ity mantsy ilay tonga @ fitenenana hoe: "ny omby indray mandry tsy indray mifoha" ka dia azo raisina ho fampaherezana tanteraka ireny kihana sy toromarika nivoitra rehetra ireny, kanefa izao no aoka hotsarovan-tsika: araka ny voasoratra ao @ Nehemia dia raha mba nisy nitady izay hahasoa ny fireneny dia nanohitra sy nitsangana foana ry Sambala sy ry Gasema ary ry Tobia hisakana ny fananganana ny manda, ny vokany anefa dia voarafitra soamantsara foana ihany ilay izy ary nifalian'ny Jiosy rehetra t@zany fotoana sy nanomezany Voninahitra ilay Andriamaniny ny fahavitan'ny asa.

FOHAZY NY HERINAO RY GASY !
Ry Malagasy havana , anio dia andro faha-fito Famaranana ilay “Ezaka Estera” . Inoana sy antenaina marina fa dia ho tonga tokoa any amin’ny Mpanjaka (Elohim) ny fitarainan ‘ i Estera (Kristiana) hoan’ ny mpiray firenena aminy, ny fireneny mazava ho azy, tao anatin’izay hafitoana izay . Raha ny tantaran’ ny fandravana an’i Jeriko mantsy no hitarafana izany dia nanovozana hery lehibe tao anatin’ ny fito andro izay vao nahafahana nandrava ny manda lehibe sady mafy,tsy azo adinoina anefa fa nisy firaisam-po sy fanahy teo amin’ny vahoaka izay vao tanteraka izany.
Ndeha hanatanteraka fiombonana farany ary androany ka hiantso Ny MPAMONJY : « IESHOUA » (Izay anarana niantsoana Azy tamin’ izany hatramin’ izao) mba hanononany famonjena ho an’ i Gasikara. Aoka ho fantatsika fa tsy ireny « Mpitondra fivavahana » ireny ihany no afaka manao vavaka ho antsika na ho an’ ny firenena malalan-tsika fa isika tsirairay izao mihitsy dia manana alàlana hangata-pamonjena amin’ Andriamanitra tsy elanelanin’olombelona fa IESHOUA ihany no Mpanelanelana, saingy tsy fantatsika fotsiny izany fahefana matory ao anatintsika izany. Tsy izay ihany anefa fa mbola maro karazana ny fahefana nananan’ ny Malagasy (Hebreo)ka mila fohazina @zay ankehitriny.
NDAO HIFANKAZATRA AMIN’NY ANDRIAMANITSIKA AMIN’IZAY ISIKA MALAGASY : Indro misy toro-hevitra iray ahafahanao mifankazatra sy mifandray mivantana Aminy : Tsy voatery hiandry ireny mpitondra fivavahana ireny intsony hianao hitarika anao fa manokàna fotoam-pivavahana fohy eny fa na dia 30 minitra fotsiny ihany aza rehefa tonga ny andro fitsaharana (na Sabata) ao anatin’ ny Baiboly : ifony Izy, derao sy omeo Voninahitra dia vao angataho tso-drano ho anao sy ny ankohonanao ary ny firenenao amin’ izay. Ho hitanao manomboka amin’ ny andro voalohany (Alahady) fa ho hafa indrindra ny herinandronao fa hisy fisokafam-panahy sy hevitra misongadina. Toromarika fanombohana fifankazarana Aminy ihany io atoro anao io ka ampiaro sy tanteraho tsy am-pisalasalana fa hahatsiaro ho sambatra ny Fanahinao ary hatanjaka ny finoanao, dia avaozy isan-kerinandro aza tapahina intsony avy eo. Noho izany dia fotoana izao , ndeha re samy handray andraikitra isika KRISTIANA (na MESIANIKA) mino an’ i IESHOUA, manoloana izao toe-javatra mahazo ny firenentsika izao.
Azonao atao « fiangonana kely » ny tokatranonao (toy ny fanaonn’ ny Ntaolo Malagasy Kristiana taloha) hanatanterahina izany vavaka iraisana izany fa tsy voatery any am-piangonana akory vao handaitra sy hahery ny vavaka atao; Ndao hampandrosoantsika ao an-tokatranontsika mihitsy ny MPAMONJY fa mandondona ao am-pon-tsika Malagasy Izy amin’ izao vanim-potoana izao.
Hiverina tsy ho ela anie ny fiandrianan’ i Gasikara Iraitsimivaky!

Mbola hitohy…
Azonao ifandraisana : Fanomezantsoa STViha 0343193327 / 0340802925
répondu par rhaj0 le 20/07/2016 14:56
2. stahtam ( 05/07/2016 11:46)

[quote=STViha]

[quote=stahtam]
Aoka kosa angamba tsy ho tsiny raha hametraka ny resaka @ tena toerany ny tenako. Na raisina ho fanakianana aza tsy maninona fa ny marina marina ihany:
1°) Sanbala sy Gasema dia hafa firenena fa tsy Jiosy;
Hoy ianao:"Ry Malagasy havana , anio dia andro faha-fito Famaranana ilay “Ezaka Estera” . Inoana sy antenaina marina fa dia ho tonga tokoa any amin’ny Mpanjaka (Elohim) ny fitarainan ‘ i Estera (Kristiana) hoan’ ny mpiray firenena aminy". KRISTIANA ve i Estera? Jodaista i Estera fa tsy Kristiana. Fivavahana roa miavaka tsara sy tsy mahay miaraka ny Kristianisma sy ny Jodaisma. Inona no ifandraisan'ny Andriamanitra (nivavahan'ny gasy niaraka t@ razana: hotahin'And... sy ny raz...e!) sy Elohim nivavahan'i Abrahama?' Ka famitahana ny fampifangaroana zavatra tsy miaraka toa izao. Izany hoe vao mainka hampitombo fahotana efa misy (fijangajangana ara-pivavahana) ka hitondra ho any @ famaizana sy kapoka mafimafy kokoa. Ny fanarahana ny teniny sy ny baikony ary fihainoana ny faminaniana izay nambarany ihany no fomba fivavahana eken'Ilay nampisy ny lanitra sy ny tany ka mahatonga Azy hamaly vavaka fa raha "fikitihana fibre sentimental" toa izao dia herim-po very maina. Aleo ange hojerentsika ny tohiny e! hoe hihatsara ve ny fiainantsika aorian'izao andro fahafiton'ny 'ezaka Estera" izao sa hiharatsy?
3. RBNIR ( 05/07/2016 12:02)
stahtam:

Ary efa "lasa mpampianatra mihitsy angeh i stahtam ity ankehitriny e.....
4. rhaj0 ( 05/07/2016 15:38)
Ny fanarahana ny teniny sy ny baikony ary fihainoana ny faminaniana izay nambarany ihany no fomba fivavahana ekeny (..) ka mahatonga Azy hamaly vavaka

Rahefa TSY mahay an'ireo izany dia ... vita matavy... ohatra ny zazakely voatavo tsy mifandraka.. hitako no isaky ny 10 minitra izy teo, misy zaza gasy maty.
5. angouz ( 05/07/2016 19:42)

rhaj0:

fa mbola misy teraka ihany ko e ! de miodin'otrizay fona io mandrakizay doria dia tsy miala eo izany Andriamanitra
6. stahtam ( 06/07/2016 05:52)

[quote=rhaj0]
Ny fanarahana ny teniny sy ny baikony ary fihainoana ny faminaniana izay nambarany ihany no fomba fivavahana ekeny (..) ka mahatonga Azy hamaly vavaka

Rahefa TSY mahay an'ireo izany dia ... vita matavy... ohatra ny zazakely voatavo tsy mifandraka.. hitako no isaky ny 10 minitra izy teo, misy zaza gasy maty.
[quote=stahtam]
Lohahevitra hafa mihitsy indray no resahinao eto, nefa efa nambarako fa rehefa tsy tokana (izay itoviana) ny "référence" iaingan'ny ady hevitra dia tsy maintsy ho lasa resaky ny moana sy ny marenina ihany no iafarany. Ny finoana manana ny référence azy manokana. Ny scientistes manana ny référence azy manokana ka hisy varany ve ny ady hevitra ataon'ireo?
7. rhaj0 ( 06/07/2016 10:48)

Ilay resaka "tokana (izay itoviana)" ve tsy hoe, ahoana sy ahoana ny @ ity fi(s)ainana ity, na ho ahy na ho anao, na ho an'ny voatavo tsy mifandraka?

F'n'enareo moa, toa hotry ny (mody) asaraka tsara, ka toatoa ny hoe
- ny Asabotsy mangalatra akoho
- ny Alahady mangalatra koa

Ny tiako tenenina dia ny lojikanao na ny fi(s)ainanao ny Alahady, miaraka @ ilay "rao-rao-mivavaka", dia tsy tohizana ny Alatsinainy, satria ny Alatsinainy dia "hafa ny reference".

ka io izany i Stahtam be famaritra ery ny @ hoe. @ ahoana no "mahatonga Azy hamaly vavaka", dia rahefa voapotsitra fa absurde ity resakao, satria ny "tsy mahay mivavaka" (toa ny voatavo tsy mifandraka) izany dia "vita matavy" foana, dia mody hoe "moana-marenina".

MIfandray @ revin'i RBNIR sy ny "tsisy-kilema"-ny ny famaritan'i Stahtam eee... Ary io ilay @ ankapobeny ilay vohizin'ny sasany hoe, izay "tena izy" ihany no "tena izy", fa rahefa votsavotsa ianao, dia ianao no votsavotsa ao, fa i Andrmntra dia ireny "tena izy" ireny ihany no valiany vavaka hono..

Raha ny marina, dia
- TSISY izany "vavaka-mazia-mazia" mivaly izany,
- TSISY izany Andrmntra (imazinera) izany,
ka rahefa TSY mody ventiny ilay fampanantenana atsanga tsy aman'orana, dia ilay olona mba nivavaka t@ fo sy saina madio tao indray no amena tsiny
- fa "tsy mahay mivavaka" hono, satria "tsy nanaraka 100% ilay rambon'osy", hozy Stahtam,
- na tsy manao ilay "tsisy-kilema", hozy RBNIR

Dia ry RBNIR sy Stahtam izao nefa, "mahay manaraka 100%" sy "mahay ny tsisy-kilema", nefa mbola mivaralila ao... dia lazaovy kely indray hoe, inona no mahatonga an'Andmntra TSY hamaly ny vavakareo parfait ao???
8. RBNIR ( 06/07/2016 11:11)
rhaj0:

Dia ry RBNIR sy Stahtam izao nefa, "mahay manaraka 100%" sy "mahay ny tsisy-kilema", nefa mbola mivaralila ao... dia lazaovy kely indray hoe, inona no mahatonga an'Andmntra TSY hamaly ny vavakareo parfait ao???

ka ilay izy hoy aho tsy hoe izaho no milaza izany fa IZY e!!!

« Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. » (Jao.9:31)

Dia hiteny indray ianao hoe iza no tsy mpanota???

Izay ilay fampianarana tsy misy kilema izay.....Ahoana no atao hahafaka ny olona tsy ho andevon'ny OTA intsony????

Tokony ho fantatry ny olona mantsy fa ao Aminy dia tsy misy ota.....

« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jao.3:5)
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jao.3:6)

IO ILAY SECRET NY FIAINANA MANDRAKIZAY DRADRADRADRAIKO ETO!!! Izay tonga amin'io toerana io no manana ny fanantenana fa tena handova ilay FIAINANA MARINA IZY......

ARAHO ILAY FANDAHARANA!!! TIANAO JESOSY!!!!
9. RBNIR ( 06/07/2016 11:13)
ARAHO ILAY FANDAHARANA!!!

MISAOTRA AN ANDRIAMANITRA LEHIBE FA EFA MISY ILAY FANDAHARANA IHANY KOA IZAO AO AMIN NY I BC ISA-MARAINA AMIN'NY 5ORA SY SASANY IHANY KOA......
10. stahtam ( 06/07/2016 11:38)

rhaj0:

[quote=stahtam]Lohahevitra hafa mihitsy indray no resahinao eto, nefa efa nambarako fa rehefa tsy tokana (izay itoviana) ny "référence" iaingan'ny ady hevitra dia tsy maintsy ho lasa resaky ny moana sy ny marenina ihany no iafarany. Ny finoana manana ny référence azy manokana. Ny scientistes manana ny référence azy manokana ka hisy varany ve ny ady hevitra ataon'ireo?

Ilay resaka "tokana (izay itoviana)" ve tsy hoe, ahoana sy ahoana ny @ ity fi(s)ainana ity, na ho ahy na ho anao, na ho an'ny voatavo tsy mifandraka?

F'n'enareo moa, toa hotry ny (mody) asaraka tsara, ka toatoa ny hoe
- ny Asabotsy mangalatra akoho
- ny Alahady mangalatra koa

Ny tiako tenenina dia ny lojikanao na ny fi(s)ainanao ny Alahady, miaraka @ ilay "rao-rao-mivavaka", dia tsy tohizana ny Alatsinainy, satria ny Alatsinainy dia "hafa ny reference".

ka io izany i Stahtam be famaritra ery ny @ hoe. @ ahoana no "mahatonga Azy hamaly vavaka", dia rahefa voapotsitra fa absurde ity resakao, satria ny "tsy mahay mivavaka" (toa ny voatavo tsy mifandraka) izany dia "vita matavy" foana, dia mody hoe "moana-marenina".

MIfandray @ revin'i RBNIR sy ny "tsisy-kilema"-ny ny famaritan'i Stahtam eee... Ary io ilay @ ankapobeny ilay vohizin'ny sasany hoe, izay "tena izy" ihany no "tena izy", fa rahefa votsavotsa ianao, dia ianao no votsavotsa ao, fa i Andrmntra dia ireny "tena izy" ireny ihany no valiany vavaka hono..

Raha ny marina, dia
- TSISY izany "vavaka-mazia-mazia" mivaly izany,
- TSISY izany Andrmntra (imazinera) izany,
ka rahefa TSY mody ventiny ilay fampanantenana atsanga tsy aman'orana, dia ilay olona mba nivavaka t@ fo sy saina madio tao indray no amena tsiny
- fa "tsy mahay mivavaka" hono, satria "tsy nanaraka 100% ilay rambon'osy", hozy Stahtam,
- na tsy manao ilay "tsisy-kilema", hozy RBNIR

Dia ry RBNIR sy Stahtam izao nefa, "mahay manaraka 100%" sy "mahay ny tsisy-kilema", nefa mbola mivaralila ao... dia lazaovy kely indray hoe, inona no mahatonga an'Andmntra TSY hamaly ny vavakareo parfait ao???
[quote=stahtam]
Ny mahatonga izao resakao mivaona izao dia ny fizirizirianao manohitra ilay voalazako teo aloha. Fijery scientifique no entinao manao analyse-na finoana, dia ireto ilay porofo anamarinako izay lazaiko:
1°) F'n'enareo moa, TOA HOTRY NY (MODY) asaraka tsara, ka TOATOA ny hoe
- ny Asabotsy mangalatra akoho
- ny Alahady mangalatra koa
Voambolana kanosa ireo ampiasainao ireo. Affirmation atao, na confirmation mihitsy aza dia fantatra ny fisainana tianao havoaka.
2°) Ny tiako tenenina dia ny lojikanao na ny fi(s)ainanao ny Alahady, miaraka @ ilay "rao-rao-mivavaka", dia tsy tohizana ny Alatsinainy, satria ny Alatsinainy dia "HAFA NY REFERENCE".
Resaka mivily io. Ohatra mivantana no horaisiko:
Raha mpitrandraka volamena aho ary ianao mpividy volamena, dia tsy maintsy misy référence iray itovizantsika vao afaka ny hifandray isika; @ ity tranga ity dia raisintsika hoe asidra A ohatra no amantarana ny tena volamena sy ny sandoka izay aho vao afaka hivarotra aminao ary ianao afaka hividy amiko. Io Asidra A io izany (izay sady ekeko no ekenao) ilay ataoko hoe référence itovizana, io anefa tsy ho hita mihitsy @ mpanaraka finoana sy ny tsy mpino toa anao dia io dridran'Ingilo ventesinao io no tsy maintsy alehany.
Fantatrao ve aho hoe mpivavaka Alahady? Amiko ny scientistes (izay tsy mba tompon'ny habadoana) dia manaporofo aloha vao manao affirmation (sa mbola in progress ianao eto?)
3°) "Ka io izany i Stahtam be famaritra ery ny @ hoe. @ ahoana no "mahatonga Azy hamaly vavaka", dia rahefa voapotsitra fa absurde ity resakao, satria ny "tsy mahay mivavaka" (toa ny voatavo tsy mifandraka) izany dia "vita matavy" foana, dia mody hoe "moana-marenina".
Valiny: ny hoe "mahatonga Azy hamaly vavaka" dia resaky ny samy mpino (valin-teny ho an'ilay miantso firaisam-pinoan'ny samy kristiana) ka ny samy mpino ihany no mahay miresaka izany; dikany: référence tsy anananao no ampiasaiko ka tsy maintsy ny référence scientifique (anananao) no ijerenao ny resako ka dia tsy maintsy io hoe "absurde" resahinao io no résultat hitanao farany.
Aleo ataoko mazava kokoa e! Izaho milaza fa mila asidra vao fantatra ny volamena hoe sandoka na tena izy, ianao indray mety hilaza fa tomba-maso dia mety hahafantarana izany ho an'ny connaisseur, dia ho afaka hifampivarotra ve isika @ izay fotoana izay. Izay ilay hoe moana-marenina. Ho an'ny antoko misy anao: "bien sûr qu'on peut se moquer de la religion", ho an'ny mpino baiboly indray Salamo 2/1,4. Ka iza @ ireo no holazainao fa manana ny marina? MOANA SY MARENINA IREO.
11. rhaj0 ( 06/07/2016 11:51)
Ka tsotra na tsorina azany ny fanontaniana ee..

1- ireo olona izay "mivavaka" @ fo sy saina madio ao, ARAKA NY FAHATAKARANY azy ho'a, ireny ve mahazo "valim-bavaka" ??

sa

2- Ireo manaraka ny famaritanao hoe "manaraka an'izao sy izao" IHANY no "mahatonga Azy hamaly vavaka"

Ka 1- sa 2- ???

(mba valio hoe 1- na 2- fotsiny, f'aza asafotofoto toa ny fanaon'i RBNIR, manao ilay "can't convince, confuse")

12. RBNIR ( 06/07/2016 12:19)

Tsy otran'izay fa ireto misy teny hozaraiko :

1- Mila mangataka andro aman'alina LIO.18:7

2- Mila tafaray Aminy sady tafatoetra ao anaty ny teniny JAO.15:7

3- Tsy manota JAO.9:31
4- Mila mahay mifankazatra Aminy JOB.22:21

Ity teboka faha efatra ity mila hazavaina tsara:
Matoa mahay mifakazatra Aminy dia satria efa mahafantatra (na koa hoe mahalala) tsara ny toetrany....
Ny atao hoe mahalala tsara Azy dia : « Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny. » (1 Jao.2:3)
« Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny. » (1 Jao.2:4)

Dia otan'izay ilay izy rhajo a!
Koa dia anjaran'ny tsi11 no mandinika tsara ny tenany hoe aiza ho aiza izy manoloana an'ireo tenin'Andriamanitra ireo....

IANAO IHANY ANIE DIA MAHALALA HOE TOKONY HAHAZO VALIMBAVAKA VE AHO SA TSIA E!!!

SAHIA MIJERY FITARATRA HOY AHO!!! FA AZA BE FANOMEZAN-TSINY.....
13. stahtam ( 06/07/2016 12:49)

[quote=rhaj0]
Ka tsotra na tsorina azany ny fanontaniana ee..

1- ireo olona izay "mivavaka" @ fo sy saina madio ao, ARAKA NY FAHATAKARANY azy ho'a, ireny ve mahazo "valim-bavaka" ??

sa

2- Ireo manaraka ny famaritanao hoe "manaraka an'izao sy izao" IHANY no "mahatonga Azy hamaly vavaka"

Ka 1- sa 2- ???

(mba valio hoe 1- na 2- fotsiny, f'aza asafotofoto toa ny fanaon'i RBNIR, manao ilay "can't convince, confuse")

[quote=stahtam]
Ka raha mila valin-teny avy amiko izany ianao dia mila miditra kely vetivety ao anatin'ny référence-n'ny mpino ny fisainanao mba hahatakaranao ilay valin-teny (fa tsy miteny aho hoe ekeo ho marina akory ny finoana). Valin-teny isaky ny fanontaniana mihitsy no omeko mba tsy hisy ilay "confusion" atahoranao:
1- Tsia, tsy araka ny fahatakarany azy fa araka ny lalana efa nosoritany mialoha (procédures). Efa nanendry mpiasa Izy hampianatra ny vahoakany (izay mino Azy) sy ny taranany; dia ampitainy @ ireo ny tokony hatao. Raha mahatratra mpangalatra ambodiomby ianao dia hoe tonga dia hotarihinao eny @ tribonaly fa tsy hihaino anao akory ny mpitsara na marina toa inona aza ny zavatra hitanao. Tsy maintsy mandalo enquête sy manomana dossier aloha; izay ilay hoe lalàna arahina fa tsy araka izay fahatakarany azy
2- Misy versets ihany azo anampiana fanazavana saingy hajanoko satria manalava ny resaka. Valin-teny fohy rahateo no tadiavinao. Ny ray angatahan'ny zanany zavatra ka mamaly hoe OUI na mamaly hoe NON dia samy MAMALY avokoa no filaza izany. Ny tiana holazaina fotsiny dia hoe: izay mangataka aminy nefa tsy manaraka izay lazainy dia assuré fa tsy ho valiany akory. Ho an'izay mankato Azy kosa anefa ka omeny valiny négatif (tsy arak'izay nangatahiny) dia tahaka ny zanaka 12 taona mangataka @ rainy hitondra semi-remorque: mety mbola hiandry fotoana na mbola tsy mahasoa azy @ io fotoana io na antony hafa. Ilay intimité eo @ ilay ray sy ilay zanaka kosa anefa @ izay tsy foana velively na dia négatif aza no valiny azony.
Afaka mivoaka ao anatin'ilay fisainan'ny mpino @ izay ianao raha azonao ireo fanazavako ireo.
14. rhaj0 ( 06/07/2016 14:46)
Q1- ireo olona izay "mivavaka" @ fo sy saina madio ao, ARAKA NY FAHATAKARANY azy ho'a, ireny ve mahazo "valim-bavaka" ??
R1 - Tsia

Eny azany kouh... ny voatavo tsy mifandraka no ni-caricaturiser-ko azy, fa ireo Kristiana marobe TSY manao afa-tsy arak'izay FAHATAKARANY azy ao izany, na dia mirevy (voambaka) ao @ fo sy saina madio azany, dia mihinan'ny tsakaokany ao daholo.

hi hi hi... ka olana ve izany ? mety TSY olako k`lou fa dia reveo ao izany eee...

Q2- Ireo manaraka ny famaritanao hoe "manaraka an'izao sy izao" IHANY no "mahatonga Azy hamaly vavaka"
R2- mamaly hoe OUI na mamaly hoe NON

Eny ho'a azany eee.. Dia rahefa TSY mivaly ilay "hatakao", ohatra hoe, "mba ho salama", na koa hoe, "tahio ny sakafonay" (feno sulfites), dia nahazo NON izany ianao rahefa mbola mivaralila ao eee...

15. thyna ( 07/07/2016 00:34)
Hitanareo fa eto ary dia efa mitady hanomboka ilay fisarahambazana nolazaiko!
Raha resaka théorie dia ny Malagasy no tompony!fa raha hanantanteraka dia toa resa-be daholo!Samy manana methode @ fanantonana an'A/tra ny olona rehetra fa tsy misy izany hoe manao izao aloha vao izao!Lasa adinon'ny olona fa ilay A/tra no tompon'ny famelan-keloka rehetra!ilay jiolahy nombohana voalaza fa hahita ny paradisa ve nanaraka zavatra be dia be?Misy endriny maro ny fanavotana ny fanahy fa tsy izay rehetra fikarohan'ny hafa no entina handresendahatra ny sasany!Tafita i Madagascar raha manao asa toa an'i Pedro daholo reo be toriteny etsy sy eroa ireo!Asa atao raha tena tia an'A/tra fa lay resaka toriteny mitady vola sy tombotsoa tokony hadaboka any!Firifiry reo mpitoriteny milaza olana @ mpihaino avy eo fa mila vola hanaovana izao sy izao eny fa na dia ankolaka aza no ilazàna azy!Mbola ho tonga any isika fa araho tsara aloha ety amboalohany e!
Ny ahy manokana tsy hiasa saina aho fa efa voasoratra koa hoe:"ny olombelona milaza fa efa ho vita ny fikarohany ny tenin'A/tra nefa @ A/tra izany vao manomboka ihany"!Ary lasa kilalaon'ny mpitory teny sy entina mandresy lahatr'olona ilay teny hoe "efa akaiky ny farany"ka roboka daholo manaraka fampianarana tsy fantatra!
Aza adino fa vao miposaka ny masoandro ary mandra-piletiny dia miara-manota avokoa isika rehetra ary hamafisiko fa na mpitory teny iza na iza dia miara-tsaraina amiko ihany!
mbola hitohy.......
16. RBNIR ( 07/07/2016 05:00)

Ary noheveriko hoe ianao ange io lazainao hoe "kristianina" mivavaka araka ny fahatakarany tianao ambara io e????? Noheveriko hoe efa nanandrana ianao ka tsy nety dia izay no nampivadika anao ho tsy mpino......Dia mihezaka aho manazava aminao ny mety ho antony tsy nahazoanao tamin'izany fotoana izany.....

Raha "tena kristianina" mantsy dia tokony ho fantany tsara fa mila manao ny sitrapon'Andriamanitra izy fa tsy manao araka izay takatry ny sainy fotsiny ihany........
17. stahtam ( 07/07/2016 06:32)

[quote=rhaj0]
Q1- ireo olona izay "mivavaka" @ fo sy saina madio ao, ARAKA NY FAHATAKARANY azy ho'a, ireny ve mahazo "valim-bavaka" ??
R1 - Tsia

Eny azany kouh... ny voatavo tsy mifandraka no ni-caricaturiser-ko azy, fa ireo Kristiana marobe TSY manao afa-tsy arak'izay FAHATAKARANY azy ao izany, na dia mirevy (voambaka) ao @ fo sy saina madio azany, dia mihinan'ny tsakaokany ao daholo.

hi hi hi... ka olana ve izany ? mety TSY olako k`lou fa dia reveo ao izany eee...

Q2- Ireo manaraka ny famaritanao hoe "manaraka an'izao sy izao" IHANY no "mahatonga Azy hamaly vavaka"
R2- mamaly hoe OUI na mamaly hoe NON

Eny ho'a azany eee.. Dia rahefa TSY mivaly ilay "hatakao", ohatra hoe, "mba ho salama", na koa hoe, "tahio ny sakafonay" (feno sulfites), dia nahazo NON izany ianao rahefa mbola mivaralila ao eee...

[quote=stahtam]
Q1 - Afaka hanao inona @ izay voambaka moa isika? Ary tsy any @ lafiny finoana ihany ange no misy izany fa na @ lafiny politique koa aza ohatra e? Firifiry akory no olona voambaka @ fizarana fanomezana kely rehefa @ fotoam-pifidianana; @ lafiny scientifique koa, firifiry no olona nampiasa zezika chimique sy tratran'ny cancer sy ny stérilité fa rehefa tonga saina ireo vahoaka nanaraka ny technologie vao hoe miverena @ bio fa ho ratsy ity!! sns... ka olan'iza daholo izany? Olantsika ve sa olanao?
Q2 - (Averiko ihany fa mila miditra kely @ fisainan'ny mpino aloha ianao vao mety hahatakatra ny tiako holazaina)
a°) Dia rahefa TSY mivaly ilay "hatakao", ohatra hoe, "mba ho salama":
Ny anton'ilay hoe "NON" dia mety ho azo fantarina na mety tsy ho fantatra mihitsy koa aza. @ finoana kosa anefa dia ny fifandraisany @ ilay arahiny (na ivavahany) no zava-dehibe aminy fa ny zavatra mandalo toa ireny dia 2ème plan aminy. Ny fiainana @ mpino dia mitohy aorian'ny fialana aina (mety ho ridicule aloha izany @ tsy mpino fa izay no izy) ka mahay manaiky izay mitranga izy. Raha afindrantsika @ science mantsy izao ity cas ity dia hoe : ireo rehetra nitoky t@ science ka nitsabo tena t@ fanafody sy ny dokotera mahay (science) ary ny volany ka TSY SITRANA fa maty mihitsy aza ohatra; nihinana ny tsakaokany avokoa ve ireny olona ireny sa mba nivaralila fotsiny? Nisy olona natao hoe Elisa ao anaty baiboly voalaza hoe : "nararin'ny aretina izay hahafaty azy" nefa nadritra ny andro niainany izy dia nahavita fahagagana maro dia maro. Ka izay ilay antsoiko hoe : référence ho an'ny mpino izay ilaina takarina aloha rehefa hiresaka momba ny finoana. Tena mifanipaka @ référence-n'ny science izany ka tsy haiko ny fomba hampifandray azy.
b°) "na koa hoe, "tahio ny sakafonay" (feno sulfites), dia nahazo NON izany ianao rahefa mbola mivaralila ao eee..."
Misy lalàna momba sy sakafo hanina omen'Ilay ivavahana (ny finoana manaraka ny baiboly testamenta taloha ihany aloha no resahiko eto) ka mahalala ireo mpanaraka azy hoe rehefa manaraka izay lalàna momba ny sakafo izay izy ireo fa tsy mandeha araka izay saim-pantany dia azony antoka fa mandaitra @ io sakafo haniny io ny tso-drano avy @ Ilay ivavahany. Ny science dia fitaovana manampy azy @ fiainana (ahalalana ireo singa tsy fihinana tahaka ny sulfite noresahinao sy ny hygiène alimentaire) fa tsy mibaiko azy hanohitra ny tenin'Ilay ivavahany.
18. stahtam ( 07/07/2016 07:39)

[quote=thyna]
Hitanareo fa eto ary dia efa mitady hanomboka ilay fisarahambazana nolazaiko!
Raha resaka théorie dia ny Malagasy no tompony!fa raha hanantanteraka dia toa resa-be daholo!Samy manana methode @ fanantonana an'A/tra ny olona rehetra fa tsy misy izany hoe manao izao aloha vao izao!Lasa adinon'ny olona fa ilay A/tra no tompon'ny famelan-keloka rehetra!ilay jiolahy nombohana voalaza fa hahita ny paradisa ve nanaraka zavatra be dia be?Misy endriny maro ny fanavotana ny fanahy fa tsy izay rehetra fikarohan'ny hafa no entina handresendahatra ny sasany!Tafita i Madagascar raha manao asa toa an'i Pedro daholo reo be toriteny etsy sy eroa ireo!Asa atao raha tena tia an'A/tra fa lay resaka toriteny mitady vola sy tombotsoa tokony hadaboka any!Firifiry reo mpitoriteny milaza olana @ mpihaino avy eo fa mila vola hanaovana izao sy izao eny fa na dia ankolaka aza no ilazàna azy!Mbola ho tonga any isika fa araho tsara aloha ety amboalohany e!
Ny ahy manokana tsy hiasa saina aho fa efa voasoratra koa hoe:"ny olombelona milaza fa efa ho vita ny fikarohany ny tenin'A/tra nefa @ A/tra izany vao manomboka ihany"!Ary lasa kilalaon'ny mpitory teny sy entina mandresy lahatr'olona ilay teny hoe "efa akaiky ny farany"ka roboka daholo manaraka fampianarana tsy fantatra!
Aza adino fa vao miposaka ny masoandro ary mandra-piletiny dia miara-manota avokoa isika rehetra ary hamafisiko fa na mpitory teny iza na iza dia miara-tsaraina amiko ihany!
mbola hitohy.......
[quote=stahtam]
Ka izaho ange efa niteny hatrany am-boalohany mihitsy raha namaly ity ANTSO FAMPIRAISANA ity hoe: IMPOSSIBLE ny hahatanteraka izany e! (resa-be daholo araka ny nolazainao). Isan'ireo partisan-n'ny FISARAHAM-BAZANA lazainao izany aho (na dia tsy mankasitraka izany aza). Antony: tsy misy fivavahana mampiray izany eto ambonin'ny tany fa raha hihatsaravelatsihy kosa aloha dia mety izany. Matoa ireo ireo tsy nahay niaraka hatr@ izay dia tsy hiaraka na oviana na oviana mihitsy izany.
Tsy haratsiam-panahy velively anefa no mahatonga izany fa tsy mety miaraka mihitsy ny marina sy ny diso. (Làlana roa samy hafa)
Ireto izao misy fomba fisainana mifanohitra @ fomba fisainako ka hazavaiko aminao:
1°) "Samy manana methode @ fanantonana an'A/tra ny olona rehetra fa tsy misy izany hoe manao izao aloha vao izao!"
Aminao izany dia ny olona ihany no mamaritra hoe izao no méthode tiako hanatonana ilay ivavahana satria "izay no mety aminy"; ilay ivavahany kosa @ izay dia tsy maintsy manaiky izay ataony eo (mpitan-jiro), dia avy eo ilay olona mangataka aminy hoe "omeo an'izao sy izao aho" dia manome Izy satria izay no asany. Fisainanao angamba izany
2°)"Lasa adinon'ny olona fa ilay A/tra no tompon'ny famelan-keloka rehetra!"
Ilay nanao heloka izany no mandidy ilay mpamela heloka hoe: izao no méthode ataoko fa avelao ny heloko. Hevitrao iny ka tsy ifanakianana, saingy tsy iraisako aminao fotsiny.
3°) "ilay jiolahy nombohana voalaza fa hahita ny paradisa ve nanaraka zavatra be dia be?"
Iza no namaritra ny fomba hamonjena ilay jiolahy eto? Valiny: ilay mesia izay VOAIRAKA fa tsy hoe olombelona nanao fikarohana sy nanao interprétation nitondra ny méthode ananany sy mety aminy araka ny voalazanao.
4°) "Misy endriny maro ny fanavotana ny fanahy fa tsy izay rehetra fikarohan'ny hafa no entina handresendahatra ny sasany!" Eto dia ianao ihany no fatoran'ny teninao. Jereo ange: "tsy ny fikarohan'ny hafa no entina handresen-dahatra ny sasany",hoy ianao. Nefa fikarohana avy aminao no andresenao lahatra anay ka ilazanao fa "Misy endriny maro ny fanavotana ny fanahy". Ny baiboly dia manameloka ny fizarazarana raha fivavahana no resahina, ka fikarohana avy aminao ihany izany ilay hoe: misy endriny MARO ny fanavotana ny fanahy.
5°)"Tafita i Madagascar raha manao asa toa an'i Pedro daholo reo be toriteny etsy sy eroa ireo!" Fanontaniana no apetrako: tsy misy mahantra mihitsy ve any Italie ka nahoana no i Madagasikara izay aty @ 10h de vol d'avion no andehanana? Fampieritreretana ihany iny.
6°) "Asa atao raha tena tia an'A/tra fa lay resaka toriteny mitady vola sy tombotsoa tokony hadaboka any!Firifiry reo mpitoriteny milaza olana @ mpihaino avy eo fa mila vola hanaovana izao sy izao eny fa na dia ankolaka aza no ilazàna azy!" Saina mahay mamakafaka sy mandinika no tokony hampianarina sy atoro ny tsirairay dia izy no manavaka izay vary sy tsimparifary avy eo. Izay ihany no hitako fa fototry ny zavatra rehetra raha tena hanavotra an'i Madagasikara izany, fa raha fivavahana no hampiraisina sy hanaovana fanavotana dia fandaniana andro sy nofinofy.
19. rhaj0 ( 07/07/2016 13:37)
stahtam:
Misy lalàna momba sy sakafo hanina omen'Ilay ivavahana (..) rehefa manaraka izay lalàna momba ny sakafo izay izy ireo (..) dia mandaitra ny tso-drano... Ny science dia fitaovana manampy azy @ fiainana (ahalalana ireo singa tsy fihinana tahaka ny sulfite noresahinao sy ny hygiène alimentaire) fa tsy mibaiko azy hanohitra ny tenin'Ilay ivavahany.

Aboahy eto hoe izany "lalàna momba ny sakafo hanina" ao anaty Boky (Baiboly na Torah) izany ry Stahtam ?

Q1- Dia tena (mbola) manaraka izay diete-de-l'an-zero-au-moyen-orient izay va re ianao ao io ?

Q2- Dia ny "lalàna momba ny sakafo" ao anaty Boky-de-l'an-zero izany ve no ambony noho ny guide alimentaire-de-l'an-2016??

20. rhaj0 ( 07/07/2016 19:26)
stahtam:
rehefa manaraka izay lalàna (..) dia azony antoka fa mandaitra @ io (..) ny tso-drano

Toa raha ny fahazoako azy, dia io izany no foto-kevi-dehibe-n'ilay izy. RAhefa "manaraka" ilay "voasoratra" ianao, dia "mandeha ho azy" ilay "valim-bavaka".

Ka io ho'a rahefa caricaturiser-na ho "voatavo tsy mifandraka" ireo Kristiana be dia be izay TSY mahalala akoriny "izay voasoratra tao", fa manao ny saim-pantany, araka ny fahatakarany azy ao, ary izany dia @ FO SY SAINA MADIO... dia ireo Kristiana be dia be ireo izany dia tena "vita matavy" eee...

Dia indro kely iray koa, fa indrisy ry tava-tsosisy, hozy ny fiteny, fa ilay "voasoratra dia voasoratra" ao anie ka, dia sirikabe fa,
- mifototra @ fahalalana-de-l'an-zero
- sy izay fombafomba sy soatoavina t@ fotoan'androny tany izany, tao @ jeogirafiany tao,
- araka ny takatry ny hoza-dohan'ilay mpanoratra Boky tao
- fa nolazainy fotsiny fa i YHVH mihintsy no nibitsika azy (nefa izy no nidogaigy tao)
NEFA DIA arahinao Ibaotsimivily ara-baki-teny ao ???

Sampona ilay regle de jeu-nareo, fa dia reveo ao izany eee...

Fa dia fantaro ary dia tsarovy tsara fotsiny fa, tena TSY mahakasika anay izany rehetra izany eee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1697