Ireo pretra maro an'isa tsara fitondran-tena

1. hery ( 11/12/2014 08:33)
Angamba tsy ho tsiny raha mba lazaina eto koa fa misy dia misy ary maro an'isa ireo pretra katolika izay tsy manolana ankizy, tsy homo, tsy manohitra ny Papa, tsy ratsy fitondran-tena... pretra manana ny fahamasinam-piainana miezaka miaina isan'andro ilay toetra "sur-naturel" (izay heverin'ny maro hoe contre-nature) mba hahafahana mitia be be kokoa ny hafa.

Izy ireny indraindray dia tsy mba miseho amin'ny vaovao, satria voalohany indrindra dia ao anaty fanetren-tena tanteraka no hanaovany izay ataony (izay tsy asany manokana fa asan'ny Fiangonana)... ary manaraka izany dia tsy hitan'ny vaovao satria tsy manaitra rehefa zavatra tsara sy tsy manafintohina.

Mahagaga ahy fotsiny hoe inona no maharesy lahatra antsika kokoa? Ireo pretra vitsy an'isa izay manao ny tsy mendrika sa ireo maro an'isa manao ny mendrika?

Ny ahy aloha dia ireto farany no maharesy lahatra ahy... mahatonga ahy hanantena sy hivavaka ho an'iretsy voalohany.
répondu par gasy1zay le 24/12/2014 20:03
2. rhaj0 ( 11/12/2014 11:24)
ka ireo indrindra anie no (tiana) (n)iarahana sy... (n)ikimpiana ny maso, ary (n)atokisana fa vozona miaro ny tandroka sa tandroka miaro ny vozona e...

Fa izao ireto izy, maninona no minia mikimpy koa @ heloky ny namany? Nahoana no tsy miteny? miray tsikombakomba? Maninona no (n)arovana, (n)afenina ireo pretra vitsy an'isa ireo ?? Maninona no tsy mijery ireo voaolana ??

Izao azany e... ivereno lazaina amiko kely azany hoe, inona ny kabarin'ireo "pretra vitsy an'isa" manoloana io tranga iainako aty io ohatra. Inona no lazainy, inona no (tokony) lazaina @ ireo boaikely misahota-tsaina ireo ? Mihaino aho...

3. rhaj0 ( 11/12/2014 11:38)
oadray.. ny kabarin'ireo pretra maro an'isa no tiako ho heno..

Efa mihainohaino koa aho aty, fa dia lazaiko anareo eo inona no kabary ofisialin'ny pretra maro an'isa, na koa ireo (mbola) miaro (mafy) ny "reputation"n'ny Eglizy..
4. hery ( 11/12/2014 11:53)
Tsy hitako aloha ilay hoe manafina sy miaro.
Mety tsy mahalala angamba no marimarina kokoa.

Anjaran'ny polisy sy ny fitsaràna ny manenjika sy manao fanadihadiana.
5. rhaj0 ( 11/12/2014 12:05)

http://www.cbc.ca/news/canada/ottawa/ottawa-priest-charged-in-2008-sexual-assault-of-teen-1.2860661
Amesse was suspended from all ministry and his position as pastor at St. Patrick's Catholic Church in Fallowfield after he was charged on Thursday, according to his archdiocese.

'These are painful moments,' archdiocese says

"These are painful moments in the life of a faith community. May the parishioners know the spiritual support of our entire Catholic community," the Archdiocese of Ottawa said in an emailed statement.



Hono ho'a... io ny highlight fa : TSISY...ary tena TSISY teny kely akoriny ho an'le "supposé victime" ??????

"painful moments" ho an'ny reputation-nao fotsiny io ?????
6. rhaj0 ( 11/12/2014 12:10)
http://ottawacitizen.com/news/local-news/ottawa-reverend-charged-with-sex-offences-on-young-boy
Amesse had previously served at Stittsville’s Holy Spirit Catholic Church. In response to a national poll about sex abuse cases, Amesse told the Citizen in 2002 that his parish had been growing despite the unhappiness of Catholics with how the church handled the abuse.

Amesse told the Citizen that many Catholics advocate allowing priests to marry and that they make what he thought was a misleading connection between the vow of celibacy and sex abuse.

“I think it’s a general concern that people might have that their priests are lonely,” Amesse said. “You can be lonely and have a family.”



Ka tena tsy olana ho an'i Amesse, ilay pretra miakatra fitsarana fa hoe pedophile, ka tsy olana aminy hono ny "celibacy" e.... dia io hita io izany ny "vaha-olana" aminy.

maharikoriko...
7. rhaj0 ( 11/12/2014 13:53)
hery:
Tsy hitako aloha ilay hoe manafina sy miaro.

Mila hiverenana indray ve ilay hoe, tezitra ny ONU, ary niteny mazava t@ vatican hoe sokafy ny arsivy ?? Any anaty arsivin'i Vatican any misy resaka, tsy iadian-kevitra io.. Koa na ry Papa Benoa azany efa nanipy teny..

Dia i Amesse, ilay pretra miakatra fitsarana fa hoe pedophile, efa t@ 2008 io izy izany no ahiana, dia tena tsy mba nikOzy t@ arkibisopy ve izy hoe, tena mangidihidy ho'a.. ngo dia i arkibisopy kosany no nanome hevitra azy hoe.. asaivo kaorin'ny boaikely choral ao eee...

[size=8](dia alefa ny tombatombana satria dia tena maharikoriko ity kOzy ity e....)[/size]

8. hery ( 11/12/2014 14:42)
Izay ahay, samborina izay mpanao ratsy... fa mba deraina kosa ny mpanao tsara... sa ve hoe tsy misy?

9. gasy1zay ( 11/12/2014 14:44)
Amiko aloha dia misy ny pretra manao pretra satria tena vocation, tena nisy antson'Andriamanitra tao aminy, misy indray ny nanao pretra noho ny fitaizana azony na noho ny pression @ manodidina, any Italie ohatra henoko hoe misy tradition familiale hoe misy anankiray @ fianakaviana tokony ho lasa pretra ary tena ohatrany ilay hoe lasa diakona sy loholona aty amintsika ireny , ary misy koa moa olona manao pretra satria misy tombontsoa manokana no kendreny ao ary toy ny voalazan'ny rhaj0 dia misy olona mampiasa ny mahapretra azy hanaovany ny filandratsiny.

Izaho koa dia mahatoky fa mbola maro ny mpanompon'Andriamanitra tsara fitondrantena na dia misy ary ireo tena tsy mifanaraka @ tenin'Andriamanitra mihintsy ary manao zavatra mahamoafady ,sady manala baraka ny anaran'Andriamanitra sy ny fiangonana.
10. rhaj0 ( 11/12/2014 14:55)
hery:
Izay ahay, samborina izay mpanao ratsy... fa mba deraina kosa ny mpanao tsara... sa ve hoe tsy misy?


Tena mitongilana miangatra giravibe ianao ry Hery.

Hevero anie ohatra raha i Ramasy mpampianatra mpanelaka no manao ny ataony e.. dia lazaiko anao fa TSISY mpampianatra hilaza, @ io contexte io hoe niakatra fitsarana i Ramasy, TSISY mpampianatra hilaza hoe: "mba deraina kosa ny mpampianatra tsara e..."

Fa n'enareo moa tohina ianareo satria ny akamanareo, Ra-Amesse, akamanareo ao @ finoana dia présumé pédophile.

Ilay zaza voaolana @ io tena TSY asianareo sira na ny pitiny azany. Jereo anie raha asianao resaka na dia teny iray fotsiny azany e.

I bainina izao milasilasy atsy @ maison de retraite (de luxe) ho an'ny pretra... Tsy mila miaro-tena akoriny izy fa ao ny hotry an-dry Hery hilaza azy.
11. Fiffi ( 11/12/2014 17:54)
....zah aloha dé midera an'ireo pretres tsara fitondra-tena...

soahiany fa bé dé bé ry zareo...satria raha tsy nisy an'zareo dé asa re ho aiza ?

ny zavatra halako kosa aloha dé lé fanaovana polémique tsisy farany satria we nisy pretre nanao an'zao sy zao ...zavatra tsy azo atao zao....

ary raha mba ny zavatra tsara nataon'zareo no atao (polémique ? ) heu....tsy polémique tsony ny filaza anazy fa.....

saingy ....vao misy zavatra tsy mety atao dé iny lava zao ho an'sasany io an ! io foana no averimberina isan'andro zao !! ras le bol !!

ny vadin'i (...) i (...) i (....) nanolana , nanao an'zao sy zao...ao ny polisy manao ny asany fa tsy hanaovana polémique à chaque fois.

olombelona tahaka ny olombelona rehetra iny pretre nanolana iny , olombelona azon'fakampanahy , dé iny ve no henjehina isan'andro lava zao ??? oula ! stop !

12. rhaj0 ( 11/12/2014 18:24)
Raha TSY manana fitserana (compassion) ho an'ny voaolana indray kosa k'lou iana(re)o dia ... variana ihany aho, satria ny Kristiana indrindra no toa mihambo manana an'io... fa ilay préjugé mantsy, na koa ilay ampinoana ny "mpino (kristiana)", dia hoe, rahefa TSY-mino dia hoe tsisy-fo.

Dia io izany TSISY resaka, na TSY mila asiana resaka fa mam-pi-"oula ! stop !", ka dia tsy mila resaka eto izany momba ny @ zaza voaolana, sy koa ireo zaza manodidina... na koa ireo r-a-d fanina fa very repère... na koa ny fiaraha-monina tompon'andraikitra @ bien-etre-n'ny ankizy ao aminy..

Averiko indray ny fanontaniana :
Dia mbola ho any @ Eglizy ve ireo boaikely manodidina ireo, rahefa nahafantatra fa ao @ Eglizy tao mihintsy no misy mpanolana ???
13. gasy1zay ( 11/12/2014 19:55)
rhaj0 > ohatrany tena tsapako misy fahatezerana sy fankahalana be aminao @ ilay resaka atao ito ka mampanontany tena ahy hoe sao dia mba nampijalian'ny relijiozy t@ fitaizana "sergent" ary ianao ity fony fahazaza mahatonga anao tsy mety mandray ny famonjen'i Jesoa Kristy, enga anie mba diso ny eritreritro nefa ohatrany mi"expliquer" ny fihetsikao mikasika ny fivavahana ilay izy.
14. Fiffi ( 11/12/2014 20:20)

gasy1zay:

rhaj0 > ohatrany tena tsapako misy fahatezerana sy fankahalana be aminao @ ilay resaka atao ito ka mampanontany tena ahy hoe sao dia mba nampijalian'ny relijiozy t@ fitaizana "sergent" ary ianao ity fony fahazaza mahatonga anao tsy mety mandray ny famonjen'i Jesoa Kristy, enga anie mba diso ny eritreritro nefa ohatrany mi"expliquer" ny fihetsikao mikasika ny fivavahana ilay izy.


enganié ka mba diso koh ny heritreritro tahaka anao.....satria comme si c'est une idée fixe am olona iray lé izy fa tsy adi-hevitra tsony....

15. Fiffi ( 11/12/2014 20:30)

rhaj0:

Raha TSY manana fitserana (compassion) ho an'ny voaolana indray kosa k'lou iana(re)o dia ... variana ihany aho, satria ny Kristiana indrindra no toa mihambo manana an'io...


ahoana moh no ahafantaranao zay ao ampon'Kristiana ao no wé tsy manana COMPASSION ho an'voalana lé olona na indrindra wé ny Kristiana ?

.....fa mba olombelona iza no tsy manana compassion am zany ?

rhajO:

Dia mbola ho any @ Eglizy ve ireo boaikely manodidina ireo, rahefa nahafantatra fa ao @ Eglizy tao mihintsy no misy mpanolana ???


fa nahoana ry zareo no tsy ho any am Eglise tsony ozy enao ?

heu.....fa nga moh dé atao masaka anaty lohany wé ao am Eglise tao no misy mpanolana ?

oula....hafa kely njay zany an !
16. rhaj0 ( 11/12/2014 20:41)
Iana(re)o angaha tsy matahotra miverina any @ "lieu du crime" ?

Ny anay azany ho'a, fony boaikely, vao hoe malaza fotsiny fa misy kalista atsy @ court de tennis-n'i Mahamasina dia efa tsy hita tany intsony zahay.

Fa boaikely no voaolana eto. Angamba rahefa sipakely no voaolana dia izay i Fiffi (izay vhv?) vao taitra. Na koa ny zanakao lahy ?


Dia nefa indray moa, kay izany tsy (mbola) crime amina(re)o ny nataon'i Ramasy.. Sa efa voavelan'i arkeveka ?
17. rhaj0 ( 11/12/2014 21:24)
gasy1zay:
rhaj0 > ohatrany tena tsapako misy fahatezerana sy fankahalana be aminao @ ilay resaka atao ito ka mampanontany tena ahy hoe sao dia mba nampijalian'ny relijiozy t@ fitaizana "sergent" ary ianao ity fony fahazaza ...

Izaho (manokana) aloha, araka ny resako tatsy, dia efa tany @ kilasy 1ere no nitrifana eee... taloha be an'izany akoriny azany. Ary tsy katolika fa sekolim-panjakana. Tatsy aho izao nidawawa fa tampohiny niditra basilika :-)

Fa mba manana fon'olona e (compassion)... asa ianao. Dia mba mampiasa ny saina koa.. asa ianao. Dia mitsikarokaroka (curiosity) sy liana vaovao... asa ianao. Fa na izany na tsy izany, misaotra anao mieritreritra ny amiko.

Nefa moa... ny messager ve no hozongozonona rahefa tsisy ambara ry Gasy1zay @ ilay message ?

Ary sao dia izay rehetra manonzongozona ny revina(re)o azany dia voan'ny fanontaniana ny @ izay nataony "fony fahazaza"... dadany izany... Ka dia mila inquisition be ianao izany ry Gasy1zay fa aty ny olona be dia be no manonzongozona..
18. gasy1zay ( 11/12/2014 21:26)
Ianao milaza matetika hoe mba ezaho fantarina ny position'ny hafa, mba ampiaro amin'ny tenanao ihany izany indraindray na dia tsy mahafaly anao na mahatezitra anao aza ny zavabitan'io ranamana io.

Tsy misy milaza mintsy hoe tsy diso ilay pretra, tsy misy milaza koa hoe tsy misy mandraharaha ny fahavoazan'ny victimeny ny mpisera eto, fa ny tiana ambara dia tsotra, misy ny tsy nety, misy ny diso fa midika ve zany fa diso daoly ny hafa? Raha ny fiantsoana izany amiko dia "PRÉJUGÉ".

19. rhaj0 ( 11/12/2014 22:04)
Izaho k'lou tsy nilaza hoe diso "daoly" ny hafa. Efa notsipihiko anaty fonosana hoe ny "pretra (sasany)".. Efa niaiky aho hoe "ka ireo indrindra anie no (tiana) (n)iarahana sy... (n)ikimpiana ny maso, ary (n)atokisana fa vozona miaro ny tandroka sa tandroka miaro ny vozona e.."

Ny position-n'i Hery ohatra dia efa noresahiko io ny fahitako azy.. sahala @ ilay ramatoabe taty, ny "reputation"-n'ilay presume pedophile no mahamaika azy fa tsy ilay zaza... Fa hita ko e... mivoana @ resaka ianareo... lasa hotry ny "izaho" no lasa resaka..

Izaho izao TSY nanontany an'i Hery hoe .. sao sanatriavinan'ny vava ry Hery, inona no nitranga t@ ianao "fony fahazaza", na "fony fahatanorana", ngo dia namely koa ianao dia lasa mi-sympathiser be an'ilay mpamely ? Dia tena adala aho raha milaza izany.
20. Fiffi ( 12/12/2014 06:56)
rhajO ô !

lé izy kalou hatramzao dé mbola tsy ahitana valiny avy am nao momba an'ireo pretra MARO AN'ISA tsara fitondra-tena araky ny titre an'ity hevitra hiadian'k'hevitra ity koh ....

heu....nanao dinika enao tatsy momba we misy pretre ratsy fitondra-tena....

eto njay isika dé mba hiresaka ireo pretres tsara fitondra-tena.....

....tsy misy olona we tsy manana compassion zany na am tsara na am ratsy

personne , personne ne sait ce qu'ils ont dans leurs coeurs...

na dé we tsy hiresahana eto aza zany satria lasa mifangaro lé dinika...

bref....revenons à nos moutons...

" Ireo pretra maro an'isa tsara fitondran-tena"

" Ireo pretra maro an'isa tsara fitondran-tena"

" Ireo pretra maro an'isa tsara fitondran-tena"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1853