Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy

1. Fody ( 27/02/2009 12:52)



[center]Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy?[/center]

Misaotra mialoha an'izay handray anjara.


Am-pitiavana be...
répondu par fijo le 18/03/2009 21:56
2. ikaretsaka ( 27/02/2009 12:58)
tena tsy fantatro.. satria tsy ananako sy tsy mbola tany "ambohitriny voavonjy" aho sy nandeha nanao enquette tany hoe: nino an'i Jesoa ve no nahatonga anao taty
3. Mirananirina ( 27/02/2009 12:58)
Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy?

tsia,no valiteniko:betsaka no tsy mino azy erantany hoe:zanak'Andriamanitra,fa mpaminany.
4. Nandra1 ( 27/02/2009 13:35)
Eny, izay mino an'i Jesoa Kristy sy manatanteraka ny teniny no voavonjy satria na de ny pitikan'ny rany fotsiny ange d'efa afaka hanadio ahy e! ary manantena fa izy no famonjena!
Io finoana io de zvt tsy hita nefa kosa antenaina, raisiko ohatra fotsiny ny t@ andron'i Moizy, rhf nijery ilay bibilava varahina ireo vahoakan'Israely narary sy efa ho faty de sitrana teo no eo!
5. ikaretsaka ( 27/02/2009 14:57)
efa tany "Ambohitrinivoavonjy" angaha i Nandra de nanao ankety tany? no afaka mitompo teny fatratra?
6. coopsal ( 27/02/2009 15:12)
Nandra1:
Eny, izay mino an'i Jesoa Kristy sy manatanteraka ny teniny no voavonjy satria na de ny pitikan'ny rany fotsiny ange d'efa afaka hanadio ahy e! ary manantena fa izy no famonjena!
Io finoana io de zvt tsy hita nefa kosa antenaina, raisiko ohatra fotsiny ny t@ andron'i Moizy, rhf nijery ilay bibilava varahina ireo vahoakan'Israely narary sy efa ho faty de sitrana teo no eo!

==> Io mihitsy no ambaran'ny Baiboly, nolazain'ny mpaminany fahiny, ny razantsika Malagasy, Kristy ary ny Apostoly.
Izaho koa mino tanteraka izay ambaran'ny Baiboly.
7. ikaretsaka ( 27/02/2009 15:15)
taiza ny razantsika ry coopsal no nanambara momban'i Jesoa?
8. Fody ( 27/02/2009 15:32)

Nandra1.

Ireo olona tao amin'ny Testamenta taloha aloha dia tsy nahalala an'i Jesoa Kristy. Araka ny filazanao dia izay nambaran'i Moizy no narahiny. Ary izay nambaran'i Moizy dia izay rehetra reny avy amin'Andriamanitra Ray. Donc tsy mitombina izany ny hoe: "Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany no voavonjy"....
coopsal:
==> Io mihitsy no ambaran'ny Baiboly, nolazain'ny mpaminany fahiny, ny razantsika Malagasy, Kristy ary ny Apostoly.
Izaho koa mino tanteraka izay ambaran'ny Baiboly.

Hamafisiko ny fanontanian'i Ikaretsaka : Ny razatsika Malagasy iza ry coopsal no nilaza an'io?

Raha mino izay voalazan'i Baiboly ianao dia mino ihany koa fa eo anilan'Andriamanitra Ray i Abrahama.

I Abrahama izay tsy nahalala ny didy folo, tsy nahita an'i Kristy fony fahavelony, nefa isan'ireo olo-masina ao an-danitra.... Tsy niteny na dia indray mandeha aza hoe: "izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompoko sy Andriamanitro"... Ny hany ninoany sy nametrahany ny fiainany sy ny fitokisany dia Andriamanitra Ray.

Hatreo aloha sao lava loatra!

am-pitiavana be.

9. xxx ( 27/02/2009 18:33)
:wink: zavatra tsotra sarotra ihany ilay fandehany e! ATRA no mahalala ny zavatra ataony fa tsy isika no hanatanteraka ny famonjena , fa ny fahazoako azy de zao refa tonga Kristy d hafa indray ny fitsarana ny olona hatreo ny makaty , fa ny tany aloha rehetra dia zavatra hafa izany samy manana ny hitsarana azy ny ol , fa raha @ ny ankehitriny no resahana dia tsy misy fanavotana raha tsy avy @ alalan'iKristy irery ihany satria hoy izy hoe: izaho no lalana sy fiainana ary fahamarinana tsy misy mankany @ ray afatsy avy @ alalako . Koa inona indray no hiadiana hevitra @ izany , fa na izany aza de tsy izay milaza ho Kristiana ihany koa diaho avotra fa tandremo a! misy tena mahazo fanankianana be mitsy raka ny voalazan'ny soratra masina :*
10. ikaretsaka ( 27/02/2009 18:53)
dia ahoana ny taty aorian'i Xty? ry mahomet ohatra ? na ry mormons?
11. cutie ( 27/02/2009 19:06)
ho an'i Xtiana de JK de zay mino azy no ho voavonjy. De fantampataro any we in ny dikan'zany we mino azy zany lol.
12. rakaroka ( 27/02/2009 20:32)
8O :? :roll: Sao dia "ahavexé" na "hanahirana" ilay Jesoa aza ity anarany
"dradraina tafahoatra ity"...Ary fihevitro marimarina tsy hoe tsinontsinona akory ry Mosesy ny ny iraka maaro tany aloha matoa nohamafisina sy notozoiny fa tsy
"tahaka izao fampianarana ankehitriny hoe "tsy natao referansa mihitsy ny teo aloha!" tsy tonga handrava izy fa hanatanteraka...Tsy voagejan'ny hazofijaliana monja koa ny fisiana rehetra tokony efaina sy atrehina, fa ny Xtiana maaro no mandray an-tendrony.
Ohatra mampianatra i Jesoa matio 5-7 . Misy zava-maro tiany itaritana ny saintsika
vao hoharina @ lhl hendry sy nanorina ny trano izay sarim-pamonjena . Dia avilan'ny maro fotsiny hoe Jesoa no vatofehizoro, dia tsinotsiniaviny daholo ireo anjara biriky fanorenana ny tranom-pamonjena nampianarin'i Jesoa.
Tahaka ireo mafana fo be manao teny lava sy safobemantsina tahaka an'i Coopsal,
anefa marina fa ireo teo aloha sy ny maaaro tsy nahafantatra izany Jesoa akory,
ka raha izay mahalala azy ihany no ho voavonjy dia mba mitanila sy miangatra koa izany Atrareo izany, sady tahaka ny misy "chantage" izany ilay finoana @ izany§
13. ikaretsaka ( 27/02/2009 20:50)
Izay no ilazako foana ireo kristianintianim-poana hoe tandremo ihany sao hivadim-po rehefa any "ambohitrinifamonjena" (raha ho tonga any ihany) ka mahita mpianatr'i mahometa tampoka na le bandy niteny hoe aza mitsimpona...izay neverina ho fa "mpanohitra an'Atra" ...mihaminkamina any
14. xxx ( 28/02/2009 01:50)
Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy

Raha araka ny Teniny dia "eny", izay mino sy manaiky Azy ihany no ho voavonjy.

Tokony ho tsarovana fa:
- Ny fitsarana ny velona sy ny maty dia mbola ho avy (fa tsy efa vita)
- Efa nomen'Andriamanitra Ray an'i Jesoa ny fitsarana
- Araka ny nambaran'i Jesoa dia izay mandre sy mino ary mankatoa ny Teniny no ho voavonjy

Mety hiteny ianao hoe "masika" be izany. Eny tena masiaka tokoa. Tsarovy fa tsy ho any an-tranon'ondry Izy amin'izay ora izay fa ho avy am-boninahitra, mipetraka eo @ seza fiandrianany, ary ny lohalika rehetra handohalika eo anatrehany.
15. Nandra1 ( 28/02/2009 04:40)
efa tany "Ambohitrinivoavonjy" angaha i Nandra de nanao ankety tany? no afaka mitompo teny fatratra?

Tsy mbola tany aho fa izay no finoana amiko ary izay koa no voalazan'ny baiboly izay mirakitra ny teniny ary "Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona mandrakizay"!
16. Fody ( 28/02/2009 11:51)




ho an'i xxx (n°13)

Averiko eto izay efa nolazaiko sy ny fanontaniako tsy nisy valiny tary ambadika tary!!!

Ny finoana dia fahasoavana avy amin'Andriamanitra, izany hoe: FANOMEZANA. Araka izay nolazain'i Kristy anefa dia tsy olona rehetra no nomena an'izany.... Ka raha fanomezana (fahasoavana) ny finoana an'i Kristy, ahoana no lazainao fa izay mino azy ihany no hovoavonjy?

Raha izay mino azy ihany no ho voavonjy, toa milaza hoe. misy izany ny olona efa voatendry ho voavonjy ary misy ny olona tsy ho voavonjy mihitsy?

Raha fanomezana ny finoana, ireo izay tsy mba nahazo izany ve dia ho very daholo e? Dia iza no tena diso amin'ny fahaverezan'ireo, izy tsy nahazo ilay fanomezana, sa ilay mpanome tsy mba nanome ?


Manaraka an'izay dia izao:

Taiza sy taiza aby no toerana efa mba noolalovan'i xxx???
mahatoky ve xxx fa efa fantatry ny olona rehetra, na efa nampahalalana, na efa notorina tamin'ny olona rehetra ny Evanjelin'i Kristy??? Na hoe efa notorina tamin'ny olona rehetra ny finoana an'i Kristy? Firy isan-jaton'ny olona no efa nitoriana an'i Kristy??? Dia very daholo ve izany ireo tany rehetra tsy mba mahalala azy, sy tsy mba nitoriana azy satria izay mino azy ihany no ho voavonjy???
ka raha very ireo Iza no meloka, ilay mpanome ny fahasoavana sa ilay tsy nomena??? Mba valio azafady e!!!



Raha tsy mahalala ny Zanaka ve dia avy hatrany dia hoe tsy fantatry ny Rainy e??? fa iza no fantatry ny olona voalohany ny Zanaka sa ny Ray??? Raha ny Ray no fantany mialoha sy inoany, ahoana no lazaina fa raha tsy mahalala ny zanany sy tsy mino azy izy, dia ho very sy tsy fantatr'Andriamanitra??? Mba hazavao hoe!!!.
Toy ny hoe: dadatoanay sy ny vadiny no fantatro, ary inoako fa havanay. Ny zanany tsy misy fantatro. Dia raha tsy mahalala ny zanany ve izaho dia tsy ho fantatr'i dadatoanay koa e??? na hoe noho ny tsy fahalalako ny zanany dia tsy ekeny ho havany intsony aho??? Dia rariny ve izany???

Hoy ny soratra masina "Na hanadino ny taizany aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao" ... Dia ahoana? hazavao!

Ary mbola hampiko hoe. "Ny hahavonjy ny olona no sitrak'Andriamanitra fa tsy ny hahavery azy". Aza adino fa i Kristy no tonga nofo dia mba hanome voninahitra ny Ray. "Ary ny Voninahitr'Andriamanitra dia ny olona velona"... I Kristy tonga nofo dia hamonjy ny olona fa tsy hanameloka azy akory....




Am-pitiavana be.
17. bor2lais ( 28/02/2009 12:22)
Lasa eritreritra kely ihany nahita ilay fanontaniana.

\"Izay mino an\'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy ?\"

Raha ny fipetrak\'izao fanontaniana izao dia manaiky ilay namorona ity lohateny ity fa \"Izay mino an\'i Jesoa Kristy dia ho voavonjy\"

Ny tena fanontaniana tiany apetraka dia ny hoe : moa ve ireo ihany sa mety misy hafa koa ?

Izy ity moa resaka finoana ka samy manana ny maharesy lahatra azy (eny fa na dia samy milaza azy ho mpanara-dia an\'i Jesoa Kristy daholo aza).

Raha ny hevitro manokana dia izay voasoratra ihany no hiaingako (izay rahateo koa moa no foto-pinoako) : inona no lazain\'ny Soratra Masina ?

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&Toko=3&andininy=16-18&dika=

Raha io voasoratra io no jerena dia voalaza fa izay tsy mino ny Zanaka dia efa voatsara na voaheloka (noho izany tsy finoany izany).

Amiko manokana anefa, toa milaza io teny io fa izay mahalala nefa tsy mino no tononina eto, izany hoe izay natoro sy/na nampahalalana saingy ninia nisafidy ny tsy hino Azy.

Koa raha hiverenana ilay fanontaniana dia izao no azoko hambara :

1. izay rehetra mahafantatra ka mino Azy dia sûr fa ho voavonjy

2. izay rehetra mahafantatra nefa tsy mino Azy dia efa voaheloka : inoako anefa fa ho raisiNY ihany raha toa ka mahalala miverina Aminy ihany (satria be famindram-po Izy). Amiko manokana io mantsy ilay antsoina hoe \"fahotana mahafaty\" (na fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina) : discussion hafa indray angamba ny momba izay ...
Ny asa iraka navelan\'ny Tompo ho an\'iretsy voalohany iretsy dia ny manambara izany famonjena voarainy izany amin\'ireo izay maniry handray izany koa : ny tanjona dia ny \"ahafoana\" ity faha-2. ity. Izay no andraisako ilay Fitiavan\'Andriamanitra an\'izao tontolo izao.

3. ireo izay tsy nahalala an\'i Jesoa Kristy kosa : Izy irery ihany no mahalala ny momba azy ireny (tsy afaka maka ny toeraNY aho)

Izay no hevitro, raha toa ka tsy mety dia aoka hiverina aty amiko ihany !
18. Fody ( 28/02/2009 14:54)

Momba ny hevitra nolazain'i bor2lais io ambony io ny tenako.

Ny zavatra tiako hamafisina fotsiny dia izao: NY ZAVATRA ANDRASAN'ANDRIAMANITRA AMINTSIKA DIA NY FITIAVANTSIKA AZY SY NY ZAVA-BOAARINY REHETRA. Izany hoe: ny iarahantsika aminy, ny anankinantsika ny fiainana aminy... I Kristy, ho an'ireo mahalala azy, dia nitari-dalana azy ireo ho amin'izany lalana izany. Ho an'ireo tsy mahalala an'i Jesoa Kristy kosa dia misy fomba hafa hitarihan'Andriamanitra azy ireo amin'izany.

Feheny: Aza ferena amin'izay voasoratra ny Famonjenan'Andriamanitra sy ny Fitiavany satria mihoatra lavitra noho izany izy. I Joany dia nilaza mazava fa tsy omby an'izao tontolo izao raha nosoratana daholo izay nataon'i Kristy sy izay nolazainy... ka aza ferana amin'ny Baiboly re hoe: izay ihany no izy e!

Am-pitiavana be!

19. ikaretsaka ( 28/02/2009 17:02)
Miombon kevitra
20. Mandefitra ( 02/03/2009 06:51)
Miombon-kevitra @ bor2lais.

Fa manana fanamarihana kely :
Isika olombelona be ady varotra loatra. Tsy mba toy ny "zaza".

Rehefa hoy tenin'Andriamanitra hoe minoa an' Jesosy mba ho vonjena ianao, dia zay zany.
Andriamanitra no mamonjy, zay TiaNy no atao raha te hovonjena ianao.

Rehefa hoy Izy hoe jereo ty bibilava dia fa ho sitra ianao, dia zay.
Rehefa hoy Izy hoe ateheno @ ranomasina ny tehinao dia ho afaka mamaky ny ranomasina ny znak israely dia zay no hamonjena anao.
Rehefa namolavola fotaka Jesosy nataony feta mba hampahiratra ilay jamba avy hoe nde sasao ery de mahiratra ny jamba etc ....

Tsotra : ataovy ny adidinao, zay nanirahan'ny Tompo anao: Minoa. mitoria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0735