Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy

81. ikaretsaka ( 12/03/2009 18:36)
ka maninona tsy ny eto aloha no karakaraina tsara sy atao tsara ze hahasoa azy fa tsy laozana mandrevy ny ary nefa ekenao fa ny fototry ny ary de eto!
ny fotony aloha ho'aho vao ny raviny!
ahoana ny hampandrobona zavatra ratsy fototra?
82. mia ( 12/03/2009 18:51)
ikaretsaka:

ka maninona tsy ny eto aloha no karakaraina tsara sy atao tsara ze hahasoa azy fa tsy laozana mandrevy ny ary nefa ekenao fa ny fototry ny ary de eto!
ny fotony aloha ho'aho vao ny raviny!
ahoana ny hampandrobona zavatra ratsy fototra?


ka izay indrindra no hikarakarana ny eto anie e! hiomanana @ ilay milay be ary !manomboka eto an-tany rehefa mandray an'i Jesoa dia efa afaka manandrana ny paix omeny!!tsy mbola feno anefa ny eto fa eto mihitsy no atao ny safidy, ny didy no an'ny Tompo

Tadidio ny tantaran'ny virjina adala sy hendry!! mila tazaina ny solika mba tsy ho tratry ny tampoka!!


83. coopsal ( 13/03/2009 14:29)
ikaretsaka:

ka ireny razantsika ireny izao tsy nahalala izany Jesoa izany dia ahoana?

hamehezako azy ry coopsal de tombatombana ihany ny antsika fa Izy irery ihany no mahalala fa iry voavonjy na iry tsia

raha jereko ny lojikanao de ary mety izay kao angamba ny mahatonga ny Kato hanao ilay messe de requiem sy mangata bavaka ho an\'ny havany efa maty ireny an!

==> Raha ny lojikako no hitanao dia diso lalana. Kanefa rehefa mandinika ny lojikanao aho dia mitovy @ ahy ihany.
Tsy ny lojikako no ambarako anao eto fa lojikan\'i KRISTY, ary inoako fa tsy iza no tao ami\'nilay Jesoa fa ny Ray ihany. Lojikan\' Andriamanitra araka izay ampianarin\'i KRISTY no lazaiko. Ny teniNy mantsy e, fa ao amin\'ny fankatoavana ny teniNy ihany vao mahalala ny lojikany, araka ny nolazaiNy hoe \"ny fihevitro tsy fihevitrareo\".
Ny Apostoly Paoly nanao hoe \"ny filazantsara no amonjena anareo, raha tazoninareo hatramin\'ny farany\".
Masindahy Joany nanao hoe : \"Ankehitriny ary dia zanak\' Andriamanitra isika\", ka moa ve izay antsoina hoe zanak\' Andriamanitra tsy mandova ny fanjakàn\'ny lanitra ?

Ny razantsika tsy nahalala Azy, fa nampahafantarina momba Azy ary nampahafantatra tamin\'ny taranaka. Niandry Azy.
Ny messe de requiem raha ny fahafantarako azy dia fivavahana mba hamonjena (sa hitahiana) ny fanahin\'ireo efa nodimandry ? Misy cousine nay izay mantsy catho d nasainy aho handeh t@ izay fa ny reniny efa maty efa ela moa d hoe \"messe de requiem ho an neninay\".
Izay fampianarana izay indray samihafa amin\'izay hitako nolazain\'i KRISTY.
84. coopsal ( 13/03/2009 14:42)
rakaroka:

Ny soratra samby manana fa ny lava loatra mahalaona ny hafa raha ratsy fipetraka ! Efa aty aoriana mbola voasiratza tsara : "Endrey manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray antsika dia ny niantsoany antsika hoe "zanak'Atra sady izany tokoa isika!"

==> Ao @io epistola misy an'io ihany no ilazany fa "ny zanak' Andriamanitra dia tsy manota, satria ny natioran' Andriamanitra no ao aminy".
85. coopsal ( 13/03/2009 14:51)
ikaretsaka:

rakaroka> za koa mino fa mbola hiara hihaona aminao indray any @ le fiainana ankoatran'ity fiainan'ity e :wink:

==> Ka KRISTY efa nilaza fa ilay mpanakarena koa nahita an'i Lazara teo an-tratran'i Abrahama. Ary probablement, Lazara afaka nifankahita tamin'ilay mpanakarena (kanefa kay moa ilay iray tao @ maizina, fa i LAzara tao @ mazava).

ikaretsaka:

fa entre pa tokoa...
ny ankamaroan'ny Razamben'ny malagasy (raha tsy hoe le natao martiry be faha ranavalona reniny ireny angaha) iznay hoe ny 7 eme generation no miakatra eo ho eo, dia tsy mahalala an-drajesoa akory.. de ho an'ireto voanjo alika ireto izany de tsy avotra ireny?

==> Tsy ny voanjo alika no mandahatra ny toerana sy ny fotoana, fa ny Ray, izay nanendry andro iray hitsarana ny velona sy ny maty, amin'ny alalan'i KRISTY. Ka i KRISTY izany no hitsara, Izy no mahafantatra, ary Izy tsy nanafina fa nanambara mazava.
Ireo mety tsy nahalala an'i Jesoa, fa i Jesoa, izay fea talohan'izy rehetra no efa nahalala sady mahalala azy. Ary tonga teto Izy mba hamonjy ny rehetra, na dia ireo izay tsy nahalala Azy aza. Fa hoy koa Md. Piera hoe "nankany @ fiainan-tsy hita hitory t@ ireo fanahy voagadra"
86. coopsal ( 13/03/2009 14:56)
rakaroka:

Fa raha ny marina @ ity fiainan-tsy hita, koa izany izy tsy hita, ny hoa voavonjy sy tsia koa, rehefa mby any ´za manao compte-rendu hoe voavonjy na tsia!

==> Ka efa voasoratra (ary voaporofo rahateo) fa rehefa tsy mino ny mpaminany ny olombelona, na hisy avy any aza dia tsy hino izy ireo. ka na dia ataoko hoe izany no izy, izay nino ny mpaminany ihany no afaka hino ny compte-rendu mety hataonao raha hisy!
Sady siora ve fa hinoanao izay zavatra ho hitanao any mba hanaovanao compte-rendu ?
KRISTY no efa nanao compte-rendu ny zava-drehetra. Tsy dia eritreretiko hitondra zavatra vaovao noho izay efa nentin'i KRISTY sy entin'i KRISTY na iza na iza.
87. rakaroka ( 13/03/2009 17:31)
Ny Kristy inoana anie wa samby manana ny azy, ahoana no terenareo fa ny anareo ihany no izy :?: Izay no tsy hiziriziriana hoe "ity ihany" satria ny hafa koa manana ny balise-ny tahaka izany koa.
Ary aza asiana lamboridin-tsoavaly @ izay voasoratra ny maso sy ny fihevitra satria na ilay Jesoa aza nilaza hoe: Vakianareo ny soratra anefa
...sy ny hoe "voasoratra hoe...fa izao ...satria maro no diso hevitra @ voasoratra!
88. rakaroka ( 13/03/2009 17:35)
coopsal:

rakaroka:

Ny soratra samby manana fa ny lava loatra mahalaona ny hafa raha ratsy fipetraka ! Efa aty aoriana mbola voasiratza tsara : "Endrey manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray antsika dia ny niantsoany antsika hoe "zanak'Atra sady izany tokoa isika!"

==> Ao @io epistola misy an'io ihany no ilazany fa "ny zanak' Andriamanitra dia tsy manota, satria ny natioran' Andriamanitra no ao aminy".

Ka justement volena fotsiny izao hevitra iampangana fa andevon´ny ota,
ny lazaina fa tsy mpino tsy ho andevon´ny ota tsa abahany @ fiainany!

89. ikaretsaka ( 13/03/2009 18:10)
miombona hevitra @ rakaroka
90. coopsal ( 16/03/2009 08:56)
rakaroka:

Ny Kristy inoana anie wa samby manana ny azy, ahoana no terenareo fa ny anareo ihany no izy :?: Izay no tsy hiziriziriana hoe \"ity ihany\" satria ny hafa koa manana ny balise-ny tahaka izany koa.

==> Mety samy manana ny kristy-ny ny tsirairay. Ho ahy ny inoako dia izaho nandre an\'i Jesoa. Satria ny vavaka nataoko hoe \"raha misy marina ianao Jesosy\"! Raha \"KRISTY\" no nataoko dia mety hoe iza amin\'ireny voalaza fa kristy ary. Raha Andriamanitra no nataoko dia mety ho nampisalasala hoe ilay Andriamanitra antsoin\'ny silamo hoe \"Allah\", sa ilay Bouddah, sa ilay Brahman, sa ilay Shiva, sa Krishna, sa iza. Fa \"Jesosy\" no notononiko ary dia namaly ahy, ka amiko, Jesosy no namaly, Izy no Andriamanitra naniraka ny tenaNy hamonjy ka mahatonga ny hoe \"KRISTY\".
Izaho tokoa aloha kristiana hatry ny fahakely e! fa misy lehilahy iray izay nankahala fivavahana kristiana, hindou iringiriny, nahita ny finoana tatsinana maro ary ireny ninoany kokoa noho ny finoana an\'i Jesoa Kristy. Rehefa nahita an\'i KRISTY izy, dia nino amin\'izay ary izy manambara an\'i KRISTY koa @ireo mpiray finoana taminy fahiny. SADHOU SUNDAR SINGH no anarany.
Eto ilazany momba ireo religion hafa ampitahana amin\'i JK.


rakaroka:

Ary aza asiana lamboridin-tsoavaly @ izay voasoratra ny maso sy ny fihevitra

==>Tsy tamin\'ny soratra no nitenenan\'i Jesoa KRISTY ahy hoe \"raha tsy nisy an\'izao ianao tsy ho nitodika tamiko\". Tamin\'ny fitenenaNy tamiko no nanekeko ny Soratra. Ka asa na ilay fitenenan\'i JK tamiko no lamboridin-tsoavaly eto.
Fa raha lamboridin-tsoavaly @ soratra ny ahy, ireo documents rehetra novakianao sy vakianao kay mba inona?

rakaroka:

na ilay Jesoa aza nilaza hoe: Vakianareo ny soratra anefa

==> ... nefa ianareo tsy mety manatona ahy mba hanananareo fiainana. [Jaona 5:39,40] raha tsy diso aho. Tsy ny mahavaky soratra hoy Izy no zava-dehibe, na dia tena ilaina aza, fa ny manatona Azy.

rakaroka:

...sy ny hoe \"voasoratra hoe...fa izao ...satria maro no diso hevitra @ voasoratra!

==> Marina izany, ao @ Matio 5 no tena ahitako betsaka an\'io.
Maro no diso hevitra, namaky hoe \"aza mamono olona\", fa Izy nilaza fa na dia ny tezitra @ rahalahy aza dia toy ny mamono olona. Ary gravy kokoa noho ny mamono olona ny miteny ny rahalahiny hoe \"adala tsy misy ilàna azy\". Ka iza no olona tsy tezitra mihitsy @ rahalahiny ?
Maro no diso hevitra, namaky hoe \"aza mijangajanga\", dia nihevitra ny tenany ho tsy mba voakasik\'izany fahotana fijangajangana izany. Fa Izy nilaza fa ny mi-fantasme amin\'ny vehivavy dia mijangajanga ao am-po. Ka iza no lehilahy mety tsy ho nanao izany mihitsy ?
91. rakaroka ( 16/03/2009 21:55)
coopsal:


==> Mety samy manana ny kristy-ny ny tsirairay. Ho ahy ny inoako dia izaho nandre an\'i Jesoa Fa \"Jesosy\" no notononiko ary dia namaly ahy, ka amiko, Jesosy no namaly, Izy no Andriamanitra naniraka ny tenaNy hamonjy ka mahatonga ny hoe \"KRISTY\".
8O 8O 8O :roll: :roll: :roll: :?: :?:
Mahagaga izany ! Ary somary miangatra angamba lé Jesosin'i Coopsal satria Gasy maro koa no nanonina azy sy niandrandra INDRINDRA @ izao manjo ny firenena izao fa tsy mamaly izy :roll: :roll: :roll:



zaho tokoa aloha kristiana hatry ny fahakely e! fa misy lehilahy iray izay nankahala fivavahana kristiana, hindou iringiriny, nahita ny finoana tatsinana maro ary ireny ninoany kokoa noho ny finoana an\'i Jesoa Kristy. Rehefa nahita an\'i KRISTY izy, dia nino amin\'izay ary izy manambara an\'i KRISTY koa @ireo mpiray finoana taminy fahiny. SADHOU SUNDAR SINGH no anarany.
Eto ilazany momba ireo religion hafa ampitahana amin\'i JK.


'za notezaina Kristiana, ary mahatsapa sy MANAMAFY AHO ATY AORIANA FA TSY IRAY MONJA NY KRISTY fa nisy aby t@ vanim-potoana samihafa, toerana samihafa, endrika samihafa dia vao miha manaporofo fa ilay Atra inoako dia tsy Atra mitanila akory!

Fa raha lamboridin-tsoavaly @ soratra ny ahy, ireo documents rehetra novakianao sy vakianao kay mba inona?


'zaho tsy mpanao copie-coller soratra loatra, satria ambonin'izany izay niainako sy nifaneraserako tetsy sy teroa!


na ilay Jesoa aza nilaza hoe: Vakianareo ny soratra anefa

==> ... nefa ianareo tsy mety manatona ahy mba hanananareo fiainana. [Jaona 5:39,40] raha tsy diso aho. Tsy ny mahavaky soratra hoy Izy no zava-dehibe, na dia tena ilaina aza, fa ny manatona Azy.

Dia mbola tapaka hatrany koa ilay fiheverana ny voasoratra!
Ny "chemin" tsy "objectif"? efa voaverin'i Ika foana hoe iry ny lalana nefa ...

92. ikaretsaka ( 16/03/2009 22:55)
Ampindramo vam re izy handehanany a
93. fijo ( 18/03/2009 21:56)
izay eo aloha hatrehana ,fa ho ita ihany ny any aoriana e.aza manofy aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008