Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy

41. coopsal ( 03/03/2009 07:55)
soanja >>> Tadidiko ilay fanamarihana efa nataonao iny ary misaotra anao namerina niteny.
Fanoharana no nilazako an'iny resaka olona nofidiana iny, mba hanazavako hoe : tsy hoe rehefa tsy miteny anarana hoe "Jesoa" akory dia tsy milaza an'i Jesoa. Io coopsal io izao tsy anarako mihitsy, kanefa dia coopsal no ahafantaranareo ahy eto. Midika ve izany fa raha miresaka @ anarako nomen'ny RAD-ko ahy aho dia ho olona vaovao tanteraka ?

Ny amin'ireo ohabolana Malagasy. Tsy misy azoko atao anao, rehefa manazava miampy fanoharana aho lava loatra, teneniko fohy ilay izy tsy mazava. Izay no ilazako hoe aleo manontany an' Andriamanitra mihitsy ny fonao fa raha tsy izany, na izay fanazavana faran'ny mitombina indrindra aza tsy hohenoinao ary tsy ho azonao velively. Ny problema dia resy lahatra tanteraka (angamba) ianao fa Andriamanitra tsy miresaka amin'ny olona tahaka ny firesaka amin'ny namana, fa ny olona ihany no afaka manao izany amin' Andriamanitra.
42. Fody ( 03/03/2009 10:44)
coopsal:
Amiko, ny famonjena no fanomezana, ary ny finoana no ahafahana mandray ny famonjena.

Aminao izany, fa tsy izany kosa no ao anaty Baiboly. Ny nolzain'i Jesoa dia na ny Famonjena, na ny Finoana dia samy fanomezana daholo.
coopsal:
Ndeha ny tenin'ny Masindahy Paoly no indramiko, raha nivavaka ho an'ireo Jiosy iray rà taminy izy! Dia izao no nolazainy "Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin'ny fara vazan-tany ny teniny."

Dia fantaro ry coopsal aloha izay nofaritan'i Md Paoly hoe "hatrany amin'ny fara vazan-tany".
Raha te hahalala ianao hoe: aiza sy aiza aby no efa tonga ny Evanjely dia tsy ao anaty ny Baiboly no ahitanao azy, fa tsy maintsy mandeha ianao. Ao Madagasikara fotsiny dia mbola betsaka ny olona mbola tsy naheno akory an'izany Jesoa izany, na nahita akory an'izany Baiboly izany... Ary tsy any Madagascar ihany fa na aty Europe aza dia mbola misy olona tsy mahalala an'izany Jesoa Kristy izany. tantara sy angano no hahalalan-dry zareo an'izany.

Hoy i aho
Dia very daholo ve izany ireo tany rehetra tsy mba mahalala azy, sy tsy mba nitoriana azy satria izay mino azy ihany no ho voavonjy???

Hoy coopsal namaly azy
==> Ao @ ity tantara ity no misy milaza fa izay rehetra nijery ilay bibilava varahina dia sitrana ka velona. Ny fanontanianao eto dia tahaka ny toy izao (raha hoariko @ ilay tantara) : Dia ho tsy sitrana ve izany ireo izay tsy nijery ilay bibilava varahina ?

Tsy mitovy izany Rakoto ò! Aza mapiady daomy tsy mitovy masony. Ireo olona voakaitry ny bibilava tamin'ny andron'i Moizy dia samy naheno ny zavatra nolazain'i Moizy aby. Eto kosa dia misy ny olona tsy nahalala satria tsy naheno, na nitoriana... ka moa ve very ireo. Raha izany no izy toa lozabe ilay Andriamanitra inoanao koa. Mamono ireo olona innocents

coopsal:
==> Ndeha ataontsika hoe misy fanafody hono ny SIDA. Raha misy olona voan'ny SIDA ka izarana ny fanafody nefa tsy mino fa io no mahasitrana, ary dia tsy mandray ilay fanafody. Raha tsy sitrana io ka matin'ny aretiny, iza no diso ? izay nizara sa izay tsy nandray ?
Tsy nisy tsy nizarana ny famonjena, fa izaran' Andriamanitra daholo, fa ny tsy mino = tsy mandray ny famonjena, ary famonjena = KRISTY.

Dia mba misokafa kely aloha amin'ny tontolo misy anao, fa aza dia miondrika amin'ny Boky fotsiny.
Jereo sy fantaro ny zava-misy. Sao adinonao (na tsy fantatrao) aza fa mbola betsaka ny olona tsy mahalala an'izany Evanjely izany. Ao Madagascar fotsiny dia mbola tsy tambo isaina ny olona tsy mahalala, na mbola tsy nitoriana an'i Kristy.
Ka iza no diso raha very ireo: izy tsy mba nitoriana na nomena fahalala sa ilay mpanome sa ilay iraka manam-petra tsy tonga tany aminy???

coopsal:
==> Sarotra amiko ny mamaly ny fanontanianao, fa KRISTY, izay mahafantatra ny zavatra rehetra ary nahafatatra mialoha fa hanontany an'izao ianao, sy ny maro hafa koa, dia efa nanome ny valin'ilay fanontaniana fony mbola tsy ary akory isika. Fa hoy Izy :
"Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy."[Matio 11:27]

Aza adino ry namana fa ao amin'ny Baiboly ihany no voasotra ny hoe: "Ary na zovy na zovy hiantso ny anaran'Andriamanitra, dia ho voavonjy;" Ary io Andriamanitra lazaina eto io dia tsy Andriamanitra Zanaka akory, fa Andriamanitra Ray.
coopsal:
==> Hoy koa ny Soratra Masina :
"Ary na zovy na zovy hiantso ny anaran'Iaveh, dia ho voavonjy;" [Joely 3:5a]. Andriamanitra tsy manadino, fa ny olona no tsy miantso an' Andriamanitra (@ fo).

Io dia mampiseho fa tsy izay mino an'i Jesoa Kristy irery ihany akory no ho voavonjy.
Ary maro ireo olona mahalala an'io Teny io. Donc na dia tsy mino an'i Jesoa Kristy (ho Andriamanitra) aza izy ireny dia ho voavonjy ihany koa.
coopsal:
Fa ny maharesy lahatra ahy dia ny tenin'i KRISTY hoe "Tsy misy mankany @ Ray afa-tsy @ alalako". Koa na omba ahona na fomba ahoana izany, dia tsy maintsy mandalo eo @ KRISTY vao voavonjy.

Ny fandalovana amin'i Kristy ry namana dia tsy voatery ho toy ny antsika kristiana akory. Samy manana ny fomba fifandraisany amin'i Kristy ny rehetra. Ny antsika Kristiana dia Jesoa Kristy no hahalalantsika azy, izany hoe Andriamanitra izy ho antsika, ary tena Andriamanitra tokoa. Ny an'ny hafa mpaminany fotsiny izy ary araka izay no hifandraisany aminy... Tsy mandà ny teniny izy fa miaina izany. Ho azy ireo dia ny Ray ihany no tena Andriamanitra.

coopsal:
==> Dia maninona ary Jesoa no nilaza an'ity zavatra ity tamin'ireo Jiosy :
"Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly."[Joany 8:56]

Efa fantatro fa hiteny an'io ianao. Fa ny fanontaniako aminao dia izao: Moa ve tamin'ny andro nahaveloman'i Abrahama teto an-tany no nahitany ny andron'i Kristy??? Non no valiny.

coopsal:
==> Tamin'ny alalan'ny ohabolana sy ny oha-pitenenana ary ny fampianaram- pahendrena isan-karazany.

Mba ilazao ohabolana iray milaza fa: "izay mino an'i Jesoa Kristy ihany no voavonjy, na ho sambatra mandrakizay" hoe? Ohatra ny mba mahaliana ahy izany.

Am-pitiavana be.

43. ikaretsaka ( 03/03/2009 12:18)
coopsal:

"miara midola sy mifampitosy any andanitra any"

==> Ka le any an-danitra tsy nofo aman-drà tahaka ny ety fa fanahy. Ka raha ara-panahy no tsy miara-midola dieny ety, ahoana no hahafahana miara-midola any an-danitra any ? Raha i Kristy no mpanjakan'ny lanitra, izay tsy mety hiara-midola amin'i KRISTY ve hidola ao amin'izay hitoerany ?


De ahoana le tenin'i kristy manao hoe "izay mihinana ny vatany sy misotro ny ra-ny no hanana ny fiainana mandrakizay ary [b]hatsangany indray @ fara andro [/u]" ry coopsal... fanahy fotriny ve io hatsangany io?

44. coopsal ( 03/03/2009 12:28)
Fody:
Aminao izany, fa tsy izany kosa no ao anaty Baiboly. Ny nolazain'i Jesoa dia na ny Famonjena, na ny Finoana dia samy fanomezana daholo.

==> Tenin'i Jesoa aiza ho aiza no misy an'izany kay?
45. coopsal ( 03/03/2009 12:28)
Fody:

Dia fantaro ry coopsal aloha izay nofaritan'i Md Paoly hoe "hatrany amin'ny fara vazan-tany".
Raha te hahalala ianao hoe: aiza sy aiza aby no efa tonga ny Evanjely dia tsy ao anaty ny Baiboly no ahitanao azy, fa tsy maintsy mandeha ianao.

==> Ekenao ve fa mitombina araka ilay fijerinao io t@ andron'ny Md. Paoly ? Raha izany dia tsy ho nitory intsony mihitsy izy. Saingy ny fijerin'ny olombelona fisaka (plan), ny marina anefa vongana (volumineux), koa na oviana na oviana ny fijerin'ny olona dia tsy hahita velively ny tena marina feno. Andriamanitra no mahita ny marina feno, ka izay mihaino an' Andriamanitra amin'ny fo no afaka hahafantatra ny marina. KRISTY no tenin' Andriamanitra velona.
46. coopsal ( 03/03/2009 12:37)
Fody:

Tsy mitovy izany Rakoto ò! Aza mapiady daomy tsy mitovy masony. Ireo olona voakaitry ny bibilava tamin'ny andron'i Moizy dia samy naheno ny zavatra nolazain'i Moizy aby. Eto kosa dia misy ny olona tsy nahalala satria tsy naheno, na nitoriana... ka moa ve very ireo. Raha izany no izy toa lozabe ilay Andriamanitra inoanao koa. Mamono ireo olona innocents

==> Misy olona innocents ve ? Ny zaza angamba no azo lazaina ho innocent, amin'ny lafiny hoe tsy fantany hoe ratsy izao sy izao, fa na dia ny zaza aza dia ao anatiny ny fanirian-dratsy, ary raha tsy ny lehibe mitaiza azy eo no manitsy azy amin'ny kapoka sy/na fananarana isan-karazany, dia hizotra mankany amin'ny ratsy izy. Tsy marina ve Davida sy Paoly raha niteny fa : "tsy misy marina na iray aza" ? Izany hoe : tsy misy innocent.
Andriamanitra tsy mamono olona, fa ny devoly no mpamono olona hatramin'ny voalohany, ary nofahanany lainga ny olona mba hitarihany azy amin'ny fahafatesana. Miverina foana ny tantara,
- tany am-boalohany : Andriamanitra nilaza mazava tamin'i Adama sy Eva fa "ho faty ianao raha mihinana io voankazo io", saingy navilin'i Satana fa tsy ho faty fa juste hahiratra fotsiny ... sns, explication tena maranin-tsaina, apparemment, toa nisy zavatra nafenin' Andriamanitra an'i Adama sy Eva angamba ? Fa i Satana no tsara fanahy nanambara izany ? (je parle en insensé!).
Tsia, tsy Andriamanitra akory no mpandainga, fa ny tsifinoan'ny olona ilay teny tsotra ambaran' Andriamanitra ka nihainoany izay explication ny fahavalo rehetra no nahababo azy ka nahafaty azy sy ny taranany.
- Eto, Kristy no efa nilaza fa "Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana, fa izay tsy mety mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana fa ny fanamelohan' Andriamanitra no mitoetra aminy". Ka iza no manitikitika ny sain'ny maro hihevitra fa misy fomba hafa hamonjena ankoatra an'i KRISTY ? Iray Andriamanitra, iray no mpanalalana amin' Andriamanitra, dia KRISTY.
Izay tsy mitady an' Andriamanitra amin'ny fony dia tsy maintsy hiharan'ny fitaka, satria mandà ny fahamarinan' Andriamanitra izy.
47. coopsal ( 03/03/2009 12:48)
Fody:

Aza adino ry namana fa ao amin'ny Baiboly ihany no voasotra ny hoe: "Ary na zovy na zovy hiantso ny anaran'Andriamanitra, dia ho voavonjy;" Ary io Andriamanitra lazaina eto io dia tsy Andriamanitra Zanaka akory, fa Andriamanitra Ray.

==> Voasoratra io ary marina ... Fa misy firy ny anaran' Andriamanitra ? Eritrereto fotsiny fa ny Malagasy razantsika tsy nahare velively an'izany Yaveh na Jehovah izany, na hoe DIeu fotsiny aza e! Raha tsy tonga ny vazaha. Fa midika ve izany fa tsy nino an' Iaveh ny Malagasy ? Hafa no nahafantaraNy ny anarany : Zanahary.
Ary na dia ny Zanak'Israely tao Egypte aza, rehefa naniraka an'i Moizy Andriamanitra dia nanao toy izao : "Tsy mbola fantatr'izy ireo sy ny razany ny anarako hoe Yaveh, fa Andriamanitra Tsitoha no nahafantarany ahy".
Eto, rehefa miteny hoe : "miantso ny anaran' Andriamanitra no hovonjena", dia miresaka ilay anarana hoe : Andriamanitra Mpamonjy (Yaveh Sauveur), izay dikan'ny anarana hoe : Yueshuah (Jesoa).

Izaho mahafantatra hindous, juifs, mpanompo razana, Katolika, Protestant, sns aho, izay niantso ny anaran' Andriamanitra, nitady Azy tamin'ny fo, ka tonga tamin'i KRISTY. Impossible ho tonga amin'i KRISTY ny olona raha tsy miantso an' Andriamanitra amin'ny fo! Ary impossible ny hoe tsy tonga amin'i KRISTY raha olona mampitodika ny fony amin' Andriamanitra.
Raha olona mitady an' Andriamanitra amin'ny fony dia Andriamanitra no hiteny aminy raha tsy maintsy mino an'i KRISTY vao voavonjy na tsy voatery. Fa raha mbola fandalinan'ny saina no entina mikaroka izany sy manamarina izany dia ho diso lalana foana.
48. coopsal ( 03/03/2009 12:56)
Fody:

Ny fandalovana amin'i Kristy ry namana dia tsy voatery ho toy ny antsika kristiana akory. Samy manana ny fomba fifandraisany amin'i Kristy ny rehetra. Ny antsika Kristiana dia Jesoa Kristy no hahalalantsika azy, ...

==> Ekeko tanteraka fa tsy ary mitovy daholo ny fihaonan'ny tsirairay amin'i KRISTY. Ny an'ny Apostoly Piera (sy ireo 11 hafa) hitany nofo aman-drà, ny an'ny Masindahy Paoly tamin'ny hazavana be teny an-dalana, ny an'ilay rahalahy anakiray hindou izay; niseho taminy raha iny izy saika hamono tena iny, ho an'ilay lehilahy iray izay; namaly ny fanontaniany, ny an'ilay anakiray hafa; resy lahatra tamin'ny fijoroana vavolombelon' ilay namany izay niresaka taminy tamin'ny fahalemem-panahy araka ny fitiavan' Andriamanitra taminy. Betsaka e!
Fa tokana no niraisan'ireo rehetra ireo : nitady an' Andriamanitra tamin'ny fo izy ireo.

Fody:

izany hoe Andriamanitra izy ho antsika, ary tena Andriamanitra tokoa. Ny an'ny hafa mpaminany fotsiny izy ary araka izay no hifandraisany aminy... Tsy mandà ny teniny izy fa miaina izany. Ho azy ireo dia ny Ray ihany no tena Andriamanitra.

==> Raha olona mino marina fa mpaminany tokoa i Jesoa, dia mino izay lazain'i Jesoa rehetra, ka raha i Jesoa no manambara ny tenany ho Mesia, ho iray amin'ny Ray, raha tena mino azy ho Mpaminany dia hanaiky fa izay izany no marina.
Maro ireo Jiosy tamin'ny androny nino azy ho "ilay mpaminany tsy maintsy ho avy amin'izao tontolo izao" e! Saingy ireny no nitenenany hoe "raha tsy mino ianareo fa IZAHO NO IZY, dia ho faty ao anatin'ny fahotanareo ianareo". (IZAHO NO IZY = YAVEH).
Matoa ireo tsy nahafantatra fa io niteny taminy mivantana io no ilay Andriamanitra notompoin'ny razany sy izy, dia satria tsy nihaino na dia ny fampianaran'i Moizy izay nindraindrainy fa avy tamin' Andriamanitra izy ireo.
Maro koa ny Malagasy manindraindra ny fahendren'ny razantsika, saingy moa ve ireny tena manatanteraka ny teny fananarana sy fampianaran'ireo razana ? Raha tena nanatanteraka ireny dia ho faly tahaka an'i Abrahama.
Moa ve misy azon' Andriamanitra atao rehefa tsy hihaino ny feon' Andriamanitra ny olona ?
49. coopsal ( 03/03/2009 13:10)
Fody:

Efa fantatro fa hiteny an'io ianao. Fa ny fanontaniako aminao dia izao: Moa ve tamin'ny andro nahaveloman'i Abrahama teto an-tany no nahitany ny andron'i Kristy??? Non no valiny.

==> Efa nanantena hahita ny andron'i KRISTY Abrahama fony mbola teto an-tany (izany hoe efa nino ny fisiany). Ninoany ny fampanantenan' Andriamanitra mantsy hoe "amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra", koa na tsy fantany aza tamin'izany hoe Jesoa no ho anaran'ilay taranany hitahiana ny firenena rehetra io, dia efa nino izy ary nanantena. Ary dia sahiny nentina hovonoina Izaka zanany, satria nino ilay fampanantenan' Andriamanitra izy.
Raha toa Abrahama afaka nahita an'i KRISTY ka nifaly, ny olona rehetra dia afaka hahita an'i KRISTY ka ho faly. Noho izany samy omen' Andriamanitra occasion ny rehetra hanantena sy hiandry an'i KRISTY, mba hifaliany rehefa hitany marina hoe "io ilay izy".
Fa mila mihaino an' Andriamanitra main'ny fo vao afaka hahalala.

Fanoharana
Ni-recruter mpiasa maro hanamboatra ny tranony ny lehilahy iray, no recruteny tsikelikely ny ingénieurs, ny maçons, ny charpentiers, ny menuisiers, ny plombiers, ... sns! Tsy nahazo an-tsaina loatra ireo ny amin'ny trano hamboarina, fa kosa nanambaran'ny tompon'ilay trano tsikelikely ny as mila hataony isanandro,ary nanatanteraka. Nahatsapa ireo mpiasa ireo fa tena reraka be :
- sahirana ny maçons fa sady mitatitra fasika no maka rano no ... sns.
- niferotra aina sy reraka mafy ny menuisier sy ny charpentiers mitatitra sy manatsofa ny hazo no sady mikajikajy ny zava-drehetra, no tsy maintsy mamafa ny taim-bakona sy ny potikazo
- ...
Betsaka no nitaraina fa tsy naharaka intsony ny asa, nahatsiaro navesatra loatra ho azy ireo ka tsy nahafahany nivalampatra amin'izay fahaizany ny tsirairay mba hampandroso tsara ny fanamboaran-trano. Nampanantena ireo mpiasa ireo anefa ilay tompon'ny trano fa hisy olona hirahiny izay hahamaivana ny asan'izy ireo, na ho (zandry) amin'ny filanjana ny entana izany, na ho (zoky) amin'ny fitondrana ny fitenenana eo amin'ilay tompon-trano sy avy aminy, olona iray mahalala amin'ny antsipirihiny ny momba ilay trano amboarina. Nanome famantarana izay ho endrikendrika sy fotoana ary fihavian'ilay olona ny tompon-trano.
Rehefa tonga ny fotoana voatondro dia tonga ilay olona izay sady manoeuvre no architecte! Ka maro no faly indrindra ary nino. Nisy kosa ireo izay mbola nihevitra fa mahavita ny asany tsara ka tsy mila an'io olona vaovao io.
50. ikaretsaka ( 03/03/2009 13:49)
==> Raha olona mino marina fa mpaminany tokoa i Jesoa, dia mino izay lazain'i Jesoa rehetra,

ny silamo izao mino fa mpaminany i jesoa fa tsy mino izay voalazan'i jesoa rehetra


Voasoratra io ary marina ... Fa misy firy ny anaran' Andriamanitra ? Eritrereto fotsiny fa ny Malagasy razantsika tsy nahare velively an'izany Yaveh na Jehovah izany, na hoe DIeu fotsiny aza e! Raha tsy tonga ny vazaha. Fa midika ve izany fa tsy nino an' Iaveh ny Malagasy ? Hafa no nahafantaraNy ny anarany : Zanahary.

de midika ve izany fa tsy avotra sy tsy voavonjy ny Malagasy razantsika?
51. xxx ( 03/03/2009 21:50)
ikaretsaka:
Ka ilayfomba nahazoana ilay toetra maha zanak'Atra ange misy lalana maro e...

nivadika ny globy
ny po lasa jog
moa ny katolika
lasa miv'... :-D
52. fijo ( 03/03/2009 22:13)
ny tsy mino no hovoavonjy,satria ny mino mbola varina amifanipaka ankarona
53. ikaretsaka ( 03/03/2009 22:22)
xxx:

Ka ilayfomba nahazoana ilay toetra maha zanak'Atra ange misy lalana maro e...

nivadika ny globy
ny po lasa jog
moa ny katolika
lasa miv'... :-D


afaka hitarina misimisy ve ny tian'ny mpanoratra ambara?
54. fijo ( 04/03/2009 21:15)
marina le fanontaniana hoe:"de midika ve izany fa tsy avotra sy tsy voavonjy ny Malagasy razantsika? "
55. coopsal ( 05/03/2009 07:50)
ikaretsaka:

ny silamo izao mino fa mpaminany i jesoa fa tsy mino izay voalazan'i jesoa rehetra

==> Tsy fantatro aminao ny hoe mino, fa ho ahy raha olona mino fa mpaminany (izany hoe mpitondra ny hafatr' Andriamanitra) ny olona iray, dia izay lazain'iny "mpaminany" iny izany dia hafatra avy amin' Andriamanitra tokoa, izany hoe marina. Insensé amiko izany hoe mino olona iray fa tsy mino izay lazainy.

Izao no fanoharana ataoko :
Lehilahy anakiroa niara-hivoaka ny trano, samy nijery ny lanitra dia niara-niteny hoe "mino aho fa ho avy ny orana". Ny anakiray tamin'izy roa lahy niverina naka elo, ny iray nandeha ihany. Ho ahy, ilay niverina naka elo no tena nino fa ho avy ny orana, fa ilay iray nahafantatra tao an-tsainy saingy tsy nino tao am-pony.

Ka raha mino fa Mpaminany i KRISTY nefa mandà ny tenin'i KRISTY rehefa milaza Izy hoe "Izaho no Zanak' Andriamanitra, nomena ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako"; raha olona mandà ny teniNy dia tsy mino Azy izany.

Ikaretsaka:

de midika ve izany fa tsy avotra sy tsy voavonjy ny Malagasy razantsika?

==> Na hindou, na brahman, na silamo, na Malagasy razantsika, na razan'ny hafa, na boudhiste, na inona, rehefa mino an'i Jesoa dia voavonjy.
Ary na pasitera, na mopera, na papa, na kristiana laïka, na katolika, na protestant, na sabatista, na patekotsita, na sekta, rehefa tsy mitodika amin' Andriamanitra amin'ny fony dia tsy afaka hanatona an'i Jesoa mihitsy ary ho very.
56. ikaretsaka ( 05/03/2009 15:03)
ka ireny razantsika ireny izao tsy nahalala izany Jesoa izany dia ahoana?

hamehezako azy ry coopsal de tombatombana ihany ny antsika fa Izy irery ihany no mahalala fa iry voavonjy na iry tsia

raha jereko ny lojikanao de ary mety izay kao angamba ny mahatonga ny Kato hanao ilay messe de requiem sy mangata bavaka ho an'ny havany efa maty ireny an!
57. fijo ( 05/03/2009 20:20)
ny razantsika,ny jiosy talohann'y abraham,sy izay rehetra tsy niaina teo tamin'ny vaninadronn'y andriamanitra tokana,dia diso sy hovery daholo ve?????
ny tena azo antoka fa marina dia ity:"tombatombana ihany ny antsika "marina io satria isika dia tsy mbola nisy tany ,ary tsy mbola nisy avy any nitantara mivantana tamintsika
58. rakaroka ( 06/03/2009 20:33)
ikaretsaka:

Ka ilayfomba nahazoana ilay toetra maha zanak'Atra ange misy lalana maro e...
Ry abrahama sy ry moizy izao hafa,ry piera sy ry paoly sy isika hafa.
Ny hiteny hoe ity no diso sy marina dia sarotra ihany...
fa ny ahalalana azy marina angamba dia ny aina no mateza de jerena eo hoe iza no aty sy ary ..

Miombonkevitra fa mbola miverina im-betsaka ao @ baiboly koa ny fametrahana
fa sitrak'Atra tokoa ny maha-zanany ny maro tsy navahany loatra tahaka ny fampianarana azon'i Coopsal manavaka loatra ny ...'itsy ihany".
Ny soratra samby manana fa ny lava loatra mahalaona ny hafa raha ratsy fipetraka ! Efa aty aoriana mbola voasiratza tsara : "Endrey manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray antsika dia ny niantsoany antsika hoe "zanak'Atra sady izany tokoa isika!" ka tsy ny sasany indray no ho avo vava ho tsy izy ireny.
Ny fahatsapako ny resak'i coopsal dia feran'ny versée vitsivitsy sy ny fiheverana "subjectif" , dia mihanina @ izay, anefa mety tsy ho izay monja na loatra ny misy marina!
.
.rehefa "miara midola sy mifampitosy any andanitra any" hoy ilay hira katolika iny/

Dia mbô ho tafahaona @ izany ry Ika, Soanja, Coopsal, Prime, Nyrina indrindra fa i Cutie 'zany aho @ izany :roll: :?: :?: Dia aza manao 'tsony xxx aza

:wink: :-D :-D :-D
59. cutie ( 06/03/2009 20:37)
rakaroka hihihihihi :wink:
60. rakaroka ( 06/03/2009 20:57)
Hita fa 'njy mihitsy lé mpi-joué "kinafinafin'ny saka sy voalavo"! :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096