Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy

21. ari.malala ( 02/03/2009 07:06)
Tapitra nga? :roll: izaho naika hanampy mantsy :-P raha tsy diso aho dia misy any hoany hoe "fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fianana mandrakizay". Raha ny fahazoako izay voalaza izay dia izay mino Azy no tsy ho very izany hoe hovoavonjy. Anjaran'ireo mahalala izany no miezaka mampahalala ireo zay tsy mbola mahalala io Zanak'Andriamanitra io (izay tsy iza fa i Jesoa) Ilay mampahalala indray, tsy @ alalan'ny blabla mampatory sy tsy inanan-kanina fa @ alalan'ny asa indrindra indrindra!
22. Fody ( 02/03/2009 07:28)

Mandefitra.

Tsy misy miady varotra eo na kely aza. Ny famerana kosa hoe: IZAY IHANY no tsy izy.


Jereo ny fomba fanazavao fa samy manana ny fomba namonjena azy ny olona rehetra. Izany hoe tsy amin'ny alalan'ny fomba tokana.

Ireo olona mbola tsy nitoriana ny Evamjely sy tsy mba mahay mamaky teny, tsy mahalala an'izany baiboly izany, dia misy ny fomba hamonjen'Andriamanitra azy, fa tsy hoe satria ireo tsy mino an'i Jesoa Kristy dia very aby... Fa raha very ireo rehetra ireo, dia averiko aminao ny fanontaniana hoe: Iza no diso izy ireo tsy nahalala, sa Andriamanitra ?

NB: ny mahavonjy dia ny fahaizana mihaino an'Andriamanitra sy ny fanarahana ary fantaterahana ny teniny (Jereo ny tantaran'i Maria sy Marta, i Maria no nifidy ny safidy tsara indrindra hoy Jesoa satria izy no nipetraka nihaino azy. Jereo ny tantaran'i Masina Maria Renin'i Jesoa. Jereo ny tantaran'ireo olon'ny finoana rehetra ao anaty Baiboly, sns...)
Andriamanitra koa dia miteny amin'ny tsirairay amin'ny fomba samihafa, satria isika rehetra dia tsy mitovy.


Am-pitiavana be.
23. Mandefitra ( 02/03/2009 08:00)
Ny tena tsy nahafantatra aloha :"zay tsy hain'ny olombelona dia hain'Andriamanitra" ...
Fa betsaka koa ange no nahalala fa tsy te hahalala e.
Ka raha izaho, @ maha Kristianina, tsy afaka ny hiaro azy mihitsy aho fa ny adidiko dia ny mizara zay azoko zaraina.
Raisiko ohatra eto Maorisy : raha ara-tantara ny creole no voalohany teto, zay nanana ny finoana Katolika.
Ankehitriny ny hindou sy musulman no mameno ny tanana. Siora ve ianao fa tsy mahalala an' iKristy ireo? mahalala ireo fa tsy te hahalala, ny azy no asandrany ambony.
Dia hoy prime zay hoe "Jesosy dia ampy" :) fa tsy anjarako ny mamantatra na voavonjy izy na tsia.
24. xxx ( 02/03/2009 09:19)
jesoa:
TSY MISY mankany @ Ray afa-tsy @ alalako
Fody:
Ny famerana kosa hoe: IZAY IHANY no tsy izy
:-D
25. JdArimathie ( 02/03/2009 11:21)
Raha kristiana aloha dia mazava ho azy fa eny no valiny ary izay rahateo moa no voasoratra ao anaty baiboly.

Ny dikan'ny hoe kristiana mantsy betsaka koa no mandika vilana satria ny tena kristiana dia izay manaradia an'i Jesoa Kristy ihany ( Kristy no fototenin'ny hoe Kristiana)

Ho an'ny hafa kosa di amazava ho azy fa samy manana izay heveriny h famonjena.
nA NY SILAMO , na ny Judaisme , na ny mpandala ny nentimpaharazna na ny finoana maro samihafa dia samy manana ny conception ny ny famonjena.

Tsy dia tsara ny mifanabaty noho izany nefa ksa ho an'ny kristiana izay mitory dia ilaina ny mandanjalanja ny teny sy hevitra atsipy mba tsy handratra ny hafa nefa koa dia tsy maintsy ambara izay sitrapon'Andriamanitra mba ho henon'ny rehetra
26. fahamarinana ( 02/03/2009 12:08)
:arrow: bor2lais : Iraisiko hvtr tanteraka koa ny voalazan'ise.
Misaotra any Fody nametraka ilay dinika fa tena isan'ny fanontaniana nanitikitika ahy fony tany am-piandohana tany...ary tena nampiasa loha ihany koa eny na hatrizao aza.:cry: (l)
27. mia ( 02/03/2009 12:10)
Mahafinaritra ny ady hevitra satria tena liana @ zava-panahy ianareo

Ary eto dia tena ny fototra ijoroan'ny finoana kristianina no resahinareo dia ny TELO IZAY IRAY IZANY(Ray Zanaka Fanahy Masina)

Efa nisy hatry ny ela depuis l'éternité izany ireo fa Jesoa Zanak'ATRA no tonga nofo voatantara ao @ testamenta vaovao hamonjy antsika.

Tsara raha mamaky ny baiboly manontolo (testamenta taloha sy vaovao) izay te ahalala bebe kokoa ny tantaran'ny famonjena

Ny finoana dia avy @ toriteny ka tsAra ho fantatry ny rehetra angamba hoe à la base dia very daholo ny olombelona rehefa tafasaraka t@ ATRA nohon'ny ota izay niatomboka tao @ saha edena

Fa saingy kosa misy vaovao mahafaly dia ny famonjena antsika natao'ny ny zanak'ATRA rehefa tsy nety nino ny mpaminany nalefa mialoha ny olombelona

VAKIO NY matio 21:33/44 izay misy ny fanoharana momba ilay lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin'ny tany hafa izy.

Io tantara io dia tandidon' izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra
Hoa an'ireo izay efa tsy mino rahateo moa izany dia efa voasoratra hoe Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza. LIOKA 16
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety hianareo! LIOKA 13






28. coopsal ( 02/03/2009 12:51)
Fody:
Hamafisiko ny fanontanian'i Ikaretsaka : Ny razatsika Malagasy iza ry coopsal no nilaza an'io?

==> Tamin'ny alalan'ny ohabolana sy ny oha-pitenenana ary ny fampianaram- pahendrena isan-karazany.

Izao no hanazavako azy : Hilaza aminareo aho fa nisy olona anakiray nofidian' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakàna teto Madagasikara, nomeNy fahendrena, fahalalana, fahaiza-mitantana, vola sy harena ary fahefana, fanampin'izany dia olona hiara-miasa sy hanampy azy. Rehefa tonga teo anefa io dia tsy ny sain' Andriamanitra no nentiny nitondra fa tamin'ny sain'olombelona, ary izay tokony noravany tsy noravany fa vao mainka naoriny aza, ary dia tsy afaka nanorina izay rava, araka izay tian' Andriamanitra notanterahiny io lehilahy io.
Tsy nilaza anarana aho, fa izay afaka mandinika ka manontany an' Andriamanitra dia hahalala hoe iza no lazaiko amin'izany.

Nahoana aza i Jesoa no nilaza toy izao tamin'ny Fariziana (izay teolojiana teo @ Jiosy) hoe :
"Mandinika ny Soratra Masina hianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara ahy;" [Joany 5:39]. Kanefa firy tamin'ireo Mpaminany moa no nanambara ny anarana hoe Jesoa ? Kanefa dia nilazalaza momba Azy ireny, ny fiainana nandalovaNy. Izany no nilazaNy matetika hoe : "tsy maintsy tanteraka izay rehetra voasoratra momba ahy".
Ka izany no ilazako fa na ny Malagasy razantsika aza dia nanambara an'i Jesoa, na dia tsy nisy anarana voatonona aza. Tsy nahafantatra Azy izy ireo, fa inoako fa tsindrimandry avy tamin' Andriamanitra no nahazoan'ireo ny teny toy izao :
- tsongoa fon-tena, tsongoa fon'olona
- ny maharesy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina
- manan-jandry afaka olan'entana, manan-joky afaka olon-teny
ary manambara an'i Jesoa daholo ireo sy maro hafa izay tsy voatery ho haiko akory, fa ireo dia ampy.

Fody:
I Abrahama izay tsy nahalala ny didy folo, tsy nahita an'i Kristy fony fahavelony, nefa isan'ireo olo-masina ao an-danitra.... Tsy niteny na dia indray mandeha aza hoe: "izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompoko sy Andriamanitro"... Ny hany ninoany sy nametrahany ny fiainany sy ny fitokisany dia Andriamanitra Ray.

==> Dia maninona ary Jesoa no nilaza an'ity zavatra ity tamin'ireo Jiosy :
"Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly."[Joany 8:56]
Izaho mino fa ireo rehetra tany aloha dia efa niandry mihitsy ny fahatongavan'i Jesoa, tsy nahita Azy izy ireo, fa niandry kosa satria efa nampiomanina.
Zavatra iainantsika ny toy izany, tsy mbola hitantsika ny zavatra iray fa andrasantsika araka izay antenaitsika. Ary izaho eto, na dia mbola misoratra amin'ny fanahiko aza ny fahotako ka tsaroako foana! Manantena ny fotoana izay hanadiovana à 100% ahy aho, ary miandry izany. Ny fanadiovana dia amin'ny ràn'i Kristy izay nalatsaka. Izay no anekeko fa raha tsy mandalo amin'io ràn'i Kristy io aho tsy mety ho hadio, hitoetra maloto mandrakizay ary ho menatra. fa raha mino an'i KRisty kosa aho dia ho sahy hanatona mba hodiovin'ny ràny.
29. mia ( 02/03/2009 12:58)
Hiverina kely aho fa ny fanontaniana tonga ao an-tsaiko raha mijery ilay lohahevitra dia hoe tena fantantsika ve hoe Iza i Jesoa Kristy?? ataontsika ho iza moa izy ? dia arakarak'izay ny valiny

Raha tena miara-monina amintsika Izy dia mazava ho azy ny valiny
Ho an'ireo mametram-panontaniana hoe ahoana izany ny momba an'ireo izay tsy mahafantatra AZY?

Dia hoy aho hoe vitsy angamba izany na tsy misy, ary ny silamo anie anisan'ny mahafantatra Azy satria voasoratra ao @coran ny momba an'i Jesoa

Fa hoy ny Soratra Masina: "Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy" (Isa. 28. 16).

Fa tsy misy hafa, na ny Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.
Fa "izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5).

Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?

Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: "Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly?" (Isa. 52. 7). Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: "Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?" (Isa. 53. 1)

Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa "Efa nivoaka ho any amin'ny teny rehetra ny feony, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao" (Sal. 19. 4).
Na ny fomba nanisana ny taona iainantsika aza dia hoe avant na après Jésus Christ ka tsy haiko hoe @ fomba ahoana no tsy ahafantarana AZY?
Ny référence historique rehetra dia miainga avy ao @ baiboly sns e
30. fahamarinana ( 02/03/2009 13:02)
:arrow: mia : mankasitraka ilay fanazavana nentinao aho !!...ndao atao hoe mora ho ahy ny mandray ny fanazavanao na za koa somary be didoha izay angaha ! :-* (l)
31. coopsal ( 02/03/2009 13:11)
rakaroka:
Ohatra mampianatra i Jesoa matio 5-7 . Misy zava-maro tiany itaritana ny saintsika vao hoharina @ lhl hendry sy nanorina ny trano izay sarim-pamonjena.

==> Marina ity teny ity, fa izany mihitsy no tenin'i Kristy. "Izay mandre ny teniko ka tsy mankato dia hoarina @ lehilahy nanorina trano teo ambony fasika ... ka rehefa tonga ny tafiotra dia hirodana izany trano izany. Fa izay nankato kosa dia hoarina @ lehilahy nanorina trano teo ambony vatolampy, ka rehefa tonga ny tafiotra sy ny riaka dia hijoro foana izany". Ny fankatoavako ireo teniNy ireo indrindra no nahatonga ahy hino fa tsy voavonjy izay tsy mino Azy.

rakaroka:
anefa marina fa ireo teo aloha sy ny maaaro tsy nahafantatra izany Jesoa akory,

==> efa novakianao ve ilay tenin'i Petera (Piera) hoe, rehefa maty Kristy dia nidina tany @ fiainan-tsy hita ary nitory tamin'ireo fanahy voagadra ? Donc, tsy maintsy ampahafantarin' Andriamanitra an'i KRISTY ny olona rehetra, na ireo efa lasa na izay mbola velona.

rakaroka:
ka raha izay mahalala azy ihany no ho voavonjy dia mba mitanila sy miangatra koa izany Atrareo izany, sady tahaka ny misy "chantage" izany ilay finoana @ izany§

==> Tsy hoe izay mahalala fa izay mino. Ary ity misy fanoharana :
Nanao fanasambe ny lehilahy anakiray tena faran'izay manan-karena fa hanambady ny zanany lahitokana. Nanomana fitafiana maro be tsara sy madio ary mifandray loko sy hatsarana amin'ny an'ny mpanambady, ary nanonta tapa-kila anakiray izay mizara roa :
1- Ny fizarany voalohany dia hahafahana miditra ao amin'ny fanasana.
2- Ny fizarany faharoa dia hahazoana maka ny anjara-fitafiany.
Nozaraina aza ireo tapakila rehetra ireo, samy nomena ny olona rehetra. Nisy ny tsy nandray (satria tsy nino), maro be koa no nandray anefa, saingy tsy nitahiry ka ilay ilany fidirana ihany no notazoniny fa ilay hahazoana ny fitafiana mihaja tsy noraisiny.
Rehefa tonga ny mariazy dia tonga tao daholo ireo nitondra tapa-kila rehetra. Samy mba nanao fitafiana araka izay noheveriny fa tsara ny rehetra. Saingy rehefa nahita ny famirapiratra sy fihajan'ny fitafian'iretsy efa tao amin'ny fanasana dia menatra nampitaha ny fitafiany tamin'ireo. Ireo izay nitahiry tsara ny tapakilany dia afaka nizarana ny fitafiana tsara ary niditra tao amin'ny fety t@ fifaliam-be, fa ireo izay nikitoatoa kosa dia tsy sahy akory niditra fa nitazatazana tety ivelany sady nanenina mafy dia mafy! Fa nihoatra noho ireo izay nandray ny tapakila aza.
Eto, moa ve mampifilafila ilay tompon-draharaha raha tsy afa-niara-niditra tamin'ireo nanana ny ticket d'entrée ireo ambiny ? Sa ireo no tonga dia tsy sahy tsotra fotsiny, satria teo vao kopy izy fa kay ilay fitafiana farany sarobidy taminy dia tsy nankaiza velively fa mahamenatra aza ?

Tahaka izany ny fitoriana ny amin'ny fanjakàn'ny lanitra, ka ny finoana an'i KRISTY, no andraisana ny Fanahy Masina, izay tapakila miantoka ny hanomezana ny fitafian'ny lanitra, dia tahaka ny an'i Jesoa Kristy, madio tsy misy pentina, mba hahafahana miditra ao @ Paradisa @ fifaliambe.
Izay manan-tsofina, aoka hihaino
32. coopsal ( 02/03/2009 13:16)
ikaretsaka:

Izay no ilazako foana ireo kristianintianim-poana hoe tandremo ihany sao hivadim-po rehefa any "ambohitrinifamonjena" (raha ho tonga any ihany) ka mahita mpianatr'i mahometa tampoka na le bandy niteny hoe aza mitsimpona...izay neverina ho fa "mpanohitra an'Atra" ...mihaminkamina any


==> Raha ilay Kristy inoako aloha ry Ika an, dia efa nampahafantatra mialoha, fa ny vavahadin'ny Paradisa dia tsy hirindrina mihitsy mihitsy. Dikan'izany : portes ouvertes, entrées libres ... ny problèmes d hoe : ho sahy hiditra ao hifanerasera @izay nolaviny sy tsy ninoany ve ny olona ? Surtout raha hitany fa kay io nolaviny io no tena Rôle ao @ ilay tanàna ?
Sitrako ary fifaliamben'ny lanitra, ary izaho miaraka amin'ireo ao an-danitra, ny amin'ny mpanota iray mibebaka. Koa na mpianatr'i mahometa io, na fidèlen'ingahy dadarabe, na i dadarabe tenany, ho fifaliana ho an'izay ao amin'ny Paradisa mandrakariva ny handray ireo rehetra ireo, ary alahelo ho azy ireo ny fahaverezan'ny maro noho ny fahotana.
33. mia ( 02/03/2009 13:16)
Voninanhtra ho ani'Ilay tandrify Izany ihany ry fahamarinana!

fa ho an'i coopsal tsy dia azoko loatra ny hidiran''ilay hoe : "Hilaza aminareo aho fa nisy olona anakiray nofidian' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakàna teto Madagasikara" @ resaka eto!
Ny lohahevitra eto dia hoe "Izay mino an'i Jesoa Kristy ihany ve no ho voavonjy" dia efa mba nizara ny fahazaoko izany moa aho fa tena tsy azoko ny tianao ihaviana @ ilay fanazavanao!!
Ny hany azoko hambara fotsiny dia hoe Aloavy ho an'i kaisara izay an'i kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra
IZY aza rehefa nisy niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an'i kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka dia izay fotsiny no nambarany Aloavy ho an'i kaisara izay an'i kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra
34. coopsal ( 02/03/2009 13:58)
Fody:

Averiko eto izay efa nolazaiko sy ny fanontaniako tsy nisy valiny tary ambadika tary!!!

Ny finoana dia fahasoavana avy amin\'Andriamanitra, izany hoe: FANOMEZANA. ... Raha izay mino azy ihany no ho voavonjy, toa milaza hoe. misy izany ny olona efa voatendry ho voavonjy ary misy ny olona tsy ho voavonjy mihitsy?... Raha fanomezana ny finoana, ireo izay tsy mba nahazo izany ve dia ho very daholo e? Dia iza no tena diso amin\'ny fahaverezan\'ireo, izy tsy nahazo ilay fanomezana, sa ilay mpanome tsy mba nanome ?

==> Raha tsy diso aho dia izaho no niantefan\' io fanontaniana io tao ambadika.
Tsy toy izay lazain\'i Fody izay indray aloha ny fahalalako e!
Amiko, ny famonjena no fanomezana, ary ny finoana no ahafahana mandray ny famonjena. Ka normaly be hoe izay tsy mino dia tsy mahazo ny famonjena.
Tadidiko fony aho mpitety 4 mi ary mizara sakafo, fiteniko azy ireo fa \"na dia omeko anareo aza ireto sakafo na vola ireto, raha tsy raisinareo izany atolotro izany dia tsy ho azonareo mihitsy! Ary na raisinareo aza ka tsy haninareo, dia tsy mahasoa koa.\" Koa ny Famonjena dia fiainana mandrakizay atolotr\' Andriamanitra, izay raisin\'izay mino, ary mila ampidirina ao anaty izany mba hahavelona tokoa.

Ny amin\'ireto manaraka ireto, na dia tsy izaho aza no voasoratra eto @ fanontaniana, dia tsapako ho toy ny miantefa amiko ihany ny fanontaniana, ka mamelà ahy hamaly.

Fody:
Taiza sy taiza aby no toerana efa mba noolalovan\'i xxx???
mahatoky ve xxx fa efa fantatry ny olona rehetra, na efa nampahalalana, na efa notorina tamin\'ny olona rehetra ny Evanjelin\'i Kristy???

==>
FAntatry ny olona rehetra ve KRISTY sy ny evanjely ?
Raha izaho dia tsy mbola nandeha lavitra sy betsaka. Ny fifampiresahako tamin\'ny olona maro teto andrenivohitra dia nahatsapako tokoa fa tena be dia be ny olona tsy mahalala an\'i Kristy sy ny evanjely. Betsaka ny mpivavaka, betsaka ny mpanao asa soa, betsaka ny kristiana, fa ny mahafantatra an\'i KRISTY sy ny evanjely dia tena vitsy dia vitsy. Na dia ny fifampiresahana eto amin\'ny forum aza dia ahitana izany.
Nampahalalana ny olona rehetra ve ... ny evanjelin\'i KRISTY ?
Ndeha ny tenin\'ny Masindahy Paoly no indramiko, raha nivavaka ho an\'ireo Jiosy iray rà taminy izy! Dia izao no nolazainy \"Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin\'ny fara vazan-tany ny teniny.\" [Romana 10:18].

Fody:

Na hoe efa notorina tamin\'ny olona rehetra ny finoana an\'i Kristy? Firy isan-jaton\'ny olona no efa nitoriana an\'i Kristy???

==> Tsy haiko ny isan-jatony, fa i Kristy niteny hoe \"Ary hotoriana manerana izao tontolo izao ity filazantsaran\'ny fanjakàna ity, dia vao ho tonga ny farany\".

Fody:

Dia very daholo ve izany ireo tany rehetra tsy mba mahalala azy, sy tsy mba nitoriana azy satria izay mino azy ihany no ho voavonjy???

==> Ao @ ity tantara ity no misy milaza fa izay rehetra nijery ilay bibilava varahina dia sitrana ka velona. Ny fanontanianao eto dia tahaka ny toy izao (raha hoariko @ ilay tantara) : Dia ho tsy sitrana ve izany ireo izay tsy nijery ilay bibilava varahina ?

Fody:

ka raha very ireo Iza no meloka, ilay mpanome ny fahasoavana sa ilay tsy nomena??? Mba valio azafady e!!!

==> Ndeha ataontsika hoe misy fanafody hono ny SIDA. Raha misy olona voan\'ny SIDA ka izarana ny fanafody nefa tsy mino fa io no mahasitrana, ary dia tsy mandray ilay fanafody. Raha tsy sitrana io ka matin\'ny aretiny, iza no diso ? izay nizara sa izay tsy nandray ?
Tsy nisy tsy nizarana ny famonjena, fa izaran\' Andriamanitra daholo, fa ny tsy mino = tsy mandray ny famonjena, ary famonjena = KRISTY.

Fody:

Raha tsy mahalala ny Zanaka ve dia avy hatrany dia hoe tsy fantatry ny Rainy e??? fa iza no fantatry ny olona voalohany ny Zanaka sa ny Ray??? Raha ny Ray no fantany mialoha sy inoany, ahoana no lazaina fa raha tsy mahalala ny zanany sy tsy mino azy izy, dia ho very sy tsy fantatr\'Andriamanitra??? Mba hazavao hoe!!!

==> Sarotra amiko ny mamaly ny fanontanianao, fa KRISTY, izay mahafantatra ny zavatra rehetra ary nahafatatra mialoha fa hanontany an\'izao ianao, sy ny maro hafa koa, dia efa nanome ny valin\'ilay fanontaniana fony mbola tsy ary akory isika. Fa hoy Izy :
\"Efa nomen\'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian\'ny Zanaka hanehoana azy.\"[Matio 11:27]

Fody:

Hoy ny soratra masina \"Na hanadino ny taizany aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao\" ... Dia ahoana? hazavao!

==> Hoy koa ny Soratra Masina :
\"Ary na zovy na zovy hiantso ny anaran\'Iaveh, dia ho voavonjy;\" [Joely 3:5a]. Andriamanitra tsy manadino, fa ny olona no tsy miantso an\' Andriamanitra (@ fo).

Fody:

Ary mbola hampiko hoe. \"Ny hahavonjy ny olona no sitrak\'Andriamanitra fa tsy ny hahavery azy\". Aza adino fa i Kristy no tonga nofo dia mba hanome voninahitra ny Ray. \"Ary ny Voninahitr\'Andriamanitra dia ny olona velona\"... I Kristy tonga nofo dia hamonjy ny olona fa tsy hanameloka azy akory....

==> Marina izany. Ary nolazain\' Andriamanitra \"Fa toy izao no nitiavaNy izao tontolo izao : nomeNy ny ZanaNy Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay\". Izao tontolo izao no tian\' Andriamanitra ka nomeNy ny ZanaNy lahitokana ho famonjena, saingy izay mino azy ihany no hanana fiainana mandrakizay ka tsy ho very.
35. coopsal ( 02/03/2009 14:21)
Fody:

... samy manana ny fomba namonjena azy ny olona rehetra. Izany hoe tsy amin'ny alalan'ny fomba tokana.

Ireo olona mbola tsy nitoriana ny Evamjely sy tsy mba mahay mamaky teny, tsy mahalala an'izany baiboly izany, dia misy ny fomba hamonjen'Andriamanitra azy, fa tsy hoe satria ireo tsy mino an'i Jesoa Kristy dia very aby... Fa raha very ireo rehetra ireo, dia averiko aminao ny fanontaniana hoe: Iza no diso izy ireo tsy nahalala, sa Andriamanitra ?
Andriamanitra koa dia miteny amin'ny tsirairay amin'ny fomba samihafa, satria isika rehetra dia tsy mitovy.

==> Manaiky koa aho fa tsy ary mitovy aby ny fomba itenenan' Andriamanitra amin'ny olona rehetra. Ho ahy dia tao anatin'ny aizina sy vavaka mangina, nandrenesako an'i Jesoa. Ho an'ilay rahalahy hindou nafàna fo kanefa tsy afa-po fa nikatsaka ny marina t@ fony, dia nisehoan'i KRISTY ka ny masony no nahita. Ho an'i Paoly dia ny fahajambany teny @ lalana ho any Damasy, ny an-dry Piera dia teo am-panaratoana .... Maro e! Fa ny maharesy lahatra ahy dia ny tenin'i KRISTY hoe "Tsy misy mankany @ Ray afa-tsy @ alalako". Koa na omba ahona na fomba ahoana izany, dia tsy maintsy mandalo eo @ KRISTY vao voavonjy.
36. ikaretsaka ( 02/03/2009 14:45)
Ka raha ireo tsy naheno an'io teny io ry coopsal
37. coopsal ( 02/03/2009 14:47)
fahamarinana:

:arrow: bor2lais : Iraisiko hvtr tanteraka koa ny voalazan'ise.
Misaotra any Fody nametraka ilay dinika fa tena isan'ny fanontaniana nanitikitika ahy fony tany am-piandohana tany...ary tena nampiasa loha ihany koa eny na hatrizao aza.:cry: (l)

==> Izao no fahazoako izay nambaran'ny Ray tamin'ny alalan'ireo Mpaminany, nambaran'i KRISTY tamin'ny nofony, ary ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ireo mpianatra :
Ny zava-boaharin' Andriamanitra rehetra dia noforonin' Andriamanitra mba hanana anjara amin'ireo noforoniny. (Raisiko tahaka ny hoe, izay namorona ny fiarakodia dia nanao mba hisy asany ilain'ny tenan'ilay fiara daholo ny pièces tsirairay avy).
Ny olona irery tamin'ireo zava-boahary ireo no afaka nisafidy hanao na tsy hanao izay tian' Andriamanitra ho notanterahiNy. Ary amin'ny safidy hankato no hisian'ny fifaliana ao amin'ny olona.
Rehefa nanomboka tsy nankato ny Didin' Andriamanitra voalohany (aza ihinananao ny voankazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy) ny olona, dia tonga nahalala ny tsara sy ny ratsy, kanefa tsy nanan-kery hanao ny tsara ary tsy nanan-kery hanohitra ny ratsy, kanefa nanana safidy.
Ny didy namoronan' Andriamanitra ny olona dia ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra ny saina rehetra, ny fanahy rehetra ary ny hery rehetra. Ary izany didy izany dia miseho indrindra indrindra amin'ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.
Tsy manan-kery ny olona ka tsy mahatanteraka ireo didy ireo. Ary noho ny tsifahafanterahany ireo dia simba ny fanahiny, menatra tsy sahy miseho eo anatrehan' Andriamanitra izy ary tsy sahy mihaino ny feon' Andriamanitra miresaka amiNy mampiseho Azy ny lotony.
Koa izany no nahatongavan'i KRISTY tety ambonin'ny tany :
1- hanao izay hahafahan'ny olona mihaona indray amin' Andriamanitra,
2- hanoro lalana ny olona hahabe azy ho tahaka an' Andriamanitra.
Ny fomba fahatanterahan'ireo roa ireo dia izao :
1- Nanao sorona ny tenany mba hahazoan'ny olona fanadiovana ho an'ny fanahy, fa rehefa madio ny olona dia afaka hifanatrika amin' Andriamanitra.
2- Nanome Didy vaovao sy ny Fanahy Masina hahafahany manatanteraka izany Didy vaovao izany.

Ny fanadiovana io anefa dia tsy ho tanterahina raha tsy efa tonga amin'ilay toetra maha zanak' Andriamanitra ny olona.
Tahaka ny fitafiana sy ny zavatra rehetra : raha mila diovina lava dia ho tandalerina no hiafarany, ary ho rovitra sy simba tanteraka.
Koa izay efa nandray ny Fanahy Masina sy nanandrana ny tsiron'ny fiainana kanefa niverina indray dia tsy misy fampibebahana azo atao aminy intsony.
Fa rehefa tonga Kristy dia hotanterahina ny fananganana anaka, une bonne fois pour toute tonga zanak' Andriamanitra madio tsy misy pentina ireo izay nino (ary nankato ny Didin'i Kristy).

Ny amin'ny didy vaovao : "Ny mba hifankatiavanareo". Tahaka ilay hoe "tiava ny namanao tahaka ny tenanao", saingy eto tsy amin'ny olona rehetra intsony, fa tena ho an'ireo mpirahalahy ao amin'i KRISTY. Satria ny tanjon' Andriamanitra, dia averina ao amiNy amin'ny alalan'i KRISTY ny olombelona rehetra, izany hoe finalement ny fifankatiavan'ny mpirahalahy dia hanenika ny olona rehetra, dia any vao ho tanteraka ilay hoe "tiava ny namanao tahaka ny tenanao".

Lavalava ny fanazavako, fa hoy aho (kanefa tsy izaho fa KRISTY) hoe : "Izay mino ny zanaka no manana ny fiainana, fa izay tsy mety mino dia tsy hahita fiainana fa ny fahatezeran' Andriamanitra no mitoetra eo aminy"[Jaona 3:36]. Ka tsy hitako izay teny hafa mazava kokoa noho io an'i KRISTY io.
38. ikaretsaka ( 02/03/2009 15:02)
Ka ilayfomba nahazoana ilay toetra maha zanak'Atra ange misy lalana maro e...
Ry abrahama sy ry moizy izao hafa,ry piera sy ry paoly sy isika hafa.
Ny hiteny hoe ity no diso sy marina dia sarotra ihany...
fa ny ahalalana azy marina angamba dia ny aina no mateza de jerena eo hoe iza no aty sy ary ....rehefa "miara midola sy mifampitosy any andanitra any" hoy ilay hira katolika iny/
39. ari.malala ( 03/03/2009 06:50)
coopsal:
Izao no hanazavako azy : Hilaza aminareo aho fa nisy olona anakiray nofidian' Andriamanitra hitondra ny tany sy ny fanjakàna teto Madagasikara
inona no idiran'izany @ resaka finoana an'i Jesoa?

coopsal:
Tsy nilaza anarana aho, fa izay afaka mandinika ka manontany an' Andriamanitra dia hahalala hoe iza no lazaiko amin'izany
de hamaly v Andriamanitra hoe i ranona izany? sao kosa lahy ka ny eritreritrao iany no mamaly anao d lazainao fa Andriamanitra no mamaly anao...:roll: :-w

- tsongoa fon-tena, tsongoa fon'olona
- ny maharesy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina
- manan-jandry afaka olan'entana, manan-joky afaka olon-teny
ary manambara an'i Jesoa daholo ireo sy maro hafa izay tsy voatery ho haiko akory, fa ireo dia ampy.

Inona no manambara an'i Jesoa @ ireo? d inona no ifandraisan'ny finoana an'i Jesoa @ ireo?

Fanamarihana fanampiny, tsy dia mahaliana loatra ny mamaky soratra lave be nefa ny vontoatiny tsy mifandraika @ lohahevitra, fa raha azo atao hoan'i coopsal iany, ts sasatra aho mamerina, aza atao lava loatra fa manjary very ny androatokon'ny lohahevitra na izy manontolo, sady mahamonamonaina be ny mamaky ilay soratra lava be! misaotra
40. coopsal ( 03/03/2009 07:43)
Ikaretsaka:
"miara midola sy mifampitosy any andanitra any"

==> Ka le any an-danitra tsy nofo aman-drà tahaka ny ety fa fanahy. Ka raha ara-panahy no tsy miara-midola dieny ety, ahoana no hahafahana miara-midola any an-danitra any ? Raha i Kristy no mpanjakan'ny lanitra, izay tsy mety hiara-midola amin'i KRISTY ve hidola ao amin'izay hitoerany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575