Izay tsy nataonareo tamin'ireny madinika ireny ...
1. coopsal
(
22/12/2008 14:32)
"[size=14px]Ary rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak'olona otronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; ny ondry moa hataony eo an-kavanany; ary ny osy kosa eo an-kaviany.[/size]"[Matio 25:31-33]
==> Moa ve ondry sy osy no havahan'i Kristy rehefa @izany ora izany? Ataoko fa fanahin'olona no hotsaraina fa tsy ny ondry sy ny osy, fa ny ondry sy osy dia fanoharana fotsiny entina ilazana : ny ondry dia ireo voavonjy ary ny osy dia ireo very.
Moa ve izay nolazain'i Kristy rehetra tsy zava-panahy, saingy satria ny olona misaina araka ny nofo dia naka ohatra tamin'ny fiainana ara-nofo Izy? Araka ny voasoratra hoe "[size=13px]Izay avy any ambony dia manambara ny zavatra avy any ambony[/size]".

répondu par ikaretsaka le 17/01/2009 03:04
2. coopsal
(
22/12/2008 14:45)
"Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto hianareo, dia nanao izany tamiko."
==> Maninona ary no nasian'i Kristy précision teto hoe tsy ny olon-drehetra fa ireo rahalahiny kely madinika indrindra?
Rehefa nanomboka nino an'i Kristy aho dia hitako voalohany tao amin'ny teniNy ny hoe "izay mangataka aminao dia omeo ...". Koa isaka ny nisy nangataka tamiko dia niezaka aho nanome. Rehefa elaela teny dia tsapako fa maro dia maro ny mpangataka tsy nomeko, nanome bedabe aho, saingy be no tsy nomeko.
Natahotra aho hoe "ahoana izany fa isaka ny tsy nanome aho dia Kristy mihitsy no tsy nomeko!".
Raha fony mbola tsy nino an'i Kristy aho dia nanome fotsiny araka izay tiako nomena sy izay noheveriko fa mampalahelo ary mendrika ny homena.
Rehefa nanambara ny tenaNy tamiko Kristy dia tsy manana excuse intsony aho handavana ny teniNy satria Izy izao no efa miteny, Kristy niteny hoe "Fa ny Rainareo izay any an-danitra dia mampiposaka ny masoandro ho an'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ... ka ataovy koa izany dia ho tonga zanany ianareo". Raha izany dia tsy tonga zanaky ny Ray mihitsy aho satria nisy foana fotoana nieritreretako fa nisy olona sasany tsy rariny ny nataony ka tsy mendrika ny homena izy, na hoe "olona matanjaka be tokony hiasa io ve dia homena ihany koa fa tsy mandehana miasa?"

3. coopsal
(
22/12/2008 15:40)
Kristy:
Ary dia hiteny amin'ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin'ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an'ny demony sy ny anjeliny. Fa noana aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy aho, tsy notafianareo; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo. Dia hamaly azy koa ireo hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina ka tsy namonjy anao izahay? [Matio 25:41-44]
==> Zavatra roa no fifamaliana eto :
1- Kristy miteny hoe : ianareo tsy nanao izany zavatra tanisaiko izany
2- Ireo tsy nanao niteny hoe : aiza kosa e!
Ireo zavatra notanisain'i Kristy ireo
Efa voatanisa eo ilay izy ka, fa hoe matoa iretsy sasany nihevitra fa nanao ireo kanefa Kristy miteny hoe tsy nataoNy izany, dia satria diso fandraisana izay tokony ho natao izy ireo ka na dia nanao asa ihany aza dia diso ny asa nataony ary tsy nataony ny asa marina!
Maheno olona maro aho miteny hoe "ireny mahantra ireny anie no Kristy mila tafiana, ... sns e!".
Fa indray andro raha nisy niteny tamin'i Kristy hoe "tokony namidy iny menaka manitra iny ka nozaraina tamin'ny malahelo!", dia izao no navaliNy hoe "Ny malahelo ho eto aminareo foana, fa izaho tsy ho eto aminareo foana"[Jaona 12].
Ka raha izany no tenin'i Kristy, dia tsy ilay fanaovana asa soa @ mahantra akory no tena important be (tsy hoe tsy ilaina akory, sao hisy handika vilana indray, fa hoe tsy iny no objectif), fa ilay Kristy mihitsy.
Satria "ireo rahalahiko madinika ireo", rahalahin'i Kristy izany. Tsy izay olona tsy nanao fiantrana tamin'ny mahantra no ho voaroaka, fa izay tsy nanatanteraka ny baikon'i Kristy mikasika ireo "rahalahiNy ireo".
Fa iza no rahalahin'i Kristy?
Kristy ilay zanaka Lahitokan' Andriamanitra, raha tonga tety ambonin'ny tany dia ny hitaona ny olona rehetra ho rahalahiny sy anabaviny ary reniny. Raha toa izany ka misy ny tsy rahalahin'i Kristy, dia tsy hoe i Kristy no nanavakavaka, fa ilay olona no tsy nanaiky ho rahalahiNy. Hitako tsindraindray @ film, na tantara, na @ tena izy ny olona sasany miteny @ zanany na mpiray tampoho amiNy hoe "pour moi tu n'existe plus" ... "tu n'es plus mon frère".
Tsy faotin'i Kristy raha toa ny olona tsy manaiky ho rahalahiNy.
Inona ilay atao amin'ny rahalahin'i Kristy ?
Zavatra iray ny fikojakojana ny nofo, satria ao anatin'ny nofo ny fanahy. Saingy ny tena tian'i Kristy ambara eto dia ilay fitafiam-panahy, figadran'ny fanahy, ny aretin'ny fanahy, hanoanan'ny fanahy. Ary Kristy no fitafiana, Kristy no mofon'aina (sakafo), Kristy no mpanafaka, Kristy no mpanasitrana.
Hoy Kristy : Ny didiko dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo. Ny fitiavan'i Kristy dia nafoiNy hatramin'ny aiNy mba hamonjena ny sakaizaNy (ireo rahalahiNy).
Ary satria ny famonjena dia ny finoana an'i Kristy, ny didin'i Kristy dia ny hiveloman' ny rahalahy tsirairay ho amin'ny hinoan'ny rahalahy rehetra (ho fampandrosoana @ finoana ny Fiangonana Masina).
noana ka tsy nomena : Misy ireo mpino an'i Kristy (rahalahy) izay malemy ara-pinoana sy noana tokoa, kanefa tsy manao na inona na inona hampisakafoanana ny fanahiny ny rahalahy hafa! "Ny nofoko no tena fihinana = Izay manatona ahy tsy mba ho noana"
nangetaheta ka tsy nampisotroina : Misy ireo mpino izay mangetaheta ara-panahy, mitady fahamarinana ny amin'ny fiainany ohatra, kanefa tsy mihetsika mba hampisotro ranon'aina azy ny rahalahy hafa! "Ny rako no tena fisotro = izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony"
tsy nitafy ka tsy notafiana : Misy ny rahalahy izay miseho ny fahamenarany, tsy manao na inona na inona hanafy azy mba hanakona izany ny rahalahy hafa (fa indraindray aza manenjika no atao, na mampiboridana azy indray) "Izay vita batisa tao amin'i Kristy dia mitafy an'i Kristy"
Nivahiny ka tsy nampiantranoina : Indraindray misy rahalahin'i Kristy mitondra fampianarana avy amin'i Kristy kanefa ny fon'ny rahalahy sasany akatony ary tsy mandray ireny! "Izay mandray anareo dia mandray ahy."
Narary kanefa tsy notsaboina : Aretin'ny fanahy ny fahotana, ny rahalahy manota kanefa tsy manao na inona na inona hitsaboana azy ny rahalahy sasany. "Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika".
Tao an-tranomaizina nefa tsy novangiana : Misy ireo rahalahy mahatsiaro aizina amin'ny fiainany ao am-pony, nefa tsy novangian'ny rahalahy hafa izay tokony ho solon-tenan'i Kristy ilay fahazavana.
Ireo nihevitra fa nanao asa tsara kinanjo voaroaka
Koa izany no fahadisoana ho an'ireo olona maro izay hiteny @ fitsarana hoe "taiza izahay no tsy nanao an'izany ? Novakianay mihitsy ilay evanjely masina iny dia efa nizara sakafo tamin'ny mahantra izahay sady nanao karazana aumônerie sy charité!".
Fa ankehitriny Kristy dia efa manitsy sahady izay mihevitra koa fa mino Azy : manatona Azy fahamarinana mba ho afaka amin'ny hevi-diso.
Ity lohahevitra nalefako teto ity mety mba ho Kristy tonga mivahiny ao amin'ny fon'izay mihevitra ny tenany ihany fa mino Azy marina.
Fomba tokana no hahafahanao hahafantatra an'izany. Anontanio amin'ny fonao Izy, fa raha manaiky ianao fa Izy tokoa no Andriamanitra, fa Izy sy ny Ray dia iray ihany, dia hino fa Izy hamaly anao ao amin'ny (fonao) mangingina
4. ikaretsaka
(
22/12/2008 16:03)
De ataovy sy atombohy aminao ary fa aza laozana tsimponina sy alahatra ary avelabelatra fotsiny ilay teny...manampia andry pedro..ry masera sns... fa tsyny toriana A de ny aatao B
7. badboy
(
23/12/2008 08:10)
xxx & ikaretsaka >> Raha tadidy dia izay ange no antony nangatahako fananganana fiangonana virtoaly fa izany hoe tsy tanteraka moa ilay tsetsatsetra!! Sady mahafinaritra andry zareo ny manjono ireo heveriny ho "ondridia" eto satria @ izay izy dia tena manana fahatsapana manokana ho an'ny tenany mahavita izay heveriny ho nanirahana azy!!
Mampiseho antsika izy fa isika tsy mitovy fijery aminy dia olona mbola tsy mahiratra, fa mbola ho avy izany, ary ny hahatonga izay no tanjony!! Raha toa moa tsy niova ilay olona dia efa nahavita ny adidiny izy ary izay no zavadehibe aminy!! Eto iarahamahalala fa olona manana solotsaina sy aterineto daholo ny ankabeazany!! Noho izany moramora kokoa no mitory eto satria olona tsy mila fanampiana aratsosialy ny 99%!! Izany hoe tsy mila manao tahaka an'i Pedro, izay sady manampy aratsosialy alohan'ny rehetrarehetra!! Ka dia tsy omena tsiny izy mazoto mitarika antsika eto!! :twisted: :twisted:

8. tywa68
(
23/12/2008 08:27)
Coopsal : mahafinaritra ny copier-coller !
Mitory teny enao tsy olana fa inn tsara moa zany no tena tianao lazaina eto ? mifono hevitra be d be :lol:
Ny hevitro momban'io titre napetrakao io : d ny fitiavana no fanomezana lehibe indrindra ary ny asa ataon'olona d ampitiavana, fa tsy fiandrasana takalony :D arak'ilay voambara ao @ I Korintiana 13, 1-7. :wink:
http://baiboly.katolika.org/boky/Korintiana+I/13

9. coopsal
(
23/12/2008 12:07)
Lavalava ilay izy ka mety ho nisy ny tsy namaky tsara.
Ny tiako nampitaina teto dia hoe : sao mba ho isan'ireo nihevitra fa nampitafy ny Tompo sy nanome hanina Azy ireo mpanao asa soa sy mihevitra fa ny fanompoana an' Andriamanitra dia ny fiantrana ara-nofo!
Hitako averimberina eto tsindraindray mantsy hoe ireny mahantra ireny no Kristy tonga ao amintsika mila vonjy!
Ny anton'ny fanazavana dia hoe : tsy ireny no Kristy, fa ny mpianatr'i Kristy no solon-tenan'i Kristy.
Ka tsy hafatra ho an'ny tsy mino ity fa ho an'izay mihevitra fa mino.

10. niryna
(
23/12/2008 14:07)
coopsal:

=D> ^:^ misaotra betsaka nizara e
11. ikaretsaka
(
23/12/2008 16:07)
coopsal:
Lavalava ilay izy ka mety ho nisy ny tsy namaky tsara.
Ny tiako nampitaina teto dia hoe : sao mba ho isan'ireo nihevitra fa nampitafy ny Tompo sy nanome hanina Azy ireo mpanao asa soa sy mihevitra fa ny fanompoana an' Andriamanitra dia ny fiantrana ara-nofo!
Hitako averimberina eto tsindraindray mantsy hoe ireny mahantra ireny no Kristy tonga ao amintsika mila vonjy!
Ny anton'ny fanazavana dia hoe : tsy ireny no Kristy, fa ny mpianatr'i Kristy no solon-tenan'i Kristy.
Ka tsy hafatra ho an'ny tsy mino ity fa ho an'izay mihevitra fa mino.
ireo mody miteny ny tenany ho mpianatr'i Kristy aloha dia tsy ho solotenan'i Kty izany mihitsy mihitsy e... vao mainka zava doza le mody hoe amin'ny anaran'i Jesosy amin'ny Anaran'i jesosy lava ity kanefa ny tenany no mody hampifalifaliana
tsy ianareo no nifidy ahy ho'zy fa izaho no nifidy anareo!
ary tamin'izy niteny hoe "izay ataonareo @ madinika ireny", tsy niteny mihitsy izy hoe "izay madinika mpianatro ihany" (jereo ao @ matio 25,
(Colossians 3:11.Romans 12:14-20; Galatians 6:10))
12. rijadolly
(
23/12/2008 16:31)
coopsal:.
Lavalava ilay izy ka mety ho nisy ny tsy namaky tsara
ikaretsaka:
De ataovy sy atombohy aminao ary fa aza laozana tsimponina sy alahatra ary avelabelatra fotsiny ilay teny...manampia andry pedro..ry masera sns... fa tsyny toriana A de ny aatao B
coopsal:
Ireo nihevitra fa nanao asa tsara kinanjo voaroaka
Koa izany no fahadisoana ho an'ireo olona maro izay hiteny @ fitsarana hoe "taiza izahay no tsy nanao an'izany ? Novakianay mihitsy ilay evanjely masina iny dia efa nizara sakafo tamin'ny mahantra izahay sady nanao karazana aumônerie sy charité!".
Fa ankehitriny Kristy dia efa manitsy sahady izay mihevitra koa fa mino Azy : manatona Azy fahamarinana mba ho afaka amin'ny hevi-diso
13. rijadolly
(
23/12/2008 16:42)
tywa68:
Coopsal : mahafinaritra ny copier-coller !
Mitory teny enao tsy olana fa inn tsara moa zany no tena tianao lazaina eto ? mifono hevitra be d be
Ny hevitro momban'io titre napetrakao io : d ny fitiavana no fanomezana lehibe indrindra ary ny asa ataon'olona d ampitiavana, fa tsy fiandrasana takalony arak'ilay voambara ao @ I Korintiana 13, 1-7.
Inona ilay atao amin'ny rahalahin'i Kristy ?Mitovy tsara mihitsy ny hevitrareo.
Zavatra iray ny fikojakojana ny nofo, satria ao anatin'ny nofo ny fanahy. Saingy ny tena tian'i Kristy ambara eto dia ilay fitafiam-panahy, figadran'ny fanahy, ny aretin'ny fanahy, hanoanan'ny fanahy. Ary Kristy no fitafiana, Kristy no mofon'aina (sakafo), Kristy no mpanafaka, Kristy no mpanasitrana.
Hoy Kristy : Ny didiko dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo. Ny fitiavan'i Kristy dia nafoiNy hatramin'ny aiNy mba hamonjena ny sakaizaNy (ireo rahalahiNy).
Ary satria ny famonjena dia ny finoana an'i Kristy, ny didin'i Kristy dia ny hiveloman' ny rahalahy tsirairay ho amin'ny hinoan'ny rahalahy rehetra (ho fampandrosoana @ finoana ny Fiangonana Masina).
14. ikaretsaka
(
23/12/2008 16:59)
de aiza @ izay ary ny tiana hahatongavana? aiza ilay charite sy toriteny sns...
15. rijadolly
(
23/12/2008 17:04)
coopsal a! Ra azoko tsara zany dia tsy hoe ratsy ny manao soa ara-nofo(fanampiana ny hafa)
Tsy izay olona tsy nanao fiantrana tamin'ny mahantra no ho voaroaka, fa izay tsy nanatanteraka ny baikon'i Kristy mikasika ireo "rahalahiNy ireo".Fa isika izay milaza fa mahafantatra(mino,tia,manantena)an'Kristy nefa tsy manambara AZY an'ireo izay madinika tsy manana famonjena any aminy no ho lavina a!
16. badboy
(
23/12/2008 17:16)
Leity eh!! Tsy dia tiako loatra ilay manana ny marina satria manjary tapina ny domy, saingy mandreraka be koa ilay mijery ireo olona mtsipona ny mahafatifaty azy fotsiny!!! Efa resaky ny adala moa izy ity ka dia aleo tohizana arak'izay!!! Aza adino leiroa fa ny rôle dia nanambara mazava t@ ilay nanontany azy fa tokony hamidiny ny fanany rehetra ary omeny ny mahantra raha tia hanaraka azy izy!! Aiza ho aiza ao ilay hoe "mila mitory dia ampy"???? :twisted: :twisted: :twisted:
Ilay lohateny aza efa mibaribary fa izay tsy nataonareo t@ ireny madinika ireny.... tohizo @ ilay tokony hizara ny fananay @ mahantra!!! :^) :^) :^)

17. rijadolly
(
23/12/2008 18:11)
Aza adino ihany koa fa tsy feno tsara io fananany ilay mpanan-karena nolazainao io,ary mbola tsy azonao ihany ny tena tian\' coopsal tenenina.Nanan-karena tokoa io lehilahy io tsy ara-nofo araka nilazainao ihany fa ny fahalalana an\'Andriamanitra ihany koa.Izay nikoboniny ho azy irery fa tsy nozarainy t@ madinika izany na dia nasaina nozarainy aza satria:.
coopsal:Hoy izay Mpampianatra iray zay http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=11&andininy=52-52&dika=
Ireo nihevitra fa nanao asa tsara kinanjo voaroaka
Koa izany no fahadisoana ho an\'ireo olona maro izay hiteny @ fitsarana hoe \"taiza izahay no tsy nanao an\'izany ? Novakianay mihitsy ilay evanjely masina iny dia efa nizara sakafo tamin\'ny mahantra izahay sady nanao karazana aumônerie sy charité!\".
18. badboy
(
23/12/2008 18:59)
:-D :-D :-D rijadolly >> Tena aza omena tsiny fa tsy voatanako!!!
Dia mbola mahasaky milaza ihany fa tsy dia ny mitoriteny loatra no mahafatifaty sy ifotorana mafy noho ilay fitadiavana vahaolana ho an'ireo izay mijaly satria tsisy sakafo, tsisy kidoro .....
Dia tohizako ihany moa izany ilay resaka adala satria ao anatiny tsara isika izao ka averiko kely eto indray ilay ohatra hoe iza @ ireo nandalo teo antrehan'ilay voaendaka no tena rahalahiny? Ilay mpitory ve izay nandalo fotsiny satria olona mitsitra tsy afaka itoriana sa ilay nitondra azy tany @ toerampitsaboana ka nizaka ny vola lany rehetra noho ilay fitasboana??? Dia tzaho no namorona io anta io fa ilay ao anatin'ilay boky izay orhoanareo matetika koa io!!! :^) :^) :twisted: :twisted: :twisted:
Fa isika izay milaza fa mahafantatra(mino,tia,manantena)an'Kristy nefa tsy manambara AZY an'ireo izay madinika tsy manana famonjena any aminy no ho lavina a!
Dia mbola mahasaky milaza ihany fa tsy dia ny mitoriteny loatra no mahafatifaty sy ifotorana mafy noho ilay fitadiavana vahaolana ho an'ireo izay mijaly satria tsisy sakafo, tsisy kidoro .....
Dia tohizako ihany moa izany ilay resaka adala satria ao anatiny tsara isika izao ka averiko kely eto indray ilay ohatra hoe iza @ ireo nandalo teo antrehan'ilay voaendaka no tena rahalahiny? Ilay mpitory ve izay nandalo fotsiny satria olona mitsitra tsy afaka itoriana sa ilay nitondra azy tany @ toerampitsaboana ka nizaka ny vola lany rehetra noho ilay fitasboana??? Dia tzaho no namorona io anta io fa ilay ao anatin'ilay boky izay orhoanareo matetika koa io!!! :^) :^) :twisted: :twisted: :twisted:
19. ikaretsaka
(
23/12/2008 21:50)
Le izy moa tsy hay intsony ny tena tiana hahatongavana...raha lava ny ahitra very ny kisoa...raha lava ny tarogna very ny soa...hoy ny hatrany antanana
Fa ataoko methoden I fody ity hoe tonga de potsero:
Ahoaana ny momban'io fanoharan'i Jesoa nolazain'i badboy io? Sa odiana fanina indray io fa manafintohana izay voalaza? Aza aolika fa tonga de tsory
Raha nisy teny hoe mitory de ampy.... arosoy na tsimpony fa tsy eo no enye...ka zao....eo
Misaotra

20. prime
(
24/12/2008 09:32)
Mazava tsara ny fampianarana tian'i coopsal ampitaina... ary isaorana sy deraina Jesosy amin'izany... sady mahaliana no mahasoa... =D
Tsara ihany koa nefa ny manamarika fa mitombina ireo fanamarihana entin'ny namana hafa ireo satria ny famonjena ny fanahy no fototra iorenan'ny asa nataon'i Kristy fa tsy nisaraka tamin'ny ara-nofo koa nefa izany ary samy nanana ny sokajiny avy ny asa notakian'Andriamanitra tamin'ny mpino tsirairay avy araka ny toerana sy ny sokajy nisy ny mpino... hafa ny notakiany tamin'ny mpanan-karena, hafa ny notakiany tamin'ny mahantra, hafa ny notakiany tamin'ireo mpitondra fanjakàna, hafa ny notakiany tamin'ny mpitondra fivavahana, hafa ny notakiany tamin'ny Apostoly, hafa ny notakiany tamin'ny mpianatra, hafa ny notakiany tamin'ny fiangonana, hafa ny notakiany tamin'ny Mpaminany, hafa ny notakiany tamin'ny avo razana, hafa ny notakiany tamin'ny mpanompo, eny fa na ny notakiany tamin'ny mpivady aza dia samihafa tamin'ny notakiany tamin'ny zanaka, ny lahy sy vavy, ny tanora sns... ka tsy azo atao safo be mandrakotra ny tenin'Andriamanitra ka izay nolazainy tamin'ny iray dia azo tanterahana ara-bakiteny fa samy manana ny teny sahaza azy avy... ary izay indrindra no harembe ao ambadiky ny asam-pamonjen'i Kristy ka ananan'ny tsirairay anjara lehibe amin'ny fiadanana ao amin'i Kristy...