Izay tsy nataonareo tamin'ireny madinika ireny ...

41. coopsal ( 05/01/2009 14:42)
badboy:
Jereo tsara fa ny vatana foana no lazaina mialoha ary ny fanahy no farany!

==>
coopsal:
Ka raha izany no tenin'i Kristy, dia tsy ilay fanaovana asa soa @ mahantra akory no tena important be (tsy hoe tsy ilaina akory, sao hisy handika vilana indray, fa hoe tsy iny no objectif), fa ilay Kristy mihitsy.
Satria "ireo rahalahiko madinika ireo", rahalahin'i Kristy izany. Tsy izay olona tsy nanao fiantrana tamin'ny mahantra no ho voaroaka, fa izay tsy nanatanteraka ny baikon'i Kristy mikasika ireo "rahalahiNy ireo".


badboy:
fa tandremo sao manao démo mivilana fa hotsarain'ilay hinoanao ianao any aoriana any

==>
Jesus:
"Si quelqu'un entend ce que je dis, mais ne le met pas en pratique, ce n'est pas moi qui le jugerai ; car ce n'est pas pour juger le monde que je suis venu, c'est pour le sauver. Celui donc qui me méprise et qui ne tient pas compte de mes paroles a déjà son juge : c'est cette Parole même que j'ai prononcée ; elle le jugera au dernier jour."[Jean 12:47,48]
42. fahamarinana ( 05/01/2009 14:47)
:arrow: tsy ohatran'ny masiaka loatra kosa ve ilay ambaranao ry coopsal...na zà manokana aza mino an'ny Kristy nefa tsy mbola manana niveau koa hatreto sa zà koa no doma angaha.Ny famporisihan'ny prime ny hamakiana ny baiboly ka mety sy tsara ary tokony atao mba ahafahana miady hvtr amin'ny sujet precis fa rahatoa lazaina fa tsy afaka mamaly raha tsy mpino dia efa zvtr hafa indray.Eto anie ranadahy tsy dinika ho an'ny Mpino irery fa miresaka ny finoana sy fivavahana e.Dinganina ny valiteny rehefa manafitohina fa raha hitarina dia na ny hvtr tianao ampitaina aza lasa tsy tafa.Miala tsiny fa tsy tana intsony indrindra isika atao hoe Mpino no tokony hitandrina sy hiambina amin'ny teny.Avereno amiko raha diso aho na mahatezitra ny lazaiko. (l)
43. Fody ( 05/01/2009 15:55)


Marina ny voalazan'i Fahamarinana ary ombako tanteraka.
coopsal:
Izay mino an'i Kristy irery no afaka hanana ny niveau takiana amin'ny fahalalana ny tenin'i Kristy.

Izay mino an'i Kristy, na iza izy na iza, dia azo lazaina fa mbola tsy tena mahalala azy tanteraka, izay hoe mbola tsy feno ny fahalalany azy sy ny teniny. Midika io fa ny fahalalana an'i Kristy sy ny fahalalana ny Teniny dia tokony mitombo isan'andro. Noho izany, izay tsy mbola mahalala azy mihitsy mety mbola hahalala azy ihany, ary mety mbola hihoatra noho izay fahalalanao azy aza ny fahalalan'izy ireny ny tenin'i Kristy sy Kristy.

Aza adino koa aenfa fa fahasoavana ny Finoana... Ary araka ny voalazan'i Md Paoly dia vazy tany no itondrana izany fahasoavana izany, ka mitandrema ihany lahy, sao tratry ny fihavonavonana ianareo.
44. ikaretsaka ( 05/01/2009 16:02)
Siny tagny mora vaky...mila fitandremana eeee...hoy ny hiranli vetson'i fianarana... any izay I pissoa
45. ari.malala ( 06/01/2009 06:54)
coopsal:

BADBOY, IKARETSAKA, ... >>>>
Izay no nanoratako mazava hoe "ho an'ny mino ity resaka ity fa tsy ho an'ny tsy mino (eny fa na dia teolojiana aza izy)". Tiako ny ni-éviter ho anareo sangojy kanefa ianareo no tsy nanaiky fa niditra.

Ataoko fa tsy hisy olona tsy matematisiana hidikiditra hiseho hiteny eo amin'ny fifanakalozan-kevitra ataon'ny matematisiana! Ary na @ samy matematisiana aza , ny olona docteur en Analyse tsy dia hitsofotsofoka be loatra amin'ny adihevitry ny professeur en processus stochastique! Fa raha olona tsy manana ilay niveau akory izy no mitetateta miditra dia fahamenarana no ho azony.

Izay mino an'i Kristy irery no afaka hanana ny niveau takiana amin'ny fahalalana ny tenin'i Kristy. Ny zavatra mahagaga eto dia i Kristy no nanambara hoe : "Nasehon' Andriamanitra tamin'ny zaza sy ny tsy manam-pahalalana izany fa nafeniny tamin'ny hendry sy ny nahita fianarana"



Fa maninona no miavonavona sy masika fiteny be toy izany? sa ve ianao koa mihevitra ny tenanao ho i Kristy ka hahasahy hiteny olona ho adala sy votsa saina? moramora iany lahy fa tsy anao akory anie io teny torianao sy itompoanao teny fa hainao io e!
46. coopsal ( 06/01/2009 07:18)
fahamarinana:
tsy ohatran'ny masiaka loatra kosa ve ilay ambaranao ry coopsal...na zà manokana aza mino an'ny Kristy nefa tsy mbola manana niveau koa hatreto sa zà koa no doma angaha.

==> Ity averiko ilay niveau takiana, izay tsy ananan'ny olona tsy mino amin'ny fo :
coopsal:
i Kristy no nanambara hoe : "Nasehon' Andriamanitra tamin'ny zaza sy ny tsy manam-pahalalana izany fa nafeniny tamin'ny hendry sy ny nahita fianarana"

Raha te hanana ny niveau ianao dia il faut être doma! Ny fahafantarana an'i Kristy sy ny teniny tsy natao ho an'ny manam-pahalalana (manana niveau ambony) fa ho an'ny zaza (niveau 0 izany).
Tadidio fa "Le commencement de l'intelligence est la peur de DIEU".

Tadidiko t@ zahay tao amin'ny matematika d ouz le prof na analyse-nay : "nareo ireto angamba raha izao no mivoaka any amin'ny fanadinana dia asa fotsiny : calculer 1+1"
47. fahamarinana ( 06/01/2009 07:38)
:arrow: coopsal : ny ahy raha vao soratana hoe manana niveau dia tsy dia tiako loatra,fa ahy iny moa satria lasa misy fanavakavahana...amiko tsy misy mahay Tenin'Andriamanitra fa fianarana isan'andro io,na ny mpitandrina aza mbola mandalina.Hiresaka mathematicien ianao dia mbola misy zvtr be tsy voafaritra rehefa avadika ny formule.
Zà manokana tsy mila mitady niveau fa rehefa mino tanteraka aho dia iainako ilay izy amin'ny foko sy fanahiko sy toetrako sy fiteniko.Tsy mila amboarina fa mandeha ho azy.fa mety ho a coté koa aho ...! :) (l)
48. coopsal ( 06/01/2009 08:28)
Ikaretsaka:
Ary izay zany no hitako ho tsy mampipasy ilay resaka

==> "Celui qui vient du monde parle des choses du monde, celui qui vient des cieux parle de ce qu'il a vu et personne ne prend son témoignage!". Mila manatona an'i Kristy vao mahafantatra ny teniNy. Ary mila mino Azy fa afaka hanatona Azy.

Ikaretsaka:
@ fomba ahoana loatra no hinoan ny olona mitanjaka ara batana anao raha miteny azy ianao hoe hanafy azy ara panahy ianao?

==> Tena tsy nipasy marina ilay communication!
Ny fanahy (+) sy ny nofo (-) dia tahaka ny bornes amin'ny générateur iray. Samy manana ny asany ireo bornes roa ireo kanefa tsy azo ampifandraisina amina mpampita herinaratra (conducteur) fa raha tsy izany fipoahana no vokany ary manimba izay zavatra tokony homeny tanjaka.
Izany no mahatonga ny fipoahana eto satria miresaka ny fanahy (+) Kristy dia ampifandraisinao amin'ny nofo (-).
Izay mitanjaka ara-nofo dia ampitafiana ara-nofo. Ary izay mitanjaka ara-panahy dia ampitafiana ara-panahy. Saingy ny olana dia maro no tsy mihevitra ny tenany ho mitanjaka ara-panahy satria nitafy asa soa sy fiantrana na izay heveriny ho asa fanompoana ara-nofo tahaka ny ravin'aviavy.

Ikaretsaka:
Hoy I Jesoa hoe raha noana , nitanjaka.nangetaheta AHO..... de hozy I coopsal hoe resaka spiritual io
Ilay AHO eto dia I jesoa: jesoa ve atao hoe tonga lafatra spirituellement dia hangataka fanampiana spirituellement avy aminao?
--->tsy mitombona

==> Fa tsy tonga lafatra dans la chair izany Jesoa ka izany no andraisana ilay baiko hoe ho an'ny nofo?
Ary rahoviana vao hino ianao fa ny vatan'i Kristy dia ny Fiangonana fa tsy mofo velively?
Ary ny Fiangonana dia tsy institution religieuse fa ny fitambaran'ireo mino an'i Kristy amin'ny fony? Ary ny tsirairay amin'ireo mino Azy ireo no antsoiny hoe rahalahiny.
Nanome tsimpona ianao tetsy ambony, dia gaga aho.
1. "Ainsi donc, tant que nous en avons l'occasion, faisons du bien à tout le monde, et en premier lieu à ceux qui appartiennent à la famille des croyants." [Galathes 6:10]
--> Inona no atao hoe "faire du bien"? Ary maninona no nolazain'i Paoly hoe "en premier envers les croyants"? Mba fantatrao ve fa amin'ny fanoherana ny tenin'ny mpianatr'i Kristy, izay tsy azy ireo fa an'i Kristy izay naniraka azy, manao ny ratsy amin'ireo rahalahin'ny Tompo madinika ireo ianao?
C'est un peu comme négliger le Pdt du Fokontany parce qu'il n'est pas le président de la république!

2.
St Paul:
"Dans cette nouvelle humanité, il n'y a plus de différence entre Juifs et non-Juifs, entre circoncis et incirconcis, étrangers, barbares, esclaves, hommes libres : il n'y a plus que le Christ, lui qui est tout et en tous."[Colossiens 3:11]

--> Inona no dikan'ireo nataoko gras ireo?

3. [Romains 12:14-20]
--> Hainao ve ny manatanteraka an'ireo?
Indro aho haka sombiny iray monja :
"Partagez la joie de ceux qui sont dans la joie. les larmes de ceux qui pleurent".
Eto amin'ny forum indraindray misy rahalahy (na anabavy) mitomany am-panahy (tsy miteny aho hoe ara-nofo) noho ny zava-misy, niombona tamin'ireny ve ianao. Ary raha nisy nifaly teto satria nahazo fahazavana, nifaly ve ianao?
49. Nandra1 ( 06/01/2009 08:37)
Raha te hanana ny niveau ianao dia il faut être doma!

Raha azoko tsara de ananako zany le niveau @ le pseudo an! :lol:
Fitiavana no lehibe indrindra ary ireo no didy lehibe: baiboly.katolika.org/boky/Matio/22
Fitiavana an'Andriamanitra ary ny fitiavana ny manodidina no voalohany indrindra! ary manaraka ny Finoana sy ny Fanantenana an'i JK!
50. coopsal ( 06/01/2009 08:44)
badboy:
Ilay lohateny aza efa mibaribary fa izay tsy nataonareo t@ ireny madinika ireny.... tohizo @ ilay tokony hizara ny fananay @ mahantra!!!

==> Izaho no nanao ny lohahevitra teto, ka moa ve ampy hahafantaranao ny tiako hambara ny lohateny napetrako?
Tany amin'ny lohahevitra hafa nisy iray taminareo tsy mpino nanao hoe "tsy voatery hoe tena mametraka fanontaniana aho na dia endrika fanontaniana aza no ilazako azy".
Mila mahafantatra ny ato anatiko ianao izay vao afaka hahafantatra ny tiako lazaina!
eto anefa dia tsy zavatra miafina no tiako lazaina fa tena lazaiko tsotra sy mahitsy ny resaka. Satria tsy démonstration na literatiora no ataoko eto fa milaza izay nampilazaina ahy aho.
Ary tsy gaga aho raha tsy azonao ny ambaran'i Kristy satria raisinao amin'ny teny ilay izy fa tsy hainao akory ilay niteNy sy izay ao anatiNy.

Fony mbola tsy nino an'i Kristy aho, na dia fantatro aza ny tantarany, na dia novakiako aza ny teniNy, tsy mba nahazo ireny aho ary tsy ny fahitako an'ireny no nahatonga ahy hino Azy.
Rehefa namaly ny hetahetako fahamarinana Izy dia nino Azy aho, nianatra tamiNy aho ary mbola mianatra amiNy hatramin'izao mba ho tonga tahaka Azy Mpampianatra Ahy.
51. fahamarinana ( 06/01/2009 09:49)
nandra:
Raha azoko tsara de ananako zany le niveau @ le pseudo an!

:arrow: :-D ianao ity an !
nandra:
Fitiavana no lehibe indrindra ary ireo no didy lehibe: baiboly.katolika.org/boky/Matio/22
Fitiavana an'Andriamanitra ary ny fitiavana ny manodidina no voalohany indrindra! ary manaraka ny Finoana sy ny Fanantenana an'i JK!

:arrow:itovizako hvtr koa...ampiana ny fianarana ny Soratra Masina ihany koa mba tsy hivoana na hieritreretana fa ny an'ny tena no marina.Eo moa samy manana ny fomba fianarany sy ny metimety aminy fa mila tandremana mba tsy hivily lalana ka lasa sur be fa ny lazain'ny tena ihany koa no tena izy.Zà manokana dia mazana manafangaro zvtr tahak'izay rehefa entin'ny fo na rehefa tsy voa-maitriser-ko tsara ilay raha,asa nareo! :( (l)
52. Nandra1 ( 06/01/2009 10:16)
Maheno olona maro aho miteny hoe \"ireny mahantra ireny anie no Kristy mila tafiana, ... sns e!\".
Fa indray andro raha nisy niteny tamin\'i Kristy hoe \"tokony namidy iny menaka manitra iny ka nozaraina tamin\'ny malahelo!\", dia izao no navaliNy hoe \"Ny malahelo ho eto aminareo foana, fa izaho tsy ho eto aminareo foana\"[Jaona 12].
Ka raha izany no tenin\'i Kristy, dia tsy ilay fanaovana asa soa @ mahantra akory no tena important be (tsy hoe tsy ilaina akory, sao hisy handika vilana indray, fa hoe tsy iny no objectif), fa ilay Kristy mihitsy.
Satria \"ireo rahalahiko madinika ireo\", rahalahin\'i Kristy izany. Tsy izay olona tsy nanao fiantrana tamin\'ny mahantra no ho voaroaka, fa izay tsy nanatanteraka ny baikon\'i Kristy mikasika ireo \"rahalahiNy ireo\".[/u]

Fiainana ny tenin\'Andriamanitra, ny asa fiantrana de important satria didin\'Andriamanitra ary baikon\'i Kristy ihany koa mba hahalavorary ny olon\'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin\'ny asa soa rehetra.\" izay tianao ataon\'ny olona aminao de tokony hataonao ihany koa @ mpiara-belona aminao na madinika na n\'iza² fa tsy limité le didy hoe ho an\'ireo izay mino ihany.Raha ny tenin\'i Jesoa mikasika ny menaka manitra de noho izy tsy hoe eo foana (hita maso) ary t@ iny fotoana iny fa ankehitriny, samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy @ Fanahy ny olona tsirairay: ao natokana ny hitory teny, manasitrana sy ny etc................ ary ny zvt iraisana de samy mino fa i Kristy no Zanak\'Andriamanitra Velona ary Izy no famonjena!
Ary tsy misy soratra ao anaty baiboly hoe \"Tsy izay olona tsy nanao fiantrana tamin\'ny mahantra no ho voaroaka\": fa ny voalaza ao mazava tsara ry Coopsal de: http://baiboly.katolika.org/boky/Timote+II/3
Fehiny: inona tokoa no antony tena mahatonga ny olona @ izao fotoana izao tsy hiraharaha ary tsy mitsinjo ny vahoaka madinika sy mahantra nefa efa samy mahafantatra an\'ilay hoe \"ry adala, anio alina ihany de halaina aminao ireo harenanao ireo?\"




53. coopsal ( 06/01/2009 11:09)
Nandra1>>> Anananao par pseudo tokoa ilay izy.
Rehefa namaky ny soratra nalefanao (sy ny maro eto) aho dia hoy aho, raha teto i KRisty dia ho niteny hoe "tsy lavitra ny fanjakàn'ny lanitra ianareo".
54. Nandra1 ( 06/01/2009 12:43)
Rehefa namaky ny soratra nalefanao (sy ny maro eto) aho dia hoy aho, raha teto i KRisty dia ho niteny hoe "tsy lavitra ny fanjakàn'ny lanitra ianareo".

Mialatsiny alo ry Coopsal an! fa mandray roa le valin-teninao amiko eto, na positif io na eso ihany koa. Saingy tsy anjarako ny mitsara alo toa ilay teninao eto hoe "enao lavitra ny fanjakan'ny lanitra na tsia an!" ary tsy afaka haka ny toeran'ny Tompoko aho satria mpanompo majinika sady bitika ihany nefa kosa aoka hahiratra ary hampandroso ny toriteny fa tsy hampihemotra : http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/18
55. ikaretsaka ( 06/01/2009 16:59)
izay mantsy ry nandra
56. Fody ( 06/01/2009 18:57)
coopsal:
Ny fanahy (+) sy ny nofo (-) dia tahaka ny bornes amin'ny générateur iray. Samy manana ny asany ireo bornes roa ireo kanefa tsy azo ampifandraisina amina mpampita herinaratra (conducteur) fa raha tsy izany fipoahana no vokany ary manimba izay zavatra tokony homeny tanjaka.
Izany no mahatonga ny fipoahana eto satria miresaka ny fanahy (+) Kristy dia ampifandraisinao amin'ny nofo (-).
Izay mitanjaka ara-nofo dia ampitafiana ara-nofo. Ary izay mitanjaka ara-panahy dia ampitafiana ara-panahy. Saingy ny olana dia maro no tsy mihevitra ny tenany ho mitanjaka ara-panahy satria nitafy asa soa sy fiantrana na izay heveriny ho asa fanompoana ara-nofo tahaka ny ravin'aviavy.

Tena tsy mazava mihitsy ny tianao lazaina.

Na araky ny maha-kristiana, na araky ny maha olona mantsy dia tsy misaraka ny FANAHY sy ny NOFO, raha misaraka ireo dia fahafatesana ny vokany.


coopsal:
Ary rahoviana vao hino ianao fa ny vatan'i Kristy dia ny Fiangonana fa tsy mofo velively?
Ary ny Fiangonana dia tsy institution religieuse fa ny fitambaran'ireo mino an'i Kristy amin'ny fony? Ary ny tsirairay amin'ireo mino Azy ireo no antsoiny hoe rahalahiny.
Nanome tsimpona ianao tetsy ambony, dia gaga aho.

Tsy ika aho fa Kristiana katolika kosa, ary mahalala fa kristiana katolika toy ahy koa i Ikaretsaka.

Ho an'ny Mpino Kristiana Katolika rehetra dia MINO sy MANAIKY fa ny FIANGONANA, izay vatan'i KRISTY dia tsy iza fa ny MPINO KRISTIANA REHETRA. Mino koa ny Kristiana katolika rehetra fa ny tsirairay dia ratsam-batan'i Kristy avokoa.

Fa mbola mino koa ny Kristiana katolika rehetra fa ny MOFO nomen'i JESOA, izay novainy ho vatany, dia tena vatany tokoa satria izy no niteny hoe: "VATAKO ITY?".... Rahoviana koa ianao vao hino an'izany tenin'i Jesoa izany ?...

Fanamarihana: Raha misy zavatra tsy azonao dia tsara ny manontany, toy izay miteniteny foana.


Hamaranako azy:

Tandremo fa raha ny Finoana no ampitoviana amin'ny mathematique dia efa tafiditra ao amin'ny tontolon'ny fariseo ianao. Ilay manao hoe: "izaho sahala amin'izao sy izao... fa tsy sahala amin'ny poblikana sy ny mpanota.." (cf Lc 18, 11 - 12 ) .
Ary jereo sy diniho fa efa sahala amin'izany no ataonao eto izao.

Md Paoly, dia averiko aminao ihany io mba hodinihanao :
"Dans cette nouvelle humanité, il n'y a plus de différence entre Juifs et non-Juifs, entre circoncis et incirconcis, étrangers, barbares, esclaves, hommes libres : il n'y a plus que le Christ, lui qui est tout et en tous."[Colossiens 3:11]
57. ari.malala ( 07/01/2009 07:13)
coopsal:

==> "Celui qui vient du monde parle des choses du monde, celui qui vient des cieux parle de ce qu'il a vu et personne ne prend son témoignage!". Mila manatona an'i Kristy vao mahafantatra ny teniNy. Ary mila mino Azy fa afaka hanatona Azy.



Sahy miteny v i coopsal fa avy any andanitra? :roll: sa sahy miteny i coopsal fa enao irery no mahalala ny tenin'Andriamanitra na ny tenin'i Kristy? :roll: hafahafa ihany ilay fomba famaly resaka! ohatry ny miteny ianao hoe ianao irery no ho tafiditra any andanitra amin'izato fiteninao!

coopsal:
Ny fanahy (+) sy ny nofo (-) dia tahaka ny bornes amin'ny générateur iray. Samy manana ny asany ireo bornes roa ireo kanefa tsy azo ampifandraisina amina mpampita herinaratra (conducteur) fa raha tsy izany fipoahana no vokany ary manimba izay zavatra tokony homeny tanjaka.
Izany no mahatonga ny fipoahana eto satria miresaka ny fanahy (+) Kristy dia ampifandraisinao amin'ny nofo (-).
Izay mitanjaka ara-nofo dia ampitafiana ara-nofo. Ary izay mitanjaka ara-panahy dia ampitafiana ara-panahy. Saingy ny olana dia maro no tsy mihevitra ny tenany ho mitanjaka ara-panahy satria nitafy asa soa sy fiantrana na izay heveriny ho asa fanompoana ara-nofo tahaka ny ravin'aviavy.
mba azo azavaina v azafady ny hevitr'ireo teny ireo satria tsy mazava tsara! Fa i Kristy angaha Fanahy fotsiny ihany? tsy ataoko ity na any @ fiekem-pinoan'ny protestanta aza misy hoe notorontoronina tao an-kibon'i Maria? notorontoronina izany ve tsy hoe naka nofo no dikan'izany? ko maninona no hoe Kristy tsy azo ampifandraisina @ nofo? maniditsidina be izany fandaharan-kevitra izany... @ coopsal izany misaraka ny nof sy ny fanahy? ko raha mihevitra ny tenanao fa efa miaina araka ny fanahy ianao maninona no mbola miasa mamelona ny nofonao ihany satria mifanohitra tsinona ireo ko! :-P Ilay resaka fiantrana, tsy azoko inona ny olanao @ olona manao asa fiantrana, fa na i Kristy aza anie ka "antra ireo vahoaka be nanaraka azy toy ny ondry tsy misy mpiahy" e! ko ravin'aviavy maninona?

coopsal:

quote=Ikaretsaka Hoy I Jesoa hoe raha noana , nitanjaka.nangetaheta AHO..... de hozy I coopsal hoe resaka spiritual io
Ilay AHO eto dia I jesoa: jesoa ve atao hoe tonga lafatra spirituellement dia hangataka fanampiana spirituellement avy aminao?
--->tsy mitombona
==> Fa tsy tonga lafatra dans la chair izany Jesoa ka izany no andraisana ilay baiko hoe ho an'ny nofo?
Ary rahoviana vao hino ianao fa ny vatan'i Kristy dia ny Fiangonana fa tsy mofo velively?
Ary ny Fiangonana dia tsy institution religieuse fa ny fitambaran'ireo mino an'i Kristy amin'ny fony? Ary ny tsirairay amin'ireo mino Azy ireo no antsoiny hoe rahalahiny.


Iza moa no tsy mahalala fa i Jesoa anie ka efa tonga lafatra tao @ Rainy @ maha Andriamanitra Azy e! fa naka endrika olombelona toa antsika, nitafy nofo toa antsika mba hahatonga antsika olombelona ho lasa zanak'Andriamanitra! hampianatra antsika ny fomban'Andriamanitra, dia ilay fomba fitiavana tsy misy takalony sy tsy miandry valiny... ary raha hoe baiko, iza moa no tokony hibaiko anao raha tsy ny fitiavanao an'Andriamanitra, sy hoe raha mahatsapa ianao fa zanak'Andriamanitra mitovy aminao ireo mahantra ireo dia tokony hampianao tsy amim-piambahambana kely akory? tsy ny tahotra ny hoe sao tsy hovoaray any andanitra rahatrizay no mibaiko sy manosika fa ny fo feno fitiavana an'ireo noharian'Andriamanitra mitovy aminao saingy tsy manana ny vintana anananao.

Hidirako ilay resaka Fiangonana, (mifangaro voraka be aloha izany ilay valinteninao dia arahiko arak'izay koa lol) inona no idiran'ny resaka mofo eto aloha fa tsy azoko e! :-P Raha tena manaiky i coopsal hoe ny fitambaran'ny mpino an'i Kristy no atao hoe Fiangonana tsy hanavakavaka sy hanambany olona toy io fiteninao io ianao :-P miala tsiny raha mahatohina fa tena mahitsy tsara ilay fitenenana :-P
58. coopsal ( 07/01/2009 08:35)
Nandra1:
fa mandray roa le valin-teninao amiko eto, na positif io na eso ihany koa.

==> Ny valin-teniko anie ry ise tsy ilaina e! Fa ahoana no mety ho nandraisan\'ilay Fariseo ny valin-tenin\'i Kristy? Na hoe, inona no tian\'i Kristy nolazaina taminy? Inoako fa Kristy tsy maneso, nefa na dia mety ho nanao an\'izany aza Izy dia ho an\'ny tanjona tokana : ny hamonjy ilay olona ifampiresahaNy.
59. coopsal ( 07/01/2009 09:03)
Fody:
Tena tsy mazava mihitsy ny tianao lazaina.

==> Naka ohatra tamin'ny électricité aho, ny fiche (na prise no mahazatra antsika) mâle dia misy vy (na varahina) lavalava anankiroa au moins, ireo no (+) sy (-), ireo miaraka no mitsofoka mba hahazoan'ny fitaovana iray (ohatra hoe radio, télé, mixeur, ...) herinaratra. Kanefa raha ampifandraisinao ireo dia miteraka ny antsoina hoe court-circuit, fipoahana ary maty ny fitaovanao.
Tahaka izany hoy aho ny nofo sy ny fanahy, misy fanoharana azy lalindalina kokoa mazava kokoa. Fa tiako ambara fotsiny hoe tsy azo ampifandraisina ireo fa en parallèle! Misy dikany kosa ilay hoe ny fanahy no + fa ny nofo no -.

Fody:
Fa mbola mino koa ny Kristiana katolika rehetra fa ny MOFO nomen'i JESOA, izay novainy ho vatany, dia tena vatany tokoa satria izy no niteny hoe: "VATAKO ITY?".... Rahoviana koa ianao vao hino an'izany tenin'i Jesoa izany ?...

==> Izaho mino ny tenin'i Kristy, fa rehefa interpréten'ny olona ilay izy dia tsy tenin'i Kristy intsony. Fa eto izany raisinareo ara-bakiteny ilay hoe "vatako ity" ? Rehefa inona no mijery contexte ary rehefa inona no ara-bakiteny?
FA ndeha raisintsika arak'izay : maninona aza i Kristy mbola ao amin'ilay nofoNy hohombohona dans klks heures no miteny hoe "ity no vatako ... ity no rako". Divay anefa no nosotrin'izy ireo fa tsy rà ary mofo fa tsy nofon'olombelona.
FA na izany na tsy izany, raha iny no vatan'i Kristy sy ràny, dia efa nosotroin'izy rehetra tamin'iny fotoana iny ka lany izany, ny fifandraisan'ilay tena vatan'i Kristy sy ny rany, ny mofo sy divay niarahan'izy ireo nankalaza ny Paska Jiosy io, ary ilay mofo sy divay izay hanina any am-piangonana mihitsy no tsy hitako! Sady tsy biblique rahateo, à moins que tsy resaka mofo le izy fa ilay mofo sy divay dia mi-symboliser fotsiny ny zavatra spirituel!
Ka eo no ahitako + sy - mifandray ary mampisy court-circuit an'ilay dogme, izay miantraika any amin'ny fiainan'ilay mpino manontolo ka mahavery azy.
60. Nandra1 ( 07/01/2009 09:19)
==> Ny valin-teniko anie ry ise tsy ilaina e! Fa ahoana no mety ho nandraisan'ilay Fariseo ny valin-tenin'i Kristy? Na hoe, inona no tian'i Kristy nolazaina taminy? Inoako fa Kristy tsy maneso, nefa na dia mety ho nanao an'izany aza Izy dia ho an'ny tanjona tokana : ny hamonjy ilay olona ifampiresahaNy.

Zà tsy Fariseo, ary ianao tsy i Kristy satria ny voa no hamantarana ny hazo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088