Izay tsy nataonareo tamin'ireny madinika ireny ...
81. Fody
(
08/01/2009 17:27)
coopsal:
==> Marina ilay tantaranao, tsy azon'izy ireo ny tian'i KRISTY nambara ka niabandonne izy ireo. Izaho tsy mi interpréter na inona na inona fa mandray fotsiny izay tenin'i Kristy, ary averiko eto, ary hitako izao fa ianao (sy ireo maro koa) mi-abandonne, asa, mety mba tsy zakanareo koa ilay tenin'i KRISTY!!! Nefa tsy izaho no ihemoranareo, satria tsy teniko no lazaiko fa KRISTY izay tompon'ny teny.
Tsy tenin'i Kristy ny teny nolazainao fa teninao, interpretation-nao... Na ny marina kokoa dia hoe: tenin'Andriamanitra efa noravaravainao mba hafahanao mamorona teny vaovao ho anao, dia lazaina fa an'i Kristy....
IANAO IZAO NO TONGA AMIN'ILAY NOLAZAIN'I KRISTY HOE: "AMBODIA MITAFY HODI-JANAK'ONDRY".
Lazaina fa tenin'i Kristy io nefa efa naholakolana sy notapatahana ary nosamatsamahana,... izay vao natambatambatra indray.... Novonoinao ny Tenin'izy Kristy.
Tsarovy anefa fa tsy maty izy fa velona mandrakizay, ary tsy ho levona koa. Izay tena mino azy sy tena mitady azy dia hahalala sy hahita azy tokoa, ary ho afaka hanavaka ny marina amin'ny diso, hahalala ny tena izy sy ny fitaka.
Raha mangina ny hafa dia satria leo anao izy, fa tsy sanatria leo an'i Kristy akory.
Am-pitiavana be
84. coopsal
(
09/01/2009 09:19)
Fody:
COOPSAL:
==> Voasoratra fa imbetsaka i Kristy no nofandrihan\'ny fahavalony. Fantany foana anefa izany ary dia hainy ny namaly an\'ireo.
Ianao ve izany no Kristy ary izaho mametraka ny fanontaniana tsy hainao valiana (na tsy sahinao valina) dia fahavalonao ???
Raha lazainao fa misy fandrika ny fanontaniako dia lazao izay fandrika ao anatiny.
==> KRISTY Fanahy fa tsy nofo intsony! Izaho nofo, noho izany tsy Kristy aho. Tsy ianao koa no Fariseo. Fa vakio ny evanjely masina nosoratan\'i Md. Joany (spécialement chapitre 8) dia ho hitanao fa izao conversations izao dia tsy misy hafa amin\'izay nifampiresahan\'i KRISTY tamin\'ireo fahavalony. Ny Fanahy mampiteny antsika tsirairay avy no teneniko fa tsy isika sy ianao.
Fody:
coopsal:
Andriamanitra dia tsara ary tsy namorona zavatra ratsy, ary Izy irery ihany no mpamorona. Nahoana ary no nisy ny ratsy?
Tsotra dia tsotra ny valiny: Ny ratsy dia tsy avy aiza akory fa avy amin\'ny \"privation du bien\"...
==> Dia tahaka izay ilay + sy - ? Fa raha iverina amin\'ny fanontaniana tany aloha be aho dia aleo ny Apostoly Paoly no hamaly anao :
\"Ny fanahy manohitra ny nofo ary ny nofo manohitra ny fanahy. Ny fihevitry ny fanahy dia fiainana fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana.\"
Tsy naverimberiko teto ve fa miresaka zava-panahy KRISTY fa manao fanoharana @ zavatra ara-nofo mba hahazoan\'ny olona ara-nofo?
Fody:
fanontanian\'i coopsal:
- Ahoana no inoanao fa tena nisy ny Apostoly ary irak\'i Kristy?
Tsotra ny valiny: voalazan\'ny Baiboly izany, ary mbola voalazan\'ireo tahirin-tsoratra hafa koa.
==> Dia inona no inoanao ny baiboly? Eto aho tsy milaza zava-baovao fa izay ambaran\'ny baiboly no averiko lazaina amin\'ny fomba fiteny sy à partir ny zavatra fantatsika sy iainantsika. Nefa tsy inoanao. Ahoana no ilazanao fa mino marina ny baiboly ianao?
Fody:
- Iza no lazainao fa nandimby ny Apostoly ? Ahoana no mahatonga anao hino fa izy ireo tokoa no nandimby ny Apostoly ?
Ireo nandimby ny apostoly dia efa voalazan\'ny baiboly (hitanao ao amin\'ny asan\'ny apostoly toko voalohany ny fomba nifidianana azy)
==> Ireny voasoratra ao amin\'ny baiboly ireny efa maty aby, fa iza ary no taorian\'ireny? Ary inona no anananao antoka an\'izany?
Fody:
fa mbola voalaza any amin\'ny taratasin\'i Md Paoly koa fa Andriamanitra no Mifidy sy Manendry ny Apostoly (cf 1 Kor 12, 28 )
==> Samy tsy hitanao na ny nifidianan\' Andriamanitra ny Apostoly na izay nanirahan\'i KRISTY ahy, na ny an\'ny maro hafa. Izaho tsy milaza fa izaho irery no irak\'i KRISTY, fa tena mahita olona maro hafa aho izay tsy niara-niangona tamiko hatrizay ary olona tsy noeritreretiko akory aza, kanefa ny Fanahin\' Andriamanitra dia mampiseho fa tena voafidin\'i KRISTY izy ireny. Misy Katolika, misy protestant, misy amin\'ireo antsoina hoe sekta, misy hindou. Ny zavatra mitranga dia izao : na inona antokom-pinoana (m)nisy azy ireny dia tanteraka (t)amin\'izy ireo ny teny nolazain\'i KRISTY ny mpianatra mialoha ny hisamborana azy : \"ary ny mpivavaka handroaka anareo hiala amin\'ny fiangonana, hisy hanenjika ianareo, hisy hamono ianareo, ary ihevitra izy ireo fa raha manao izany dia manatanteraka ny sitrapon\' Andriamanitra. Kanefa lazaiko anareo mialoha izany mba hinoanareo rehefa tanteraka.\"
Tsy mitady ny hohenjehina akory ny mpianatr\'i KRISTY, fa tanteraka ho azy amin\'izy ireo noho ny fanarahany an\'i KRISTY ny fanenjehan\'ny fahavalo (izay mpivavaka no voalohany).
Fody:
manampy an\'ireo dia ireo tahirin-tsoratra rehetra navelan\'ireo Kristiana voalohany.
coopsal:
- Ahoana no hinoanao fa tena irak\'i Kristy ny pretra tsirairay avy?
Satria HITA MISEHO AMIN\'NY ATAONY IZANY
==> Inona ary no ataony? Hoy KRISTY hoe \"izay mino ahy, ny asa ataoko no hataony koa\". Raha mamaky baiboly aho dia tsy nahita velively an\'i KRISTY nitady mahantra homena sakafo na nitady marary hositranina! Nitory ny fanjakàn\' Andriamanitra sy nampianatra no tena nataony, fa ireo olona izay tonga nanatona nila vonjy taminy tamin\'ny ara-nofo kosa dia tsy nisy nolaviny!
Ny fiainan\'ny olona tsy mba toy izany, mandeha manao volonatire mamonjy na manampy an\'itsy sy eroa, ary rehefa misy sasany mila vonjy aminy dia laviny indraindray.
Izany nonilazany tamin\'ny rahalahiny hoe \"ny fotoananareo mety foana, fa ny ahy tsy mba toy izany! Mbola tsy tonga ny fotoako\". Ny olona manao soa araka ny sitrapony, KRISTY manao soa araka ny sitrapon\' Andriamanitra sy amin\'ny fotoanan\' Andriamanitra. Nefa ireo dia samy toa manao asa soa ihany.
Hoy ny ohapitenenana izay hoe : l\'habit ne fait pas le moine.
Mahaiza mamaky, tsy milaza velively aho fa izay manao asa soa dia mpamitaka daholo (izany mantsy no anendrikendrehan\'ny sasany ahy eto). Milaza aho fa samy manao soa amin\'ny nofo na ny avy amin\'i KRISTY na ny avy amin\'ny tenany (izao tontolo izao), ny maha samy hafa azy dia izao : ny an\'ny ao amin\'i KRISTY dia araka ny sitrapon\' Andriamanitra, fa izay manao avy amin\'ny tenany dia araka ny sitrapon\'ny tenany.
Fody:
coopsal:
- Inona no porofo tadiavinao hinoanao fa i coopsal dia irak\'i Kristy?
Izaho tsy mino fa irak\'i Kristy i coopsal satria sady tsy hitako amin\'ny ataonao izany, no tsy hitako koa amin\'izay lazainao.
==> Tsy manery na iza na iza hino ahy aho, ny TOMPOKO aaz tsy nanery na iza na iza hino azy ary tsy nanery ahy rahateo hino Azy koa.
KRISTY tsy ninoan\'ny (jiosy) mpivavaka maro sy ireo lohan\'ny fiangonana (mpisorona sy mpisoronabe) ary teolojiana (fariziana sy sadoseana) tamin\'ny androny hoe avy amin\' Andriamanitra. Koa tsy mahagaga raha tsy mino ny mpianatr\'i KRISTY ho avy amin\'i KRISTY ny mpivavaka (kristiana) ankehitriny, sy ireo mpitondra fiangonana sy teolojiana. KRISTY no efa niteny an\'izany : \"Ny iraka tsy lehibe noho ny mpaniraka azy. Raha nino ahy izao tontolo izao dia hino anareo koa izy! Saingy tsy nino ahy izy ka tsy hino anareo koa\". Koa ny teninao dia manaporofo fa tena irak\'i KRISTY aho ary tsy lehibe noho izy. Ary tsy malahelo aho ny tenako aho na tezitra raha tsy inoanareo, satria fantatro IZY naniraka ahy! Fa ianareo no ho very raha tsy mino AZY amin\'ny fo.
Fody:
coopsal:
Na iza na iza mino marina an\'i Kristy dia afaka hahafantatra na miteniteny foana araka ny lazainareo aho, na i Kristy ato anatiko no miteny mba hamonjena anareo noho ny fitiavan\' Andriamanitra.
Izaho mino an\'i Kristy, ary tena mino azy... ary mahita koa fa tena miteniteny foana ianao.
==> Raha avy amiko izay lazaiko dia miteniteny foana aho, saingy tsy avy amiko izany ary ny ilazako fa tsy avy amiko izany dia satria ny maha izaho ahy dia mba mitovy fijery aminareo! Saingy tsy ny fijeriko no ambarako, fa KRISTY no mampiteny ahy ny fijeriny, izay tsy an\'ilay nofo teraka tao Betlehema, fa an\' Andriamanitra RAINY.
Fody:
Mahita sy mahatsapa aho fa ataonao FITAOVANA NY TENIN\'ANDRIAMANITRA HANAMARINAN-TENA SY HIAROVAN-TENA...
==> Izay manamarina ny tenany dia tsy afaka hamarinin\' Andriamanitra. Mpahazo ahy ny fanamarinan-tena, saingy ny fanahin\' Andriamanitra no mitaona ahy hiaiky fa olo-meloka mba hanamarinan\' Andriamanitra ahy.
Tsarao marina, fa raha nanamarin-tena aho dia ho efa niombona taminareo rehetra! Moa ve fifaliako ny hanohitra anareo toy izao? Tsy zarako ve mba hitovy amin\'ny besinimaro? Saingy tsy izaho intsony no velona fa KRISTY no velona ato anatiko. Ka tsy mahazo manohitra ny fahamarinana aho.
Fody:
Satria izao no antony: Alahatrao ohatra ny mampiady mason-daomy ny teniny, dia lazainao fa teniny io, nefa tsy azy intsony fa anao.
==> Maro ny tsy nino an\'i KRISTY satria nihevitra fa nampiady mason-daomy IZY ny amin\'ny fampiasaNY ny Soratra Masina (Torah).
Fa tsy i KRISTY irery, fa raha mampiady mason-daomy aho dia mba toy izany koa no nataon\'i Kristy raha nilaza matetika hoe \"araka ny voasoratry ny mpaminany hoe ... \". Ny Apostoly rehetra sy ny mpanoratra ny evanjely koa dia nanao toy izany : \"mba hahatanteraka ilay voasoratra hoe\". Izany no ilazako hoe, ahoana no ilazanao fa mino ny baiboly ianao raha tsy inoanao izay lazaiko ? Nea aho tsy miteny zavatra hafa na vaovao fa tena izay ambaran\'ny Baiboly no ambarako?
85. Fody
(
09/01/2009 11:25)
coopsal:
Ny Fanahy mampiteny antsika tsirairay avy no teneniko fa tsy isika sy ianao.
Ka raha lazainao fa tsy mitovy ny Fanahy mampiteny antsika, iza izany no mampiteny anao, ary zovy kosa no mampiteny ahy ?
Averiko ny hoe: raha misy fandrika ny fanontaniako lazao eto!!!!
aho:
Tsotra dia tsotra ny valiny: Ny ratsy dia tsy avy aiza akory fa avy amin'ny "privation du bien"...
Valin-tenin'i coopsal ==> Dia tahaka izay ilay + sy - ?
Ny + (plus) raha ny fanazavao andrematoa dia hoe: tsara, ary ny - (moins) kosa dia ratsy. Nolazainao fa ny Fanahy no + , ary ny nofo dia - (moins).
Iza no nanao ny Nofo, moa tsy Andriamanitra ? Ka lazao raha tsara na ratsy?
I Kristy koa tonga NOFO ka tsara izany sa ratsy ? VALIO AZAFADY!
coopsal:
Fa raha iverina amin'ny fanontaniana tany aloha be aho dia aleo ny Apostoly Paoly no hamaly anao :
"Ny fanahy manohitra ny nofo ary ny nofo manohitra ny fanahy. Ny fihevitry ny fanahy dia fiainana fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana."
Dia tena ny Nofo ve izany no mihevitra sy mandinika ?
Fa mba valio kely aza ity fanontaniana ity: Ny anjely dia tsy mba manana nofo, fa Fanahy, ka ahoana no nisy ireo Anjely manohitra an'Andriamanitra ???
VALIO AZAFADY!
coopsal:
Tsy naverimberiko teto ve fa miresaka zava-panahy KRISTY fa manao fanoharana @ zavatra ara-nofo mba hahazoan'ny olona ara-nofo?
I Krristy Andrematoa dia tsy nanao tsinotsinona ny nofo mihitsy. Porofon'izany ny fahatongavany ho nofo.
coopsal:
==> Ireny voasoratra ao amin'ny baiboly ireny efa maty aby, fa iza ary no taorian'ireny? Ary inona no anananao antoka an'izany?
Vakio tsara aloha ny quetion napetrakao, izay vao manisy remarque amin'ny valim-panontaniako....
coopsal:
Tsy mitady ny hohenjehina akory ny mpianatr'i KRISTY, fa tanteraka ho azy amin'izy ireo noho ny fanarahany an'i KRISTY ny fanenjehan'ny fahavalo (izay mpivavaka no voalohany).
Hoy i Joany hoe: "izay tsy manohitra antsika dia momba antsika".
Dia anjaranao tokoa no mijery na momba an'i Kristy ianao na tsia. Jereo ireto ohatra vitsivitsy ireto:
1 - Hoy ianao: " Ny tenin'Andriamanitra nitafy nofo"
Ny Evanjely anefa milaza fa: "Ny Teny (tenin'Andriamanitra) dia tonga nofo".
2 - Ianao nanao fanoharana hoe: i Jesoa nitafy hoditr'ondry (sa volon'ondry tsy tsaroako tsara) mba hanavotra ny ondry very...
I Jesoa anefa nilaza fa: "Izy no Mpiandry ondry tsara"
I Joany indray nanondro azy hoe: "Zanak'ondrin'Andriamanitra"
Ny nolazain'i Jeoa fa nitafy hodin-janak'ondry dia ny ambodia.
3 - I Jesoa nilaza hoe: izao sy izao aho (fahazavana, sns...) dia nolazainao fa tsy ireo.... Jereo fa misy remarque napetrako momba an'io any ho any....
4 - Ianao milaza fa mizara roa ny lanitra: itoeran'ny mazava sy maizina. Ary io lanitra io dia ny fontsika koa... Izany hoe afa-miaraka aminao ny mazava sy maizina.
I Kristy anefa nanamafy fa tsy afaka miaraka ireo. I Md Joany koa nilaza fa tsy afaka miaraka ireo....
Fehiny: Manohitra izay voalazan'i Kristy ianao Andrematoa, satria manao fampianaran-diso.
coopsal:.
Ary tsy malahelo aho ny tenako aho na tezitra raha tsy inoanareo, satria fantatro IZY naniraka ahy! Fa ianareo no ho very raha tsy mino AZY amin'ny fo
Mbola mila fantarinao misimisy kokoa marina izay naniraka anao.... Ary aza maika ny hilaza hoe ho very izahay raha tsy mino izay naniraka anao satria mbola mampametraka fanontaniana izany mpaniraka anao izany.
Amiko sy ny Kristiana toy ahy dia ny FINOANA AN'ANDRIAMANITRA RAY- ZANAKA - FANAHY MASINA ihany no mahavonjy.
coopsal:
==> Raha avy amiko izay lazaiko dia miteniteny foana aho, saingy tsy avy amiko izany ary ny ilazako fa tsy avy amiko izany dia satria ny maha izaho ahy dia mba mitovy fijery aminareo! Saingy tsy ny fijeriko no ambarako, fa KRISTY no mampiteny ahy ny fijeriny, izay tsy an'ilay nofo teraka tao Betlehema, fa an' Andriamanitra RAINY.
Ilay Teny tonga Nofo, nateraka tao Jerosalema ve dia hafa fa tsy KRISTY???
MBA VALIO AZAFADY INDRINDRA !!!!
coopsal:
Saingy tsy izaho intsony no velona fa KRISTY no velona ato anatiko. Ka tsy mahazo manohitra ny fahamarinana aho.
Tsy mahazo manohitra ny fahamarinana ianao nefa izay voalaza ao amin'ny Baiboly dia toherinao na ovainao tsotra izao fotsiny!!! Aza miteniteny foana e!
Izaho tsy hitsara anao, fa ny azoko atao dia ny mivavaka ho anao mba hahaizanao mihaino ny Feon'Andriamanitra... Mba hahaizanao manavaka ihany koa izay avy amin'ny fanahy sandoka, sy izay avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra.
coopsal:
Fa tsy i KRISTY irery, fa raha mampiady mason-daomy aho dia mba toy izany koa no nataon'i Kristy raha nilaza matetika hoe "araka ny voasoratry ny mpaminany hoe ... ".
Ka moa ve i Kristy nampiady mason-daomy ohatra an'io nataonao io?
Ohatra fotsiny:
Hoy i Kristy "Izaho no mofon'ny fiainana...."
Dia hoy ianao avy eo anefa manohitra an'izany (na tsy te hanaiky an'izany): " Ny fanahy no mahavelona; ny mofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana"... Ary sahinao nilaza avy eo fa tsy misy dikany ilay mofo fa ny teny no tena izy....
Izay no nilazako fa miteniteny foana ianao, ary mbola maro ny toy io ato fa mankaleo be ny mamerina azy...
coopsal:
ahoana no ilazanao fa mino ny baiboly ianao raha tsy inoanao izay lazaiko ?
Ny Teny voalaza ao amin'ny Baiboly, tsy voasamasamaka, sy tsy voazarazara, ary tsy voatapatapaka no inoako... Izay no tsy anekeko izay voalazanao.
Manaraka an'izay dia tiako koa ny milaza fa: KRISTIANA AHO, i Kristy no fototry ny finoako fa tsy boky (Baiboly)
Hafatra kely: Mandiniha raha azo atao alohan'ny hilazana zavatra....
Am-pitiavana be hatrany
86. Fody
(
09/01/2009 11:52)
coopsal:
Raha mamaky baiboly aho dia tsy nahita velively an'i KRISTY nitady mahantra homena sakafo na nitady marary hositranina! Nitory ny fanjakàn' Andriamanitra sy nampianatra no tena nataony, fa ireo olona izay tonga nanatona nila vonjy taminy tamin'ny ara-nofo kosa dia tsy nisy nolaviny!
Ny fiainan'ny olona tsy mba toy izany, mandeha manao volonatire mamonjy na manampy an'itsy sy eroa, ary rehefa misy sasany mila vonjy aminy dia laviny indraindray.
Izany nonilazany tamin'ny rahalahiny hoe "ny fotoananareo mety foana, fa ny ahy tsy mba toy izany! Mbola tsy tonga ny fotoako". Ny olona manao soa araka ny sitrapony, KRISTY manao soa araka ny sitrapon' Andriamanitra sy amin'ny fotoanan' Andriamanitra. Nefa ireo dia samy toa manao asa soa ihany.
Nalaiko manokana eto ity mba ampisehoana aminao fa tena diso FIJERY IANAO, NA MIJERY IHANY FA TSY MAHITA.
Hoy i Jesoa: Matio 25, 34 - 46 : http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=25&andininy=31-46&dika=
34 Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;
35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.
37 Ary hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?
38 Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?
39 Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?
40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
41 Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;
42 fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;
43 nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
44 Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay?
45 Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
46 Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay: fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay.
ATAOKO FA MISY AN'IO AO ANATY BAIBOLINAO AN!!!
coopsal:
Ny olona manao soa araka ny sitrapony, KRISTY manao soa araka ny sitrapon' Andriamanitra sy amin'ny fotoanan' Andriamanitra. Nefa ireo dia samy toa manao asa soa ihany.
KA MAHALALA IZAY AO AM-PON'NY OLONA VE IANAO ???? LAZAO !!!
IZAY MANAO ASA SOA REHETRA VE DIA ARAKA NY SITRAPONY DAHOLO FA TSY ARAKA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA ????
Mba valio azafady e
COOPSAL:
Raha mamaky baiboly aho dia tsy nahita velively an'i KRISTY nitady mahantra homena sakafo na nitady marary hositranina!
Ka ianao anie tsy Kristy e! Sa moa ianao kristy???
Ary Kristy mihitsy koa no niteny hoe:
"Tonga aho hitady ny very..."
"Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary...."
Tany am-ponja aho novanginareo hoy i Kristy,... Raha mamangy olona ve miandry an'ilay olona hanatona ny tena sa mitady an'ilay olona any amin'ny misy azy ???? oups hoy nyrina zay
VALIO AZAFADY E!
Am-pitiavana be! (l)
87. ari.malala
(
09/01/2009 14:39)
coopsal:
==> Marina ilay tantaranao, tsy azon'izy ireo ny tian'i KRISTY nambara ka niabandonne izy ireo. Izaho tsy mi interpréter na inona na inona fa mandray fotsiny izay tenin'i Kristy, ary averiko eto, ary hitako izao fa ianao (sy ireo maro koa) mi-abandonne, asa, mety mba tsy zakanareo koa ilay tenin'i KRISTY!!! Nefa tsy izaho no ihemoranareo, satria tsy teniko no lazaiko fa KRISTY izay tompon'ny teny.
FA izao an, ry Piera koa mba tsy nahazaka, kanefa nino an'i KRISTY ho manana ny teny fiainana izy ireo ka dia tsy ni-abandonne. Eto dia ahitana izay tena mino an'i KRISTY marina.
NB : Mino tanteraka aho, fa ireo niabandonne tsy nanaraka an'i KRISTY ireo dia mbola nanohy ny fanompoana nahazatra azy ireo ihany, mbola namaky baiboly ihany, mbola nanohy nanao fanatitra sy nandalina Soratra Masina ihany tany amin'ny synagoga. Fa tsy nanaraka an'i KRISTY fotsiny.
Ary toy izany, mety mbola hamaky baiboly sy hiditra am-piangonana sy hihaino toriteny sy hanao ny fombafomba rehetra ihany ny mpanara-dia an'i KRISTY (kristiana) ankehitriny, saingy i KRISTY sy ny teniNy kosa laviny tanteraka.
Indrisy!! Ireo mpanara-dia nandà an'i KRISTY tamin'izany dia mbola nanana chance satria mbola nisy ny Fanahy Masina, fa ankehitriny dia tena efa ny Fanahy Masina no lavin'ny mpanara-dia maro ... moa hisy famelana ny helony intsony?
Te hiten mafy mihitsy i coopsal hoe Kristy hahahaha! aoka re marina e! mba mahaiza manetry tena fa i Kristy aza nampianatra hoe izay manetry tena no hasandratra ary iza manandra-tena no hahetry! Dia sahy milaza ve ianao fa tsy mi interprêter fa mandray sy mamerina? ary raha tena izany no ataonao dia tsy misy hafa @ boloky ianao fa ny boloky no mamerina bêtement izay reny fa tsy misy discernement tsy misy analyse tsy misy fandinihana! Dia mino sy mihevitra ianao fa tsy mino izay ambaranao aho dia midika izany fa mihemotra sy mi abandonne an'i Kristy aho? fa angaha ianao Kristy? ary indro fa tanteraka ankehitriny ilay hoe hisy Kristy sandoka ary i coopsal izany hihihi! satria efa manambara tena fa Kristy ianao ka! aza tezitra mihintsy!
88. ikaretsaka
(
09/01/2009 16:57)
Mba lasalasa saina ihanyaho tao ho ato hoe tena mamaky ny baiboly rehetra marina noho izahay tsy mpitsimpona itony ve I coopsal sa ireo verses izay natao notsimponina ihany no avy averimberina toy ny bokoly fa ny sisa izay somary manohitohinna ilay doctrine nareo sy ny sektareo dia atao masobe tsy mahita na voalaza ao aza.
Zahay tsy mpitsimpona toko sy andininy aza mba mahalala ny ao @ matio 25 ao
Zahay tsy mpitsimpona toko sy andininy aza mba mahalala ny ao @ matio 25 ao
89. prime
(
12/01/2009 08:39)
Aza mifamaly re na mampiakam-peo raha azo atao fa samy zanak'Andriamanitra... tsy mety ny miady eo imason'ny olona...
Raha sitrakareo dia aoka samy hihazona ny faharesen-dahatrany avy dia aleo samy mitodika amin'ny Tompo mitondra izay mampavesatra azy avy satria lasa hifanamarin-tena eto... :(
Mahereza aby... :cry:
Raha sitrakareo dia aoka samy hihazona ny faharesen-dahatrany avy dia aleo samy mitodika amin'ny Tompo mitondra izay mampavesatra azy avy satria lasa hifanamarin-tena eto... :(
Mahereza aby... :cry:
90. Fody
(
12/01/2009 11:49)
Misaotra an'i prime!
Saingy tiako kosa ny milaza aminao fa tsy mba toe-tsaina mifanaraka amin'ny maha kristiana ny mamela ny hafa hiaina ao anatin'ny fahadisoan-kevitra. Porofon'izany ny nifamalian'i Jesoa matetika tamin'ny fariseo sy ny hafa.
Ny zavatra ataoko dia ataoko am-pitiavana, ary ireo fanontaniana rehetra apetrako dia tsy hamandrihana an'i coopsal sanatria, fa mba hampandinika azy sy hahalalany ny tena marina.
Koa satria am-pitiavana no anaovako an'izany, dia anjarany raha hanaiky na tsia, saingy raha mbola milaza zavatra hitako fa diso kosa izy, dia ho avy foana aho, hanaporofo ny maha diso an'izany.
Am-pitiavana be! (l)
91. prime
(
12/01/2009 14:50)
Misaotra an'i Fody...
Tsara ny foto-kevitra ijoroanao dia ny hampijoro ny fahamarinana hatramin'ny farany dia izay finoana sy asa ary herin'Andriamanitra marina...
Handeha ary ekena hoe marina ny ambaranao... hitondra famonjena ho azy ve ny fomba anitsianao azy ireo ambony ireo?
Raha handeha atao hoe marimarina saingy misy kely fanamarihana ihany indray kosa ary ny ambaranao (tsy hoe diso satria ny tenin'Andriamanitra ihany no amantarana azy), hitondra famonjena ho anao ve ny famalianao azy ireo?
Toy izany ihany koa i coopsal, inoako fa tsy misy manenjika anao ary tsy misy mankahala anao eto amin'ny serasera sanatria fa hevitra no ambara ary mety ho tonga adihevitra rehefa tsy mifanojo saingy tsy misy afaka mitompo teny fantatra ho manana ny marina afatsy Jesosy irery ihany... ambara tokoa ny filazantsara raha izany no maharesy lahatra anao handray anjara... fa aleo amin'ny fitiavana sy ny fanetren-tena toy ny nataon'i Jesosy fandrao mihevitra mihoatra noho izay tokony heverina hoy ny Tompo izay ao amin'ny Romana 12:3... ary indrindra koa tsy voatery hino izay ambara ny olona fa ny hitondra amim-bavaka azy ary no tena tsara ifotorana toa izay hifamaly...
Mahereza aby! homba anareo anie Jesosy...
Tsara ny foto-kevitra ijoroanao dia ny hampijoro ny fahamarinana hatramin'ny farany dia izay finoana sy asa ary herin'Andriamanitra marina...
Handeha ary ekena hoe marina ny ambaranao... hitondra famonjena ho azy ve ny fomba anitsianao azy ireo ambony ireo?
Raha handeha atao hoe marimarina saingy misy kely fanamarihana ihany indray kosa ary ny ambaranao (tsy hoe diso satria ny tenin'Andriamanitra ihany no amantarana azy), hitondra famonjena ho anao ve ny famalianao azy ireo?
Toy izany ihany koa i coopsal, inoako fa tsy misy manenjika anao ary tsy misy mankahala anao eto amin'ny serasera sanatria fa hevitra no ambara ary mety ho tonga adihevitra rehefa tsy mifanojo saingy tsy misy afaka mitompo teny fantatra ho manana ny marina afatsy Jesosy irery ihany... ambara tokoa ny filazantsara raha izany no maharesy lahatra anao handray anjara... fa aleo amin'ny fitiavana sy ny fanetren-tena toy ny nataon'i Jesosy fandrao mihevitra mihoatra noho izay tokony heverina hoy ny Tompo izay ao amin'ny Romana 12:3... ary indrindra koa tsy voatery hino izay ambara ny olona fa ny hitondra amim-bavaka azy ary no tena tsara ifotorana toa izay hifamaly...
Mahereza aby! homba anareo anie Jesosy...
92. Fody
(
12/01/2009 16:50)
prime:
Handeha ary ekena hoe marina ny ambaranao... hitondra famonjena ho azy ve ny fomba anitsianao azy ireo ambony ireo?
Eny no valiny...!
Porofon'izany ny tsy asahiny milaza intsony fa mizara roa ny Fon'ny olona, ka misy toeran'ny mazava sy ny maizina... (Jereo any ho any, fa efa nibebeka ny namana)
Porofon'izany koa ny nilazany fa IZAY FANTANY no lazainy, fa tsy toy ny teo aloha intsony hoe: avy amin'i Kristy, na i Kristy no mampiteny azy an'izany. (Jereo fa efa voalazany any ho any koa io)
coopsal:
Raha handeha atao hoe marimarina saingy misy kely fanamarihana ihany indray kosa ary ny ambaranao (tsy hoe diso satria ny tenin'Andriamanitra ihany no amantarana azy), hitondra famonjena ho anao ve ny famalianao azy ireo?
Tsy ho ahy fa ho an'ny hafa.
Manoloana ny zavatra diso dia manana andraikitra aho hanitsy azy, raha mahalala ny marina, mba tsy hielezan'ny fahadisoana.
Am-pitiavana be.
93. ikaretsaka
(
12/01/2009 18:51)
Voalazan'i Md Paoly any ho any koa ny hoe ilaina ny mifanoro raprime...
94. ikaretsaka
(
13/01/2009 00:37)
prime:
Raha sitrakareo dia aoka samy hihazona ny faharesen-dahatrany avy ....
Io le tsy mety raprime ka nahatonga an'i Md Augustin niteny hoe...
Raha izay metimety aminao momban I Xty ihany no ekenao sy tohananao fatratra fa izay somary manohitohina anao dia na hodianao fanina na lavinao na ignorer nao na ovainao @ ze mampety azy aminao... dia tsy i Kristy intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao manokana
Amiko dia tsy izay tiatiako sy izay maharesy lahatra ahy ihany no mahatonga ahy ho ao @ Kristy fa ny fikatsahana Azy @ fomba rehetra mihitsy...mahatonga ahy mianatra izany lalandava sy mizara ny efa hitako ho an'ny hafa
95. prime
(
13/01/2009 10:57)
Fody:... Misaotra anao :)
Eny no valiny...!
Porofon'izany ny tsy asahiny milaza intsony fa mizara roa ny Fon'ny olona, ka misy toeran'ny mazava sy ny maizina... (Jereo any ho any, fa efa nibebeka ny namana)
Porofon'izany koa ny nilazany fa IZAY FANTANY no lazainy, fa tsy toy ny teo aloha intsony hoe: avy amin'i Kristy, na i Kristy no mampiteny azy an'izany. (Jereo fa efa voalazany any ho any koa io)
Irariako tokoa ny hahamarina ny ambaranao raha tsy hoe hamaly eo ny mifanohitra amin'izany angaha i coopsal... :)
Nanaraka ny resakareo mirahalahy hatramin'ny voalohany aho ary nanambara ireo lazainao ireo tokoa izy... :)
Fody:... :)
Hoy i coopsal:
Raha handeha atao hoe marimarina saingy misy kely fanamarihana ihany indray kosa ary ny ambaranao (tsy hoe diso satria ny tenin'Andriamanitra ihany no amantarana azy), hitondra famonjena ho anao ve ny famalianao azy ireo?
Fanamarihana : :) Izaho no nilaza an'io hevitra lazainao io fa tsy i coopsal... :)
Raha kisendrasendra dia mitandrema ihany fa efa tsy mahafantatra ny olona iresahana intsony ianao fa mafàna loatra ny adihevitrareo (ikaretsaka koa efa tratran'io atsy ambadika atsy... :-D )
Raha tena natao fanahy iniana dia fahadisoana tanteraka satria izaho sy coopsal dia olona samihafa tsy misy ifandraisany... :-D
Fody:... Ho anao koa ka... na marina aza ny ambaranao dia mitondra aina sy fahavelomana ho anao ny fanambarana izany... raha ohatra kosa tsy marina ny ambaranao dia izany indrindra no mahatsara ny serasera toy izao... mety azo anovozana vaovao sy fahalalana tsara... :)
Tsy ho ahy fa ho an'ny hafa.
Manoloana ny zavatra diso dia manana andraikitra aho hanitsy azy, raha mahalala ny marina, mba tsy hielezan'ny fahadisoana.
Am-pitiavana be.
ikaretsaka:... Itoviako hevitra... izaho tsy nilaza hoe tsy ilaina fa ny nolazaiko dia hoe ataovy am-pitiavana... :)
Voalazan'i Md Paoly any ho any koa ny hoe ilaina ny mifanoro raprime...
ikaretsaka:... Itoviako hevitra tanteraka...
Io le tsy mety raprime ka nahatonga an'i Md Augustin niteny hoe...
Raha izay metimety aminao momban I Xty ihany no ekenao sy tohananao fatratra fa izay somary manohitohina anao dia na hodianao fanina na lavinao na ignorer nao na ovainao @ ze mampety azy aminao... dia tsy i Kristy intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao manokana
Amiko dia tsy izay tiatiako sy izay maharesy lahatra ahy ihany no mahatonga ahy ho ao @ Kristy fa ny fikatsahana Azy @ fomba rehetra mihitsy...mahatonga ahy mianatra izany lalandava sy mizara ny efa hitako ho an'ny hafa
Saingy alohan'ny iresahana an'i prime, sy ny olona hafa ny tokony ataony dia ny tenanao aloha iheverana izany sy mandini-tena tsara... avereno aminao ny ambaranao ka rehefa mazava aminao ny ambaranao dia ampianaro amin'izay ny hafa... :lol:
96. coopsal
(
13/01/2009 13:10)
Fody:
Ka raha lazainao fa tsy mitovy ny Fanahy mampiteny antsika, iza izany no mampiteny anao, ary zovy kosa no mampiteny ahy ?
==> Rehefa mankao amin\'ny mangingina (fonao) ianao ka arindrinao ny varavarana, dia ny RAY ao amin\'ny mangingina no hamaly anao ary ho fantatrao izy.
Hoy Md. Paoly : \"Raha misy tsy manana ny fanahin\'i KRISTY dia tsy Azy izy\".
Fody:
Ny + (plus) raha ny fanazavao andrematoa dia hoe: tsara, ary ny - (moins) kosa dia ratsy. Nolazainao fa ny Fanahy no + , ary ny nofo dia - (moins).
Iza no nanao ny Nofo, moa tsy Andriamanitra ? Ka lazao raha tsara na ratsy?
I Kristy koa tonga NOFO ka tsara izany sa ratsy ? VALIO AZAFADY!
==> Ny nofo (chair = corps animal hoy Md. Paoly izay) dia namboarin\' Andriamanitra, ary tsy namorona zavatra ratsy Andriamanitra, satria araka ny teny nambaranao ihany dia tsy zavatra noforonina ny ratsy fa tsifisian\'ny tsara.
Noforonin\' Andriamanitra ny nofo, fa \"ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, ary fandrafiana an\' Andriamanitra\".
Averiko indray (mba tsy hampiteneninareo izay tsy nolazaiko aho), tsy ny fanampiana ara-nofo no ratsy, fa ny fihevitry ny nofo. Ny fiheverana ho an\'ny nofo izay hafatra ho an\'ny fanahy dia tahaka ny mampiditra pile ao anaty lampe de poche, ary ny + no atao @ - fa ny - no mipetaka @ plus.
Tahaka izao ny masoandro izay zava-boaharin\' Andriamanitra tsara ary nataony hahasoa, fa rehefa nivavaka tamin\'ny masoandro ny olona dia ratsy izay!
Fody:
Dia tena ny Nofo ve izany no mihevitra sy mandinika ?
==> Ny saina sy ny fo no mandinika. Fa izay natokana ho an\'ny fanahy raha raisina amin\'ny nofo dia zava-doza izay.
Ohatra, Rehefa miteny Kristy hoe \"raha ny masonao havanana no mitondra anao ho an\'ny helo dia esory hiala aminao izany, fa tsara kokoa ho anao no miditra toka-maso any @ fiainana noho ny complet ny tenanao nefa any @ helo\". Tsy misy ambadika ny tenin\'i KRISTY fa tena mazava, saingy raha heverina amin\'ny nofo io dia zava-doza.
Ary tsy io ihany, fa KRISTY efa nambara fa tsy manambara ny zavatra ety ambany (zavatra ara-nofo) fa manambara ny zava-panahy IZY, eny fa na dia mampiasa ny zavatra ara-nofo mba hanoharana aza IZY.
Fody:
I Krristy Andrematoa dia tsy nanao tsinotsinona ny nofo mihitsy. Porofon\'izany ny fahatongavany ho nofo.
==> Mila karakaraina ny nofo satria io no fitafiana nomen\' Andriamanitra ny fanahin\'ny olona mandra-pahatanteraka ny fananganan\'anaka.
Iza no lehibe kokoa, Ny cadeau sa ny fonony?
Zava-poana raha atao goavana sady tsara endrika ery ny fonon\'ny fanomezana ataonao fa ny ao anaty zavatra kely sady ratsy no tsy mahasoa.
Fody:
Dia anjaranao tokoa no mijery na momba an\'i Kristy ianao na tsia. Jereo ireto ohatra vitsivitsy ireto:
1 - Hoy ianao: \" Ny tenin\'Andriamanitra nitafy nofo\"
Ny Evanjely anefa milaza fa: \"Ny Teny (tenin\'Andriamanitra) dia tonga nofo\".
2 - Ianao nanao fanoharana hoe: i Jesoa nitafy hoditr\'ondry (sa volon\'ondry tsy tsaroako tsara) mba hanavotra ny ondry very...
I Jesoa anefa nilaza fa: \"Izy no Mpiandry ondry tsara\"
I Joany indray nanondro azy hoe: \"Zanak\'ondrin\'Andriamanitra\"
Ny nolazain\'i Jeoa fa nitafy hodin-janak\'ondry dia ny ambodia.
==> Miady hevitra ny amin\'ny teny ianao! Tsy teny gasy ny tenin\' Andriamanitra ary tsy teny Hebreo sy Grika, fa ny tenin\'i KRISTY dia Fanahy sy Fiainana. IZY no tenin\' Andriamanitra izay iveloman\'ny olona. IZY no tenin\' Andriamanitra tsy niverina raha tsy efa nahavita izay nanirahana Azy.
Ka ho anao aza, Mpiandry ondry KRISTY sa Zanak\'ondry no tena marina?
Ao @ Joany 10 dia mbola ampiany koa hoe \"izaho no vavahady\". Moa ve vavahady Izy? Tsy niteny KRISTY fa izay mitafy hodi-janakondry rehetra dia ambodia. Fa milaza IZY ny amin\'ny mpaminany sandoka izay \"ho avy aminareo\" tahaka ny amboadia mitafy hodi-janakondry. Moa ve raha toa ka mitafy hodi-janakondry ny amboadia dia lasa hitafy zavatra hafa ny tena ondry. Ny fisian\'ny vola sandoka tsy mampiova velively ny lanjan\'ny vola tena izy.
Ny amin\'itsy 1) itsy, ary efa novakianao ve ilay manambara hoe \"fa nofo no namboarinao ho ahy\" ? (ao @ Salamo ary miverina any amin\'ny epistily). Tsy niteny izy hoe \"nataonao tonga nofo aho\", fa \"nofo no namboarinao ho ahy\". Tsy milaza aho fa diso ny nambaran\'i Jaona, fa ny teny dia Fanahy, ny \"mots\" kosa dia ampiasaina hampitana amin\'ny olona ara-nofo ny teny.
Fody:
3 - I Jesoa nilaza hoe: izao sy izao aho (fahazavana, sns...) dia nolazainao fa tsy ireo.... Jereo fa misy remarque napetrako momba an\'io any ho any....
==> Izaho manaiky izay ambaran\'ny baiboly, satria izy manambara an\'i KRISTY, ary tsy noho ny fandalinana na fianarana teolojika, fa noho ny porofo ananako fa velona KRISTY, ary izay rehetra lazaiNY dia hitako ao amin\'ny Soratra Masina koa.
Tsy manohitra izay ambaran\'i KRISTY mihitsy aho! Raha misy ny tsy azoko dia IZY no anontaniako. Fa laviko kosa raha heverina araka ny nofo ny tenin\'i KRISTY. IZY dia avy any ambony ary milaza zavatra avy any ambony. Hanome ohatra aho : raha miteny KRISTY hoe \"izaho no fahazavan\'izao tontolo izao\", dia labozia no arehitra ve ?! fahazavan\'ny fanahy no teneniny ka tsy ny fahazavan\'ny nofo no hahatonga ny fanahy hazava.
Miteny IZY fa izay itoeraNY no tranon\' Andriamanitra sady vavahadin\'ny Lanitra \'mbola ho hitanareo ny Anjelin\' Andriamanitra hiakatra sy midina eo @ Zanak\'olona\' hoy izy (allusion amin\'ilay raisin\'ny maro hoe : \"tsy inona ity fa tranon\' Andriamanitra sady vavahadin\'ny lanitra\"). Ary izany no andavako ny fanondroana ny trano nataon-tanan\'olombelona ho tempolin\' Andriamanitra.
Dia tahaka izany no ilazako fa matoa diso hevitra iretsy teo ankavia ka nanao hoe \"oviana ianao no hitanay tsy niakanjo ka notafianay ?\", dia satria diso fihainoana ny tenin\'ny TOMPO izy ireo, ny TOMPO nilaza zava-panahy fa izy ireo nihevitra araka ny nofo.
Fody:
4 - Ianao milaza fa mizara roa ny lanitra: itoeran\'ny mazava sy maizina. Ary io lanitra io dia ny fontsika koa... Izany hoe afa-miaraka aminao ny mazava sy maizina.
I Kristy anefa nanamafy fa tsy afaka miaraka ireo. I Md Joany koa nilaza fa tsy afaka miaraka ireo....
==> Izaho miombona amin\'ny Olona Masina.
Ny Lanitra dia toerana misy ny fanahy, eto an-tany dia ny fo, aorian\'ny fahafatesana dia ny fiainan-tsy hita, ary ho amin\'ny mandrakizay dia ilay antsoin\'ny Md. PAoly hoe \"lanitra fahatelo\".
Fody:
Fehiny: Manohitra izay voalazan\'i Kristy ianao Andrematoa, satria manao fampianaran-diso.
==> Ankehitriny ianao dia milaza fa fampianaran-diso ny ahy, ary tsy ianao irery fa be dia be ianareo no milaza izany (na dia tsy miteny mivantana aza ny hafa).
KRISTY niteny hoe : \"Midira amin\'ny vavahady ety ianareo fa any ny fiainana ary vitsy no mahita azy. Fa malalaka ny lalana mankany amin\'ny fahaverezana, ka maro no mandeha any\"
Fody:
Mbola mila fantarinao misimisy kokoa marina izay naniraka anao.... Ary aza maika ny hilaza hoe ho very izahay raha tsy mino izay naniraka anao satria mbola mampametraka fanontaniana izany mpaniraka anao izany.
==> Hoy KRISTY hoe : \"tsy misy songosongo hamoa voaloboka.\" Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy ary tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara. Ny voany no hahafantaranareo azy.
\"Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny fanahy dia fanahy\"
Fody:
[quote=coopsal]fa KRISTY no mampiteny ahy ny fijeriny, izay tsy an\'ilay nofo teraka tao Betlehema, fa an\' Andriamanitra RAINY.
Ilay Teny tonga Nofo, nateraka tao Jerosalema ve dia hafa fa tsy KRISTY???
MBA VALIO AZAFADY INDRINDRA !!!!
==> Tsy mahafantatra Teny tonga Nofo afa-tsy iray aho, dia KRISTY, eny fa na dia ny teny aza no nanamboarana izao rehetra izao!
Maninona ary KRISTY no niteny hoe : \"Izay lazaiko aminareo dia tsy teniko fa ny RAY izay ato anatiko no manao ny asany\" [Joany 14] ? Moa tsy IZY ilay teraka tao Betlehema?
Fody:
Tsy mahazo manohitra ny fahamarinana ianao nefa izay voalaza ao amin\'ny Baiboly dia toherinao na ovainao tsotra izao fotsiny!!! Aza miteniteny foana e!
==> Raha tsy diso aho, izaho no tsy manova eto. Izaho no tsy mi interpréter, izaho no mino ara-bakiteny.
Fody:
Izaho tsy hitsara anao, fa ny azoko atao dia ny mivavaka ho anao mba hahaizanao mihaino ny Feon\'Andriamanitra... Mba hahaizanao manavaka ihany koa izay avy amin\'ny fanahy sandoka, sy izay avy amin\'ny Fanahin\' Andriamanitra.
==> \"Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin\'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason\'ny rahalahinao.\" [Matio 7]
Fody:
Ka moa ve i Kristy nampiady mason-daomy ohatra an\'io nataonao io?
Ohatra fotsiny:
Hoy i Kristy \"Izaho no mofon\'ny fiainana....\"
Dia hoy ianao avy eo anefa manohitra an\'izany (na tsy te hanaiky an\'izany): \" Ny fanahy no mahavelona; ny mofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana\"... Ary sahinao nilaza avy eo fa tsy misy dikany ilay mofo fa ny teny no tena izy....
==> Indro averiko eto ny voasoratra ato \"Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr\'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana.\" Nahoana ary no lazainao fa izaho no manohitra ka namorona io! I Jesoa no niteny an\'io teny io, tao anatin\'ny dinika iray, voasoratra ao amin\'ny toko iray, ary fotoana akaiky kely.
Fody:
Ny Teny voalaza ao amin\'ny Baiboly, tsy voasamasamaka, sy tsy voazarazara, ary tsy voatapatapaka no inoako... Izay no tsy anekeko izay voalazanao.
==> Avereno eto na omeo aza ny andinin-tSM tsy voasamatsamaka milaza hoe \"ny nofoko no fihinana ary ny nofo tonga mofo\" (ohatra).
Fody:
Manaraka an\'izay dia tiako koa ny milaza fa: KRISTIANA AHO, i Kristy no fototry ny finoako fa tsy boky (Baiboly).
==> \"Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.\"
Fody:
Hafatra kely: Mandiniha raha azo atao alohan\'ny hilazana zavatra....
==> Zavatra iray ny fandinihina, tiako kokoa ny mivavaka. Mba ho \"ny Ray ao amin\'ny mangingina\" no hamaly fa tsy izaho.
97. coopsal
(
13/01/2009 13:17)
Fody:
Nalaiko manokana eto ity mba ampisehoana aminao fa tena diso FIJERY IANAO, NA MIJERY IHANY FA TSY MAHITA.
Hoy i Jesoa: Matio 25, 34 - 46 : http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=25&andininy=31-46&dika=
ATAOKO FA MISY AN'IO AO ANATY BAIBOLINAO AN!!!
==> Fa iza amin'ireny no laviko?
Fody:
Ny olona manao soa araka ny sitrapony, KRISTY manao soa araka ny sitrapon' Andriamanitra sy amin'ny fotoanan' Andriamanitra. Nefa ireo dia samy toa manao asa soa ihany.
KA MAHALALA IZAY AO AM-PON'NY OLONA VE IANAO ???? LAZAO !!!
==> Izaho tsy mahalala izay ao am-pon'ny olona. Fa Andriamanitra no mahalala, araka ity ambaran'ny Md. Paoly ity "Manaraka izany, ny Fanahy koa no ... ; ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin'ny Fanahy, sy ny fifonany araka an'Andriamanitra ho an'ny olo-masina." [Romana 8]
Fody:
IZAY MANAO ASA SOA REHETRA VE DIA ARAKA NY SITRAPONY DAHOLO FA TSY ARAKA NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA ????
Mba valio azafady e
==> "Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy;". Izay ao amin'ny Fanahy (ary ny Fanahy koa ao aminy) dia araka ny sitrapon' Andriamanitra.
Fody:
Raha mamaky baiboly aho dia tsy nahita velively an'i KRISTY nitady mahantra homena sakafo na nitady marary hositranina!
Ka ianao anie tsy Kristy e! Sa moa ianao kristy???
Ary Kristy mihitsy koa no niteny hoe:
"Tonga aho hitady ny very..."
"Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary...."[/quote]
==> Ny very araka ny nofo ve? Ny tsy salama ara-panahy tsy mila mpanao fanafody araka ny nofo.
Fody:
Tany am-ponja aho novanginareo hoy i Kristy,... Raha mamangy olona ve miandry an'ilay olona hanatona ny tena sa mitady an'ilay olona any amin'ny misy azy ???? oups hoy nyrina zay
VALIO AZAFADY E!
==> "Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory hianareo na oviana na oviana; mialà amiko hianareo mpanao ratsy.". Moa ve tsy misy mpanao ratsy hamangy? Tsy milaza aho fa izay mpamangy rehetra dia mpanao ratsy, fa ny mpanao ratsy koa mba mety hamangy, ka inona aza no hanavahana ny mpanao ratsy manao fiantrana sy famangiana sns @ olona nanao araka ny sitrapon' Andriamanitra ?
Ary inona no ilaina mba tsy ho tonga mpanao ratsy intsony ny olona?
98. coopsal
(
13/01/2009 13:26)
prime:
Aza mifamaly re na mampiakam-peo raha azo atao fa samy zanak'Andriamanitra... tsy mety ny miady eo imason'ny olona...
==> "satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra;."
prime:[Romana 8:]
Raha sitrakareo dia aoka samy hihazona ny faharesen-dahatrany avy dia aleo samy mitodika amin'ny Tompo mitondra izay mampavesatra azy avy satria lasa hifanamarin-tena eto...
==> "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra." [Matio 7:]
99. ikaretsaka
(
14/01/2009 03:02)
Manatanteraka ny sitrapon ny Ray ve ny manasamaka sy mampiady Maso ireo teny ao @ soratra masina dia manodina izany mba hanomezanao info diso olona...
Ka lasa hoe "izay nataonareo t@ majinika" lasa hoa aza manao Ninoninona @ majinoka ohatra
jereo ny titren ity sujet ty sy ny tena voalaza tsy novaina ao @ Md Matio 25 io ohatra
Ary mba valio manontolo ny fanontanian'i fody azafady fa aza hitadiavana fika ho samahana sy ovaina indray
Ka lasa hoe "izay nataonareo t@ majinika" lasa hoa aza manao Ninoninona @ majinoka ohatra
jereo ny titren ity sujet ty sy ny tena voalaza tsy novaina ao @ Md Matio 25 io ohatra
Ary mba valio manontolo ny fanontanian'i fody azafady fa aza hitadiavana fika ho samahana sy ovaina indray
100. ikaretsaka
(
14/01/2009 03:17)
zahako:
@ fomba ahoana loatra no hinoan ny olona mitanjaka ara batana anao raha miteny azy ianao hoe hanafy azy ara panahy ianao?
Ary izay zany no hitako ho tsy mampipasy ilay resaka
Hoy I Jesoa hoe raha noana , nitanjaka.nangetaheta AHO..... de hozy I coopsal hoe resaka spiritual io
Ilay AHO eto dia I jesoa: jesoa ve atao hoe tonga lafatra spirituellement dia hangataka fanampiana spirituellement avy aminao?
--->tsy mitombona
De everiko ihany.... aza ovaina ny soratra masina
