Izay tsy nataonareo tamin'ireny madinika ireny ...
61. Fody
(
07/01/2009 10:43)
coopsal:
Naka ohatra tamin'ny électricité aho, ny fiche (na prise no mahazatra antsika) mâle dia misy vy (na varahina) lavalava anankiroa au moins, ireo no (+) sy (-), ireo miaraka no mitsofoka mba hahazoan'ny fitaovana iray (ohatra hoe radio, télé, mixeur, ...) herinaratra. Kanefa raha ampifandraisinao ireo dia miteraka ny antsoina hoe court-circuit, fipoahana ary maty ny fitaovanao.
Tahaka izany hoy aho ny nofo sy ny fanahy, misy fanoharana azy lalindalina kokoa mazava kokoa. Fa tiako ambara fotsiny hoe tsy azo ampifandraisina ireo fa en parallèle! Misy dikany kosa ilay hoe ny fanahy no + fa ny nofo no -.
Ny Nofo sy ny Fanahy dia natao hiara-dalana, fa tsy adaladala akory Andriamanitra nahary ny olona ho VATANA AMAM-PANAHY raha zavatra tsy afaka miaraka ireo.
Ny herin'aratra no mirefotra raha mifangaro ny + sy ny -, fa ho an'ny olombelona kosa dia tsy afaka misaraka amin'ny Fanahy ny vatana (raha te ho velona), ary ny Fanahy koa dia tsy afaka mamela ny vatana raha te hivelatra sy hitombo.
Aza adino fa ny Fanahy no fanilon'ny tena (vatana).
Ary ny finoana tsy misy asa (ataon'ny vatana) dia finoana maty (tsy misy dikany fa paokaty)...
Manaraka an'izay ny fanasokajianao hoe: Ny fanahy +(plus), ary ny Nofo - (moins) dia mifono hevitra hoe: ny fanahy ihany no tsara fa ny nofo ratsy.
Misy zavatra ratsy ve anefa izay noharian'Andriamanitra? (Mba valio)
I Kristy tonga Nofo koa ve izany ratsy? (Mba valio)
coopsal:
Izaho mino ny tenin'i Kristy, fa rehefa interpréten'ny olona ilay izy dia tsy tenin'i Kristy intsony.
Raha izany no fomba fijerinao dia hoy aho hoe: ahoana ianao no mitory teny?
Ary mbola ampiko hoe: Lazao eto àry izay tena tenin'i Kristy marina satria ny Baiboly dia efa interpretation koa, fa tsy tenin'i Kristy mivantana akory. Porofon'izany: Tsy i Kristy no nanoratra azy mivantana, ary ireo olona nanoratra azy dia tsy nanoratra azy tamin'ny fotoana niarahany tamin'i Kristy fa efa taty aorina....
coopsal:
Fa eto izany raisinareo ara-bakiteny ilay hoe "vatako ity" ? Rehefa inona no mijery contexte ary rehefa inona no ara-bakiteny?
Manana Fanahy afahana mandinika ianao ka afaka mamly an'io fanontaniana io soa aman-tsara.
Izao anefa no tadidio, "tsy ny olona rehetra, hoy i Jesoa, no mahazo izany teny izany..." Io dia manamafy fa ilaina ny interpretation, mba hahazoan'ny olona ny Tenin'Andriamanitra. Mila ny fiaraha-miasa amintsika olombelona izy, izay no nifidianany apostoly sy mpianatra hanohy ny asany eto an-tany....
coopsal:
FA ndeha raisintsika arak'izay : maninona aza i Kristy mbola ao amin'ilay nofoNy hohombohona dans klks heures no miteny hoe "ity no vatako ... ity no rako". Divay anefa no nosotrin'izy ireo fa tsy rà ary mofo fa tsy nofon'olombelona.
Tsy talohan'ny nahafatesany ihany izy no nanao an'io fa mbola naveriny tao aorinan'ny fitsanganany tamin'ny maty koa. Vakio ny Evanjely.
Ary mbola notohiziny tato afara, tamin'ny alalan'ireo apostoly sy ny mpianany (vakio ny asan'ny apostoly sy ny taratasy apostolika ary ny taratasin'i Paoly, sy ny tantaran'ireo kristiana voalohany). Ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany.
coopsal:
FA na izany na tsy izany, raha iny no vatan'i Kristy sy ràny, dia efa nosotroin'izy rehetra tamin'iny fotoana iny ka lany izany, ny fifandraisan'ilay tena vatan'i Kristy sy ny rany, ny mofo sy divay niarahan'izy ireo nankalaza ny Paska Jiosy io, ary ilay mofo sy divay izay hanina any am-piangonana mihitsy no tsy hitako! Sady tsy biblique rahateo, à moins que tsy resaka mofo le izy fa ilay mofo sy divay dia mi-symboliser fotsiny ny zavatra spirituel!
Raha lazainao fa tsy biblique ilay izy dia mampisalasala ahy ihany satria fantatrao fa "dogma" io. ka raha "dogma" dia avy aiza no niaviany???
Fa manampy an'izay dia izao: Ivereno vakina ny baibolinao ao amin'ilay nizaran'i Jesoa ny mofo sy ny divay ary nilazany fa vatany sy ràny izany ( Jereo ny Evanjely, oh: Lc 22, 17 - 20 ). Rehefa izay dia ivereno vakiana koa izay voalazan'i Md Paoly rehetra mikasika an'io. Izay voalazan'i Lioka any amin'ny asan'ny apostoly koa jereo. Ary aza vakiana fotsiny fa diniho koa. Ivereno vakina (na mba vakio) ny tantaran'ireo kristiana voalohany.
Avy eo dia valio ity fanontaniana ity: "Ataon'i Jesoa ahoana no fanome ny tenany sy ny Ràny ho haninin'ny olona sy hosotroiny ???? "
rehefa vitanao izay dia miverena eto miteny amiko, raha mbola sahy, hoe: tsy biblique io zavatra io, na koa hoe: mamery ny kristiana io fa tsy mahavonjy azy, na koa hoe: fitaka io.
Raha ohatra ka tsy mbola voavakinao ireo tenim-bavolombelona ireo sy ireo tenin'Andriamanitra ireo, dia aza mamaly ahy akory satria sao hanimba anao ny teny hafahafa ataonao noho ny tsy fahalalanao.
Misaotra.
62. coopsal
(
07/01/2009 11:08)
Fody:
Avy eo dia valio ity fanontaniana ity: "Ataon'i Jesoa ahoana no fanome ny tenany sy ny Ràny ho haninin'ny olona sy hosotroiny ???? "
==>"Dia hoy Jeso taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay."http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/6:35-37
Amin'ny foko mandray mahitsy dia izao no déduction-ko amin'io tenin'i Kristy io :
- Mihinana ny nofoNy =-> voky (tsy noana) tsy mangetaheta intsony
63. coopsal
(
07/01/2009 11:43)
ari.malala:
Sahy miteny v i coopsal fa avy any andanitra?
==> Kristy no avy any an-danitra. Raha avy tany an-danitra aho dia tsy ho afaka akory nitory ny filazantsara! Tsy misy izay avy any an-danitra afaka hanao an\'izany, fa ny mpanota voavonjy ihany no afaka mijoro ho vavolombelon\'ny famonjena amin\'ny olona.
ari.malala:
sa sahy miteny i coopsal fa enao irery no mahalala ny tenin\'Andriamanitra na ny tenin\'i Kristy?
==>
\"Ary tamin\'ny voalohany ny teny, ary ny teny dia tao amin\' Andriamanitra, ary ny teny dia Andriamanitra\" [Jaona 1:1]
\"Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian\'ny Zanaka hanehoana Azy.\" [Lioka 10:22 ]
--> Kristy no mahalala an\' Andriamanitra (sy ny teniNy), sy izay ampahafantarin\'i Kristy Zanaka an\'izany.
ari.malala:
hafahafa ihany ilay fomba famaly resaka! ohatry ny miteny ianao hoe ianao irery no ho tafiditra any andanitra amin\'izato fiteninao!
==>
\"Tsy izay manao tompoko tompoko no hiditra ny fanjakàn\' Andriamanitra, fa izay manao ny sitrapon\'ny Raiko izay any an-danitra\" [Matio 7:21]
\"Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon\'izay naniraka Ahy.
Ary izao no sitrapon\'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin\'ny andro farany izy\"[Jaona 6:38-39]
--> Ny sitrapon\'ny Ray dia io, ary i Kristy irery no manao izany, fa raha nisy olombelona nahavita izany dia tsy ho nidina taty Kristy. Donc, i Kristy ihany no tafiditra ny fanjakàn\'ny lanitra.
Noho izany, Kristy no zava-drehetra. Fa raha mba te ho zavatra aho dia tsy misy fomba tokana ataoko afa-tsy ny miray amin\'ilay tena Izy : Kristy.
\"Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, fa rehefa tonga ny tanteraka dia ho foana ny sombintsombiny\". [I Korintiana 13:9,10]
Ka raha ao amiNy aho dia tanteraka, tsy noho izaho fa noho Izy tanteraka, tsy noho ny fitiavako fa noho ny fitiavaNy, tsy noho ny asako fa noho ny fahasoavan\' Andriamanitra.
ari.malala:
Ilay resaka fiantrana, tsy azoko inona ny olanao @ olona manao asa fiantrana
==>
\"Na dia zaraiko ho an\'ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin\'ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.\"
--> Ny fahazoako izany dia samy hafa mihitsy ny fizarana amin\'ny mahantra sy ny atao hoe \"fitiavana\".
ari.malala:
fa na i Kristy aza anie ka \"antra ireo vahoaka be nanaraka azy toy ny ondry tsy misy mpiahy\" e! ko ravin\'aviavy maninona?
==> Ataoko fa tsy ondry ireo vahoaka ireo fa olona, ary olona nahaleo tena fa tsy tsy nisy mpiahy (raha raisina amin\'ny lafiny ara-nofo). Noho izany tsy mitombina io filazana io raha jerena @ lafiny ara-nofo. Raha ny fahasitranana ara-nofo rahateo dia zavatra efa nataon\'ny mpanminany fahiny fa tsy vaovao velively! Azon\' Andriamanitra tanterahina izany fa tsy mila nidinaNy tety an-tany.
Tahaka ny ondry tsy misy mpiahy :
Nisy lehilahy iray mpnan-karena, nanana ondry be dia be izy, tsy izy tenany no niandry ireo ondry ireo fa nanana mpiasa izy nokaramainy hiandry ny ondry ary manome sakafo ireo ondry isanandro ary mampody azy.
Indray hariva rehefa nody dia niverina tamin-kovitra ireo mpiasa niteny hoe \"very ireo ondry fa lasa nirifatra tany anaty ala tany nefa ny andro hariva, izahay tsy sahy miditra any fa sao lanin\'ny amboadia\".
Tian\'ilay mpanan-karena ireo ondriny. Tsy nisy nety handeha hiverina hitady anefa ireo mpiasa, koa izy tenany no nandeha. etsy an-danin\'izay, fantany fa tsy hahafantatra azy velively ireo ondry ireo satria tsy mbola nahita azy, koa nitady hevitra izy : \"ndeha hitafy hodi-janakondry aho ary handeha handady toy ny ondry sy hanao feon\'ondry, amin\'izay tsy hatathotra izy ireo mahita ahy fa hanatona ary hanaraka ahy\". Notanterahin\'ilay tompo be fitiavana izany ary hitany ireo ondry, nanaraka azy asatria nihevitra fa ondry namany, ka dia tonga tany am-bala. Izay tsy nanaraka dia very.
Tahaka izany Andriamanitra, tia ny olombelona (izay very) Izy ka nidina tety nitafy (nofo) toy ny olombelona, niteny tamin\' ny fitenin\' olombelona, nihinana toy ny olombelona mba hitondra ireo very ireo any amin\'ny paradisa. I Kristy izany.
ari.malala:
ko ravin\'aviavy maninona?
==> Rehefa nahatsapa tena fa nitanjaka izy roa dia nanjaitra ravin\' aviavy mba hanafenany ny henatra. Insuffisant hanakonana henatra ny ravin\'aviavy, ka nomen\' Andriamanitra fitafiam-biby (vêtements d\'animaux) provisoire izy ireo rehefa noroahiny niala tao amin\'ny paradisa (Edena) mandra-pahatongan\'ny fitafiana tena izy : Kristy.
Mihevitra ny olona maro fa rehefa manao asa soa dia ampy hanaronana ny zava-mahamenatra (= toetra ratsy sy fisainan-dratsy ary fomba ratsy mahamenatra), KRISTY ihany no fitafiana. Izay no ilazako hoe \"ravin\'aviavy\" ireny fanaovana asa soa ireny.
64. Fody
(
07/01/2009 12:05)
coopsal:
==>"Dia hoy Jeso taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino ahy tsy hangetaheta mandrakizay."http://baiboly.katolika.org/boky/Joany/6:35-37
Amin'ny foko mandray mahitsy dia izao no déduction-ko amin'io tenin'i Kristy io :
- Mihinana ny nofoNy =-> voky (tsy noana) tsy mangetaheta intsony "Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana"
- Tsy izaho no niteny an'io fa IZY tonga nofo ary niteny hoe "ny nofoko no fihinana ary ny ràko no fisotro".
- Tsy ny baiboliko no nangalako an'io fa baiboly Katolika.
Ny fanontaniana napetraka dia tsotra sy mazava be, ary mila valiny tsotra sy mazava koa. Nefa dia ahodikodinao ny valin-teny amin'ny fitsiponana andinin-tsoratra masina tsy mifanaraka amin'izay anontaniana akory. Ary zavatra tsy mifandray no ampifandraisinao amin'izay.
coopsal:
Na dia efa novakiako imbetsaka ihany aza ireo Soratra mikasika ny kaominio nanomboka hatrany @ TT ka hatramin'ny TV, dia tsy mampaninona ahy velively ny hamerina hamaky. Fa tsara kokoa raha misy fotoana ahafahantsika miaraka mamaky an'ilay izy dia miara-mahita.
Efa voalazako teo, ary mbola averiko ihany ny hoe: raha tsy voavakinao ireo zavatra rehetra nolazaiko ireo dia aza mamaly ahy akory satria sao manimba anao ny teniteny foana lazainao.
coopsal:
Izaho rahateo tsy afaka hiteniteny araka ny sitrapoko fa ny Azy izay naniraka ahy. Ny sitrapoNy dia ny sitrapon'izay naniraka Azy,
"Ary izao no sitra-pon'izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa ny mba hananganako azy amin'ny farandro.
Satria izao no sitra-pon'ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. "
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy Irak'i Kristy ve ny Apostoly ???
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy irak'i Kristy ve i Paoly???
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy irak'i Kristy ve ireo nandimby ny apostoly rehetra ????
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy irak'i Kristy ve ireo pretra ????
Raha eny no valiny, dia mazava fa ny sitrak'i Jesoa no nataony, sy ataony, ary mbola hataony.... Ka sahinao ve ny milaza fa manao zavatra MAMERY NY OLONA IZY IREO ???? MBA VALIO AZAFADY.
Efa voalazako teo, ary mbola averiko ihany anefa ny hoe: raha tsy voavakinao ireo zavatra rehetra nolazaiko ireo dia aza mamaly ahy akory satria sao manimba anao ny teniteny foana lazainao.
Am-pitiavana be. (l)
65. ari.malala
(
07/01/2009 13:25)
coopsal, ts ny fanaovanao tsimpona bêtement sy mamaly bontana toy io mintsy no ilazana fa manana ny marina enao!sady tena manao fausse interpretation mihintsy! fa ahoana kay no ilazanao fa ts fihinana ny nofon'i Kristy? fa tsy Izy tenany mintsy ve no niteny izany hoe "fa tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny rako" ary ny jody izay nihaino azy aza niala tsirairay satria nanao anakampo hoe ataon'ilay ity ahoana no fanome ny nofony ho fihinana? tsy haiko ny miady hevitra aminao ry coopsal fa tena à côté ny zavatra aontaniako mitnsy ny valinteny omenao! sahirana b za!
66. bor2lais
(
07/01/2009 13:44)
Saika tsy hiditra ihany fa tsy nety ilay tànana.
Ny eto @ forum angamba tsara raha mijanona ho fizarana na fanomezam-panazavana na fangataham-panazavana sns fa tsy fandresen-dahatra no ataontsika !
Aoka hambara ny tiana hambara dia anjaran\'ny tsi11 ny mandray na tsia.
\"Fivavahana sy finoana\" no lohahevitra eto ary ny mpandray anjara rehetra dia efa samy manana ny maha resy lahatra azy avy (ary efa maro ny namana no nilaza momba io). Tsy anjarantsika intsony akory ny andeha hanova izany amin\'ny alàlan\'ny fandresen-dahatra (tsy antsika izany indrindra).
Ohatra. Efa samy manana ny fombam-pivavahany ny tsi11 ary samy resy lahatra fa izay no maha voavonjy azy.
Raha misy manitikitika anao ny fombany dia manontania am-pitiavana (na am-panajana) hoe \"fa maninona kay ny anareo no ... ?\" na hoe \"inona kay no antony ilay anaovanareo toy izao ... ?\"
Mahafa-po anao moa ny valinteny tsara, tsy mahafa-po kosa dia mba am-pitiavana koa ny anehoana izany !
Tsarovy fa samy manana ny fomba fiasany amin\'ny tsi11 ny Fanahy Masina (tsy voatery hitovy avokoa) !
Ny tiako lazaina dia fandrika ny \"orgueil spirituel\" ka tokony samy hitandrina isika ! Fianarana mandrakariva ny fiainana ary fahotana voalohany ny te-hitovy amin\'Andriamanitra.
Mety mba hampandroso sy hahasoa kokoa antsika rehetra angamba ny dinika amin\'izay !
Hevitra atsipy ihany ny ahy iny (aoka hiverina aty amiko raha tsy mety ...)
Ary am-pitiavana lehibe (araka ny lazain\'i Fody) !

67. Fody
(
07/01/2009 13:52)
coopsal:
==> Kristy no avy any an-danitra. Raha avy tany an-danitra aho dia tsy ho afaka akory nitory ny filazantsara! Tsy misy izay avy any an-danitra afaka hanao an'izany, fa ny mpanota voavonjy ihany no afaka mijoro ho vavolombelon'ny famonjena amin'ny olona.
Fa i Kristy avy aiza ???
Inona no notoriany teto an-tany, moa ve tsy Evanjely (filazan-tsara, vaovao mahafaly....) ????
I Kristy ve tsy afaka nitory ny famonjena sa nitory ny famonjena mihitsy ????
MBA VALIO AZAFADY.
coopsal:
--> Kristy no mahalala an' Andriamanitra (sy ny teniNy), sy izay ampahafantarin'i Kristy Zanaka an'izany.
Ka ianao irery ve no nampahalalany an'izany ????
Ary mahatoky ve ianao fa tena mahalala ???
MBA VALIO AZAFADY
coopsal:
--> Ny sitrapon'ny Ray dia io, ary i Kristy irery no manao izany, fa raha nisy olombelona nahavita izany dia tsy ho nidina taty Kristy. Donc, i Kristy ihany no tafiditra ny fanjakàn'ny lanitra.
Noho izany, Kristy no zava-drehetra. Fa raha mba te ho zavatra aho dia tsy misy fomba tokana ataoko afa-tsy ny miray amin'ilay tena Izy : Kristy.
Raha te hiray amin'i Kristy ianao dia tsy misy fomba hafa akoatrany ny firaketam-po aminy. Ka moa mahatoky ve ianao fa tena miraiki-po aminy, nefa manao tsinotsinona ireo tsy mpino sy mpanota namoizany ny ainy ????
Moa mahatoky ve ianao fa miraiki-po aminy, nefa tsy izay lazainy no ambaranao fa izay tianao lazaina, ataonao fitaovana hanamelohana ny hafa sy iarovan-tena fotsiny ny teniny ???
coopsal:
"Na dia zaraiko ho an'ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin'ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany."
--> Ny fahazoako izany dia samy hafa mihitsy ny fizarana amin'ny mahantra sy ny atao hoe "fitiavana".
Ny asa fihantrana sy ny fitiavana dia samihafa tokoa. Saingy voalazan'i Md Paoly kosa fa na inona na inona atao, na hatramin'ny fanolorana ny aina aza, raha tsy atao am-pitiavana dia zava-poana izany.
I Md Paoly dia tsy manamaivana ny asa fihantrana na ovina na ovina, saingy manentana ny olona kosa izy hanao izany am-pitiavana.... Aoka hazava aminao fa toy ny Finoana ny Fitiavana, raha tsy aseho amin'ny asa atao dia maty, tsy misy dikany....
ari.malala:
fa na i Kristy aza anie ka "antra ireo vahoaka be nanaraka azy toy ny ondry tsy misy mpiahy" e! ko ravin'aviavy maninona?
Valin-tenin'i coopsal
==> Ataoko fa tsy ondry ireo vahoaka ireo fa olona, ary olona nahaleo tena fa tsy tsy nisy mpiahy (raha raisina amin'ny lafiny ara-nofo). Noho izany tsy mitombina io filazana io raha jerena @ lafiny ara-nofo. Raha ny fahasitranana ara-nofo rahateo dia zavatra efa nataon'ny mpanminany fahiny fa tsy vaovao velively! Azon' Andriamanitra tanterahina izany fa tsy mila nidinaNy tety an-tany.
Conseil d'ami omena am-pitiavana: Rehefa tsy misy alahatra ianao dia tsy voatery hamaly izay lazain'ny olona.
coopsal:
Tahaka ny ondry tsy misy mpiahy :
Nisy lehilahy iray mpnan-karena, nanana ondry be dia be izy, tsy izy tenany no niandry ireo ondry ireo fa nanana mpiasa izy nokaramainy hiandry ny ondry ary manome sakafo ireo ondry isanandro ary mampody azy.
Indray hariva rehefa nody dia niverina tamin-kovitra ireo mpiasa niteny hoe "very ireo ondry fa lasa nirifatra tany anaty ala tany nefa ny andro hariva, izahay tsy sahy miditra any fa sao lanin'ny amboadia".
Tian'ilay mpanan-karena ireo ondriny. Tsy nisy nety handeha hiverina hitady anefa ireo mpiasa, koa izy tenany no nandeha. etsy an-danin'izay, fantany fa tsy hahafantatra azy velively ireo ondry ireo satria tsy mbola nahita azy, koa nitady hevitra izy : "ndeha hitafy hodi-janakondry aho ary handeha handady toy ny ondry sy hanao feon'ondry, amin'izay tsy hatathotra izy ireo mahita ahy fa hanatona ary hanaraka ahy". Notanterahin'ilay tompo be fitiavana izany ary hitany ireo ondry, nanaraka azy asatria nihevitra fa ondry namany, ka dia tonga tany am-bala. Izay tsy nanaraka dia very.
Tahaka izany Andriamanitra, tia ny olombelona (izay very) Izy ka nidina tety nitafy (nofo) toy ny olombelona, niteny tamin' ny fitenin' olombelona, nihinana toy ny olombelona mba hitondra ireo very ireo any amin'ny paradisa. I Kristy izany.
Tsy tenin'i Kristy io lazainao io. Izany hoe mitory teny hafa noho izay nolazain'i Kristy ianao.
Ny tenin'i Kristy dia hoe: "IZAHO NO MPIANDRY ONDRY TSARA".
Ka ahoana ???? HAZAVAO AZAFADY.
ari.malala:
ko ravin'aviavy maninona?
Valin-tenin'i coopsal
==> Rehefa nahatsapa tena fa nitanjaka izy roa dia nanjaitra ravin' aviavy mba hanafenany ny henatra. Insuffisant hanakonana henatra ny ravin'aviavy, ka nomen' Andriamanitra fitafiam-biby (vêtements d'animaux) provisoire izy ireo rehefa noroahiny niala tao amin'ny paradisa (Edena) mandra-pahatongan'ny fitafiana tena izy : Kristy.
Mihevitra ny olona maro fa rehefa manao asa soa dia ampy hanaronana ny zava-mahamenatra (= toetra ratsy sy fisainan-dratsy ary fomba ratsy mahamenatra), KRISTY ihany no fitafiana. Izay no ilazako hoe "ravin'aviavy" ireny fanaovana asa soa ireny.
Ireo lona rehetra manao asa soa (asa fanasoavana ny hafa) ve dia manafina zava-mahamenatra daholo ???
Ka raha izany no izy, na dia ianao aza anie izany dia manafina zava-mahamenatra koa e !!! Sa tsy asa fanasoavana ny hafa ve ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra??? Sa moa ny anao tsy ny tenin'Andriamanitra no toriana amin'ny hafa fa ny teninao ???
ALOHAN'NY HITENENANA ZAVATRA IRAY RY NAMANA DIA MANDINIHA TSARA ALOHA.
Misaotra anao
69. ari.malala
(
08/01/2009 05:09)
bor2lais:
Saika tsy hiditra ihany fa tsy nety ilay tànana.
Ny eto @ forum angamba tsara raha mijanona ho fizarana na fanomezam-panazavana na fangataham-panazavana sns fa tsy fandresen-dahatra no ataontsika !
Aoka hambara ny tiana hambara dia anjaran\'ny tsi11 ny mandray na tsia.
\"Fivavahana sy finoana\" no lohahevitra eto ary ny mpandray anjara rehetra dia efa samy manana ny maha resy lahatra azy avy (ary efa maro ny namana no nilaza momba io). Tsy anjarantsika intsony akory ny andeha hanova izany amin\'ny alàlan\'ny fandresen-dahatra (tsy antsika izany indrindra).
Ohatra. Efa samy manana ny fombam-pivavahany ny tsi11 ary samy resy lahatra fa izay no maha voavonjy azy.
Raha misy manitikitika anao ny fombany dia manontania am-pitiavana (na am-panajana) hoe \"fa maninona kay ny anareo no ... ?\" na hoe \"inona kay no antony ilay anaovanareo toy izao ... ?\"
Mahafa-po anao moa ny valinteny tsara, tsy mahafa-po kosa dia mba am-pitiavana koa ny anehoana izany !
Tsarovy fa samy manana ny fomba fiasany amin\'ny tsi11 ny Fanahy Masina (tsy voatery hitovy avokoa) !
Ny tiako lazaina dia fandrika ny \"orgueil spirituel\" ka tokony samy hitandrina isika ! Fianarana mandrakariva ny fiainana ary fahotana voalohany ny te-hitovy amin\'Andriamanitra.
Mety mba hampandroso sy hahasoa kokoa antsika rehetra angamba ny dinika amin\'izay !
Hevitra atsipy ihany ny ahy iny (aoka hiverina aty amiko raha tsy mety ...)
Ary am-pitiavana lehibe (araka ny lazain\'i Fody) !
Iombonako hevitra 100% ary atolotra manokana hoan'i coopsal sy ireo miezaka handresy lahatra ny hafa sy manatsinontsinona izay tsy mitovy hevitra aminy :-P
70. Nandra1
(
08/01/2009 05:44)
Le izy raha manao tsinotsinona ny mahaolombelona, mbola azo efina ihany fa raha kosa maka ny placen'ilay zanak'Andriamanitra ary hitsara sy handahatra anao hoe za no iraka de enao tafiditra, enao tsy tafiditra (very) nefa samy mbola eto an-tany ihany !!!!!!!!!!
Amiko, individuel ny famonjena ary samy miezaka dhl ny ho tafiditra any fa Maro no antsoina fa vitsy no fidiana ka aleo samy mamaky tsara ny baiboly ary ny fampianarana ze tsara de raisina fa ze fampianaran-diso kosa de aoka ny tsirairay angamba no hahay hanavaka azy e!

71. fahamarinana
(
08/01/2009 05:55)
bor2lais:
Saika tsy hiditra ihany fa tsy nety ilay tànana.
Ny eto @ forum angamba tsara raha mijanona ho fizarana na fanomezam-panazavana na fangataham-panazavana sns fa tsy fandresen-dahatra no ataontsika !
Aoka hambara ny tiana hambara dia anjaran'ny tsi11 ny mandray na tsia.
"Fivavahana sy finoana" no lohahevitra eto ary ny mpandray anjara rehetra dia efa samy manana ny maha resy lahatra azy avy (ary efa maro ny namana no nilaza momba io). Tsy anjarantsika intsony akory ny andeha hanova izany amin'ny alàlan'ny fandresen-dahatra (tsy antsika izany indrindra).
Ohatra. Efa samy manana ny fombam-pivavahany ny tsi11 ary samy resy lahatra fa izay no maha voavonjy azy.
Raha misy manitikitika anao ny fombany dia manontania am-pitiavana (na am-panajana) hoe "fa maninona kay ny anareo no ... ?" na hoe "inona kay no antony ilay anaovanareo toy izao ... ?"
Mahafa-po anao moa ny valinteny tsara, tsy mahafa-po kosa dia mba am-pitiavana koa ny anehoana izany !
Tsarovy fa samy manana ny fomba fiasany amin'ny tsi11 ny Fanahy Masina (tsy voatery hitovy avokoa) !
Ny tiako lazaina dia fandrika ny "orgueil spirituel" ka tokony samy hitandrina isika ! Fianarana mandrakariva ny fiainana ary fahotana voalohany ny te-hitovy amin'Andriamanitra.
Mety mba hampandroso sy hahasoa kokoa antsika rehetra angamba ny dinika amin'izay !
Hevitra atsipy ihany ny ahy iny (aoka hiverina aty amiko raha tsy mety ...)
Ary am-pitiavana lehibe (araka ny lazain'i Fody) !
:arrow: iraisako hvtr tanteraka ihany koa dia aoka ranadahy tsy hiverina any ilay teny fa tena mety e,amiko aloha sy amin'ny ari.malala koa. :wink: :-* (l)
72. prime
(
08/01/2009 06:28)
Itoviako hevitra tanteraka i bor2lais... :)
Mila fanetren-tena ihany koa ny fanarahana dia ny Tompo... :)
Mahereza aby... :)
Mila fanetren-tena ihany koa ny fanarahana dia ny Tompo... :)
Mahereza aby... :)
73. coopsal
(
08/01/2009 15:48)
Fody:
Izy koa mbola niteny hoe: " TENA FIHINANA NY NOFO, ARY TENA FISOTRO NY RAKO ". Ahoana indray izany ??? hazavao!
==> Tsy mi-interpréter akory aho fa ny teniNy ihany ao anatin'io toko io no averiko, ary izany teniNy izany no manazava. Hoy IZY :
"Mahatafintohina anareo va izany? Mainka fa raha hahita ny ZAnak'Olona ... ?", avy eo nohazavainy ilay zavatra nanafintohina ny olona teo.
Fa ity ary fanontaniana ho an'i Fody spécialement : Rehefa namaly an'i Satana araka ny voasoratra KRISTY hoe "Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra mivoaka ny vavan' Andriamanitra".[Matio 4:4]. ahoana izany mihinana ny tenin' Andriamanitra?
Fody:
Ny fanontaniana napetraka dia tsotra sy mazava be, ary mila valiny tsotra sy mazava koa. Nefa dia ahodikodinao ny valin-teny amin'ny fitsiponana andinin-tsoratra masina tsy mifanaraka amin'izay anontaniana akory. Ary zavatra tsy mifandray no ampifandraisinao amin'izay.
==> Voasoratra fa imbetsaka i Kristy no nofandrihan'ny fahavalony. Fantany foana anefa izany ary dia hainy ny namaly an'ireo.
Indro averiko ny fanontanianao :
Misy zavatra ratsy ve anefa izay noharian'Andriamanitra? (Mba valio)
I Kristy tonga Nofo koa ve izany ratsy? (Mba valio)
Valio ity dia mba hovaliako ny anao :
Andriamanitra dia tsara ary tsy namorona zavatra ratsy, ary Izy irery ihany no mpamorona. Nahoana ary no nisy ny ratsy?
Fody:
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy Irak'i Kristy ve ny Apostoly ???
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy irak'i Kristy ve i Paoly???
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy irak'i Kristy ve ireo nandimby ny apostoly rehetra ????
Tsy voaantson'Andriamanitra ary tsy irak'i Kristy ve ireo pretra ????
==> Mba hanontany anao aho ka raha valinao ireto dia hovaliako ianao :
- Ahoana no inoanao fa tena nisy ny Apostoly ary irak'i Kristy?
- Iza no lazainao fa nandimby ny Apostoly ? Ahoana no mahatonga anao hino fa izy ireo tokoa no nandimby ny Apostoly ?
- Ahoana no hinoanao fa tena irak'i Kristy ny pretra tsirairay avy?
- Inona no porofo tadiavinao hinoanao fa i coopsal dia irak'i Kristy?
Ny Apostoly Paoly koa dia nisy olona voalaza fa Apostoly nanenjika azy, ary niteny izy hoe "izay porofo tadiavinareo dia ho azonareo fa tena KRISTY no naniraka ahy".
Aza mieritreritra fa miteny izany aho mba hinoanareo ahy! Tsy misy antony hinoana ahy raha izaho ihany! Fa miteny izany aho mba hamonjena anao indrindra, satria hitako fa olona mino ihany ianao saingy voafitaka.
Na iza na iza mino marina an'i Kristy dia afaka hahafantatra na miteniteny foana araka ny lazainareo aho, na i Kristy ato anatiko no miteny mba hamonjena anareo noho ny fitiavan' Andriamanitra.
74. ikaretsaka
(
08/01/2009 15:54)
Ny eto @ forum angamba tsara raha mijanona ho fizarana na fanomezam-panazavana na fangataham-panazavana sns fa tsy fandresen-dahatra no ataontsika !
izay mihitsy
saingy eo @ ilay hoe "resy lahatra" no tiako hotsipihina kely!
Rehefa manontany zavatra tsy hainao ianao ka mahakasika ny finoana iny, moa ve tsy misy resaka mitady ny te ho "resy lahatra sy hanafoana fisalasalana ao"?
ka izay hanafoana ilay fisalasalana izay sy hampazava izay mba hahatonga anao ho resy lahatra @ ilay valinteny omen'ny namana izay indrindra no antony hametrahana ilay fanontaniana?
ny tokony hatao angamba rehefa manontany dia tokony zavatra tsy hay @ ilay theme aloha no anontaniana dia manana fivelaran-tsaina handray sy handinika ny voalaza rehetra momban'iny
....moa raha te hizara dia mba tokony zavatra hay sy maitriser-na no zaraina! dia foanana tanteraka ao an-tsaina sahady ny fakana parti hialana @ ilay "orgieul spirituel"
75. coopsal
(
08/01/2009 16:03)
ari.malala:
coopsal, ts ny fanaovanao tsimpona bêtement sy mamaly bontana toy io mintsy no ilazana fa manana ny marina enao!sady tena manao fausse interpretation mihintsy! fa ahoana kay no ilazanao fa ts fihinana ny nofon'i Kristy? fa tsy Izy tenany mintsy ve no niteny izany hoe "fa tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny rako" ary ny jody izay nihaino azy aza niala tsirairay satria nanao anakampo hoe ataon'ilay ity ahoana no fanome ny nofony ho fihinana? tsy haiko ny miady hevitra aminao ry coopsal fa tena à côté ny zavatra aontaniako mitnsy ny valinteny omenao! sahirana b za!
==> Marina ilay tantaranao, tsy azon'izy ireo ny tian'i KRISTY nambara ka niabandonne izy ireo. Izaho tsy mi interpréter na inona na inona fa mandray fotsiny izay tenin'i Kristy, ary averiko eto, ary hitako izao fa ianao (sy ireo maro koa) mi-abandonne, asa, mety mba tsy zakanareo koa ilay tenin'i KRISTY!!! Nefa tsy izaho no ihemoranareo, satria tsy teniko no lazaiko fa KRISTY izay tompon'ny teny.
FA izao an, ry Piera koa mba tsy nahazaka, kanefa nino an'i KRISTY ho manana ny teny fiainana izy ireo ka dia tsy ni-abandonne. Eto dia ahitana izay tena mino an'i KRISTY marina.
NB : Mino tanteraka aho, fa ireo niabandonne tsy nanaraka an'i KRISTY ireo dia mbola nanohy ny fanompoana nahazatra azy ireo ihany, mbola namaky baiboly ihany, mbola nanohy nanao fanatitra sy nandalina Soratra Masina ihany tany amin'ny synagoga. Fa tsy nanaraka an'i KRISTY fotsiny.
Ary toy izany, mety mbola hamaky baiboly sy hiditra am-piangonana sy hihaino toriteny sy hanao ny fombafomba rehetra ihany ny mpanara-dia an'i KRISTY (kristiana) ankehitriny, saingy i KRISTY sy ny teniNy kosa laviny tanteraka.
Indrisy!! Ireo mpanara-dia nandà an'i KRISTY tamin'izany dia mbola nanana chance satria mbola nisy ny Fanahy Masina, fa ankehitriny dia tena efa ny Fanahy Masina no lavin'ny mpanara-dia maro ... moa hisy famelana ny helony intsony?
76. ikaretsaka
(
08/01/2009 16:06)
Misy tenin'i Md Augustin izay manao hoe....
"Raha izay metimety @ sainao sy ny azoazonao momban'ny Evanjely ihany no tsimponinao sy terenao hifandraika @ hevitrao,fa ireo izay manohitohina ny hevitrao na voalaza mivantana aza, dia na dinganinao na lavinao na odianao fanina tsotra izao... dia tsy ny Evanjely intsony no inoanao sy ataonao ambony fa ny tenanao

77. fahamarinana
(
08/01/2009 16:43)
:arrow: iraisako hvtr i ika eto...samia miambina daholo dia mahereza daholo e! (l)
78. Fody
(
08/01/2009 16:57)
coopsal:
==> Tsy mi-interpréter akory aho fa ny teniNy ihany ao anatin'io toko io no averiko, ary izany teniNy izany no manazava. Hoy IZY :
"Mahatafintohina anareo va izany? Mainka fa raha hahita ny ZAnak'Olona ... ?", avy eo nohazavainy ilay zavatra nanafintohina ny olona teo.
Sao dia tsy azonao aza ny dikany ny hoe: "MANAZAVA".
Raha niteny ve i Jesoa hoe: "Mahatafintohina anareo va izany? Mainka fa raha hahita ny ZAnak'Olona ..." moa nanazava izay voalazany teo aloha ve? NON ny valiny.
coopsal:
Fa ity ary fanontaniana ho an'i Fody spécialement : Rehefa namaly an'i Satana araka ny voasoratra KRISTY hoe "Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra mivoaka ny vavan' Andriamanitra".[Matio 4:4]. ahoana izany mihinana ny tenin' Andriamanitra?
Ny zavatra rehetra maha velona dia tsy voatery hoe hohanina akory. Ny rivotra mahavelona nefa tsy hohanina fa fohina sy avoaka, ny rano mahavelona nefa sotroina fa tsy hohanina.... Ny Tenin'Andriamanitra lazaina fa mahavelona dia RAISINA AO AM-PO ARY IAINANA.
COOPSAL:
==> Voasoratra fa imbetsaka i Kristy no nofandrihan'ny fahavalony. Fantany foana anefa izany ary dia hainy ny namaly an'ireo.
Ianao ve izany no Kristy ary izaho mametraka ny fanontaniana tsy hainao valiana (na tsy sahinao valina) dia fahavalonao ???
Raha lazainao fa misy fandrika ny fanontaniako dia lazao izay fandrika ao anatiny.
coopsal:
Andriamanitra dia tsara ary tsy namorona zavatra ratsy, ary Izy irery ihany no mpamorona. Nahoana ary no nisy ny ratsy?
Tsotra dia tsotra ny valiny: Ny ratsy dia tsy avy aiza akory fa avy amin'ny "privation du bien"...
fanontanian'i coopsal:
- Ahoana no inoanao fa tena nisy ny Apostoly ary irak'i Kristy?
Tsotra ny valiny: voalazan'ny Baiboly izany, ary mbola voalazan'ireo tahirin-tsoratra hafa koa.
- Iza no lazainao fa nandimby ny Apostoly ? Ahoana no mahatonga anao hino fa izy ireo tokoa no nandimby ny Apostoly ?
Ireo nandimby ny apostoly dia efa voalazan'ny baiboly (hitanao ao amin'ny asan'ny apostoly toko voalohany ny fomba nifidianana azy)
fa mbola voalaza any amin'ny taratasin'i Md Paoly koa fa Andriamanitra no Mifidy sy Manendry ny Apostoly (cf 1 Kor 12, 28 )
manampy an'ireo dia ireo tahirin-tsoratra rehetra navelan'ireo Kristiana voalohany.
coopsal:
- Ahoana no hinoanao fa tena irak'i Kristy ny pretra tsirairay avy?
Satria HITA MISEHO AMIN'NY ATAONY IZANY
coopsal:
- Inona no porofo tadiavinao hinoanao fa i coopsal dia irak'i Kristy?
Izaho tsy mino fa irak'i Kristy i coopsal satria sady tsy hitako amin'ny ataonao izany, no tsy hitako koa amin'izay lazainao.
coopsal:
Na iza na iza mino marina an'i Kristy dia afaka hahafantatra na miteniteny foana araka ny lazainareo aho, na i Kristy ato anatiko no miteny mba hamonjena anareo noho ny fitiavan' Andriamanitra.
Izaho mino an'i Kristy, ary tena mino azy... ary mahita koa fa tena miteniteny foana ianao.
Mahita sy mahatsapa aho fa ataonao FITAOVANA NY TENIN'ANDRIAMANITRA HANAMARINAN-TENA SY HIAROVAN-TENA...
Satria izao no antony: Alahatrao ohatra ny mampiady mason-daomy ny teniny, dia lazainao fa teniny io, nefa tsy azy intsony fa anao.
Am-pitiavana be.
79. Fody
(
08/01/2009 17:00)
Dia voavaly 100 isan-jato ny fanontanianao, ary dia miandry ny valin-teninao aza aho.
80. fahamarinana
(
08/01/2009 17:16)
:arrow: maka place fody sao reraka eo na lava be ilay izy an,efa alina ny andro! :) :wink: (l)