Eto @ serasera: ary raha aseho ny firenena?

1. hery ( 16/09/2008 11:13)
Hatramin'izao dia mbola mionona amin'izay apetraky ny namana tsirairay isika amin'ny toerana misy azy. Izay mameno ny mombamoba azy dia afaka mampiseho hoe aiza no toerana misy azy, dia izay ihany no niaretan'ny rehetra na marina na lainga.

Hatramin'izao dia ny admin ao @ namana (pratiquement olona 3) ihany no mahita hoe aiza marina ny tena toerana misy ny namana iray.

Ny eritreritra dia hoe hitarina io fa tsy ny admin fotsiny no mahita hoe aiza ilay olona. Tsy haseho ny ip fa ny toerana na firenena misy azy.

Inona ny lafy ratsiny sy lafy tsarany?

(... tsisy ok arany :-p)
répondu par ni81 le 20/10/2008 19:50
2. xxx ( 16/09/2008 11:25)
Fantatro avy hatrany fa hisy hitsikera indray aho izao fa bon..(tsy maninona):( .

Fa maninona ary no lazaina fa mpandainga avy hatrany izay tsy mampiseho ny momba azy rehetra eto? Tenenina fa manao an'izao tsy fanao rehetra izao.Mba fiarovana tena koa ange io e! amin'ny hetraketraka maro samihafa misy amin'ny internet. Eny fa na dia ny admin-ny serasera aza tsy afaka ny hi-gere-an'izany.

Hiatomboka amin'ny hoe fampisehona ny firenena izany dia hiafara amin'ny amin'ny tsy falehany.

Nefa moa anareo ny site ka dia ataovy izay tianareo atao.
3. ni81 ( 16/09/2008 11:34)
Hatramin'izao dia mbola mionona amin'izay apetraky ny namana tsirairay isika amin'ny toerana misy azy. Izay mameno ny mombamoba azy dia afaka mampiseho hoe aiza no toerana misy azy, dia izay ihany no niaretan'ny rehetra na marina na lainga.

Hatramin'izao dia ny admin ao @ namana (pratiquement olona 3) ihany no mahita hoe aiza marina ny tena toerana misy ny namana iray.

Ny eritreritra dia hoe hitarina io fa tsy ny admin fotsiny no mahita hoe aiza ilay olona. Tsy haseho ny ip fa ny toerana na firenena misy azy.

Inona ny lafy ratsiny sy lafy tsarany?

(... tsisy ok arany )
Fa inona no tena tanjona @ zay rehetra izay? Aleo izy samy mpinamana ihany no hifankafantatra izay toerana misy azy any. Araka ilay teniko tany ambadika tany hoe: tsy natao sesitany akory sanatria ka hatahotra ny ho fantatr'olona ka sao hisy hisambotra indray aty :) Mba hevitro iny.
4. ni81 ( 16/09/2008 11:43)
Fantatro avy hatrany fa hisy hitsikera indray aho izao fa bon..(tsy maninona) .

Fa maninona ary no lazaina fa mpandainga avy hatrany izay tsy mampiseho ny momba azy rehetra eto? Tenenina fa manao an'izao tsy fanao rehetra izao.Mba fiarovana tena koa ange io e! amin'ny hetraketraka maro samihafa misy amin'ny internet. Eny fa na dia ny admin-ny serasera aza tsy afaka ny hi-gere-an'izany.

Hiatomboka amin'ny hoe fampisehona ny firenena izany dia hiafara amin'ny amin'ny tsy falehany.

Nefa moa anareo ny site ka dia ataovy izay tianareo atao.
Tsy hoe mpandainga daholo kosa ry xxx ny tsy milaza ny mombamomba azy ao a!
5. fahamarinana ( 16/09/2008 11:44)
xxx1:
Fantatro avy hatrany fa hisy hitsikera indray aho izao fa bon..(tsy maninona)

:arrow: :-D tsy tsikera no hataoko fa fanamarihana fontsiny e : i Hery kosa angamba nilaza fontsiny hoe : izay ihany no niaretan'ny rehetra na marina na lainga ;tsy azo lavina fa mety misy mampiesona,fa misy koa milaza ny marina.Tsy hoe izay tsy mampiseho ny momba azy dia mpandainga fa safidy malalaka angambany ....
Zà manokana dia tsy olana amiko ny firenena na aseho aza fa ny tena ville ipetrahana indray dia tahaka ny xxx1 ihany koa aho hoe toa manahirana ihany amin'ny hetraketraka hita etsy sy eroa. Fa raha izay moa no tapaka dia ezahina ihany koa ny manaiky ny lalana mifehy ny sera...dia miditra izay sahy ary miala izay matahotra ,angamba mbola tsy eo isika aloha izao :? (l)
6. xxx ( 16/09/2008 11:54)
Hamaliako azy indray: kinga ery ny sasany miteny hoe izahay lazaina fa mpandainga tsy milaza izay marina ny momba anay", dia hoy aho hoe tsy lainga indray ary ve?
faharoa: tsy te hampahafantatra amin'ny hafa ny tena momba azy, anefa kinga ery rehefa hilaza ny vie privée an'ny hafa ety imasom-bahoaka, ka hoy aho hoe, aiza ihany ny hiainanao ra xxx?
hamaliako an'i Hery moa dia hoe : mety avokoa izay ataonareo, fa anareo ny site, ary izay koa ny tena marina. Ianareo aza mba mbola manontany ny hevitry ny mpikambana, fa ny site sasany tonga dia "mi-appliquer". Amiko manokana, tsy hitako araka ny voalazan'i Ni81, izay hanafenana ny Firenena misy ahy, ny sasany aza any amin'ny dezaka be tsy hita pesipesenina tsy mandainga ny misy azy.
Ary raha hoe fiarovan-tena araka ny voalazan'i ra-xxx ilay izy, dia laviko izay satria Firenena no resahana eto fa tsy ny adiresinao mazava akory, ka tsy hitako izay olana raha amiko manokana. (hevitro iny, hoy ni81 izay. :^) )
7. ANARIM ( 16/09/2008 12:04)
hahaha vao nahita ilay lohahevitra aho dia ny tonga tao antsaiko pré d oe hozarain'ny serasera amin'i Madagasikara amin'izay izay mba azony zaraina, izany hoe hitondra anjara biriky ho an'i madagasikara ny serasera hahaha
aza mba S ihany oa...
kay le izy hafa mihitsy
ka ny hevitro manokana momba io dia hoe : aleo ankinina amin'ny tsi-1-1 ny fanomezana ny firenena misy azy, dia anjaran'ilay liana te hahafantatra ny mino na tsy mino arak'izay mampety azy ao, fa aleo tsy aseho izany ho hitan'izao tontolo izao...
tsy voatery hoe mandainga, fa azo atao ny milaza fotsiny oe tsy afaka manome valiny mahafa-po, dia an'ny tsi-1-1 sisa ny maka ny position-ny par rapport amin'izay fandehany eo.
le itan'izao tontolo izao toa tsy hananana maitrise ka sao hanenenana...
8. fahamarinana ( 16/09/2008 12:07)
xxx5:
dia laviko izay satria Firenena no resahana eto fa tsy ny adiresinao mazava akory,

:arrow: tsy firenana fontsiny hoy i hery kah :firenena na ville ka rehefa ville dia ny toerana misy anao izany na tsy adiresy mazava aza.
Io koa anie samy manana ny tiany ka inona ary no hifandroritana eto,ohatran'ny lasa reglement de compte koa ilay dinika nefa zvtr tsotra no fanontaniana napetraka :inona no lafy ratsy ,inona no lafy tsara.(l)
9. booboo ( 16/09/2008 13:05)
Lafy tsara : manamora ny fitadiavana namana, manamora ny fanaovana programme miaraka @ zay samy mifanaiky² eo, manamora ny fi-créer-na lien ( hay ve enao ka aty koa no mipetraka e, et bla bla bla tsy ankijanona tsony avy teo hihihihi )...

Lafy ratsy : tsy dia hitako loatra. Misy sarotiny ny @ fampisehoana ny ville ipetrahana dia mety ho tsara kokoa raha atao facultatif ny fampisehoana an'io, fa ny firenena hipetrahana angamba tsy maninona loatra....
10. hery ( 16/09/2008 13:05)
Saika vao hamafisiko :-)

xxx> marina io, zah ihany no manapa-kevitra... fa mba manontany aho :-)

Ny zava-misy mantsy dia efa be loatra ny mpandainga ka na dia ireo tsy mandainga aza dia heverina fa hoe mandainga sy tsy azo ianteherana indray.

Ny fanontaniana dia hoe
Inona ny lafy ratsiny, inona ny lafy tsarany.


Sosokevitra fahatelo.
Na aseho na tsy aseho. Izany hoe eo amin'ilay hoe Firenena dia misy hoe Aseho ve sa tsy aseho. Raha aseho dia tsy mifidy firenena ianao fa izay firenena tena misy anao no asehon'ny takelaka. Raha tsy tianao haseho izany dia fidinao fotsiny ilay hoe tsy aseho.

Tsisy resaka mandainga sy tsy mandainga intsony amin'izay :-)
11. naritsimba ( 16/09/2008 13:13)
ho ahy aloha dia tsotra
-LAFY TSARANY
1- Inona moa no antony hanafenana ny momba ny tena izay angatahana ho fenoina, ho ahy efa ela no nangataka izany.
2- Tsy ho sahy intsony ireo mpiteniteny foana raha io no tanteraka. Ny tsara dia hoe raha misy olona manao ny tsy tokony atao vao avoaka ny marina momba azy, izany anefa dia tena miankina @ ireo admin 3 izay voalazan'ny Hery etsy ambony raha toa ka tena ilaina ny famoahana azy.
-LAFY RATSINY
1-Izy ity dia site virtuel, ka mety ve satsy mety t@ fotoana namoronana azy, sao mantsy ka tsy dia izay no tanjon'ny mpamorona ny site.
FEHINY
Ho ahy manokana dia tsy asiako olana satria iza mo no tsy mahalala fa eto Tana no misy ahy!!! Fa ny miditra @ fiainan'ny olona manokana fotsiny no tsy tokony atao.

Misaotra e!


12. tywa68 ( 16/09/2008 13:37)
Tsy hitako loatra ny olana raha firenena no aseho :lol:
13. xxx ( 16/09/2008 14:45)
Fa inona no tena tanjon'ny mpiandraikitra amin'izao zvtr tiany ho atao izao??
Ary inona no zvtr tsy maintsy ho ampisehona manaraka???


14. lohabe ( 16/09/2008 15:12)
Efa mazava kosa angamba ny tanjon'ny mpiandraikitra fa vokatry ny ady nisy sy ny mbola misy eto amin'ny serasera dia betsaka ireo namana no tsy mazoto handray anjara intsony. Vao omaly ohatra sa afak'omaly no nisy ps vaovao izay niantsy ady teto.

Mety ho lava ity valiteniko ity fa miangavy ny admin hamaky azy ihany.
Voalohany aloha dia misaotra ny admin nanontany ny hevitry ny mpikambana.
Faharoa manaraka izay dia raha ny resaka lalàna no jerena dia nisy fifanarahana tamin'ny voaloha momba ny hidirana ho mpikambana serasera. Tamin'izany dia mahazo mampiditra izay firenena tiany hisy azy ny olona iray.

Amin'ny lalàna ihany koa dia milaza fa ny fepetra noraisina teo aloha dia tsy azon'ny lalàna vaovao ovana.
Ka noho izany dia ireo momba ny mpikambana taloha tiany naseho ary efa nekena ny nanehony azy dia tsy azo ovana raha tsy misy fifanekena vaovao indray.

Raha izay ary ny lalàna dia tsy tokony ho dinika eto amin'ny forum fotsiny dia hahavita izany fifanekena vaovao izany. Ny hevitro, raha tena tsy maintsy apetraka tokoa io, dia omena choix ny mpikambana hoe manaiky ny lalàna vaovao sa tsia. Raha eny, dia aseho ny firenena misy azy. Raha tsia, dia na ajanona tsy hiova ny momba azy na omena choix koa izy hiala tsy ho mpikambana.

Raha ny fo tsy miangatra dia hitako fa tsy "fidèle à son public" raha io no raisina.
Maro ireo mpikambana taloha izay efa tsy afaka manketo intsony, mety tsy mankatoa ity hevitra ity izy ireo ary tokony ho hajaina ny fifanekena nataony.
15. xxx ( 16/09/2008 15:40)
hery:

Hatramin'izao dia mbola mionona amin'izay apetraky ny namana tsirairay isika amin'ny toerana misy azy. Izay mameno ny mombamoba azy dia afaka mampiseho hoe aiza no toerana misy azy, dia izay ihany no niaretan'ny rehetra na marina na lainga.

Hatramin'izao dia ny admin ao @ namana (pratiquement olona 3) ihany no mahita hoe aiza marina ny tena toerana misy ny namana iray.

Ny eritreritra dia hoe hitarina io fa tsy ny admin fotsiny no mahita hoe aiza ilay olona. Tsy haseho ny ip fa ny toerana na firenena misy azy.

Inona ny lafy ratsiny sy lafy tsarany?

(... tsisy ok arany :-p)


hevitra tena mety io ahitàna ny tena dadany tsy izaho tsy izaho....


16. xxx ( 16/09/2008 15:44)
Tsy reglement de compte ity fa mba hialàna amin'ny fanaovana daninn'ny kibo hataon'ny sasany amin'ny famoronana ps hi provokena sy hanakorotanana ary handrangitazna ny mpiforum fotsiny dia mba hita hoe izy avy ao bekitana indray io ohatra io an!
satria na efa tratra izao aza mbola mandà ihany hoe tsy izaho tsy izaho
misy olona tena tsy liana afa tsy manao an'io voalazako io mantsy ato....
17. nomenjara ( 16/09/2008 15:52)
tywa68:

Tsy hitako loatra ny olana raha firenena no aseho :lol:


mitovy hevitra


18. lohabe ( 16/09/2008 16:14)
Principe de contrat no nolazaiko. Fa raha io resaka reglement de compte io dia tsy hiditra firy aho fa anareo ny anareo.

Raha izay no hevitra hitanareo fa handravonana ny adinareo dia irariako soa.

Ny indro kely alefako fotsiny dia ireto:
- misy ny namana réel
- afaka atao ny xxx
- afaka atao ny miforum na tsia membre namana serasera aza

Raha ho raisina ilay fepetra dia farafaharatsiny ho fanajana ireo namana taloha dia tsy haseho par defaut ny momba ny namana.
19. nomenjara ( 16/09/2008 16:30)
afaka atao ny miforum na tsia membre namana serasera aza

tokony izay mpikambana ihany kosa no mandray anjara afaka mampiasa ny serasera forum.
20. ni81 ( 16/09/2008 16:45)
H.S kely ity angamba: Ny ahy aloha ny hitako mahatonga ny korontana eto dia io resaka tsikera tsikera ataonareo ao @ sary io e! Koa maninona raha tsy asiana tsikera ny sarin'olona moa tsy mety ve? Mijery fotsiny dia milaza hoe faly mahafantatra sns...fa tsy manao hoe ianao toa ohatry ny sahobakaka, na hoe ianao toa ohatry ny totozy ... (ohatra ireo fa angamba tsy mbola nisy nanao izany). Dia rehefa avy eo dia marary ny fon'ilay tompon'ny sary dia lasa @ zay ny vava isan-karazany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1818