Tsy maintsy toriana ny Evanjely?

1. xxx ( 03/04/2008 11:04)


"Tsy maintsy toriana ny Evanjely!"

Iarahan'ny Kristiana manaiky io. Fa mialohan'io koa dia tsy maintsy iainana izy. Izany hoe: izay iainana no zaraina, ary izay zaraina dia iainana. Tsetsatsetsa tsy aritra moa iny. Fa ity no tena tiana asina ady hevitra:

1 - Ampy ve ny zotom-po sy hafanam-po mba hitoriana ny Evanjely?
2 - Ampy ve raha ny Fanahy Masina ihany no avela hiasa hampibebaka ny hafa?
Inona ilay hoe: miara-miasa amin'ny Fanahy masina?
3 - Mitory isika, nefa zara raha misy ny mibebaka, ary betsaka aza ny miala an-daharana, satria nahoana?

... mbola betsaka ny fanontaniana azo apetraka, fa ireo no atao eo mba iaraha-midinika sy hanatsarana ny ho avy.

Misaotra
répondu par pissoa le 18/04/2008 20:44
2. ikaretsaka ( 03/04/2008 16:06)
HOy i Md Francois d'Assise momban'io.

Torio n'aiza n'aiza ny Evanjely, fa rehefa ilaina ihany vao mampiasa teny.

"Que sont les serviteurs de Dieu, sinon comme ses jongleurs qui doivent élever les coeurs des hommes et les émouvoir de la joie spirituelle"?


3. fijo ( 03/04/2008 19:56)
de torio ary e
4. pissoa ( 03/04/2008 21:10)
1 - Tsy ampy ny zotom-po !
Ny hafanam-po hitory amiko dia tsy hoe tsy ampy fa tsy dia ilaina, lol.

2 - Miara-miasa amin'ny Fanahy Masina !

3 - Betsaka ny antony. Ohatra

# Nofa be le fitoriana lol. Tahaka ny mitantara angano amin'ny ankizy kely ny sasany rehefa mitory ;
# Diso ilay toriana ... Hita matetika ohatra, raha tokony hitory an'Andriamanitra ny olona dia tsy Andriamanitra no tena voaresaka fa ny "Afobe" hi hi hi.
# Efa tsy te hibebaka mihitsy ny hitoriana
# etc etc

:-D :-D :-D
5. fijo ( 03/04/2008 21:14)
efa leo le hafanam po be mahazatra eto ngaha i pissoa?
6. cutie ( 03/04/2008 21:16)
Tsy maintsy toriana ny Evanjely?

fa ahona no we tsy maintsy?
ohtran'ny we toriako any ty fa ze alehany de alehany , ohtran'ny forcerna zany fotsiny :-D :-D :-D :-D :-D
7. fijo ( 03/04/2008 21:17)
ka efa zatra noforcena ve tsy hiforcer koa e
8. cutie ( 03/04/2008 21:19)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
9. fijo ( 03/04/2008 21:21)
izay ihany ireny ko
10. hira ( 04/04/2008 02:46)
efa hita ny lesoka t@ tantara fa tsy mety ilay hoe mi forcer! manantona ho azy ny olona raha ilainy izany.
11. Rasiligaoma ( 04/04/2008 04:42)
hira:

efa hita ny lesoka t@ tantara fa tsy mety ilay hoe mi forcer! manantona ho azy ny olona raha ilainy izany.


izay mihitsy!
izay no ilazana hoe aleo amin'ny fiainana andavan'andro ilay izy no miseho!
jereo ny cas an'ireny Masera betsaka any Madagasikara manao oeuvre de charité ireny: ry Pere Pedro sy ry Abbe Pierre, Ry Mere Teresa.

Ny olona no manantona azy sy mahatsapa ny tenany ho te hibebaka nony nahita ny nataony sy ny asa fanasoavana azony avy amin'ireny toerana ireny nohon'ny hoe noterena
Tamin'ny asa no nandeha ilay fitoriana fa tsy tamin'ny fanerena
12. majesty ( 04/04/2008 07:01)
:-w :-w :-w
13. prime ( 04/04/2008 12:02)
"Tsy maintsy torina ny evanjely" ka izay nampianarin'i Kristy no sitrapon'Andriamanitra entina anatanterahana izany fa tsy avy amin'ny fahalalàna'olombelona sy fahendren'olombelona araka izay traikefan'ny tsirairay...
14. cutie ( 04/04/2008 12:08)
tsy mety mitsy le we tsy maintsy e :-w
15. Veloo ( 04/04/2008 14:41)
cutie a
Jesosy no niteny oe mandehana.... otran'ny oe tsy maintsy ilay izy nefa ko otran'ny oe safidy...an'ny tsirairay no mieritreritra oe inona no tokony ataony aky a
16. ikaretsaka ( 04/04/2008 16:53)
amiko raha vao ny zavatra no misy "tsy maintsy" dia tsy milamina izay e

na ilay namorona ny evanjely aza dia ny "izay tia manaraha" no filozofiany momba ny fanaparitahana an'io!


samihafa ny hoe mandehana sy ny hoe tsy maintsy mandeha...
samihafa koa ny heo manaraha ahy sy ny hoe tsy maintsy manaraka sy ny hoe rabbi aiza ianao no mitoetra?!
17. fijo ( 04/04/2008 20:30)
izay mantsy.esory aminareo mpitory io voambolana"tsimaintsy "io.
18. ikaretsaka ( 04/04/2008 20:47)
ny hafatra ry zareo dia hoe "mandehana mitoria"
fa tsy hoe "tsy maintsy mandeha dia tsy maintsy mitory "an
Nuance be ireo
19. fijo ( 04/04/2008 20:49)
ka mbola ao ambadika ihany le fisainana nateraky ny fitaizana fanerena fahiny.
20. Fody ( 05/04/2008 03:19)

Fanazavana:
Ny finoana dia manaja ny safidin'ny tsirairay. Izany hoe manome LIBERTE tanteraka, ary ao anatin'ny fahafahana tanteraka no hisafidianana na HINO na TSIA. Rehefa ENY anefa dia ENY ary rehefa TSIA dia TSIA.

Toy ny safidy rehetra koa ny safidy atao amin'ny FINOANA ka miteraka engagement sy résponsabilité. Misy adidy sy andraikitra. Toy ny hoe manaiky ny hanambady aho dia tsy maintsy mamelona ny vady aman-janako.sns...

Dia hoy ny Malagasy: "tanin'andriana tian-konenana, satan'andriana tsy maintsy arahina".

Izay ilay "tsy maintsy" voalaza ery ambony ery, fa tsy araka izay heveran'ny sasany azy akory.

MIsaotra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1784