ROMANA:NY LALAN'NY FAMONJENA

1. niryna ( 05/03/2008 08:22)
Toa tsotra sady mora kely ity lalana arahintsika raha te ho any an-danitra isika.
Jereo anie ny teny ao amin'ny Romana e !
Hoy Ndrema:Fa maninona no tsy mankany an-danitra isika ?

Hoy Nary:Tsy mankany isika fa mpanota
ROMANA 3:23
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
Hoy ihany Nary :ny fahotana dia izay zavatra ataontsika ka tsy mifanaraka ny tenin'Atra sy ny sitrapony.

Hoy Ndrema :Aiza izany isika no mandeha?

Hoy Nary:Vokatry ny fahotana dia voaszy isika ary dia mankany amin'ny afobe.
ROMANA 6:23
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
-------------------------------------------
Hoy Naivo: Fa maninona isika no mankany an-danitra?

Hoy Nanja: Tian'Atra isika rehetra ka na mpanonta aza isika raha mibebaka aminy dia voavela ny heloka ka dia hihaona an'i kristy any an-danitra isika.
ROMANA 5:8

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.


Hoy Naivo: Inona izany no tokony ataontsika?

Hoy Nanja:samy manana safidy isika ka na isika hiaraka amin'i kristy mandrakizay na isika tsy miaraka aminy dia ho very ny fanahintsika. ROMANA 10:9-11
9 satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.

10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.

11 Fa hoy ny Soratra Masina: "Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy" (Isa. 28. 16).


Tsy aleo ve miaraka Aminy ?
Mahazo famonjena izay rehetra manaiky an'i kristy ho Tompony sy Mpamonjy,ary tena mino Azy amin'ny fony tokoa,Izy irery ihany tsy misy fanampiny na mifangaro amin'Atra hafa na zavatra hafa.

Sa ahoana hoy isika ?
répondu par niryna le 28/03/2008 05:44
2. ikaretsaka ( 05/03/2008 14:22)
efa hay iznay fa tsy mila receveur sy mpanera hoa ny busn'i dada :-D:-D:-D
3. rijadolly ( 05/03/2008 16:28)
Misaotra Niryna a izao zavatra ataonao izao no ilaiKo
===>-mampatsiahy ahy sao mitokotena fatratra aho
-mampatsiahy ahy sao tsy mihetsika ny fandrosoko ara-Panahy fa mihembotra indray aza.
-mampatsiahy ahy sao any amin'tsy izy ny alehako noho ny tombony azoko sy ny fihevotro fa tsara ka manao andriamanitra ny zavatra heveriko fa nahasoa ahy fotsiny dia manadino Azy
-mampatsiahy ahy sao misy ny otanataoko nefa izaho mihevitra fa mety ny ataoko
-mampatsiahy ahy sao tsy tsaroako ny Fitiavan'Ilay Nahary ahy
-mampatsiahy ahy sao tsy tsaroako Ilay nisolo ahy ,nitondra ny hazofijaliako
-mampatsiahy ahy sao mihazohazo aho hanolotra ny fahadisoako indray na dia efa nosasana taminn'iny ota iny aza aho.......
4. ikaretsaka ( 05/03/2008 16:45)
nga i RD mbola papoose kely no mila ampatsiahivina foana @ zavatra efa hay?
5. rijadolly ( 05/03/2008 16:47)
Mbola fisaorana ihany no omeko anao manolotra sy manazava ho any izay mbola tsy nihinana vetikanina akory,
-sao dia kenda izahay raha misy manolotra tendan'akoho nefa mbola tsy mahay mitsako ka handratra anay indray noho ny fiheboheboanay.
-sao dia tsy hafaka mihinana izahay raha sendra sakafo tsara,noho ny tsy fahaizana,na fatahorana,na ny tsy fahalalana.
Mbola misaotra anao koa aho satria izay aho niditra tato amin'serasera ara-pinoana nefa zaho tsy mba nahafantatra,kay afaka diovina oh izany ny otako izay tena jaky.
6. ikaretsaka ( 05/03/2008 16:53)
amiko raha zavatra efa hay no averimberina ohaqtran'ny diska loaka dia lasa vao mainka tsy mampandroso amin'ny dinoana aza fa raha hoe halalainina kokoa ... (ilay lazaina hoe mampitombo talenta) no mampi latsa paka kokoa ilay finoana
7. rijadolly ( 05/03/2008 17:04)
ikaretsaka:

nga i RD mbola papoose kely no mila ampatsiahivina foana @ zavatra efa hay?

Aleo ry ika miverina ho zaza aloha a!
za ve ry ika notenenina hoe aza maniratsira olo dia mbola manao ihany nefa anie ilay olo manoro ahy foana,sady tsy reraka mihitsy izy an!

Mba nampianatra ankizy aho zany dia ny zanako sy ny namany iray izay,inona hoy sé niampy roa ry zareo avy eo, dia naverina indray ilay fanazavana tamin'voalohany.tonga indray ny manaraka,niampy roa indray dia mbola naverina indray ilay fanazavana,farany niampy ray ry zareo dia feno fito,tsy kivy ny anao lahy namerina indray.:roll::roll::roll::?::?::?:

8. ikaretsaka ( 05/03/2008 17:13)
Mba nampianatra ankizy aho zany dia ny zanako sy ny namany iray izay,inona hoy sé niampy roa ry zareo avy eo, dia naverina indray ilay fanazavana tamin'voalohany.tonga indray ny manaraka,niampy roa indray dia mbola naverina indray ilay fanazavana,farany niampy ray ry zareo dia feno fito,tsy kivy ny anao lahy namerina indray.


ah azoko ny tian-dramose hahatongavana.. dia izao izany e asiana sary sy soratra miharihary be ao an-trano dia kopy izy ramose an..
izay ny anton'ireny sary lazainareo ireny e

aide memoires ireny (fa tsy sampy izany)
tsy mila manao le heo mipetraha aloha de henoy izao! de mi sermon eo

fa mijery dia kopy.. sady mahalaza teny maro hono ny sary anie
ohatran'ny codes de la route io e

amin'ny saina tsy miangatra ... tsy aleo izay toy izay le manao ilay ohatran'ny pub ana mpivarotra argile vertes any @ tanana ireny???:-D
9. rijadolly ( 05/03/2008 17:38)
ô ry ramosé a!Taiza moa rijadolly no nanenjika an'sé an'izany mba avereno kely eto hoe azafady mba hialako tsiny aminao raha nataoko izany?Ny ahy ramosé a rehefa miaky(tsy am-bava fotsiny) an'Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy fa izy Ilay nandrasana,Ilay Zanak'Andriamanitra,Nefa kosa tsy mamelona ny fahasarotam-piaroNy(Andriamanitra)an!(rangitina)dia ok!
10. niryna ( 05/03/2008 18:43)
ikaretsaka:

efa hay iznay fa tsy mila receveur sy mpanera hoa ny busn'i dada :-D:-D:-D
Izay nafafinao no hojinjainao
izay mamafy ketsa no hijinja vary
Izay mamafy rano no mijinja tadio
Ary izay mi-rebell ny tenin'Atra izy ho hijaly fa fadiranova indrindra :D

11. niryna ( 05/03/2008 18:47)
rijadolly:

Misaotra Niryna a izao zavatra ataonao izao no ilaiKo
===>-mampatsiahy ahy sao mitokotena fatratra aho
-mampatsiahy ahy sao tsy mihetsika ny fandrosoko ara-Panahy fa mihembotra indray aza.
-mampatsiahy ahy sao any amin'tsy izy ny alehako noho ny tombony azoko sy ny fihevotro fa tsara ka manao andriamanitra ny zavatra heveriko fa nahasoa ahy fotsiny dia manadino Azy
-mampatsiahy ahy sao misy ny otanataoko nefa izaho mihevitra fa mety ny ataoko
-mampatsiahy ahy sao tsy tsaroako ny Fitiavan'Ilay Nahary ahy
-mampatsiahy ahy sao tsy tsaroako Ilay nisolo ahy ,nitondra ny hazofijaliako
-mampatsiahy ahy sao mihazohazo aho hanolotra ny fahadisoako indray na dia efa nosasana taminn'iny ota iny aza aho.......

tsy misy fisaorana,izay mandre ny tenin'Atra ka mampihatra izany amin'ny fiainana dia tsy ho very maina,izay miseho azy mahafantatra sy mampihatra ny sainy kosa dia izy no hijaly sy ho fadiranovana satria tsy fantany fa fitaovana ampiasain'ny satana hanafoana ny tenin'Atra izy.Izay teny rehetra hafafintsika dia tsy miverina amintsika intsony. :D

12. niryna ( 05/03/2008 18:49)
ikaretsaka:

nga i RD mbola papoose kely no mila ampatsiahivina foana @ zavatra efa hay?

Raha miaiky ny fahontantsika isika,ka matoky fa marina Izy ,ary mamela ny fahotantsika sy hanafaka antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra,dia hitarika antsika ho amin'ny lalan'ny fahamarinana kosa Izy,fa raha mihevitra ny tenantsika isika ka tsy miraharaha ny teniny ary mampiseho fa tsy mpanota,dia mampandainga an'Atra izany ary ny marina tsy ao Aminy :roll::wink:

13. niryna ( 05/03/2008 18:51)
ikaretsaka:

amiko raha zavatra efa hay no averimberina ohaqtran'ny diska loaka dia lasa vao mainka tsy mampandroso amin'ny dinoana aza fa raha hoe halalainina kokoa ... (ilay lazaina hoe mampitombo talenta) no mampi latsa paka kokoa ilay finoana


ny voa nafafy no ahafantarana azy hoy ny tenin'Atra.
pratique,pratique,makes perfect
14. fahamarinana ( 05/03/2008 19:32)
niryna:
Tsy aleo ve miaraka Aminy ?
Mahazo famonjena izay rehetra manaiky an'i kristy ho Tompony sy Mpamonjy,ary tena mino Azy amin'ny fony tokoa,Izy irery ihany tsy misy fanampiny na mifangaro amin'Atra hafa na zavatra hafa.

Sa ahoana hoy isika ?


:arrow: Marina tanteraka e,mankasitraka!(l)
15. fijo ( 05/03/2008 21:49)
le toriteny be tsy misy asa hita io aloha ry zareo tena tsssssss.ataovy tsapan'ny pokona aloha ny asanareo de ho ita eo na ahasarika na ahoana.
16. niryna ( 06/03/2008 06:45)
ikaretsaka:

efa hay iznay fa tsy mila receveur sy mpanera hoa ny busn'i dada :-D:-D:-D

Romana 1
16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.

18 Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,




17. niryna ( 06/03/2008 06:49)
rijadolly:

Misaotra Niryna a izao zavatra ataonao izao no ilaiKo
===>-mampatsiahy ahy sao mitokotena fatratra aho
-mampatsiahy ahy sao tsy mihetsika ny fandrosoko ara-Panahy fa mihembotra indray aza.
-mampatsiahy ahy sao any amin'tsy izy ny alehako noho ny tombony azoko sy ny fihevotro fa tsara ka manao andriamanitra ny zavatra heveriko fa nahasoa ahy fotsiny dia manadino Azy
-mampatsiahy ahy sao misy ny otanataoko nefa izaho mihevitra fa mety ny ataoko
-mampatsiahy ahy sao tsy tsaroako ny Fitiavan'Ilay Nahary ahy
-mampatsiahy ahy sao tsy tsaroako Ilay nisolo ahy ,nitondra ny hazofijaliako
-mampatsiahy ahy sao mihazohazo aho hanolotra ny fahadisoako indray na dia efa nosasana taminn'iny ota iny aza aho.......
Romana 4:7-8
7 "Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.

8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka"


18. niryna ( 06/03/2008 06:51)
ikaretsaka:

nga i RD mbola papoose kely no mila ampatsiahivina foana @ zavatra efa hay?
:D
Romana 7:20

Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.


19. niryna ( 06/03/2008 07:01)
rijadolly:

Mbola fisaorana ihany no omeko anao manolotra sy manazava ho any izay mbola tsy nihinana vetikanina akory,
:D

-sao dia kenda izahay raha misy manolotra tendan'akoho nefa mbola tsy mahay mitsako ka handratra anay indray noho ny fiheboheboanay.
:D Romana 8:8
Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
-sao dia tsy hafaka mihinana izahay raha sendra sakafo tsara,noho ny tsy fahaizana,na fatahorana,na ny tsy fahalalana.

Romana 8:6
Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, (sy fiadanana)

Mbola misaotra anao koa aho satria izay aho niditra tato amin'serasera ara-pinoana nefa zaho tsy mba nahafantatra,kay afaka diovina oh izany ny otako izay tena jaky.
Romana 8:9
Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.



20. fijo ( 06/03/2008 22:39)
ka ny romana nisotro roma dia mora itany ny lalana ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706