ROMANA:NY LALAN'NY FAMONJENA

81. niryna ( 16/03/2008 19:19)
Rasiligaoma:

izao io niryna a, samy manana ny dombany ny olona, tsy hoe rehefa tsy ny lalanao akory no arahiny dia diso lalana izy.

Izaho tsy manana lalakan-fa ka,raha milaza hianao hoe manana lalan-kafa mankany amin'ny ray dia tsy marina izany na marina ny anao fa dia diso izany ny tenin'Atra,satria hoy izy hoe "

6 Hoy Jesosy taminy:[u] Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.[u/] Jaona 14:6

I Kristy hono no lalana mankany amin'ny ray,ka raha misy lalan-kafa mankany dia tsy izy izay.

marina tokoa izany rasily,mety misy manoro lalana anao dia mandeha hianao manarak ka eny an-tenantenany dia miverina fa diso lalana :D


82. niryna ( 16/03/2008 19:27)
fahamarinana a>
alefaso ny lisitry ny teny tian-dry omeko ao anaty baiboly:ohatra teny mikasika ny fitiavana,
famonjena,famelan-keloka,fahakiviana,
fahatezerana,fanantenana sns, fa alefako
ba mamikely
niryna
83. niryna ( 16/03/2008 19:34)
Dia tsy vitan'ny mahazo ticket fa mbola mahazo cadeau amin'Atra ihany koa ireo olona izay efa kristiana ka tsy menatra ny hitory ny filazan-tsara
sy tsy menatra ny mizara ny fahasoavana nomen'Atra azy .=D=D
Avelao amin'izay aho aloha hiverina ao amin'ny Romana ihany :-w

16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. Romana 1:16

84. ikaretsaka ( 16/03/2008 19:40)
niryna:


izao io niryna a, samy manana ny fombany ny olona, tsy hoe rehefa tsy ny lalanao akory no arahiny dia diso lalana izy.

Izaho tsy manana lalakan-fa ka,raha milaza hianao hoe manana lalan-kafa mankany amin'ny ray dia tsy marina izany

ahoana no ilazanao hoe tsy marina izany??8O8O8O

Samy manana ny lalany fa izaho mety mandeha biskleta ao aorianan'i fody ao.. ianao ery @ sidewalk ilany, i Rasily mety nandeha posy, i Fody nandeha 4x4... i Ari sy i Pissoa ary @ sidewalk ilany ao alohalohanao ao!

io fisainana hoe "rehefa tsy eo amin'ny trottoir anao io dia tsy izy" ho'a tokony esorina lavitra!

Ohatran'ny fomba niantsoan'i Jesoa ny Mpianany io.. tsy hoe nitovy aby ny fomba niantsoana azy ireo fa samy hafa !
ny an'i Piera sy Matio sy i Paoly fotsiny izao ohatra!

"Miara mizotra isika ho any":-D
85. niryna ( 16/03/2008 19:50)
Dia hianao irery ihany dia mahafantatra na ahazo ilay ticket"salvation" "famonjena" koa dia ataovy aza ny test :D
1- Mino ve hianao fa Zanak'Atra i Kristy?
2- Mino ve hianao fa maty noho ny otanao Izy?
3-Mino ve hianao fa ny olona rehetra (izay mpanota avokoa) dia mila ilay Mpamonjy dia i kristy izany?
4- Mino ve hianao fa raha miantso Azy hianao mba hiditra ny fonao Izy dia tonga tokoa Izy?

.....Raha ENY ny valiny dia arabaina fa efa azonao avy hatrany ny ticket-ny famonjena,aza miverin-dalana intsony,Kristy efa niantso anao androany ,ary dia ankino aminy ny fiainanao,
mitadiava fiangonana mitory ny teny soa mahafaly mba hikolokoloina ny fanahinao,ary dia miova tokoa ny toetra sy ny fiainanao manomboka anio

Ahoana koa izany ry niryna?
Ny olona manana an'i kristy dia mahita fahasambarana,fifaliana sy fiadanan-tsaina ,fitiavana ,ny fanahy masina no mitarika sy manoro ary mampianatra azy io fa tsy ny herin'ny tenany irery ihany, ka izay no hitadiavana an'ilay Kristy manome ny Fanahiny satria avy any aminy Irery io,io no manampy azy hanana an'io (joy,happiness,peace,love) miaraka ireo ary santionany fotsiny ihany. Ary tonga dia fantatra ilay olona manana an'ireo,tsy miverina amin'izay zavatra nahazo taloha intsony fa dia mitohy indray ny tolona.Ny lasa momban'ny lasa ary tsy tokony hitazona alahelo na mafy aza no noentina fa ny misaotra an'Atra nampianatra antsika namela no tena zava-dehibe .
86. ikaretsaka ( 16/03/2008 19:54)
ka tsy anjaranao no mitabataba an'izany fa bizinesin'ilay olona sy andriamanitra Izany ho aho ..
raha te hitabataba izany ianao dia manaova mpanera ery @ fasan'ny karana!
87. niryna ( 20/03/2008 05:01)
ikaretsaka:

ka tsy anjaranao no mitabataba an'izany fa bizinesin'ilay olona sy andriamanitra Izany ho aho ..
raha te hitabataba izany ianao dia manaova mpanera ery @ fasan'ny karana!

:cry:
Tsy izaho irery na hianao irery fa ny kristiana rehetra,izay mino an'i kristy irery io no asiko teny a,manana andraikitra eo amin'ny fitoriana ny filazantsara ny rehetra izay nanaiky an'i kristy.
Raha tsy nanaiky azy ho mpamonjy azy moa izy inona no omeny eo,ny tenany aza mbola mievaeva?
Ny manana an'i kristy dia tsy menatra ny hitory ny teniny.

10 Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena Romana 10:10


Noho izany,Kristy dia miandry antsika ka raha hampandroso azy isika dia hiditra izy ka tsy hisy intsony na iray aza ahasaraka antsika ny fitiavany antsika na fahafatesana aza.
Ataovy foana ny fanandramana
20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
20 Voici, je me tiens à la porte, et je frappe. Si quelqu`un entend ma voix et ouvre la porte, j`entrerai chez lui, je souperai avec lui, et lui avec moi. Apok 3:20



88. ikaretsaka ( 20/03/2008 05:32)
mind your own business e..
izay ahhazoanao tomobilina atao tanjona fa aza manao fikana mpaneran'ny fasan'ny karana ohatran'io.
Izaho efa arako fa mahazo fa za zanak'i dada hoa.. sady akamako ny "mpitazona ny lakle"!
ny anao atao tsara:wink:
89. niryna ( 28/03/2008 05:44)
ikaretsaka:

mind your own business e..
tsy business nao ilay izy satria na torina aza hianao dia efa mandaha avy hatrany sy manoro voana ny olona ,ka aza asiana olana e,tostra fotsiny ,na miarka aminy dia araho ny teny ao anaty baiboly,mino Azy na tsy manao na inona na inona dia izay ,tsy mila famonjena,tsy te hiaino ny tenin'Atra ,dia dingano ny sujet dia vita
: =)) =))
raha ny hafa izay mangetaheta ny tenin'Atra,,malahelo angahy hianao raha toa ka hanatona an'i kristy izy ireo? :oops: :oops:

1 Tsy fantatrareo va, ry rahalahy (famiteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?

15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.

16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.

17 Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.

18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.

19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.

20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. Romana 7

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.339