Rahoviana no hikombona ny vava?

1. niryna ( 11/02/2008 18:15)
Ny teny alokan'ny vavantsika dia mety manome fandratra,fahakivina,fahatezerana,fahasorenana ny olona sy ny manodidina antsika na manome fahasoavana, fampaherezana, fahazotoam-po ho antsika sy ny manodidina ihany koa.

Rahoviana no hikombona ary ny vava ka hitsahatra tsy hiteny?


Ho an'izay tia mamaky ny tenin'Atra dia feno fananarana ao anaty baiboly ka hita ao amin'ny Ohabolana daholo izany.

[color=blue} Hitsahatra tsy hiteny ny vava rehefa ...[/color]

ao anaty fahatezerana
raha tsy mahita porofo
raha tsy mitombona izay lazaina
raha mety handratra ny hafa na hanome fahasorenana
raha tsy misy fiantraikany amin'izay tokony resahina
Raha ohatra ka mitady ho tonga fanafitoinana anao na ny hafa
raha fantatrao fa mahamenatra na hanala-baraka anao ny hiteny izany
raha fantatra fa hampiady ny olona
raha fantatra fa handratra ny hafa
raha fantatra fa mety mahatohany ny hafa
raha diso ny fandraisana azy
raha tsy misy hidirana ilay resaka
raha mitady hivadika ilay hafatra ka lasa lainga
raha mety ho olana amin'ny hafa ny fihainona azy
raha fantatrao fa tsy mety ilay izy
raha te hilaza zavatra ka tsy hikiakiaka ny handratra fo olona ny hihaino azy
rehefa tonga ny fotoana hihanoina ny hafa
raha hanakotsako anao ny teny navoakanao rehefa avy eo
rehefa efa noteneninao indray mandeha ilay izy
raha tokony hiasa kanefa lasa be resaka :D:D

Nalaina tao anatin'ny tenin'ATra ireo......:D:D:D
Hifonako raha misy voadona,isaorako izay miaky fa misy fahamarinana izany,miezaka isika ny mba hiara-monina sy hifankatia satria tsy fantatra izay ho lasa aloha. :roll:

23 Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana. Ohabolana 21:23

***
ny teny toy ny atody ka raha fohy manan'elatra.
ny vava tsy ambiny maha-pidi-doza.
aleo enjehin'ny mpamosavy toy izay enjehin'ny eritreritra. :D:D
(l)(l)(l)(l)

niryna

répondu par yonikafopl le 04/03/2008 21:55
2. majakely ( 11/02/2008 18:32)
¨Donc na tsy mety aminao zany lay ataon'ny olona ano de tsy hiteny ianao fa handratra ,na hita tsotra izao oe manararao-paty be lay olona???NON alorsssssss!!!
3. tess ( 11/02/2008 19:29)
misy fetrany ny tsy fitenenana fa am farany tsy maitsy hoe tsy hikobmina tsony ny vava fa hiloa-bava ihany:°)
4. ikaretsaka ( 11/02/2008 19:46)
vavan'inona aloha io??
5. pissoa ( 11/02/2008 19:58)
niryna:

Hitsahatra tsy hiteny ny vava rehefa ...

raha tsy mahita porofo
raha tsy mitombona izay lazaina
raha fantatrao fa mahamenatra na hanala-baraka anao ny hiteny izany
raha tsy misy hidirana ilay resaka
raha mitady hivadika ilay hafatra ka lasa lainga
raha fantatrao fa tsy mety ilay izy
rehefa tonga ny fotoana hihanoina ny hafa
rehefa efa noteneninao indray mandeha ilay izy
raha tokony hiasa kanefa lasa be resaka


:-D:-D:-D ary i Niryna toa mbola tsy mitsahatra ?
6. ikaretsaka ( 11/02/2008 20:03)
HItsahatra ny vava rehefa.... (Bla bla bla bla) --->dia tonga teto
niryna:
rehefa tonga ny fotoana hihainoana ny hafa
rehefa noteneninao indray mandeha ilay izy


le remarquen'i pissoa eeeeeee

fa tsy mety mitsahatra le izy rehefa tenenina hoe diso pilipitra ?

7. tess ( 11/02/2008 20:25)
pissoa: mahita ah!:-D:-D:-D
8. tess ( 11/02/2008 20:26)
ikaretsaka:

vavan'inona aloha io??
ny vavanao tsy miteny ka!:°):wink:


9. rakapy ( 11/02/2008 21:03)
Tsy mba mbola naheno feo n'iza n'iza mitabataba mihintsy aho rehefa eto ary tsy misy mampiasa vava mihintsy eto fa manoratra fotsiny no atao! Sa ve ny tanana nisy vava koa? Ary iza moa ianao no mitady ny hanakombona ny vava izay fanomezan-Janahary ho an'ny olombelona? Ny moana aza efa tsy fidiny. Izany ve ianao no mba milaza fa Kristianina mpanara-dia an'i Kristy? nefa ny olombelona manodidina anao aza dia tadiavinao hakombom-bava tsy haneo ny heviny. Sao dia ianao no tokony hanapi-maso na hanampi-tsofina raha tsy zakanao ny fomban'ny olombelona izay tsy iza fa zava-boaharin'ilay Nahary izay lazainao fa tinao sy toavinao.8O8O8O
10. rastafarai ( 12/02/2008 03:38)
Ra ze "mangina volamena" no marina,ny moana no efa nanankarena!!:lol::lol::lol:
11. diamondra27 ( 12/02/2008 03:41)
niryna: misaotra nizara

hofanampin'zay voalaza dia aoka mba angataka mba ho teny fampandrosoana , teny feno fifaliana, teny fampaherezana, teny mamy no aloakan'ny vavanao(tsy i niryna akory no lazaina eto fa ianao, vous)


Ohabolana 11:12
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; fa izay hendry dia mangina



12. Papoose ( 12/02/2008 04:12)
Mikombona ny vava rehefa perfect ny zeu world!:wink: satria tsy mahita anankihanana intsony ny pokona!
dia tsy hikombona mihitsy zany izy io satria tsary perfect ny zeu world sy ireo vahoaka amam-biby sy zava-maniry eo aminy sy ao anatiny!
13. mitia04 ( 12/02/2008 04:34)
refa tsy teny ratsy kosa to afaka mandé doli e! lé manopa sy teny ratsy iany no hitako tsy mety fa ny sisan'izay, feu vert!
14. tsiafoi1 ( 12/02/2008 05:07)
Misaotra nizara, mikombona ny vava rehefa vonona ny hiaino ny hafa. Mba tena tiako ity slogan iray ity : L'écoute est une valeur sûre
15. aloalo ( 12/02/2008 05:23)
tsiafoi1> marina izany fa tsy ny rehetra no mahavita an'io.

hita eto mihitsy, misy mandefa hafatra, tsy mamaky ny an'ny sasany fa d zay ao an-doany ihany ny asesiny d lasa tsy misy discussion constructive intsony ilay izy
16. ainaheri ( 12/02/2008 05:35)
Misy miana-kendry ko ato @ sera² ato,tsy misy zay tonga lafatra eto antany,na ianao namorona ity dinika ity aza misy tsy ampy aminao araka ireo voalazan'ny sasany ao ambony ireo,f'aza mianakendry,dinika no natao ato d teneno ny admin fa tsy azo atao tsony ny mampiditra dinika d tsisy tsony ny blablabla ee
17. aloalo ( 12/02/2008 05:40)
aleo mijery fitaratra vao b anatranatra.
nisy fotoana tao @ dinika finoana za fa d najanoko fa tsy vakinao akory ny an'oul fa d ny copier-coller nao tsy natsahatrao d nanipy gants za, kanefa nahaliana ahy ny ady hevitry ry Ika sns
18. diamondra27 ( 12/02/2008 05:49)
ozy jean claude van dame we etre awear hono
:-D:-D
19. niryna ( 12/02/2008 06:19)
majakely:

¨Donc na tsy mety aminao zany lay ataon'ny olona ano de tsy hiteny ianao fa handratra ,na hita tsotra izao oe manararao-paty be lay olona???NON alorsssssss!!!

dia ahoana? izay mangina volamena :D
Ny laferana no mandina hono dia noho ny fandeferana :cry:

20. Rasiligaoma ( 12/02/2008 06:21)
aloalo:

aleo mijery fitaratra vao b anatranatra.
nisy fotoana tao @ dinika finoana za fa d najanoko fa tsy vakinao akory ny an'oul fa d ny copier-coller nao tsy natsahatrao d nanipy gants za, kanefa nahaliana ahy ny ady hevitry ry Ika sns


miray hevitra aminao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3397