Mino an'i Jesosy ny kritianina satria matahotra no sady kamo

1. rakapy ( 16/01/2008 21:46)
Ialana tsiny eto ampiandohana raha toa ka manafintohina ny voakasika ilay lohanteny. Raha mandinika ny ankamaroan'ny mpino kristianina ny tenako dia mahita sy mahatsapa fa TAHOTRA sy AKIVINA ary ny AKAMONA tsy avy hivaky loha matetika no mahatonga azy ireny hirona any @ finoana kristianina indrindra fa ny Malagasy. Fehezin'ny mpandika baiboly mantsy ny sain'ireo olona ireo mba tsy hikaroka lavitra ny momba ny natioran'izao tontolo izao.@ zay dia mba mora ho azy ireo ny miseho ho tsara sy mahay.
répondu par rabaribe le 05/02/2008 08:00
2. fijo ( 16/01/2008 21:47)
izay le itiavako an'ialahy rakapy an,io le fanontaniana mavaivay io
3. ikaretsaka ( 16/01/2008 21:54)
ny fahitako azy
tsy voatery ho resaka tahotra sy hakiviana le izy rakapy fa le fika fitoriana ny finoana amin 'ny ankabetsahan'ny Xtianina gasy mihitsy no mivaralila an.
lasa natao politika fampitahorana no nasesika voalohany t@ ilay famparitahana ny finoana! hany ka lasa biby fampitahorana sy fanakanana hivaky loha sy fiborkena resaka tsy tiana hibolisatra ilay Jesoa
HO AN'NY OLONA SASANY!
raha vao ilay heo "satria ho'zy" no miala any dia efa borka izay..

Za mino an-dra jesoa sy ny kristianisma fa ny ahy tsy raisiko arak'izany, nefa dia ekeko sy tsy laviko mihitsy ny fahamarinan'io lazainao io
4. fijo ( 16/01/2008 22:02)
izay mihintsy.fampitahorana no nibahana tamin'ny fampianarana ny kristianisama tany ka lasa ,gadra le izy.
5. rakapy ( 16/01/2008 22:03)
Ika> Ka izay politika fampitahorana izay indrindra anie ilay no lasa tahotra ka miborke ny fivelaran'ny sainy.Ary ny tena mampalahelo dia matetika dia ireny olona manana olana eo @ fiainana ireny no attaquer-ndry lerony satria mitady famonjena ka dia sintoniny amin'ny tendany. Tsy milaza aho fa ny kristianina rehetra no manao an'io fa ny ankamaroany indrindra fa ny any ambanivohitra.
6. fijo ( 16/01/2008 22:05)
ao fa hoavy aho hisarika izay tavela e
7. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:07)
dia izay ilay ilazako azy hoe jereo @ fomba hafa ilay izy...
nomena saina natao hivelatra fa aza ferana @ soratra ilay izy... tadiavo ivelan'ny soratra ny famonjena...

Rakapy> ay 'taoko tambanivohitra vakinankaratra fa ahako tsary manao an'io koah!:-D
8. fijo ( 16/01/2008 22:09)
ahako hoa jerena fa hoavy aho e
9. rakapy ( 16/01/2008 22:13)
Aho koa avy tany atanana no nilefa nohon'ny afitsokin'ny mpivalakaboka koeh!:-D:-D:-D
10. fijo ( 16/01/2008 22:15)
hi hi hi
11. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:16)
ka aia ve li ankizy fa mivandy ro ataony any dia izao jesosy izao ro ataony tankom-pilangalangagany..
aia ro tsa hihinjika!
12. fijo ( 16/01/2008 22:18)
ka io no mampandeha ny varotra ko
13. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:28)
ka raha bizna.. tsary any andrenivohitra ve no tokony handeha kokoa?

somary HS fa ny ahy izay no hitiavako ilay hoe raha fivavahana ka any ambanivohitra no resaka dia ilay manampy ny tantsaha amin'ny resaka dispansera sy ny fiainany andavanandro ireny no ankasitrahako kokoa (ilay manao asa soa izany)
noho ilay mitory teny!

saingy betsaka koa moa ato ireo 'mpitory teny" milaza fa "tsy ilaina ny asa soa"


dia ny mahagaga sy mahazendana anefa avy eo.. izy mandefa ny fianakaviany sy mandrato zavatra @ ireny mpanao asa soa ireny an ("sekolina misionera ohatra")

'ty fiainan'ity.... be ny mpitory teny miatsaravelantsihy"
14. rakapy ( 16/01/2008 23:18)
Ka io anie ry Ika ilay hoe omeo anay ny fanananao de omeko anao ny lanitra ,(izay tsy fantany mazava ny fisiany) :-D:-D:-D Ampitahorany sy tezainy ny olona mba hanaraka ny voalaza anaty baiboly de @ zay mora aminy ny maka ny volany sy ny fony. Tsy ny teny ao anaty baiboly no ratsy fa ilay interprete no dikotra:-D:-D:-D
15. lizabeth ( 17/01/2008 00:29)
rakapy:

Ialana tsiny eto ampiandohana raha toa ka manafintohina ny voakasika ilay lohanteny. Raha mandinika ny ankamaroan\'ny mpino kristianina ny tenako dia mahita sy mahatsapa fa TAHOTRA sy AKIVINA ary ny AKAMONA tsy avy hivaky loha matetika no mahatonga azy ireny hirona any @ finoana kristianina indrindra fa ny Malagasy. Fehezin\'ny mpandika baiboly mantsy ny sain\'ireo olona ireo mba tsy hikaroka lavitra ny momba ny natioran\'izao tontolo izao.@ zay dia mba mora ho azy ireo ny miseho ho tsara sy mahay.


zao aloha dia mpifanerasera amin\'olona kristiana fa tena ny contraire ny anao no tsapako ! olona tena miasa fa mametraka tanteraka ny vokatra amin\'Atra ary dia tena mahazendana ahy mihitsy ilay vokatra ! olona tena tsy manana tahotra sy ahiahy fa matoky foana !
tsy izay miteny hoe kristiana anie no kristiana ! raha tena kristiana no resahinao dia hilaza izy raha mahefa zavatra fa ny herin\'Atra no nahavitany izany !!! ka izany ve no atao hoe misho ho tsara sy mahay ? tsy midika izany fa tsy manan-kilema ny kristiana fa mahafantatra izay mety sy tsy mety \"eo anatrehan\'Atra\" ka mahatsiaro mibebaka raha sendra tafiditra ao am lay tsy mety...
bref,sao dia ilay finoana kristiana no tsara dinihinao aloha àry???
16. rakapy ( 17/01/2008 00:45)
Lizabeth> Ny toerana hitantsika anagamba no samihafa. Ny hilazako hoe kamo anie dia tsy ilay famokarana fa ilay fikarohana ara-tasina. Matetika dia matahotra na tsy sahy ny hikaroka lalindalina ny momba ny zava-misy indrindra fa ny voa-janahary. Tonga dia mipetraka eo amin'ilay vali-teny hoe " ka izay no nanaovan'A/tra azy fa aza mikaroka lalina". Ekeko fa izay no nanaovany azy nefa inona no maha-diso raha mamakafaka izay mba takatry ny saina izay nanaovany azy?
17. Rasiligaoma ( 17/01/2008 01:05)
ilay perspective no mitondra an'io..
ilay coté havanana no hitan'i lisabeth fa aza adino ny coté havia.
mivoaha ivelan'ny trano fivoahana
18. lizabeth ( 17/01/2008 01:25)
rakapy:

Lizabeth> Ny toerana hitantsika anagamba no samihafa. Ny hilazako hoe kamo anie dia tsy ilay famokarana fa ilay fikarohana ara-tasina. Matetika dia matahotra na tsy sahy ny hikaroka lalindalina ny momba ny zava-misy indrindra fa ny voa-janahary. Tonga dia mipetraka eo amin'ilay vali-teny hoe " ka izay no nanaovan'A/tra azy fa aza mikaroka lalina". Ekeko fa izay no nanaovany azy nefa inona no maha-diso raha mamakafaka izay mba takatry ny saina izay nanaovany azy?


ka zay nge hoa e ! ilay olona dinihinao mihitsy no manana toetra tsy tena kristiana fa raha tsy izay mahavita manazava aminao izy nohon'ny fandinihiny sy ny fiainany ny tenin'Atra ! ohatra hoe manontany azy ianao hoe maninona no tsy maintsy maty ny olona ka havaliny hoe "ka izay no nanaovan'Atra azy"...dia tsy dia tena kristiana loatra! fa koa raha hoe valiny ivelan'ny tenin'Atra, siantifika ohatra, no omeny anao, dia mety hoe tia karokaroka izy, araka ny fijerinao, fa tsy amin'ny maha kristiana azy...! misy koa tokoa anefa zava-misy izay tsy ahitana valiny fa an'Atra irery : maninona ohatra no maty i ranona fa tsy i ranona ! tsy dia mila anakarana saina loatra angamba izany hoy aho ! raha tsy dia misy tanjona dia tsy ilaina loatra ny fikarohana raha ny hevitro...!
19. rakapy ( 17/01/2008 02:57)
Lizabeth> Raha tsy nisy ireo olona mikaroka sy manetritena ary mirisika ho an'ny fahasoavan'olombelona dia tsy toy izao isika. Tsy midika akory izany fa tonga lafatra ny tany @zao .Ka nefa kosa dia aza odiana tsy hita ny ezaka sy fikarohana izay ataon'ireny olona ireny amin'ny maha olombelona azy. Na ny baiboly izay hinoanao io anie ka vokatry ny fikarohan'olombelona no ahafahanao mamaky azy isan'andro.
Raha niteny ianao hoe maninona i ranona no maty fa tsy ranona? Dia valiana fotsiny hoe satria izay no sitrak'A/tra. Ny tanjona dia tsy lany eo @ olombelona.Ary ny olombelona dia mihezaka hatrany hiady @io fahafatesana io fa tsy mijanona @zao fotsiny.Porofo ,firifiry ny aina efa voavonjy vokatry ny fikarohana.Nefa koa dia mbola maro ny mbola hitadiavana hevitra. Nefa matetika dia lazaina fa mihezaka mi defi an'A/tra ireny olona mikaroka ireny.
20. koioty ( 17/01/2008 08:33)
matahotra izy satria sao tsy vita ny asa fitoriana tonga ny Tompo,azo lazina hoe kamo izy satria vitsy ny mpitory nefa zao tontolo izao midadasika be nefa tsy kivy izy fa mametraka ny asa fitoriana eo am'pelatanan'ny tompon'ny asa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0682