Tenin'Andriamanitra vs. filozofian'olombelona

1. LazaDaddy ( 24/10/2007 00:09)
Filozofian'olombelona:
"andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina loatra angamba io resahina io satria izao:
- Ny fanampian'Andriamanitra dia vokatry ny Fitiavany izay "unconditional". Ka raha vao misy "condition" dia tsy izy izay.
- Tia antsika foana Andriamanitra fa ny olona no mety ho tsy mandray Azy noho ny antony maro (Ohatra: fiheverana fa mahavita tena, fieeboeboana,...)

Tenin'Andriamanitra:
"Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany." Marka 8:34-35

- manda ny tenany
- izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy

répondu par JAOANJARA le 06/07/2015 10:10
2. cutie ( 24/10/2007 01:07)
Tenin'Andriamanitra:
"Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany." Marka 8:34-35

ka io no atao we kristiana
refa tsy mahavita an;io de tsy kristiana zay :lol:
3. soanja ( 24/10/2007 01:28)
LazaDaddy:

Filozofian'olombelona:
"andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina loatra angamba io resahina io satria izao:
- Ny fanampian'Andriamanitra dia vokatry ny Fitiavany izay "unconditional". Ka raha vao misy "condition" dia tsy izy izay.
- Tia antsika foana Andriamanitra fa ny olona no mety ho tsy mandray Azy noho ny antony maro (Ohatra: fiheverana fa mahavita tena, fieeboeboana,...)

Tenin'Andriamanitra:
"Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany." Marka 8:34-35

- manda ny tenany
- izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy

Raha izay ny zavanitranga dia tsy tokony nandefa ny didy folo Izy sy ny Zanany ary ny hafany be dia be mifandraika amin'ny fanompoana Azy.

Sa ve resako fotsiny ireo didin'Andriamanitra ireo raha izay????

Ny fanampiana ny tenanao dia ny fitazomana ny hafatra nalefany ary ny fampiharana Azy amin'ny tenanao sy ny hafa. Io dia filozofia entin'ny olombelona hanampiany ny olombelona mba hahatratra ilay takian'Andriamanitra amintsika. Raha ratsy ny filozofia voalaza ka manimba ilay olona na ny hafa dia tsy hafany izay fa raha hafa.

4. LazaDaddy ( 24/10/2007 01:38)
Soanja> inona tokoa ny antony nandefasany ny Zanany?
5. soanja ( 24/10/2007 01:46)
Mba hitondra famonjena antsika ka!
Tsy nisy nahita an'ilay zanany anefa isika fa efa hafatra no azontsika dia 'ny Teniny'.
Ka amiko raha tsy manomboka amin'ny fanampianao ny tenanao hizotra amin'izany lalana izany ianao, mivonona, manolon-tena: fibebahana, fiderana, fisaorana ary fiahiana ny hafa dia tsinotsinona izany. Amiko ilay hoe ampio ny tenanao dia satria tonga taty i Jesoa mba hanaovatra anao saingy ianao mila vonona handray azy aloha vao miasa Izy.

Asa anefa izay finoanao fa izay ny amiko Kristianina.
6. LazaDaddy ( 24/10/2007 02:06)
tonga taty i Jesoa mba hanaovatra anao saingy ianao mila vonona handray azy aloha vao miasa Izy

1) amin'i soanja izany ny dikan'ny hoe "fanampiana tena" dia fandraisana an'i Jesoa sa misy zavatra hafa ankoatr'izay?

2) i Jesoa amiko Kristianina dia miasa foana na vonona ianao na tsy vonona :). Saingy rehefa tsy vonona ny olona dia tratran'ilay "surprise".

7. soanja ( 24/10/2007 02:49)

Ny fanampiana ny tena dia ny fahavonona handraisana an'i JESOA. Ka raha tonga izy dia misaotra an'Andriamanitra. Raha tsy tonga Izy dia isaorana azy foana izay vitany hatramin'izay.
Ny fandraisana an'i Jesoa izany manko amiko dia grace of God e! Tsy ianao no mila dia mahazo fa Izy no tonga ao aminao hiasa ao aminao. Safidiny io.
Izy ihany no manampakevitra amin'izany fa tsy Isika akory. Mivonona no asantsika.

Amiko raha tsy hoe efa misy fikasan'Andriamanitra aminao, mba hitondra ny hafany na hanaovany fahagagana hisokafan'ny mason'ny hafa dia tsy hiasa ao aminao Izy, raha manda azy ianao.

Ankoatr'ireo vahoaka voafidy moa izany mazava ho azy.

8. niryna ( 24/10/2007 04:47)
LazaDaddy:

Filozofian'olombelona:
"andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina loatra angamba io resahina io satria izao:
- Ny fanampian'Andriamanitra dia vokatry ny Fitiavany izay "unconditional". Ka raha vao misy "condition" dia tsy izy izay.
- Tia antsika foana Andriamanitra fa ny olona no mety ho tsy mandray Azy noho ny antony maro (Ohatra: fiheverana fa mahavita tena, fieeboeboana,...)

Ka ny olombelona no niteny an'io fa tsy Izy,Sa mahita izany ao anatin'ny teniny hianao?
Atra dia manampy tokoa ireo olona izay tsy afaka manampy ny tenany intsony.Lany hery teny rehetra teny ka tapi-dalan-kalehy dia manatona Azy.Miandry antsika foana Izy na misy ny fahoriana na fifaliana.Ao anaty fahoriana no tena vao maika mahita ny tena heriny isika.

9. Rasiligaoma ( 24/10/2007 05:05)
LazaDaddy:

Filozofian'olombelona:
"andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina loatra angamba io resahina io satria izao:
- Ny fanampian'Andriamanitra dia vokatry ny Fitiavany izay "unconditional". Ka raha vao misy "condition" dia tsy izy izay.
- Tia antsika foana Andriamanitra fa ny olona no mety ho tsy mandray Azy noho ny antony maro (Ohatra: fiheverana fa mahavita tena, fieeboeboana,...)

Tenin'Andriamanitra:
"Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany." Marka 8:34-35

- manda ny tenany
- izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy

Ny tantaran'ilay olona anankitelo nomena talenta angamba no mahafehy ito resak'i L tsy D ito
nanampy ny Tenany sy nampiasa mokondoha nampitomboana ilay "talenta" izy roalahy ... hainareo ny tohiny.
Raha misy tia hanaraka ahy.. dia ireto no ataovy=ampio aloha ny tenanao hanatanteraka ireto (dia notanisainy ireo zavatra tokony hatao) no zavatra tian'i Jesosy ambara eto. Tsy hoe ampiany isika amin'ireo fa isika ihany no manampy ny tenantsika.

10. LazaDaddy ( 24/10/2007 06:23)
dia mbola hoy koa ny Tenin'Andriamanitra ao @ Salamo 127 hoe:
[size=14]
Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.[/size]

11. Rasiligaoma ( 24/10/2007 06:28)
fa tsy nanao koa hoe pouf pouf Jehova dia nitsangana ny trano!
Fa nila nikandra ihany ny mpandalotra
12. LazaDaddy ( 24/10/2007 06:40)
Andriamanitra manampy izay miantehitra aminy sy manaiky fa tsy afaka manampy ny tenany :)

13. Jeankely ( 24/10/2007 06:42)
Ny tenin'Andriamanitra no nakan'ny olombena sy nisainany ary nahitany Filozofia tsara. Aza adino fa misy ny Filozofia tsy mamely ary mitarika any @'ny tsy izy ka tsy ireny no tiako lazaina. Ny mpanao Filozofia no tena mino an'Andriamanitra fa ny fomba filazany azy no hafa. Ohatra @'izany ireo malaza rehetra tsy tanisaiko nianaran'izay niantra tany ampianarany.
Ny filozofian'ny olombelona sasany dia tsy ny fahendrena tanteraka no katsahina fa izay mahafaly azy eto ambonin'ny tany. Tsy tia ahalala izay mety sy tsy mety izy fa rehefa ahazoany tombony dia ataony na hamonoana olona aza. Mandeha ny lainga, ny fitaka rehetra mba ahavitana izay tiana hatao. Tsy misy izany fa mandrara ny fanaovana izany ny tenin'Atra.
14. LazaDaddy ( 24/10/2007 06:52)
JeanKely> ka tsy izany ve no mahatonga ny Soratra Masina milaza fa "ny fahendrena @ olombelona dia fahadalana @ Andriamanitra?"

Satria mikafiry hanampy mafy ny tenany fa tsy mihevitra ilay "grace" =))

Ny statistika dia milaza fa 75% an'ny mpino any Etazonia dia mino (minomino foana tokoa) fa voasoratra ao anaty Baiboly ny hoe "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany". Kanefa mpanao politika no namorona an'io!

15. Kwasi ( 24/10/2007 10:20)
Mitovy hevitra @ i Rasiligaoma aho @ ity resaka ity.

Raiso ity tranga ity: raha misy olona 2 hanao fanadinana (samy mpino ireo), ny iray miezaka mianatra, manao revision sns sady mangataka ny fitarihan'Andriamanitra ; ny iray kosa mieritreritra fa tsy dia ilaina loatra izany izany fa Andriamanitra efa handamina ny zavatra rehetra, mila atao mafonja tsara fotsiny ny vavaka.

Ho anareo, iza no mety ho afa-panadinana?
16. Fody ( 24/10/2007 10:36)
Kwasi sy rasiligaoma: miombon-kevitra aminareo ny tenako.

Laza: aza mamela an'Andriamanitra hiasa irery satria isika dia efa nataony ho mpiara-miasa aminy (co-createur). Ny fahasoavana dia natao hampiasainy toy ny talenta rehetra, ka izay mampiasa ny fahasoavana azony ihany no hahazo fahasoavana be indrindra. Izany hoe: ny fahasoavana azo dia maniraka hiasa fa tsy hiantehitra fotsiny amin'ny herin'Andriamanitra.
17. LazaDaddy ( 24/10/2007 10:46)
Fody> izaho angaha moa miteny hoe aza ampiasaina ny talenta? Ny toheriko ankitsirano dia ny filazana fa "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany". Io amiko dia "filazantsara hafa" fa tsy ny Filazantsaran'Ilay Andriamanitra Nahary.

18. Jeankely ( 24/10/2007 10:55)
Tsy resaka filazan-tsara ihany ny resaka Andriamanitra tompoko o. Hafa ny manana finoana sady miezaka. Na hiady totohondry iray mahatorana olona na mahafaty miaraka @ finoana. Resaka ady moa zavatra ratsy fa fomba nanomezako ohatra fotsiny iny.
19. soanja ( 24/10/2007 11:01)
LazaDaddy:

Andriamanitra manampy izay miantehitra aminy sy manaiky fa tsy afaka manampy ny tenany :)

Izay indrindra mantsy e.
Andriamanitra manampy IZAY MIANTEHITRA aminy. Zany hoe mila miantehitra ianao vao manampy izy. Isn't there a condition? Ianao dia ianao no maka decision hoe hiantehitra aho na tsia. Misy fandraisana andraikitra ao ary io dia midika hoe fahatongavan-tsaina hanampy ny tena.

Ilay tohiny hoe fa manaiky fa tsy afaka manampy ny tenany kosa dia diso be.
Satria tsy mbola nazavain'i LD foana ny voalazan-dRatsiligaoma hoe le resaka talenta.
Azon'i LD ve io fanoharana io? raha azonao io dia azavao ary.

Omeo aloha ny fanazavana hoe HIANTEHITRA AMIN'ATRA AHO
Raha ny fahazoakoa azy aloha amin'ny tianareo resahina dia hoe "stay put 'cause I'm gonna come to save you".

Tsia , tsy izay le izy raha toa ka te hitory ny vaovao mahafaly ianao.

Hilaza aminao Andriamanitra fa ataovy vonona ny fitaovana fa ho avy Izy hamelona azy. Ny fahavononana anefa dia arahin'asa foana tompoko fa tsy vitan'ny milalao tanana.

Ny olanareo anie tompoko dia satria tsy ao anaty baiboly ilay teny dia tsy tenin'Atra izay.
Nefa diso ianareo satria AFAKA MANDRAY NY FANAHY MASINA NY OLONA IRAY ARY AFAKA MANDRAY HAFATRA AVY AMIN'ATRA KOA ARY MIZARA.

20. LazaDaddy ( 24/10/2007 11:08)
soanja:
Zany hoe mila miantehitra ianao vao manampy izy
Tsia ka! Izaho tsy niteny hoe tsy manampy afa-tsy izay miantehitra aminy Andriamanitra fa somary nanitatra kely ianao teo :)

Manampy ny rehetra tsy mila "condition" Andriamanitra fa rehefa toherinao ny fanampiany dia tsy hisy vokan-tsoa aminao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0494