Tenin'Andriamanitra vs. filozofian'olombelona

61. prime ( 26/10/2007 11:50)
rabilabila:
ny tenin'andriamanitra kosa dia nilatsaka avy any an-danitra amin'ny alàlan'ny revirevy sy ny profeta isan-karazany .
... hay moa izany tokoa no fahitanao azy?

Hoy ny tenin'Andriamanitra izay, amin'ny anaran'i Jesosy :

"Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy." Ohabolana 1:7

"Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina." Ohabolana 2:6
62. fijo ( 26/10/2007 21:32)
prime,ny fahitanareo mpino azy dia io.fa tsy voatery hitovy ny fahitantsika azy.
63. LazaDaddy ( 26/10/2007 21:44)
fijo> tsy voatery hitovy tokoa ny fahitantsika. Fa ny fahamarinana tsy miankina @ fomba fahitantsika anefa :)
64. fijo ( 26/10/2007 21:47)
ka ahoanano hilazana fa tena marina le itanareo????
65. Jeankely ( 27/10/2007 02:50)
Raha manana ny Filozofianao ianao dia avohay hianaran'ny hafa eran'izao tontolo izao. Raha toa ka mpianatra sy mpanaradia ny hevitra navoakan'ny filozofa isankarazany dia mpanaradia izany. Ka raha samy mpanaradia dia hafa ny mapanardia an'Andriamanitra na lazainao revirevy io na ahoana ary hafa ny tsy misy hazondamosina fa manaradia izay hevitra avoakan'ny olombelona filozofa malaza fotsiny. Aleo hivavaka ny mpino ary araho ny hevitry ny sasany rehefa kely mokondoha.
66. niryna ( 27/10/2007 03:55)
Jeankely:

Raha manana ny Filozofianao ianao dia avohay hianaran'ny hafa eran'izao tontolo izao. Raha toa ka mpianatra sy mpanaradia ny hevitra navoakan'ny filozofa isankarazany dia mpanaradia izany. Ka raha samy mpanaradia dia hafa ny mapanardia an'Andriamanitra na lazainao revirevy io na ahoana ary hafa ny tsy misy hazondamosina fa manaradia izay hevitra avoakan'ny olombelona filozofa malaza fotsiny. Aleo hivavaka ny mpino ary araho ny hevitry ny sasany rehefa kely mokondoha.

=))

IKORINTIANA 2

13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay.

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.

15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.
67. Jeankely ( 27/10/2007 07:32)
Izay indrindra. Mazava ny anao saingy tsy mpanadalina Baiboly aho ka tsy afaka mitanisa andalana. izay no mahatonga ahy manazava azy tsotra tsisy Andininy. Betsaka ny tia hiavaka nefa tsy malaza sady avy eo mpanaraka ny zavatra hitan'olona. Misehova raha INTERNATIONAL ny filozofianao isehovanao mahay ity. Hoy e izaho Ra-bilabilaka e, Andriamanitra tsisy e sns=))=))=))
68. rabilabila ( 28/10/2007 01:03)
-Raha ny hevitro no tsy tiana ==> attaqur-o ny hevitro.

-Raha izaho no tsy tiana ,dia tsy fantatro loatra ny antony ,na mety ho fantatro ihany hoe :misy olona tsy mahatanty ireo olona tsy mitovy hevitra aminy.
Tsy misy mahafantatra ahy eto ,ary tsy toerana fanomezana CV ,tsy nisy olona niara-niandry gisa tamiko ,ka raha fomba fiadiana hevitra ny attaque perso dia milaza izany fa :Tiana avadika ny resaka satria tsy manana arguments afaka ampiadiana amin'ny hevitro.Raha ny hevitro mantsy no manelingelina dia hevitra no hamaliana azy .Io attitude io no anisan'ny atao hoe :" imposture intellectuelle ".

Etsy an-daniny anefa dia tsy manakana n'iza na iza aho hanao izany ,raha izay no fomba fiadiany hevitra , MANOME VONINAHITRA AHY IREO MANAO FOCALISATION AMIKO satria matoa aho attaquer-na dia mi-déranger aho izany.


Marihiko fa maro ny NAMANA mifanakalo hevitra amiko eto ary amim-panajàna tanteraka na tsy mitovy hevitra amiko aza ,satria hevitra no ampiadiana .

Am-pitiavana ,'zay fotsiny.
69. soanja ( 28/10/2007 01:45)
Rabilabila > tena marina ny teninao. Manaja anao hatrany amin'ny hevitrao na hoe ny tsy finoanao. :-*
70. ikaretsaka ( 28/10/2007 01:31)
-Raha ny hevitro no tsy tiana ==> attaquer-o ny hevitro.

(AMPIAKO HOE DIA ALEFASO NY POROFO SY NY ARGUMENTS MAVESA-DANJA)
bien rabilabila... tena marina sy miombona @ ny teninao koa ny aty
71. Jeankely ( 28/10/2007 05:06)
Asehoy raha manana CV azo aseho fa tsy olana. Ny fantatro dia tsy misy Filozofia Ra-bilabilaka izany rehefa nanokatra google aho=))=))=)). Ny hevitra mihintsy no midonaka afo eto fa iza no mahalala na mitady izay mombamomba anao? Raha izaho aloha tsy misy ilako olona tsy mino Andriamanitra.
72. rabilabila ( 28/10/2007 07:37)
Ca a le mérite d'être claire!!

Quelle belle preuve d'intolérance !!!

bref!!passons.
73. Fody ( 28/10/2007 08:03)

Raha izaho aloha tsy misy ilako olona tsy mino Andriamanitra.

Raha kristiana ianao, dia ahoana ny fahazoanao an'ity?

43 Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

48 Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.

Matio 5, 43 - 48
74. Rasiligaoma ( 28/10/2007 15:01)
Betsaka koa ny fanoharana momban'ny samaritana a
ny tantaran'ny Jentilisy hahazo toerana tsaratsara kokoa
sy ny sisa?
Mba hafahafa koa izany kristianisme an'i Ra Jeankely izany!
izao ve tsy manao ilay lazain'i ika hoe ilay soi-disant Kristianina fa izay" tiatiana sy metimety amin'ny tena ihany no atao"
75. xxx ( 28/10/2007 19:44)
Fanontaniana tsotra kely:
Iza loatra no niteny hoe tenin'andriamanitra io ary nitondra porofo amin'izany v izy ??
76. ikaretsaka ( 28/10/2007 20:07)
le tenin'andriamanitra aiza izany?

77. Jeankely ( 29/10/2007 07:37)
Fa iza no nilaza tamiano fa Christian Jeankely? Andriamanitra no noresahiko fa tsy Jesosy.
78. fijo ( 30/10/2007 23:17)
mampalehelo ny mpino sasany eto,fa tena mifanohitra ny hinoany sy ny fihetsiny.

eto dia misinisy ihany ny mpino no manenjika olona mivantana fa tsy ny heviny.anjaranareo no mitsara raha izay no fahendrena nampianarina anareo.

ny hevitra wa ampiadiana eto,fa tsy isika no miady.mba hianaro izay ry mpino sasany malemy finoana.
79. Rasiligaoma ( 31/10/2007 03:23)
ka tsy takatry ny olona borné letsy izany ry fijo a
ny azy stereotype foana no hijeren'ny an'ialahy!
Ra Fijo indray ssssss
Rasiligaoma indray
i Cutie sy i papoose indray
Ikaretsaka sy ry pissoa sy ry tywa68 sy ry ari.malala sy ry xxx indray
i Niryna sy I salmo1 indray
i Prime sy LD indray
Tsaramaso indray
I Soanja indray , sy ny sisa
Dia tsy ny hevitra no jerena sy vakîna fa hoe i Fijo tsy maintsy hanohitra, Ika sy ny namany tsy maintsy hiteny hanazava ny momban'ny "tsimpona" sy ny Mandinin-tena"
i Niryna sy salmo hanao resaka tsy fantatra hoe aiza no tiana hahatongavana
i Cutie sy i papoose:-D
nefa indraindray tena mifampiankina ilay hevitr'ilay olona lazaina ho stereotype, indraindray mifameno, fa tsy voatery hifanohitra
80. LazaDaddy ( 31/10/2007 03:29)
fijo:
mampalehelo ny mpino sasany eto,fa tena mifanohitra ny hinoany sy ny fihetsiny
raha tsorina io teninao io dia misy mpihatsaravelatsihy aminay milaza fa "mpino" eto. Mampalahelo tokoa fa ifonako aminao raha naha-tohina anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0102