Tenin'Andriamanitra vs. filozofian'olombelona
21. LazaDaddy
(
24/10/2007 11:12)
LazaDaddy:
Andriamanitra manampy izay miantehitra aminy sy manaiky fa tsy afaka manampy ny tenany
Soanja:Hitanao mibaribary amin'izay ilay fanitarana nataonao t@ ilay nambarako? :)
Zany hoe mila miantehitra ianao vao manampy izy
22. soanja
(
24/10/2007 11:19)
LazaDaddy:
soanja:Tsia ka! Izaho tsy niteny hoe tsy manampy afa-tsy izay miantehitra aminy Andriamanitra fa somary nanitatra kely ianao teo :)
Zany hoe mila miantehitra ianao vao manampy izy
Manampy ny rehetra tsy mila "condition" Andriamanitra fa rehefa toherinao ny fanampiany dia tsy hisy vokan-tsoa aminao.
Ka hazavao ary le fanoharana lazain-dRasiligoma ary e.
Ahoana koa ireo didy be dia be nomen'Andriamanitra antsika ireo. Hovakiana fotsiny ve ireo?
Ny hoe "unconditional" anie dia hoe na EFA NANOTA AZA IANAO KA MIBEBAKA DIA IZY HANDRAY ANAO E!
Ilay asa faharoa: Mibebaka io no mitondra ny rehetra.
Fa tsy hoe manaova izay tianareo atao fa zah tia anareo foana. Mamonoa olona, mangalara, mamitaha olona sns dia mbola tiako foana ianareo. Zay ve?
23. LazaDaddy
(
24/10/2007 11:29)
Soanja>
1) soa fa ny teniko no nitarinao fa tsy ny Tenin'Andriamanitra.
2) mampalahelo fa ny tenin'ny mpanao politika toy itony no manana "authority" goavana amin'ny olona noho ny Tenin'Andriamanitra.
3) Ilay ohatra nomen'i Rasiligaoma tsy hitako izay hidirany eto no tsy namaliako azy.
4) raha mitady ohatra ianao dia jereo akaiky ny tilikambon'i Babela. Tena niezaka nanampy ny tenany ry zareo kanefa nisy fiantraikany taminy loatra ve ny fanampian'Andriamanitra?
1) soa fa ny teniko no nitarinao fa tsy ny Tenin'Andriamanitra.
2) mampalahelo fa ny tenin'ny mpanao politika toy itony no manana "authority" goavana amin'ny olona noho ny Tenin'Andriamanitra.
3) Ilay ohatra nomen'i Rasiligaoma tsy hitako izay hidirany eto no tsy namaliako azy.
4) raha mitady ohatra ianao dia jereo akaiky ny tilikambon'i Babela. Tena niezaka nanampy ny tenany ry zareo kanefa nisy fiantraikany taminy loatra ve ny fanampian'Andriamanitra?
Manampy ny rehetra tsy mila "condition" Andriamanitra fa rehefa toherinao ny fanampiany dia tsy hisy vokan-tsoa aminao.
24. soanja
(
24/10/2007 11:51)
Resaka samihafa kay no resahantsika. :-D:-D:-D
Tokony miteny ianao ery ambohalohany izany hoe Manampy ny tenany ho hahaleo tena hi-challenge an'Atra sns. De mazava ny resaka.
Ny fanampiana tena manko dia isan-karazany fa tsy iray ihany no tanjona.
Izay anie ny olana LD e. Ny authority na olona politika matoa henoin'ny olona dia satria mahita vokatsoa izy ka. Izy tsy mahalala izay any anatinao any fa ny ety ivelany no tarafiny. Influence no miasa.
Raha tsy miasa ny Kristianina mampihatra ny tena voalaza ao anaty baiboly dia zava-poana ny zavadrehetra. Tsy handaitra mihitsy ny toriteny eo imason'ny tsy mpino sy izay mbola marefo ara-pinoana.
Tsara ny miantehitra amin'Ny FANAHY MASINA amin'ny fiasan'ny tenin'Andriamanitra ho an'ny hafa saingy ianao mitory teny voalohany sy fikambanana hidirany mila modely voalohany amin'izany.
Tsy ianao LD akory no resahiko fa ny rehetra izay te hitory ny tenin'Atra. :):-*

25. LazaDaddy
(
24/10/2007 11:56)
Tsara ny miantehitra amin'Ny FANAHY MASINA amin'ny fiasan'ny tenin'Andriamanitra ho an'ny hafa saingy ianao mitory teny voalohany sy fikambanana hidirany mila modely voalohany amin'izany.ka rehefa ny Fanahy Masina no mitoetra ao aminao dia anjaranao ny mamaly hoe iza no manampy anao :)
26. prime
(
24/10/2007 11:59)
LD> mitombina ara-tsoratra masina ny voalazanao...
rasiligaoma> ilay ohatra nentinao no tsy mifandraika loatra amin'ity "filozofian'olombelona" etoana ity... ny fanoharana mikasika ny talenta notsongainao tsy miresaka fanampian'Andriamanitra vokatry ny ezaky ny tena fa fanoharana ny amin'ny finoana sy ny fanjakàn'ny lanitra ary ny mpanompo mahatoky...

27. LazaDaddy
(
24/10/2007 12:00)
Dia hamafisiko indray fa lainga aparitak'ilay Satana mpanao politika be fikaf ika ny fitenenana fa "andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Indrisy anefa fa na ny mpitondra fiangonana maro aza ankehitriny miteny an'io tsy am-piheverana.

28. Fody
(
24/10/2007 12:12)
Tsy mety kosa ry Laza ny mampiankina ny olona fotsiny amin'ny fahasoavana a! Tsy maintsy entanina ny olona hiara-hiasa amin'Andriamanitra. Izay no izy sy marina.
Tsy misy condition tokoa ny fanampian'Andriamanitra noho izy fitiavana, nefa fantatro fa ny vavaka dia TOLONA fa tsy sento akory. Ka na ny fianteherana amin'ny fahasoavan'Andriamanitra aza dia efa mitaky ezaka. Tsy ho tsapa mihitsy ny herin'Andriamanitra raha tsy misy ny ezaka avy amin'ny tena manatona azy, sy mananatotosa izay atao. Izay no safidy. Ary izay no ilazana fa Andriamanitra ts manampy izay tsy manampy ny tenany. Izany hoe: manaja ny safidin'ny tsirairay Andriamanitra.

29. LazaDaddy
(
24/10/2007 12:21)
Fody> Azoko ny tianao ahatongavana fa vakio tsara aloha ilay fitak'ilay Satana sao tsy mifandray @ adihevitra ny resakao.
Hoy izy: "andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Dia tena tsy manampy tokoa ve Andriamanitra? io ny adihevitra eto :)

30. Fody
(
24/10/2007 12:44)
Tsy manampy izay tsy manaiky hampiny izy, ary tsy manampy izay tsy vonona ny hiasa koa: Jereo ilay fanoharana momba ny talenta. Moa tsy nalainy hatramin'ny kely nanan'ilay nandevona ny talenta ve?
Tsy misy fitak'i satana ao na kely aza, fa ianao no mety voafitany ka mitarika ny olona hiantehitra fotsiny amin'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay mifanohitra tanteraka amin'ny Soratra Masina, sy amin'ny maha olona.

31. LazaDaddy
(
24/10/2007 12:50)
Fody> ianao ihany ry Fody no manohitra ny teninao :)
Hoy ianao: Tsy manampy izay tsy manaiky hampiny izy
Nefa eo ambony kely ao ianao milaza fa: Tsy misy condition tokoa ny fanampian'Andriamanitra noho izy fitiavana
Na manaiky ampiany ianao na tsy manaiky dia manampy anao foana Izy. Ho aho ery ambonmbony ery hoe: Manampy ny rehetra tsy mila "condition" Andriamanitra fa rehefa toherinao ny fanampiany dia tsy hisy vokan-tsoa aminao.

32. pissoa
(
24/10/2007 12:56)
Raha azoko tsara ny tenenin'i LazaDaddy dia tsy Mahefa ny zava-drehetra izany Andriamanitra ? Satria tena manampy Izy, tsy misy fepetra ... saingy tsisy vokany ny fanampiany ! :-D:-D:-D
Dia inona ny kay izany ny dikan'ilay Lioka Toko 11, indrindra ilay 5-13 io ?

33. Fody
(
24/10/2007 13:02)
Tsy misy condition tokoa ny fanampiny saingy tsy afaka manery ny olona noho izy fitiavana. Izay no efa nohazavaiko tetsy ambony. Izany hoe manaja ny safidin'ny olona izy.
De ahoana ity:
De ahoana koa io lazain'i pissoa io: Lioka 11, 5-13
De ahoana ity:
Jereo ilay fanoharana momba ny talenta. Moa tsy nalainy hatramin'ny kely nanan'ilay nandevona ny talenta ve?
Tsy misy fitak'i satana ao na kely aza, fa ianao no mety voafitany ka mitarika ny olona hiantehitra fotsiny amin'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay mifanohitra tanteraka amin'ny Soratra Masina, sy amin'ny maha olona
De ahoana koa io lazain'i pissoa io: Lioka 11, 5-13
34. xxx
(
24/10/2007 13:07)
LazaDaddy:
Filozofian'olombelona:
"andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Tsy ilay Andriamanitra inoan'ny Kristianina loatra angamba io resahina io satria izao:
- Ny fanampian'Andriamanitra dia vokatry ny Fitiavany izay "unconditional". Ka raha vao misy "condition" dia tsy izy izay.
- Tia antsika foana Andriamanitra fa ny olona no mety ho tsy mandray Azy noho ny antony maro (Ohatra: fiheverana fa mahavita tena, fieeboeboana,...)
- Afaka manao ariary zato am-pandriana izany?
- Miangatra ilay fanampiana izany raha "unconditional" satria misy olona tena mijaly ary misy olona tena tsy mahafantatra fahoriana....hany ka mampionon-tena hoe "Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany".
35. LazaDaddy
(
24/10/2007 13:14)
Fody:Mazava be anie izany fa rehefa tsy misy condition dia manampy foana Izy fa tsy hoe "tsy manampy" e :) Sarotra be ve izany? :)
tsy misy condition tokoa ny fanampiny saingy tsy afaka manery ny olona noho izy fitiavana.
xxx> miangatra? Vakio Matio 20:1-16 :)
36. pissoa
(
24/10/2007 13:44)
Ny miresaka amin'i LazaDaddy no sarotra be satria toy ny fady aminao ny mandray izay nolazaina hatramin'ny farany. Toa nisy tohiny io tenin'i Fody io fa asa raha hitanao. Ny famaliana moa dia izay tiana hovaliana ihany no valiana.
Mbola misy tantara hafa koa ao amin'ny Baiboly tinao be : Jereo ao amin'ny Matio 15 ilay izy, fa misy andalana mampasiaka an'i Jesoa ao amin'ny Fanampian'Andriamanitra :-D:-D:-D
Rehefa nampiseho ny finoany an'Andriamanitra ilay Ramatoa izay i Jesoa vao nanampy azy !

25 Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: Tompo ô! vonjeo aho! 26 Nefa novaliany hoe: Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboa.
Rehefa nampiseho ny finoany an'Andriamanitra ilay Ramatoa izay i Jesoa vao nanampy azy !
37. ikaretsaka
(
24/10/2007 15:04)
:-D:-D
Miombon-kevitra amin-i Pissoa sy XXX sy ry zalahy any ambony any ny tenako @ ilay momban'ny asa
Pissoa o! aza omena tsiny i LazaDaddy fa zatran'ny "mitsimpona" e... Izay tiatiany ihany sy metimety aminy no tsiponiny fa tsy le "integre-al" ...
voalaza ao amin'ny Jenezy fa "ny hatsembohan'ny tava no hihinanana"
ary ao amin'ny Matio 7:20 eo ho eo angamba misy koa hoe
"tsy izay miantso hoe tompoko tompoko no hiditra ny fanjakan'Andriamanitra fa izay manatanteraka
dia misy koa ao amin'i Jakoba 2 ao
" Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro,ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany?

39. ikaretsaka
(
24/10/2007 16:36)
ndry koa manao fiavin'ny tafara foana tsss..
efa lasa ny sambo vao mijapy vatofantsika