Fandevenana vs. Fandorana
1. Belle
(
21/10/2007 03:33)
Olona vitsivitsy izahay no tafaresaka ka nizarazara be ihany ny hevitra. Nisy aza moa dia tena nisafoaka mafy tamiko mihitsy satria tsy toe-tsaina Malagasy velively hono ny mandotra razana.
Hitako fa tsara sy mety ilay mandotra faty noho ny mandevina mantsy satria:
1. Kely kokoa ny fahasahiranana: tsy lany vola (hafa tsy ny saran’ny fandorana), tsy mamadika avy eo (ho an’ny mpamadika);
2. Maivana kokoa ny fahoriana: eo am-piandrasam-paty mantsy dia mitsakotsako ny alahelo eo anoloan’ilay razana eo fotsiny foana no atao mandra-pandevina azy;
3. Mionona vetivety ny saina: rehefa manatrika ny fandorana dia mandre maivana (toa tsapa eo no eo fa lasa any an-danitra any ny fanahy niala tamin’ilay vatana teo, rehefa raofina ilay vovony); ilay fonosina mantsy toa ohatran’ny mijaly mafy ilay razana!!!
4. Tsy misy havizanam-batana ho ny velona: tsy miari-tory roa na telo alina misesy miaraka amin’ny fikarakarana ny fandevenana sy ny kojakoja rehetra.
5. Ny vatana dia tsinontsinona rehefa maty ka ialan’ny fanahy. Inona no tokony mbola itehirizana azy?
Toa iray ao anatin’ny zato fotsiny nefa angamba ny gasy miray hevitra amiko!

répondu par Veloo le 30/10/2007 17:35
2. xxx
(
21/10/2007 11:23)
1. Kely kokoa ny fahasahiranana: tsy lany vola (hafa tsy ny saran’ny fandorana), tsy mamadika avy eo (ho an’ny mpamadika);
Miankina amin'ny tsirairay sy ny enti-manana ! Misy tena mandany mihitsy satria izay no tiany. Tsy resaka hoe kafe sy mofo fotsiny io fa misy valeur sentimentale koa ao ambadiky ny fandaniana. Fiononan'ny olona ny fahavitana adidy amin'ny havana.
2. Maivana kokoa ny fahoriana: eo am-piandrasam-paty mantsy dia mitsakotsako ny alahelo eo anoloan’ilay razana eo fotsiny foana no atao mandra-pandevina azy;
Ianao angamba ! Izaho tamin'ny niandry faty aloha dia tsy nitsakotsako alahelo nanoloana ny razana izany fa dia nivavaka, ary nihira araka izay tratrako mihitsy aho ! Nigagana koa aza izahay tamin'ny fotoan'androny fa nihomehy foana rehefa misy azo nihomehezana.
3. Mionona vetivety ny saina: rehefa manatrika ny fandorana dia mandre maivana (toa tsapa eo no eo fa lasa any an-danitra any ny fanahy niala tamin’ilay vatana teo, rehefa raofina ilay vovony); ilay fonosina mantsy toa ohatran’ny mijaly mafy ilay razana!!!
1 - Fa inona no mampijaly ny razana rehefa fonosina ?!
2 - Raha raisina amin'ny maha-olona azy, inona no heverinao mampaory ny saina kokoa : ny olona dorana sa ny olona fonosina ?
3 - Ny hoe mionona vetivety izany ny saina : rehefa mitohy ny fiainana dia heveriko tsapa foana ny fahabangan'ny toeran'ny havana maty (indrindra rehefa tiana ilay olona) na nodorana izy na nalevina ! Ka inona no mampionona saina aminao, ny mieritreritra hoe "Nateriko atsy an-drefan-trano izy" sa ny mieritreritra hoe "Efa nodorako izy" :-D
4. Tsy misy havizanam-batana ho ny velona: tsy miari-tory roa na telo alina misesy miaraka amin’ny fikarakarana ny fandevenana sy ny kojakoja rehetra.
Ny tsy azonao dia izao : mety ho fiononana ho an'ny velona ny fahafahany manao zavatra ho an'ilay havana maty. Resaka materialy no mibahana aminao, fa ilay valeur sentimentale an'ilay zavatra tsy dia hita.
5. Ny vatana dia tsinontsinona rehefa maty ka ialan’ny fanahy. Inona no tokony mbola itehirizana azy?
Ka maninona no dorana fa tsy avela fotsiny eo honanin'ny alika raha tena tsinontsinona aminao tokoa ?
Toa iray ao anatin’ny zato fotsiny nefa angamba ny gasy miray hevitra amiko!
Mety midika izany fa tsy tsara ny hevitrao :-D:-D:-D
Pissoa
4. xxx
(
21/10/2007 12:20)
Dain tsy manaja fitsipika io i xxx io zany? :)
Ra azoko tsara izany dia vao maty ny anao dia tonga dia dorana fa tsy mba endrasana akory hoe mba hahita azy farany ny zanany rehetra, ny mpiray tampo aminy... asa, mba hafa kosa izany kle :)
Araka ilay lazain'i xxx ihany koa, mijaly kokoa ve ny fonosina noho ny dorana?
Sady izao koa e, fahasambarana hoan'ny olona nge ny manao zavatra farany ho-ana olona iray e. Izany no maha malagasy antsika. Ra mandalo any aminao zao ny RAD-nao ohatra ary mety elabe indray izy vao hiverina na tsy hiverina intsony dia tsy hanao izay mety hoazy ve ianao?
Havizanam-batana farany natokana hoan'ilay maty izay.
:-*:-*
Belle:Miankina @ enti-manana araka ilay voalazan'i xxx io fa eo @ Malagasy dia voninahitra hoazy ny mandany vola hoan'ny maty/razana. Izany hoe te handany vola mintsy izy @ famadihana ohatra. Misy kou ny olona sasany, mamono omby rehefa misy maty, hoan'ny mponina eo antoerana. Raha ny hevitrao manko dia hoe otran'ny "obligation" be tiana hialana ilay mandany vola. Kanefa ny handaniana vola hiaraha-mifaly @ olona any @ tany niaviana mintsy ny tanjona ra @ famadihana.
1. Kely kokoa ny fahasahiranana: tsy lany vola (hafa tsy ny saran’ny fandorana), tsy mamadika avy eo (ho an’ny mpamadika);
Belle:theoriquement izay le izy fa ny tena mitranga @ le voalohany mahita ilay razana ihany enao no tena malahelo be (sy @ ilay ho fonosina iny @ zay izy :cry::cry:). Ny mpiara-monina dia @ famangiana ihany no mampiseho ny fiaraha-miory. Fa @ fiandrasa-paty dia mivavaka no tena atao. Ary ny tena antony hiandrasana azy dia ny mba ahitan'ny fianakaviany sy ny mpiara-monina azy farany.
2. Maivana kokoa ny fahoriana: eo am-piandrasam-paty mantsy dia mitsakotsako ny alahelo eo anoloan’ilay razana eo fotsiny foana no atao mandra-pandevina azy;
Ra azoko tsara izany dia vao maty ny anao dia tonga dia dorana fa tsy mba endrasana akory hoe mba hahita azy farany ny zanany rehetra, ny mpiray tampo aminy... asa, mba hafa kosa izany kle :)
Belle:Miankina @ tsirairay ny fiononana. Miankina @ fifandraisana t@ ilay maty ihany koa. Na dorana io na halevina ra olona akaiky anao no maty tsy hitovy velively @ hoe dadan'ny mpiara-miasa aminao akory ny fandraisanao azy.
3. Mionona vetivety ny saina: rehefa manatrika ny fandorana dia mandre maivana (toa tsapa eo no eo fa lasa any an-danitra any ny fanahy niala tamin’ilay vatana teo, rehefa raofina ilay vovony); ilay fonosina mantsy toa ohatran’ny mijaly mafy ilay razana!!!
Araka ilay lazain'i xxx ihany koa, mijaly kokoa ve ny fonosina noho ny dorana?
Belle:araka ilay nolazaiko teo, tsy maintsy iandrasana foana io na ho dorana aza ra mbola tsy tonga ny havana akaiky izay afaka ho tonga. Donc, non lieu :-P
4. Tsy misy havizanam-batana ho ny velona: tsy miari-tory roa na telo alina misesy miaraka amin’ny fikarakarana ny fandevenana sy ny kojakoja rehetra.
Sady izao koa e, fahasambarana hoan'ny olona nge ny manao zavatra farany ho-ana olona iray e. Izany no maha malagasy antsika. Ra mandalo any aminao zao ny RAD-nao ohatra ary mety elabe indray izy vao hiverina na tsy hiverina intsony dia tsy hanao izay mety hoazy ve ianao?
Havizanam-batana farany natokana hoan'ilay maty izay.
Belle:Izay no maha malagasy antsika e. Fantatra ihany koa nge fa ho vovoka ihany iny razana iny na tsy dorana aza e. Ny tena marina d manana toerana ambony eo @ malagasy ny razana. Inona moa no antony hanaovana famadihana raha hoe ny vatana tsisy fanahy intsony iny no tena ifantohana. Fanomezam-boninahitra no tena atao fa tsy dia hoe misy fanahy sa tsia loatra.
5. Ny vatana dia tsinontsinona rehefa maty ka ialan’ny fanahy. Inona no tokony mbola itehirizana azy?
Belle:Tsy hoe miady aminao akory na manameloka anao na hoe milaza fa tsy malagasy ianao fa mety tsy mitovy ny fiaviana. Madagasikara midadasika be. Ny ao afovoan-tany aloha no lazaiko teo. Ny any anindrana mety hoe tsy dia mitovy loatra @ zay. Fa any atsimo koa otran'ny misy hoe tsy maintsy hanina doly ny ombiny... tsy haiko tsara. Dia hanameloka an'zany ve enao? Asa, aleo tsy mifampitsara satria samy manana ny fombafombany sy soatovina azy ny tsirairay na dia samy malagasy doly aza. :)
Toa iray ao anatin’ny zato fotsiny nefa angamba ny gasy miray hevitra amiko!
:-*:-*
5. ikaretsaka
(
21/10/2007 12:21)
belle tena aleo ihany mamadika sy mandevina ka..
mba misy fetsy sy mba misy zavatra hita foana .
fa tadidiko t@ OPK le tany Bira ireny fa betsaka no nihevitra ilay cendres ho carry karana dia nanao azy t@ laoka!

6. tess
(
21/10/2007 12:28)
izaho aloha raha maty de hangatiko mahitsiny mba ho dorana eè! tsy hanahirana ny olona aho amzay....hody vovoka ihany tsin de aleo alefa vovoka direkta:-P
8. lohabe
(
21/10/2007 14:22)
Belle:
1. Kely kokoa ny fahasahiranana: tsy lany vola (hafa tsy ny saran’ny fandorana), tsy mamadika avy eo (ho an’ny mpamadika);
Lafo be ny saran'ny fandorana.
Belle:
2. Maivana kokoa ny fahoriana: eo am-piandrasam-paty mantsy dia mitsakotsako ny alahelo eo anoloan’ilay razana eo fotsiny foana no atao mandra-pandevina azy;
Afaka tonga dia alevina koa ange fa tsy mila andrasana.
Belle:
3. Mionona vetivety ny saina: rehefa manatrika ny fandorana dia mandre maivana (toa tsapa eo no eo fa lasa any an-danitra any ny fanahy niala tamin’ilay vatana teo, rehefa raofina ilay vovony); ilay fonosina mantsy toa ohatran’ny mijaly mafy ilay razana!!!
arakaraka ny fahitanao marina io, tsy mino maty raha tsy avy nodorana izany ny anao :)
Belle:
4. Tsy misy havizanam-batana ho ny velona: tsy miari-tory roa na telo alina misesy miaraka amin’ny fikarakarana ny fandevenana sy ny kojakoja rehetra.
jereo 2
Belle:
5. Ny vatana dia tsinontsinona rehefa maty ka ialan’ny fanahy. Inona no tokony mbola itehirizana azy?
Euh, aminao izay fa tsy amin'ny hafa.
Ny famadihana ankoatra ny maha-famadihana dia manamafy ny resaka firaisankina eo amin'ny mpihavana.
9. Belle
(
21/10/2007 16:30)
Ho an'ireo tsy mitono-tena fa manao xxx, "lachetE" amiko ny fanaovana an'io. Tsy miresaka amin'ny avelo na angatra aho, ka miala tsiny fa tsy misy vidiny amiko ny valinten'izy ireny. Voamariko mantsy fa matetika fanalan'izy ireny vonkona amin'ny olan'ny fiainany (frustration) mahazo azy ny valinteny ataony eto. Tsy misy fanajana sy manao vavan'andevo (amin'ny fomba fitenin'ny gasy!).
Ho an'ny sisa rehetra namaly nitonona PS kosa, ady hevitra anie no atao eto e! Tsy misy hoe ny an-dranona marina na ny an-dranona diso, fa samy milaza ny fomba fahitany azy avy fotsiny ihany. Avy eo no isintonana ny mety araky ny hita amin'ny lafiny rehetra.
10. tywa68
(
21/10/2007 16:47)
Belle : izaho aloha dia tsy contre an"ilay mandoro, zany hoe mieritreritra an'ilay hanao an'izay koa aho (ireo avelako zany), dia fantatro fa mety tsy hanaiky mora ny sainy :lol: Arakarak'ilay fotoana sy ny am-pelatanana koa io, fa ny tena efa niomana ny halevina any an-tanindrazana, mba tsy hanahirana ny velona.
tess : raha fantatrao fa tsy olana @ fianakams-nao io dia mora ny safidinao.

11. pissoa
(
21/10/2007 16:48)
:-D:-D:-D
Be teoria loatra ianao amin'ny resaka lachete nefa hita hoe lache-be @ ny valin-teninao !!!
Inona no tena lachete kay, ny manome hevitra eto ve ... sa ny tsy mamaly izay hevitra navoakan'ny olona amin'ny ady hevitra nosokafan'ny tena fa miafina amin'ny hoe tsy miresaka amin'ny angatra rehefa xxx moa rehefa tsy xxx dia tenenina fotsiny hoe ady hevitra anie no eto fa tsisy hoe ny an'iza no marina ?! Heveriko fa tsy ny ps no iadivana hevitra ka hoe milay ve le ps sa tsia ... fa hevitra hevitra hatrany. Dia ny hevitra valiana raha tena tsy coward :wink:
Amiko fampisehoana lachetE tsy misy mihoatra noho io valin-teninao io ! :-D:-D:-D

13. Belle
(
21/10/2007 17:15)
pissoa: mianara aloha ny fomba fiadiana hevitra vao miresaka amiko!
Jereo tsara daholo ny zavatra lazainao fa: manambany olona, manambara hoe ny hevitrao ihany no tena marina sy izy, tsy manaja, mitsaratsara olona foana (affirmation gratuite). Ireto manaraka ireto ny santionany:
- Ny tsy azonao dia izao...
- ... resaka materialy no mibahana aminao
- ... midika izany fa tsy tsara ny hevitrao
- ... fa tsy avela fotsiny eo hohanin'ny alika
- Be teoria loatra ianao amin'ny resaka lachete nefa hita hoe lache-be @ ny valin-teninao !!! (did I hit a nerve?)

14. pissoa
(
21/10/2007 17:23)
:-D:-D:-D
Izaho tsy manda izay fianarana azo atao ka ! Fa iza isika sy ianao no tena tokony hianatra ? Raha nomarihinao dia
1 - ianao no mitsara avy hatrany ny fanaovana xxx ho lachete ! Resaka HS satria tsy izay ny size eto !
2 - ianao no nilaza ny xxx ho angatra teo izao ohatra ! Resaka HS be satria tsy ny momba an'i xxx no resaka eto.
3 - ianao no mitsara avy hatrany fa misy olana amin'ny fiainany ny olona manao xxx ! Dia mbola HS koa satria tsy ny olani xxx amin'ny fiainany no resaka eto.
4 - dia mbola ianao koa no mitsara ankapobeny fa manao vavan'andevo ny xxx ! Dia mbola HS indray koa !
Ka iza no tena tokony ho mianatra miady hevitra ? Ianao ihany no nanokatra ny size nefa tsy voafehinao akory ny tenanao tsy hanao resaka HS tahaka io nataonao io ! :wink:
Raha mahay miady hevitra ianao hoa dia ny hevitra valiana fa aza lache tahaka io :wink:

15. xxx
(
21/10/2007 18:25)
way kou zany Belle e
mihena @ zao ny hatsarandriko an :°):-P;-)
Nampiseho taminao fotsiny ny antony tsy hitovizan'ny olona hevitra taminao fotsiny ah fa tsy maninona na tsy asianao vidiny aza... zonao tanteraka ny mamela hafatra hoe rehefa maty aho dory.
Za zao tsy manaiky ah fa tsy atao toy ny fikarakarana momie ny fomba fikarakarana ahy refa jokotra ;-)
16. Belle
(
21/10/2007 19:24)
ikaretsaka:samy manana ny safidiny ny olona ka tsy mandA mihitsy aho hoe fifaliana sy fanararaotana hanaovana fety ilay mamadika.
belle tena aleo ihany mamadika sy mandevina ka..
mba misy fetsy sy mba misy zavatra hita foana .
no nihevitra ilay cendres ho carrytsy nitandrina kosa izany rizareo tamin'ny fitehirizana ilay vovoka.
tess:io koa no eritreretiko, tsy hanome fahasahiranana ny velona. ny fahoriany amin'ny alahelo aza efa tsy hitany izay hanaovana azy!
tsy hanahirana ny olona aho amzay....
17. XxxX
(
21/10/2007 19:32)
"beeeeeeellllleeee"::-D:-D:-D:-D d ny sasany tsy misy mahay hono fa izy ihany no mahay ! :-D:-D:-D:-D
pissoa: mianara aloha ny fomba fiadiana hevitra vao miresaka amiko!
"pissoa":=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D=D
Izaho tsy manda izay fianarana azo atao ka ! Fa iza isika sy ianao no tena tokony hianatra ? Raha nomarihinao dia
1 - ianao no mitsara avy hatrany ny fanaovana xxx ho lachete ! Resaka HS satria tsy izay ny size eto !
2 - ianao no nilaza ny xxx ho angatra teo izao ohatra ! Resaka HS be satria tsy ny momba an'i xxx no resaka eto.
3 - ianao no mitsara avy hatrany fa misy olana amin'ny fiainany ny olona manao xxx ! Dia mbola HS koa satria tsy ny olani xxx amin'ny fiainany no resaka eto.
4 - dia mbola ianao koa no mitsara ankapobeny fa manao vavan'andevo ny xxx ! Dia mbola HS indray koa !
Ka iza no tena tokony ho mianatra miady hevitra ? Ianao ihany no nanokatra ny size nefa tsy voafehinao akory ny tenanao tsy hanao resaka HS tahaka io nataonao io !
Raha mahay miady hevitra ianao hoa dia ny hevitra valiana fa aza lache tahaka io
18. xxx
(
21/10/2007 19:40)
Belle:k inona no antony hanokafana dinika raha izany?:evil::evil:nga raha hoe "belle" ny ps-nao d angatra ny hafa?:evil:d rehefa tsy misy vidiny @ nao ny valintenin 'ny oul d aza mamoka dinika é!:evil:zonay ny miditra xxx f ts natokana ho anao irery akory ity!:evil:
Ho an'ireo tsy mitono-tena fa manao xxx, "lachetE" amiko ny fanaovana an'io. Tsy miresaka amin'ny avelo na angatra aho, ka miala tsiny fa tsy misy vidiny amiko ny valinten'izy ireny.
19. cutie
(
21/10/2007 19:45)
fa tadidiko t@ OPK le tany Bira ireny fa betsaka no nihevitra ilay cendres ho carry karana dia nanao azy t@ laoka!
=))=))=))=))
20. cutie
(
21/10/2007 19:49)
Mpandefa : Belle [ Valio ] 21-10-2007 05:33:18
Lohateny : Fandevenana vs. Fandorana
Olona vitsivitsy izahay no tafaresaka ka nizarazara be ihany ny hevitra. Nisy aza moa dia tena nisafoaka mafy tamiko mihitsy satria tsy toe-tsaina Malagasy velively hono ny mandotra razana.
Hitako fa tsara sy mety ilay mandotra faty noho ny mandevina mantsy satria:
1. Kely kokoa ny fahasahiranana: tsy lany vola (hafa tsy ny saran’ny fandorana), tsy mamadika avy eo (ho an’ny mpamadika);
2. Maivana kokoa ny fahoriana: eo am-piandrasam-paty mantsy dia mitsakotsako ny alahelo eo anoloan’ilay razana eo fotsiny foana no atao mandra-pandevina azy;
3. Mionona vetivety ny saina: rehefa manatrika ny fandorana dia mandre maivana (toa tsapa eo no eo fa lasa any an-danitra any ny fanahy niala tamin’ilay vatana teo, rehefa raofina ilay vovony); ilay fonosina mantsy toa ohatran’ny mijaly mafy ilay razana!!!
4. Tsy misy havizanam-batana ho ny velona: tsy miari-tory roa na telo alina misesy miaraka amin’ny fikarakarana ny fandevenana sy ny kojakoja rehetra.
5. Ny vatana dia tsinontsinona rehefa maty ka ialan’ny fanahy. Inona no tokony mbola itehirizana azy?
Toa iray ao anatin’ny zato fotsiny nefa angamba ny gasy miray hevitra amiko!
za koa akia ry belle de aleoko dorana refa maty toy zay alevina.
Aleo za mbola velona no karakaraina tsara.
Refa maty za efa mandry ny saiko sy ny fanahiko we nahavita ny tokony nataony ihany ny mpiara-belona amiko, na le lavenona izy aza mbola misy dikany ihany refa veo :) ( ho an'le mpandoro io :))