Fandevenana vs. Fandorana
21. Belle
(
21/10/2007 19:59)
cutie> Marina mihitsy ny anao. Betsaka koa ny velona mantsy no manao "maty vao ra-malala"!
22. xxx
(
21/10/2007 20:10)
Belle::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil:
Tsy misy fanajana sy manao vavan'andevo (amin'ny fomba fitenin'ny gasy!).
25. ratonga
(
21/10/2007 20:44)
ndé zany haka seza fa raikitra dray ty zany ny filma vao² kty, omakomany ny kkpizon sy ny tsakitsaky ry zareo a!:-D:-D:-D
27. ikaretsaka
(
21/10/2007 21:18)
cutie:
[za koa akia ry belle de aleoko dorana refa maty toy zay alevina.
Aleo za mbola velona no karakaraina tsara.
Refa maty za efa mandry ny saiko sy ny fanahiko we nahavita ny tokony nataony ihany ny mpiara-belona amiko, na le lavenona izy aza mbola misy dikany ihany refa veo :) ( ho an'le mpandoro io :))
hmmmm misy carry mandehandeha izany any any aoriana any le
31. mbaliana
(
22/10/2007 09:59)
za koa rehefa maty dia efa niteny tamin'ny havako (indrindra fa aty ivelany) dia dorana... tsy haiko ny motivation ny sasany fa ny ahy dia ny tsy anomezana fahasahiranana ho an'ny velona fa lafo be loatra ny fandevenana aty...
32. bozyboleta
(
22/10/2007 11:31)
Za koa defa nanafatra ny ankohonako sy ny fianakams fa dorana refa maty. Malahelo zareo fa io moa safidy manokana.
Betsaka ny anton'io safidy io, fa anisan'ny tena nahatonga ana tapakevitra de le tsy fitiavako viraviraina refa fonosina halevina na refa any aoriana. Eo ihany koa le mieritreritra le vatana mihasimba. Aleoko may toy izay maimbo.:wink:
Nisy havako tena akaiky maty, fa vao 2 andro fotsiny tao aorian'ny nahafatesany ary mbola nandrasana iny le faty defa nitsonika no maimbo be tsy nampino mitsy.Voatery nofonosina haingana ary tsy niandrasana intsony ny fandevenana. Tena tsy tantiko loatra ny nahita an'izay ary nahatsapako fa tena tsinontsinona ny olona.

33. ari.malala
(
22/10/2007 12:38)
fa tsy lafo b v zany mandoro faty zany e, d tsy ilàna autorisation speciale sa mitovy @ mandevina iany? nenà alou zany, nenay mianakavy mitns mou zany e, ts mamadika no nifanafarana fa mandany vola b no sady aleo anasoavana ny velona ny vola. Raha misy tina atao amle ol d zao izy velona izao no atao le fanehoam-pitiavana...
34. cutie
(
22/10/2007 13:34)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 22-10-2007 02:30:30
Lohateny : Re : Fandevenana vs. Fandorana
tsy OPK izany fa OPC! mety ka
:-D:-D:-D:-D
35. Belle
(
22/10/2007 15:07)
Tamin'ny herintaona dia 2.000.000 fmg ny sarany eto amintsika fa tsy fantatro raha nitombo amin'izao fotoana noho ireto fiakara-bidin'ny fitaovana isan'andro vaky ireto!
Mbola mora ihany nefa izany raha oharina amin'ny fandaniana rehetra entin'ny fiandrasan-paty sy fandevenana mitambatra. Ny fahazoan-dalana dia toy ny mandevina ihany.
Mbola mora ihany nefa izany raha oharina amin'ny fandaniana rehetra entin'ny fiandrasan-paty sy fandevenana mitambatra. Ny fahazoan-dalana dia toy ny mandevina ihany.
37. Belle
(
22/10/2007 16:39)
lohabe:An an an! tsy voatery kah! Arakaraky ny olona. Rehefa ho dorana ilay razana dia asain-drizareo mpanao azy mitondra boaty na izay tianao asiana ilay lavenona ianao. Misy manary ilay vovoka amin'ny rano mandeha toy ny natao tamin'ny an'i Ravony, PM taloha. Ny an'ny havanay tamin'ny herintaona io izao dia tehiriziny ao an-tranony. Tsy haiko aloha raha misy mandevina iny lavenona iny e!
Ka iny koa nge ry belle mbola mila alevina eh.
38. sonwin
(
22/10/2007 17:14)
Belle:
Tamin'ny herintaona dia 2.000.000 fmg ny sarany eto amintsika fa tsy fantatro raha nitombo amin'izao fotoana noho ireto fiakara-bidin'ny fitaovana isan'andro vaky ireto!
Mbola mora ihany nefa izany raha oharina amin'ny fandaniana rehetra entin'ny fiandrasan-paty sy fandevenana mitambatra. Ny fahazoan-dalana dia toy ny mandevina ihany.
kay ve lafo be ny mandoro olona maty e. Fa tsy mety angaha hono raha atao ambony kesika dia rarahana petrole ? tonga dia miledaleda be amin'izay.
Ny mandevina tsy voatery ho lany vola, misy ny olona mandevin-tena (Izany hoe, ny vola famangiana ihany dia ampy andevenana ilay maty, misy ambiny aza ny an'ny sasany).
39. Belle
(
22/10/2007 17:33)
sonwin:Efa misy fomba fanaovany azy mihitsy ambony talatalana kesika, fa tsy rarahany petrole kosa aloha e! :lol:
Fa tsy mety angaha hono raha atao ambony kesika dia rarahana petrole ? tonga dia miledaleda be amin'izay.
sonwin:Ekena! Raha toa ka eo an-tokotaniny kosa moa ve ny fasan'ilay olona dia ho lany vola izy? Fa raha any amin'ny faritany nefa an-toeran-kafa izy no maty, dia tsy maintsy.
Ny mandevina tsy voatery ho lany vola,
40. ikaretsaka
(
22/10/2007 18:42)
raha tena kristianina aloha dia ao amin'ny fiekem-pinoana dia hoe maty dia nalevina e...
fa tsy hoe maty dia nodorana
fa tsy hoe maty dia nodorana