Fandevenana vs. Fandorana

41. Belle ( 23/10/2007 00:51)
ikaretsaka:
raha tena kristianina aloha dia ao amin'ny fiekem-pinoana dia hoe maty dia nalevina e...
fa tsy hoe maty dia nodorana
tsy azoko ny ifandraisan'io lazainao io amin'ity!?!? satria i Jesoa no resahan'ny fiekem-pinoana.
42. ikaretsaka ( 23/10/2007 01:26)
ahoana kay no tenenin'i belle rehefa manao credo ianao? ary ahoana ny atao raha kristianina? tsy hoe manaraka an'i jesoa sy ny ohatra nataony?

aleoko mifono lambamena aloha toy izay ao anaty bocal ampifamadihan'ny olona @ carry !
43. Belle ( 23/10/2007 02:24)
ikaretsaka:
tsy hoe manaraka an'i jesoa sy ny ohatra nataony?
tsy ohatra nataony io lazainao io fa nanjo azy. ka ny ahy ny fampianarany no arahako!

quote]aleoko mifono lambamena aloha toy izay ao anaty bocal ampifamadihan'ny olona @ carry ![/quote]safidy io fa tsy an-tery kah! ny ahy tsy hatao anaty bocal fa afafy any an-drenirano! :D
44. niryna ( 23/10/2007 03:53)
Bella tsara ilay fanontaniana fa lasa nivoana ilay izy.
45. mbaliana ( 23/10/2007 09:13)
ikaretsaka> Za mino an'i Jesoa maty dia nandevina fa tsy nisy fitenenana hoe tsy maintsy ataonareo io koa... tsy mandà an'io mihitsy aho fa saingy jerena koa ny eo am-pelatanana .. raha any dago dia tsy dia olana loatra le mandevina .. nisy niteny aza hoe ny ny solon-drambondamba omen'ny olona dia mety efa ampy...fa raha aty ivelany (aty amin'ny misy ahy ohatra) dia tena manahirana mihitsy.. 2500 euro ny vola aloha tsy maintsy any amin'ny cimitière na dorana na tsia, dia ny vata koa tsy maintsy vidiana , dia ny hofan'ny fasana ...fahasahiranana ho an'ny velona...mba ahena ny depense...
Ika> ny anareo efa mba hitakitako ihany ny fombanareo...efa vonona n'aiza n'aiza no misy anareo fa hoan'ny olona tsotra tsy mora mihitsy...
46. mbaliana ( 23/10/2007 09:14)
miala tsiny oh.. maty dia nalevina kay moa...:oops:
47. ikaretsaka ( 23/10/2007 17:41)
mbaliana:

ikaretsaka> Za mino an'i Jesoa maty dia nandevina fa tsy nisy fitenenana hoe tsy maintsy ataonareo io koa... tsy mandà an'io mihitsy aho fa saingy jerena koa ny eo am-pelatanana .. raha any dago dia tsy dia olana loatra le mandevina .. nisy niteny aza hoe ny ny solon-drambondamba omen'ny olona dia mety efa ampy...fa raha aty ivelany (aty amin'ny misy ahy ohatra) dia tena manahirana mihitsy.. 2500 euro ny vola aloha tsy maintsy any amin'ny cimitière na dorana na tsia, dia ny vata koa tsy maintsy vidiana , dia ny hofan'ny fasana ...fahasahiranana ho an'ny velona...mba ahena ny depense...
Ika> ny anareo efa mba hitakitako ihany ny fombanareo...efa vonona n'aiza n'aiza no misy anareo fa hoan'ny olona tsotra tsy mora mihitsy...


dia angonina ny sosy ry mbambal an.
ohatran'ny pharaon manao pyramide ihany io.. efa voaomana alohan'ny hahafatesany.
48. booboo ( 23/10/2007 17:42)
Mbaliana > hihihihi "mbambal" hihihihi. Milay kosa lay fiantsoana vaovao a ! salut mbambal hihihihi. :-P
49. ikaretsaka ( 23/10/2007 18:34)
shhhhhh.. raboob's koa ange tsssss
50. mbaliana ( 23/10/2007 19:17)
booboo> zay anga akia njy vao nahita an'io ... le ankiray iry rasiligaoma no namorona azy dia nampiasain'ika...

ika> za tsy pharaon, fa raha manana vola bdb za dia mba zarazaraiko amin'ny hafa izay tsy mba nanana firy teo amin'ny fiainana...:wink:
51. ari.malala ( 24/10/2007 07:08)
ooouuuuppppppssssssssss! hay kay lafo b le mandoro faty kle8O
52. ari.malala ( 24/10/2007 07:10)
ary marina v kay zany hoe refa mbola ts mipoka hono ny atidohan'le ol maty nodorana d mbola ts mayt izy zay? d aona ftsn le vatana efa nakarainkon'ny afo ra zany?
53. tywa68 ( 24/10/2007 09:10)
ari. aza mampime moa e :lol: rhf dorana angaha andrasana hoe hipoaka fa rehefa vovoka sy taolana no hitanao eo d zay zany (tsy atao curry na poivre an):-D:-D

Ilay mandoro aloha pratique kokoa aty an-dafy e ! ny any Mcar no tsy mbola manaiky an'io sady ny fasana malalaka beeeeeeee rahateo :lol:
54. ari.malala ( 24/10/2007 11:53)
tywa, non ts mananiany ky za fa zany no henoko a!:oops: za kou aza mba gaga kou! fa ny tsy azoko d we aona no hi assurevana hoe tena le lavenon'le maty sisa io tavela io satria zany le izy toa atao ambony kesika? d ts mifangaro v ny lavenon'le hazo nandorana azy sy ny lavenon'le maty?
55. bozyboleta ( 24/10/2007 13:17)
Efa misy fomba fanaovana azy mitsy. Asina hazo eo ambany sy ambonin’le olona. Hosorana menaka iny de mitsetsatsetsa be.
Refa tapitra may, de tobasana rano. Le hazo tena may tanteraka de mainty sal@ sarbô, fa le taolan’le olona potipotika somary fotsifotsy miavaka, de iny no raofina atao anaty boaty kely.
Efa mahay le mpanao azy ery Anosizato ery kah!
56. mbaliana ( 24/10/2007 19:47)
ny aty andafy hono dia dorona miaraka amin'ny vatapaty...
57. ikaretsaka ( 24/10/2007 21:01)
tywa68:

ari. aza mampime moa e :lol: rhf dorana angaha andrasana hoe hipoaka fa rehefa vovoka sy taolana no hitanao eo d zay zany (tsy atao curry na poivre an):-D:-D

Ilay mandoro aloha pratique kokoa aty an-dafy e ! ny any Mcar no tsy mbola manaiky an'io sady ny fasana malalaka beeeeeeee rahateo :lol:


izao izany ilay principe hoe vao maty dia afobe le:-D
58. ari.malala ( 25/10/2007 07:54)
ika, :-D:-D:-D:-D:-Dts nandalo fitsarana akory v:-D:-D:-D
59. ari.malala ( 25/10/2007 07:54)
ika, :-D:-D:-D:-D:-Dts nandalo fitsarana akory v:-D:-D:-D
60. ikalamako ( 25/10/2007 08:41)
ny fomban-tany misy ny tsirairay sy ny eritreritry ny tsirairay moa izany no mahatonga ilay fifankalozan-kevitra lasa nafana.
Ho ahy manokana aty ivelany aloha dia aleo koa dorana fa tonga amin'ny tenin'i mbaliana hoe mbola hovidiana ny vata, hofaina ny fasana, ary misy fetra io fa raha tsy mahavita ny anjara-toerana ho an'ilay maty ny havany na namany eo amin'ny tanàna anatin'ny fotoana voafetra (1 na 2 taona izy izay) dia alefan'ny tompon'andraikitry ny cimetière any amin'ny fosse commune amin'izay ilay razana fa mba ilaina ho an'ny sasany ny toerana.
Ka ny ahy aloha dia efa nombaiko koa ny hevitra hoe dorana aho raha ho avy izay andro izay ka mbola aty ivelany aho (raha efa any an-tanindrazana indray aho dia izay anaovan'ny havana ahy ekeko daholo fa fitiavany ahy farany izany).
Izaho mbola eo am-pisaintsainana matetika hoe aiza ho aiza ny toerana tena nahafinaritra ahy mba handrarahana ny vovoka amin'izay andro izay ; azo atao koa ny manao lavaka kely ato an-tokontany (na tsy tanànako aza fa mba nitoerako ela ka mitahiry fahatsiarovana foana ho ahy sy ny fianakaviako,misy hanaovan-drizareo pelerinazy any aoriana any na tsy hipetraka eto intsony aza izy ireo, lol:lol:):araraka ao ny vovoka dia totofana indray, tsy koi satria efa tsy manimba fahasalamana iny fa efa may daholo ny microba.
Sa ve araraka manaraka ny reniranon'ny tanàna lalovako marain-tsy hariva, santimantika kokoa!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3777