nahoana

1. fijo ( 27/09/2007 21:06)
misy zavatra tsikaritro kely aminareo mpino kristiania.dia ilay fomba fanehoana azy.
toa aseho foana amin'ny fomba misy "alahelo" le finoana.ny hira manjombona,ny endrika somary atao malahelo na" maontina",mody miondrika lava izany.
fa nahoan ano tsy fomba mirana sy mavitrika no aseho anehoan ale finoana???
hoan'i gasynamana,hevitra avohaka fa tsy fanadihadina indray.rehefa any amin'ny polisy isika manadihady
répondu par fijo le 12/10/2007 21:02
2. ikaretsaka ( 27/09/2007 21:45)
endrika fiatsarambelatsihy iny indraindray!
Le type-na olona le hoe satria za zao de ..zao no manao an'iny! kanjo ao ambadika ao..da fety be da fety be!
Fariseo evolue ho'zy cutie izay taloha!:-D:-D

3. diamondra27 ( 27/09/2007 22:06)
fijo:

misy zavatra tsikaritro kely aminareo mpino kristianina.dia ilay fomba fanehoana azy.
toa aseho foana amin'ny fomba misy "alahelo" le finoana.ny hira manjombona,ny endrika somary atao malahelo na" maontina",mody miondrika lava izany.
fa nahoan ano tsy fomba mirana sy mavitrika no aseho anehoan ale finoana???
hoan'i gasynamana,hevitra avohaka fa tsy fanadihadina indray.rehefa any amin'ny polisy isika manadihady

___________________________

ça dépend ny fiangonana io e!
manasa anao raha miakatra aty Paris indray andro any dia mba mandalova ao @ "Le messager d'amour" 102, bd paul vaillant Couturier
raha tsy zany de ao @ Impact Centre Chrétien 21, rue Christophe Colomb samy any Ivry sur seine daholo ireo
4. diamondra27 ( 27/09/2007 22:27)
rafijo: raha tia rock ndray elah de ty e! any sarcelle ndray no manao azy http://www.videonerede.com/video/R0RqtsCgQxs/concert-rock-louange-2007-sarcelles.html

http://www.videonerede.com/video/yr7pk7MnnvE/schekina-brle-en-moi.html
5. simplex ( 28/09/2007 00:26)

:D:D:D
Tsy haiko tsara fa ny Jesosy Mamonjy ony otran'ny misy seance-ana fitomaniana izany mintsy kle :roll::)

Any @ Kato, refa hira fisaorana matetika mitehaka foana (efa hirava d faly doly ;-):P)
6. ikaretsaka ( 28/09/2007 01:21)
simplex> ka any ngamba no misy ny "fitomaniana sy ny fikatroha nify"? tsy haiko fa mba eritreritro manokana io an
fa ny Kato tokoa, indrindra raha be olona, fa vao fidirana ka hatrany @ fisaorana mitehaka aby! mifandray tanana rehefa fiadanana dia mandihy.
Komonio sy hira fifonana ihany no somary malefaka..
jereo anie Andravoahangy, Analahitsy cite, Ery @ Pere Pedro e!
7. soanja ( 28/09/2007 03:56)
Tsy azoko re ny hevitrareo fa ny mamonjy fivavahana anie ka rehefa mahatsiaro diso de tokony ho amin'ny fo tokoa ny fifonana e. Izay mantsy ny olonatsika e. Nahoana no tsaraina foana ny olona manantona an'Andriamanitra ka maneho ny tena ao ampony.

Tsy voatery hitomany zany foana koa fa misy tokoa ny fandihizana sy ny fitehafana ary ny fiara-midera ampifaliana rehefa tonga ny fotoana fifaliana.

Aza avela anjakan'i Fijo ity raharaha ity fa isika mpino tokony hifanohana. Misaotra mialoha.

Fijo> tsy misy alahelo akory ny anononako ny anaranao eto fa te hiteny fotsiny hoe tongava mivavaka aty aminay fa hihira sy hidera foana isika rehefa izay no ahitanao filaminana miresaka amin'Andriamanitra. :-*:-*:-*:-*:-*
8. majesty ( 28/09/2007 04:22)
fijo:raha tsy diso aho dia katô isé teo aloha,dia fony nivavaka tao ve no nahatsapa an'io sa hoe fihetsika hita tany @ fiangonana hafa?
9. la ( 28/09/2007 04:55)
fijo>tsy voatery ho alahelo fona fa matoa izy malahelo de nahatsapa ny ratsy vitany izy izany, fa ny mifanohitra amin'izany ary no hita hoe refa kristianina manana an'i jesoa eo amin'ny fiainany dia mahatsapa fifalina fona ary miezaka mitraka fona na inona na inona iainana fa tsy hoe refa misy olana de lasa mamono tena :):):)
10. Fiffi ( 28/09/2007 05:17)
"fijo":
misy zavatra tsikaritro kely aminareo mpino kristiania.dia ilay fomba fanehoana azy.
toa aseho foana amin'ny fomba misy "alahelo" le finoana.ny hira manjombona,ny endrika somary atao malahelo na" maontina",mody miondrika lava izany.
fa nahoan ano tsy fomba mirana sy mavitrika no aseho anehoan ale finoana???
heu....miankina am fizoran'le fivavahana io...
raha fangatahana vavaka fangatahana famelana ve de tsy hiondrika na hanakipy maso ? na somary manjombona ny endrika ?
"Ika":
endrika fiatsarambelatsihy iny indraindray!
Le type-na olona le hoe satria za zao de ..zao no manao an'iny! kanjo ao ambadika ao..da fety be da fety be!
:roll::roll: aiza kosa akia ? :roll:
11. niryna ( 28/09/2007 05:18)
ikaretsaka:

endrika fiatsarambelatsihy iny indraindray!
Le type-na olona le hoe satria za zao de ..zao no manao an'iny! kanjo ao ambadika ao..da fety be da fety be!
Fariseo evolue ho'zy cutie izay taloha!:-D:-D




fa ahoana no hiantsaravelatsihy ilay olona? Niteny izany taminao ve izy.
Toa tsy misy zavatra tsara daholo ny an'ika izany fa toa misy lesoka daholo
Inona ary izany no tokony ataon'ilay olona satria hianao milaza fa fihatsarambelantsihy indraindray=))=))
Amiko dia arakaraky ny mpitondra fiangonana sy ny fiangonana hinoany io.Midera an'Atra amin'ny lokanga sy ny valihy.Afaka midera daholo izany ny olona araka ny fanahy masina ao amin'ilay olona.Misy ny fiangonana na loham-panjaitra mianjera aza dia heno.Misy ny fiangonana mitsinjaka,mitehaka,mananga-tanana.Atra irery ihany no mahalala ny ao am-pon'ny tsirairay.
fijo>tsy ho voatery hitoloko foana akory.Ny hira sasany any amintsika no miresaka hira fitiavana mitoloko fa ny hira hafa dia mavitribitrika na mihaino azy adin'ny valo aza hianao tsy leo.Ary efa tena tsara be daholo koa ny hira fivavahana any amintsika.
12. majesty ( 28/09/2007 05:27)
fijo:rehefa maheno an'le hira t@ titanic iny zao ilay hoe "nearer to god to thee" tonga dia manganohano dôly ny oul fa voatsindrona ny fony.Sady tsy ny Kristiana foana ange ry fijo no mitomany sy malahelo endrika fa jereo koa ohatra ilay olona maheno tantara amin'ny radio ireny na mahita film mampalahelo fa tonga d snif snif foana e
13. xxx ( 28/09/2007 06:50)
fijo:

misy zavatra tsikaritro kely aminareo mpino kristiania.dia ilay fomba fanehoana azy.
toa aseho foana amin'ny fomba misy "alahelo" le finoana.ny hira manjombona,ny endrika somary atao malahelo na" maontina",mody miondrika lava izany.
fa nahoan ano tsy fomba mirana sy mavitrika no aseho anehoan ale finoana???
hoan'i gasynamana,hevitra avohaka fa tsy fanadihadina indray.rehefa any amin'ny polisy isika manadihady



Ny évangeliste tsy dia manao an'io tristounet io

Eto Frantsa koa matetika dia voizina ny hoy Finoana miteraka fifaliana sy fanantenana

Eo @ katolika : rehefa fiderana dia endrika faly , fa rehefa eo @ eokaristia no misy somary fotoana milamina satria ahatsiarovana ny Tompo t@ izy nijaly
14. tsinjo ( 28/09/2007 07:30)
tsotra lets ny valiny a ny devoly refa mahazo namana de mandy sy mifaly a ts mahita anireny ory mints ela
15. booboo ( 28/09/2007 08:03)
Fijo > hita hoà e ? zà kounkou mahatsikaritra an'izany.

- Rehefa hanonona ny fanekem-pinoana dia mingonongonona ohatra vangiam-pahoriana sy mitanondrinondrika :roll:.
Manao fanekena n'aiza² izany tokony hijajirika tsara dia miteny mafy (tsy mikikiaka hoà fa miteny mafy) ho henon'izao tontolo izao hoe zany ry zareo ny finoako mafy sy matanjaka dia havaoziko indray a !

- Rehefa mandeha ny litorjia dia ilay misy vavaka mialoha ny raha ireny (vakiteny sns), dia izao mifona mifona lava izao no asesika nefa tary @ lohan'ny litorjia efa nisy hoe " voavela ny helokareo, miderà ny Tompo " sady tenenin'ny mpitandrina @ feo avo io teny io...asa inona no henoin-dry zareo ireny rehefa manaraka litorjia ?

- sns :°)

Eo @ katolika : rehefa fiderana dia endrika faly , fa rehefa eo @ eokaristia no misy somary fotoana milamina satria ahatsiarovana ny Tompo t@ izy nijaly

nisy mpitandrina iraika izay nampianatra anay t@ mbola katekômena hoe mifaly² ry zareo rehefa handray fanasan'ny Tompo fa hifandom-bera Aminy nareo a ! sady nareo hasaina ndray ve, ouz, no hiafa² nefa izy ara tsy manavaka² fa tongava aby ouz....
16. pissoa ( 28/09/2007 08:05)
misy zavatra tsikaritro kely aminareo mpino kristiania.dia ilay fomba fanehoana azy.
toa aseho foana amin'ny fomba misy "alahelo" le finoana.ny hira manjombona,ny endrika somary atao malahelo na" maontina",mody miondrika lava izany.
fa nahoan ano tsy fomba mirana sy mavitrika no aseho anehoan ale finoana???
hoan'i gasynamana,hevitra avohaka fa tsy fanadihadina indray.rehefa any amin'ny polisy isika manadihady

Tsy mitombina ny zavatra tsikaritrao. Mety misy olona fotsiny manana endrika tsy dia sariaka, fa ny Kristianina dia olona, amin'ny ankapobeny toy ny olona rehetra tsy Kristianina ihany. Rehefa misy mampalahelo dia malahelo ny endrika, rehefa misy mahafaly dia faly ny endrika. Otran'ny zavatra normal be izany.
Hira manjombona ? Firy ny hira katolika hain'i Fijo ? :wink:
17. boubounezy ( 28/09/2007 08:07)
ny anah d aseoko @ zé fantsampako azy fa za ndray d tsy mijery oull fa ra jereny za tsy maninn fa tsy itako izy ra fay za d zay ny miseo @ endriko ra manjombona za d zay kou ny miseo @ terako nefa misy kou ny ranomaso mpifalina fa tsy wé manjombona kou!zay ny faitako azy
18. diamondra27 ( 28/09/2007 08:08)
tsinjo:

tsotra lets ny valiny a ny devoly refa mahazo namana de mandy sy mifaly a ts mahita anireny ory mints ela


______________________________________

tsy d'ac @io kosa aho an


Voalaza ao @ I TES 5:16 fa hoe:"MIFALIA MANDRAKARIVA"
ka raha kristiana tsy manam-pifaliana dia mandiniha ihany tena fa miasa ao anatinao izany ny devoly = mampiditra sain-dratsy sy manakivy sns anao izy ka raha vao mahatsiaro malahelo ianao dia mitrakà haingana.
AZA MANOME TOERANA HO AN'NY devoly

Voalaza ihany koa fa hoe: misy ny andro mahaory ary misy ny andro ifaliana...

19. pissoa ( 28/09/2007 08:18)
simp:
Any @ Kato, refa hira fisaorana matetika mitehaka foana (efa hirava d faly doly )

=))=))=))

Eo @ katolika : rehefa fiderana dia endrika faly , fa rehefa eo @ eokaristia no misy somary fotoana milamina satria ahatsiarovana ny Tompo t@ izy nijaly

Misy fotoana fahatsiarovana an'i Jesoa nijaly sy maty amin'ny lamesa ka ! Araho tsara ny vavaka rehefa vita ny fankamasinana. Fa tsy amin'ny komonio ilay izy.
20. tsinjo ( 28/09/2007 08:57)
io alou ry zareo a ra ity resaka fivavahana no asiana resaka de lany eto na andro a/ fa amiko fotsiny a de raha tsy misy ny devoly tsy misy fiainana mahafinaritra eto antany ,mino aho fa manaiky anizany doly nareo zay mamaky anity a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2275