Toy ny vhvvy eo am-piterahana ny fahoriana mahazo antsika?

1. niryna ( 30/07/2007 06:15)
Afaka mba hanaza ve ianao raha oharina amin'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fahoriana mahazo antsika?

Inona avy izany fahoriana izany?

Aretina maro samy hafa,fahafatesana,mandao olon-tiana,mipetraka irery,misara-bady,mijaly am-panambadiana ny resaka tokan-trano,satana mandrirotra ka tsy mahatohitra ny fakam-panahy,zanaka na vady maditra, olona mampiasa herintsandry,diso fanantenana,tsy manana fanantenana,eny fa mety miafara ny fifamoizam-po mihitsy indraindray ny ao anaty saina,azo-pahoriana,very fanantenana,misalasala(doubt) sns..Anjarantsika ny manohy azy...

1- Ahoana izany fanoharana vehivavy eo am-piterahana izany izany?

2-Misy anefa tsy nambinina ary tsy kivy fa namerina indray?

3- Ary any amin'ny farany dia teraka soa aman-tsara:D:D

Misaotra mialoha

(l)niryna
répondu par niryna le 07/08/2007 06:27
2. tywa68 ( 30/07/2007 07:11)
hafa² indray zany fanoharana izany : efa tsy afaka mamaly izany ny lhl sy ny zatovovavy tsy mbola nandalo teo :lol: tsy haiko aloha fa tsy fahoriana ho an'ny rehetra ilay miteraka, na dia eo aza ny marary mandra-piteraka, satria arakarak'ilay olona koa io.
3. simplex ( 30/07/2007 07:26)
ny aretina mpahazo ahy matetika d ny aretina an-doha. Toy ny vehivavy mihetsi-jaza mintsy ah refa mihetsika io zaza (loha) io. Hany k tonga d ilazako ramose hoe ndao @ zay hoany @ hopitaly fa tsy tiako ho teraka ao anaty daba ny zanako.

ireto ny aretina hafa mpahazo ahy:
Aretina maro samy hafa,fahafatesana,mandao olon-tiana,mipetraka irery,misara-bady,mijaly am-panambadiana ny resaka tokan-trano,satana mandrirotra ka tsy mahatohitra ny fakam-panahy,zanaka na vady maditra, olona mampiasa herintsandry,diso fanantenana,tsy manana fanantenana,eny fa mety miafara ny fifamoizam-po mihitsy indraindray ny ao anaty saina,azo-pahoriana,very fanantenana,misalasala(doubt) sns..Anjarantsika ny manohy azy...

ra oharina @ vevavy miteraka alou d tena tsy misy hitovizany mintsy e. Satria, iny sady falybe fa hisy an'le zazah hivoaka avy ao no fantatra fa tsy maintsy hovita afaka fotoana fohy na lava.
Le mandao olon-tiana no tena tiako, satria iny tsy d marary fa tonga d hoe lasa kou tena fa za nga miazona e. Shhhhhhhhhhh aleo za no hivoaka fa kay tranonao ato. Meo vola alou atao fre.

K le tsy nambinina tsy d tena hoe tsy kivy loatra izy namerina fa le manamboatra an'le izy no tena nafinaritra azy ka tsy kivy izy hoe aleo marary ndray e. Eto alou le izy d mitovy @le fampijaliana ampanabadiana ihany e, le misotro mafinaritra be d tonga ampijaliana ndray zany e.

Le izy alou @ farany tsy maintsy teraka ihany e. Io le hoe ela notoratorahana ka nahavoa mason'angatra. Otran'nyle famoizam-po ao anatin'ny saina ihany io e. Ny fon'ny saiko manko matetika manda hoe tsia an, tsia an, tsia an, eny ary e. Fa refa teraka le izy d mivadika an'le zanaka sy vady maditra ndray, d miverina otran'ny miteraka indray zany.

kay adinoko, za kou indray mande efa voan'ny sida fa zao efa tsy manin tsony. Fa tena danza iny an, mitovy @ le vevavy miteraka sady mafantatra fa tsy maintsy ho faty izy. Naleony ihany alou naterany le zanany na zany aza e. Ny fahatesana ony fiantson'ny Ray kanou.

Fa ny cancer zao no tena tsy haiko ny hanoharana azy toy ny vevavy miteraka elabe faran'ze ela ary mafantatra fa be ny risika hahafatesany.

Ny tena faniriako zao ny hiteraka an'le zaza noforon'ny fanahy masina ireny. Mamy ny miteraka.

(l)simp
4. ari.malala ( 30/07/2007 07:41)
tsy azoko loatra ilay lohahevitra ry niryna ka sao d mba azonao itondrana fanampimpanazavana kely! efa niainako in2 mantsy izany mihetsijaza sy miteraka fa tsy hitako izay ifandraisany @ fahoriana...
5. naritsimba ( 30/07/2007 07:50)
ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy!
6. tywa68 ( 30/07/2007 08:36)
simplex : oay zany valiny marina :-D:-D
7. boraingy ( 30/07/2007 09:22)
Efa mba nodinihintsika ve ny fahorian'ny Malagasy ankehitriny? tsy toy ny vehivavy eo am-piterahana va? Ny Gasy anefa dia mahari-pery ary matoky ny Tompo ka dia teraka soa aman-tsara ihany ilay nandrasana.
Hoy ny gasy: Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany
Toe-tsaina mahay miharitra anie izany rey olona e!
8. mignone ( 30/07/2007 13:09)
fangaha miteraka fahoriana ? FAHASOAVANA GOAVANA BE IZANY :lol:
9. ikaretsaka ( 30/07/2007 13:32)
hay??
za koa miombon-kevitra @ mignone.. fahasoavana be izany
10. booboo ( 30/07/2007 14:02)
fahasoavana ve lay mijaly beeee rehefa mihetsi-jaza sy lay mila ho faty rehefa mihitatra ny eo @ bassin ? koay lé ...sao dia maso ara nareo zany ? :°). rehefa latsaka ilay zaza vao fahasoavana fa rehefa mbola eo am-piterahana no mampijaly.
11. tywa68 ( 30/07/2007 14:11)
booboo : :-D
12. kelly13 ( 30/07/2007 14:13)
booboo>marary mahafinaritra ka, satria fantatra ny aboutissement aveo

nyrina>za kou alou tsy mahazo ze tianao ahatongavana e, amiko mantsy zany marary miteraka izany d lalan'ny fiainana, ny fahoriana kou (ohatra misy fianakaviana nindaosin'ny fahafatesana) d torak'izany
13. kelly13 ( 30/07/2007 14:16)
ny tiko lazaina izany oe ny marary miteraka d marary physiquement ny fahoriana marary moralement, sa inn ary no tian'i nyrina lazaina?
14. ikaretsaka ( 30/07/2007 15:47)
booboo:

fahasoavana ve lay mijaly beeee rehefa mihetsi-jaza sy lay mila ho faty rehefa mihitatra ny eo @ bassin ? koay lé ...mampijaly.

fahasoavana be izany ko.. hoe tena lasa ity le ... lasa ity hoa!


15. sakaizakely ( 30/07/2007 15:49)
Toy ny vhvvy eo am-piterahana ny fahoriana mahazo antsika?


8O8O8O8O8O

vary amin'anana be le fanoharana, tsy hitako izay tena votoatiny. Hoatran'ny hoe manao translation amerikana @ teny gasy be fotsiny fa le tena lohahevitr'ilay tena tompokevitra tsy voadika tsara

tsy fahoriana ny miteraka fa fahasoavana ka na ny fihetsehanjaza aza dia tsy ahoana intsony dieny vao latsaka ilay zaza.

amiko dia tsy fanohatra @ fihetsehanjaza ny fahoriana na inona na inona eto antany satria fihafiana mitondra fahasoavana izany, eny , na dia misy aza ny sompatra sanatria an'zany.
16. ikaretsaka ( 30/07/2007 16:03)
rehefa i niryna dia vary amin'anana kely izay foana.. fa mila miezaka kely ianao mijery hoe anana no tiana ho hanina sa vary... arakarak'izay tianao.

Azafady niryna fa milaza ny zavatra hitako aho an!
17. boraingy ( 30/07/2007 16:37)
niryna:

Afaka mba hanaza ve ianao raha oharina amin'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fahoriana mahazo antsika?

Inona avy izany fahoriana izany?

Aretina maro samy hafa,fahafatesana,mandao olon-tiana,mipetraka irery,misara-bady,mijaly am-panambadiana ny resaka tokan-trano,satana mandrirotra ka tsy mahatohitra ny fakam-panahy,zanaka na vady maditra, olona mampiasa herintsandry,diso fanantenana,tsy manana fanantenana,eny fa mety miafara ny fifamoizam-po mihitsy indraindray ny ao anaty saina,azo-pahoriana,very fanantenana,misalasala(doubt) sns..Anjarantsika ny manohy azy...

1- Ahoana izany fanoharana vehivavy eo am-piterahana izany izany?

2-Misy anefa tsy nambinina ary tsy kivy fa namerina indray?

3- Ary any amin'ny farany dia teraka soa aman-tsara:D:D

Misaotra mialoha

(l)niryna




Fanoharana io nataon'i niryna io. Raha ho teraka ny olona iray dia misy ny fiandohana: Andriamanitra raha toa ka jerena amin'izao tontolo izao. Ny fikotrehana na fotoana mahabevohoka, ary ny fiterahana. Misy fanaintainana eto. Raha oharina amin'ny fe-potoana lavalava kokoa dia ity farany ity no fahoriana mahazo antsika. Misy sedra ao. ary any amin'ny farany dia teraka ka na velona ny zaza, na maty.

Eo amin'ny fiainana ara-panahy dia sedra no mahazo antsika. Mahatana Ilay Fahazavana Voalohany nanoratana ny faharesen'ny fontsika ve sa tsia? ka azo otazana tomombana tsara?

Mila matotra miatrika izany.

Eo amin'ilay hoe mamerina indray fa maty ny teo aloha. Hafa ny zaza tonga eo fa tsy ilay nokononkononina teo aloha. Efa maty ny taloha, ary indro tonga vaovao. Fiala-nenin'Andriamanitra ho antsika olombelona io teo amin'ireo ambaratongan-taranaka nifandimby ka amin'izao fotoana izao dia Ilay vaovao nokolokoloin'i Jesoa no ho velona, mila manampy Solika eto ary mamantatra hoe ampy sy feno tsara ahatongavana sa ahoana? Ilay solika tena Izy io fa raha rano no ampidirinao dia tsy hirehitra ny jironao.


18. ikaretsaka ( 30/07/2007 18:45)
dia narary ve izany Andriamanitra t@ nahary izao tontolo izao?
hoe .. maty aho dada maty aho mama.. dia boooooo nisy ny nazava
de maty aho dada maty aho neny dia boooooooo nisy ny tany sy ny lanitra?
mba tsetsatsetra nyahy a
19. niryna ( 31/07/2007 04:32)
tywa68:

hafa² indray zany fanoharana izany : efa tsy afaka mamaly izany ny lhl sy ny zatovovavy tsy mbola nandalo teo :lol: tsy haiko aloha fa tsy fahoriana ho an'ny rehetra ilay miteraka, na dia eo aza ny marary mandra-piteraka, satria arakarak'ilay olona koa io.

Eny e,tsy ny rehetra no nandalo izany fiterahana izany,fa ho an'izay efa niteraka dia tena latsaka daholo izay tsy latsaka indrindra moa voaloan-jaza.
Eo amin'ny fihetsehan-jaza dia misy fiteny hoe na velona na maty,mafy ilay izy ary tena mila tsy hiverina intsony ny tena.:roll:

20. niryna ( 31/07/2007 04:34)
ari.malala:

tsy azoko loatra ilay lohahevitra ry niryna ka sao d mba azonao itondrana fanampimpanazavana kely! efa niainako in2 mantsy izany mihetsijaza sy miteraka fa tsy hitako izay ifandraisany @ fahoriana...

Arilala ho hazavaiko anao ihany fa aleo aloha jereko izay nosoratan'ny namantsika an.:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001