Toy ny vhvvy eo am-piterahana ny fahoriana mahazo antsika?

41. tywa68 ( 01/08/2007 05:35)
aza avelanao irery
42. niryna ( 01/08/2007 05:46)
Misaotra antsika rehetra samy nilaza ny heviny.:*
Resaka fivavahana no resahana eto ary ny fahoriana mety mahazo antsika dia nohariko ny vehivavy izay bevohoka,mitondra ilay zaza ambohoka, mihetsi-jaza ary miteraka.

Samy manana ny zavatra iriany(desire) avy isika rehetra ary mahatonga antsika hifikitra na hanana tanjona hanantateraka an'iny.

Toy izany koa ny vehivavy rehefa ratsiana mihinana sakafo,tsy maintsy ataony izay ahitany an'iny.

Raha ohatra isika tsy manana faniriana ny hivavaka dia tsy hivavaka isika,raha tsy manana faniriana ny andeha hiangona dia tsy mandeha miangona .
Raha tsy manana faniriana ny ahandro sakafo isika dia tsy mahandro sakafo ihany koa.

Ny vehivavy raha vao mitsaika ny zaza ao an-kibony dia mety mbola tsy fantany raha tsy elaela.Eo amin'izay izy fa mahita na mahatsapa fa misy fihovany ny vatany,mety miha-ngeza ahatra,mandoha,tia mihinana zavatra mamy na masirasira.
Manomboka mitandrina amin'ny sakafo hohanina, mitandrina sao mianjera,mihinana vitamina sy calcium,manaraka izay torohevitra ary tsy maitsy mandeha any amin'ny Gyn na tiany na tsy tiany.

Toy izany ihany koa isika rehefa manomboka manantona an'ATra,tsy mahita fihovana firy,mihezaka hatrany ary ela ny ela manomboka mahita fihovana ao anaty ao.
Manomboka mahafantatra ny mety sy ny tsy mety,manomboka miova tsikelikely ny fomba fiteny na ny fihetsika, ny fiainana ,manomboka mangetaheta an'Atra ary manantona ny fiangonana toy ny bevohoka mandeha any amin'ny Gyn.:D (hitohy)
43. niryna ( 01/08/2007 06:17)
Hoy ny teny ao amin'ny Salamo 37 : 3-4 Matokia an'i Jehovah hianao,dia honina amin'ny tany hianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.Ary miravoravo amin'i Jehovah hianao dia omeny anao izay irin'ny fonao.
Inona avy ireo faniriana ao aminao?
Inona no faniriana lehibe indrindra amin'ny fiainanao?
Ireto misy ohatra maromaro:
Maniry ny:-hanana fiadanan-tsaina ao an-trano,maniry ny hiakatra ny karamako,maniry ny hanambady,maniry ny hisondrotra kilasy ,maniry ny hanan-janaka,sns.Rehefa tanteraka ny faniriako dia faly sy mibitaka tokoa aho.

Ara-panahy : manana faniriana ianao ny te-hanantona an'Atra be be kokoa..

Rehefa mitsaika ilay zaza dia fantany fa tsy maitsy hiteraka izy na rahoviana na rahoviana.
Manomboka mitandrina amin'ny rehetra @izay izy na sakafo na ny akanjo anaovana tsy ho terikely,na ny vitamine sy ny calcium.

Ara-panahy koa dia toy izany isika,mianatra ny tenin'ATra,mikolokolo sy mitady izany,mivavaka mba tsy hisy zavatra hitranga sy mba ahatohitra ny fakam-panahy ka mba tsy ahatonga antsika tsy hiverin-dalana.

Indraindray anefa dia mety tsy voatana ilay zaza na afa-jaza tsy nahy rehefa tsy mitandrina,tsy mijery dia mety ho voafingan'ny vato na zavatra hafa.

Ara-panahy koa dia toy izany isika raha ohatra ka tsy mampitombo ny fahalalantsika an'Atra raha tsy mivavaka na mahalala ny tenin'ATra avy amin'ny alalan'ny famakiana ny baiboly dia tonga ny satana hamingana antsika ka raha tsy mitandrina dia ho potraka tokoa(hitohy):lol:


44. Rasiligaoma ( 01/08/2007 06:25)
Izaho angamba tsy Neophyte fa le lehibe tao hatramin'ny fahakely fa
zaho manokana aloha tsy nahita na nahatsapa fihovana izany mihitsy t@ nanombohako nanatona an'Andriamanitra e. tsy nisy fijaliana izany aho vao nanatona na nisy sedra na tsy haiko
Tsy nisy tamiko mihitsy ny hoe izao aho taloha dia lasa izao na taha'izao aho rehefa avy eo.
Ny nahatsiarovako azy dia hoe nivavaka foana aho dia nandinika hoe fa maninona aho no izao, dia angamba vokatr'ilay sady nino aho no namantatra ny anton'ilay inoako sy hoe maninona aho no izao no antony.

Matetika ilay olona maniditsidina tsy mitombin-tsaina taloha sy tsy dia noteizana loatra t@ finoana ireny no tratran'io seriny dia seriny io nony lasa nino izy!
dia na nino aza ilay izy dia mbola eny foana ilay toetra tsy mahatombina fa mikondrakondrana sy maniditsidina!
dia ny vokany ilay lasa mino tsy mandinika dia izay hitakitany fotsiny no mody heo izaho izao dia izao.

Fa Raisiko amin'ny fanoharanao ilay izy:

Tsy vehivavy aho, kanefa inoako tokoa fa raha vehivavy efa nivonona ny hiteraka sy nanazatra ny tenany amin'izany fananan-janaka izany. mamaky boky izy, nianatra sy nandalina ny zavatra rehetra atao , dia fantany daholo ny hanjo azy, dia tsy dia haninona azy izany fiovana amin'izany miteraka voalohany izany.Efa fantany mialoha mantsy ny hanjo azy ka tsy taitra amin'izany izy!

Fa matetika dia ilay tsy nahalala fa entaentanin'ny fiainana ireny fotsiny, tsy nahay , tsy nianatra fa bevohoka tsy fidiny, tsy nahay izany sy izay mety hitranga @ izany, no miteraka dia nahita ny zavatra rehetra nitranga taminy, dia iny no vazavazainy eran-tany sy eran-danitra satria niatra taminy, dia matetika ilay izy tsy marim-pototra akory anefa ... dia lasa ataon'ny dokotera sy ny olona sasany fihomehezana,
ilay manao ilay hoe : izaho tamin'ny niteraka dia nanao izao sy izao fa tandremo, dia iny fihevitra iny no afafiny.Mety misy finoanoam-poana iny dia ny tsy zatra sy ny tsy ampy fahalalana aloha dia voa tokoa e..
Fa ireo nandalina ny hoe fa maninona, raha manao izao dia maninona. inona ny antony nampahatonga ilay cas ohatran'izao. kosa dia hihomehy fotsiny hoe, tsy izany fa zao e
45. niryna ( 01/08/2007 06:30)
Raha tsy mitandrina hoy aho etsy ambony dia mety ho afa-jaza
Isika koa mety ho very izany faniriana izany,mety tonga ny hafa manakivy antsika,very ilay fanantenana.

Ho an'ilay vehivavy bevohoka dia manomboka mihangeza ny kibony,tsy afaka mandeha intsony izy,ahoana? satria mila mitandrina,isanandro izy dia mikarakara vatana mba ahatonga ilay zaza ho salama tsara,mihinana ny sakafo nasiana nohaniny,mitsabo ny tenany izy mba hiarovany ny fiandrasany vohoka ,mba tsy ho saro-piterahana,miezaka ny manao izay tokony sy fantany fa mahatsara ilay zaza ao an-kibony izy.Ka ahatonga azy hiteraka soa amantsara

Ara-panahy koa dia samy manana ny faniriany isika tsirairay mety ao ny maniry ny zanaka ho hendry,ny vady hiverina ny tokan-trano,ny ankizy mba hijery rehefa hatrizay ka antitra,ho tsy misy olana ny vola hisotroana ronono rehefa hatrizay,misy toerana hipetrahana rehefa antitra sns.Ary ao ihany koa anefa ny faniriana izay lalana hitondran'Atra ka nahatonga antsika nandray anjara ato amin'ny serasera,hampitombo sy handalina ny tenin'Atra.

Tadidio anefa fa ny satana dia manana faniriana izay mitady ny hamokatra hatrany ny olona ka tsy ahatonga antsika amin'izay faniriantsika.Toy ny vehivavy voafinga ka mety ho potraka na mianjera raha tsy mahay mitandrina(Hitohy):P

46. niryna ( 01/08/2007 06:50)
Manomboka mahatsapa zavatra hafahafa ilay bevohoka satria kely sisa ny fotoana hiandrasany ilay zaza ao an-kibony,manomboka miha-marary matetika ary indraindray aza dia mandeha any amin'ny hopitaly na Gyn mihitsy fa toa tonga ilay fotoana,mijaly ,mandringotra izay azo raisina,miholakolana sns.

Ara-panahy,rehefa mihamanantona an'ATra isika dia maro ny fahavalo mamotraka antsika: kanefa dia misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra,hitsahatra ny fahoriana mahazo

Inona avy izany fahoriana izany?


Aretina maro samy hafa,fahafatesana,mandao olon-tiana,mipetraka irery,misara-bady,mijaly am-panambadiana ny resaka tokan-trano,satana mandrirotra ka tsy mahatohitra ny fakam-panahy,zanaka na vady maditra, olona mampiasa herintsandry,diso fanantenana,tsy manana fanantenana,eny fa mety miafara ny fifamoizam-po mihitsy indraindray ny ao anaty saina,azo-pahoriana,very fanantenana,misalasala(doubt) sns

Na ahoana na ahoana ny fahoriana mahazo eo am-piterahana rehefa tonga ny fotoana dia tsy maitsy mivoaka ny zaza ary dia adino daholo ilay fahoriana nahazo nandritra ny fihetsehan-jaza.

Ara-panahy,rehefa manomboka mihatsahatra ny fahoriana mahazo antsika ny devoly dia mitady izay rehetra ataony mba tsy hialantsika amin'ny fanandevozany,manomboka romotra izy,alefan'ny satana daholo ny miaramilany(devoly)hanao izay velam-pandrika hisitomana antsika hiverina,miady mafy noho ny taloha isika(fianakaviana mankahala,ny namana mivadika,ny vady manao sakaiza manody,ny zanaka mirenireny,nandao azy tsy fidiny ny vadiny ary dia vita hatreo koa ny fiainany,izay manodidina azy dia halany sy tsy tiany daholo,very ny asa,sns..

Sasatry ny manontany foana ilay vehivavy rahoviana ihany izy ity vao hivoaka,manao izay heriny izy ary indraindray izy miteny hoe tsy vitako intsony ity.Miverimberina hatrany ny faharariany ary ny dokotera no manome hery azy fa vitanao io ,alefaso.:roll::cry::cry::oops:

47. boraingy ( 01/08/2007 06:52)
Marina be ny hafatrao. Miampy kely ho antsika Gasy. Raha nankato ny ana-dRay amandReny ny zaza ka afaka nitahiry izany, rehefa tonga ny fotoana hitondrany anaka dia hitany tsara ny fomba fitondrana sy fitaizana azy rehefa teraka soa amantsara.

Hajao ny fianakaviana noho izany ary ny Hafatry ny Ray dia ny hananantsika Fo toy ny an'i Jesoa Kristy Zanany nomeny Ohatra.

Hira hoan'ny rehetra: Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary

Mba hirao ampifaliana sy amin'ny Fo araka an'i Jesoa io:

Azo antoka zato isan-jato tsy misy parasite manelingelina hafa ny fandraisanao ny Fanahy Masina ka Maha-Iray anao ao amin'i Jesoa sy Andriamanitra Ray.

48. niryna ( 01/08/2007 07:07)
Na inona na inona ataon'ny devoly ka mandratra antsika na ara-batana na ara-tsaina eny fa na dia mety ahatonga antsika tsy ho tian'ny namana,ny havana ,ny mpiara-miasa sns aza izany.

Rehefa tonga ilay fotoana hivoahan'ilay zaza dia reraka ianao,tsemboka ianao,ary farany izay andro niandrasanao ilay zaza nandritra ny sivy volana, tsy nahita tory.Rehefa tonga ilay fotoana dia faly ianao fa tanteraka ny fanirianao

Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra ary misy fihafarany:ny vady maditra tsy mody an-trano,ny tahotra ny hipetra-drery,ny faniriana ny hanambady,ny fitadiavana asa,ny aretina nahazo.Hitsahatra daholo izany rehefa tonga ilay fotoana.

Rehefa tonga ilay fotoana nahaterahana dia tsy mahatsapa ny olona manodidina na ny mpamangy fa ilay zaza tao an-kibonao ihany no mahavariana azy ireo,tsy fantany na tsy tsapany ny zavatra nandalovanao nitondra iny zaza iny tao am-bohoka.

Ara -panahy koa rehefa nijaly isika na inona ny vona nahazo antsika dia hain'Ata foana no nanova izany satria isika nanana fanirina ny hametraka ny fiainantsika aminy,naniry ny hanana fifandraisana aminy be be kokoa isika ka nanankina mafy tamin'ATra ny fiainantsika,tsy niverin-dalana na inona nidona tamintsika,nomena ho tantanany daholo ny fiainantsika rehetra,namela heloka ny hafa sy nangataka famelankeloka taminy isika,.(hitohy)8)


49. niryna ( 01/08/2007 07:31)
Inona izany no faniriana ao aminao indrindra?
Na inona na inona izany dia ny mivavaka ary mangataka amin'ATra isan'andro izany faniriana fa ataony tanteraka izany raha mino sy manaiky Azy ho mpanavotra.

Ahoana no hikolokoloina izany faniriana izany ara-panahy?
Mila fantarina ny tenin'Atra satria io no apinga voalohany hiadiantsika ny satana,raha tsy mahalala ny tenin'Atra isika dia mora ho azy ny hamingana antsika.
Raha matokia sy mino Azy isika dia ataony tanteraka izay faniriantsika ary ho voavonjy koa ny fanahintsika .Koa manomboka anio dia ankino aminy fiainantsika .
Raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Atra efa nanangana Azy tamin'ny maty,dia hovonjena hianao..Fa amin'ny fo no inona hahazoana fahamarinana ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena Romana 10:9-10

(l)niryna
50. ikaretsaka ( 01/08/2007 15:11)
Mitovy fijery @ Rasiligaoma,
Raha hay ilay izy tsy mimenomenona @ izany.
fa ny olona vao "tampohany" no be menomenona
51. tywa68 ( 01/08/2007 15:24)
tsy mimenomenona fa :lol:
52. ikaretsaka ( 01/08/2007 15:50)
tywa
le olona tapotapohiny ireny le manao hoe za zao de nanao an zao de tsara beeeee zao dia misy an zao fa andramo.

fa raha olona efa mahafantatra ny tokony atao, tsy tapohiny amin'izany!

ohatran'ny misaoty para ihany io... ny olona mbola tsy nisaoty mihitsy no tampohiny be, za ry reto tena zao, tena nananona kosa eee, gravy be ilay izao!

fa ny olona efa zatra sy niomana ..bof raisiny ny para dia mitsambikina izy dia izay!
53. rakaroka ( 01/08/2007 20:01)
Dia tena "dramatique" BBbe mihitsy anie izao fiheverana ny vehivavy am-piterahana izao:roll::roll:
Anefa toa maro no nahavita zaza maro, ny nanao "pueridurale" tsy nandre marary loatra akory.
Ary izaho nandia izany aza mba MARINA kosa fa tsy "fahoriana" izany mihitsy no nolalovako!
Rizareo any ambanivolo niteraka am-pitsanganana koa
toa marainy 'zareo.
Tokony ampiana ilay "sujet" hoe ny vhv saro-piterahana:wink:
54. ikaretsaka ( 01/08/2007 20:17)
eny tokoa re.. diso fipetraka ilay fanoharana ko..
toy ny mahazatra!
55. fijo ( 01/08/2007 20:57)
tsy azoko mihintsy izay tena tian'i nysina holazaina amin'ilay hoatra?????
56. ikaretsaka ( 01/08/2007 21:02)
izay ange no lazaiko hoe diso fipetraka ilay ohatra dia nisabaka loatra e
57. fijo ( 01/08/2007 21:08)
tena naveriko novakiana indroa fa tena tsy azoko mihintsy
58. niryna ( 02/08/2007 04:09)
boraingy:

Marina be ny hafatrao. Miampy kely ho antsika Gasy. Raha nankato ny ana-dRay amandReny ny zaza ka afaka nitahiry izany, rehefa tonga ny fotoana hitondrany anaka dia hitany tsara ny fomba fitondrana sy fitaizana azy rehefa teraka soa amantsara.

Hajao ny fianakaviana noho izany ary ny Hafatry ny Ray dia ny hananantsika Fo toy ny an'i Jesoa Kristy Zanany nomeny Ohatra.

Hira hoan'ny rehetra: Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary

Mba hirao ampifaliana sy amin'ny Fo araka an'i Jesoa io:

Azo antoka zato isan-jato tsy misy parasite manelingelina hafa ny fandraisanao ny Fanahy Masina ka Maha-Iray anao ao amin'i Jesoa sy Andriamanitra Ray.
Misaotra anao nanazava sy nampianatra anay.:*




59. Rasiligaoma ( 02/08/2007 04:37)
tsy azo.. afaka velabelarina misimisy kokoa ve hamakafakana azy?
60. niryna ( 02/08/2007 05:24)
Raha eo amin'ny fiainana no asiana teny dia hisaorana izay tsy mbola nandalo fangirifirina.Misaora an'Atra ianao fa nomeny fahasoavana.
Na inona na inona manjo antsika dia tsy atao ahakivy izany raha manana an'Atra izay nonome fanantenana antsika mandrakariva.
Nataoko ho fanoharana ny vehivavy miteraka io.Ary any amin'ny fiandohan'ny fitsaikanny mihitsy aza.Namorona azy izy mivady,tsy mbola nahalala fa mitsaika,raha vao mitsaika anefa dia manomboka miova ny toe-batana,mandritra ny fotoana mahabevohoka ilay vehivavy anefa dia mila mitaiza ny vatany izy,manara-maso tsara fa sao misy mahazo ilay zaza,na tiany na tsy tiany dia tsy maintsy mandeha manatona ny mpitsabo izy.Mafy ny mahazo rehefa hiteraka azy kanefa izany akory tsy mampakivy azy.Fantany fa tsy maitsy hilatsaka sy tsy maintsy hivoaka ilay zaza.
Nihezaka hatrany izy ary tsy kivy na mafy aza teny anelanelany teny,tonga ilay fotoana ary dia nivoaka soa amantsara ilay zaza,faly izy ary adinony daholo ilay fahoriana nahazo azy.
Raha ara-panahy indray dia ....(hitohy)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0619