Toy ny vhvvy eo am-piterahana ny fahoriana mahazo antsika?
61. Rasiligaoma
(
02/08/2007 05:33)
tsy efa voavaly ve io moa? Misy raha vehivavy miteraka.. tsy voatery hijaly rehefa niomana tamin'izany:
le olona tapotapohiny ireny le manao hoe za zao de nanao an zao de tsara beeeee zao dia misy an zao fa andramo.
fa raha olona efa mahafantatra ny tokony atao, tsy tapohiny amin'izany!
ohatran'ny misaoty para(chute) ihany io... ny olona mbola tsy nisaoty mihitsy no (nahavita nisaoty) dia tampohiny be, za ry reto tena zao, tena nananona kosa eee, gravy be ilay izao!
fa (ho an') ny olona efa zatra sy niomana ..bof raisiny ny para(chute) dia mitsambikina izy dia izay!
62. niryna
(
02/08/2007 05:52)
Raha ara-panahy indray dia izao:
Mangetaheta ny hananantona an'ATra ianao,tsy fantatrao izay fandaharana sy lahatra nomeny anao,manana anjara daholo isika eo amin'ny fanantanterahana sy fampielezana ny tenin'Atra,rehefa nanomboka nanana izany faniriana izany ianao dia nikolokolo azy teo,nivavaka ,namaky baiboly,nihaino ny tenin'Atra sy nampiasa izany tamin'ny fiainana.Tonga ny satana mitady hamingana anao(stumbling block),maro ny adi-tsaina mianjady anao.Dia ireo efa notanisaiko ery ambony ery ireo ohatra:fanambadiana :fisarahana sy fanitsakitsahana,dona nahazo teo amin'ny olon-tiana ka mahatonga hanidy ny fony ny manodidina azy,fialana amin'ny asa,na tsy fananana asa,aretina samy hafa sns.Manao izay zavatra heverinao fa mahavaha olana ianao kanefa vao maika miha-mavesatra sy mihamitombo ny fahoriana.Tsy kivy anefa ianao fa vao maika nitady Azy hatrany ka tsy natahotra ny nanantona Azy."Izay manantona Ahy dia tsy mba ho laviko hoy Jesosy." ,nivavaka,nitalaho,nangata-pamelana,niady mafy ary miha-mahery ny satana satria fantany ianao fa manantona an'Atra hatrany,fantany ianao fa tsy azy intsony,ataony izay hamotrahana anao kanefa tsy resiny intsony ianao satria satana efa fahavalo resy.Misy anefa ny kely finoana dia miverin-dalana(backslider)Ny teny fampaherezana nomen'ny Tompo no fitaova sy ampinga nana2-o:Aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho,nomenao Azy manontolo ny tenanao, ny fiaiananao.NIresaka nivantana tamin'i Jesosy ianao,namboraka taminy ny fahoriana mahazo anao.(Mety ho ela ny valiny fa ny fantatra rehefa manana azy ianao dia valiany foana)Tsy matahotra na inona na inona intsony ianao fa manana an'I Jesosy kristy ho mpanavotra anao.
Ao amin'i Jesosy irery ihany no misy fifaliananary izay mino Azy no hanana ny fiainana mandrakizay.Fifaliana ve misy ohatran'izany:D.
Raha mbola tsy manana Azy ao am-ponao ianao,raha mbola mivilivily lalana mino ny a/tra hafa andramo ka zahao fa tsara Izy.Manantona Azy fa mbola miala nenina aminao Izy.
Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Misaotra an'Atra isika fa nomeny ny Zanany hanavotra antsika izay mino Azy satria Jesosy irery ihany no tetezana andehanantsika ho any amin'ny Ray
Ity no vato izay nolavin'ny mpanao trano ,nefa tonga vato fehizoro.Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa .fa tsy misy anarana hafa ambain'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. Asa 4:11-12^:^

63. boraingy
(
02/08/2007 05:58)
Hevero hoe Andriamanitra Ray nanome ny tsodranony tamin'i Abrahama. I Saray no tokony hiteraka ny Lahimatoany. Nefa i Abrahama kivy fa efa antitra i Saray. Tena fahamarinana ara-tsiantifika anie izany rey olona e! Izany no asuurance teo amin'i Abrahama! Niankina tamin'ny medecine izy fa tsy niankina tamin'Andriamanitra. Naka an'i Hagara izy dia nihevitra fa io no hanjaka satria lahimatoany, dia i Ismael izany.
Tsy nanaiky Andriamanitra fa niteraka ihany i Saray dia Isaka izany. Diniho kely anie ny sedra e? Omeo Ahy hataonao sorona io zanakao io hoy Andriamanitra! Raha ianao angamba no teo amin'ny toeran'i Abrahama dia ahoana hoy ianao? I Ismaela lasa fa hoe noroahina, i Isaka indray ity hatao sorona ho an'Andriamanitra. Dia ahoana ary izany? Nefa moa Andriamanitra io ka dia tsy nisalasala izy nandeha. Sedra io rey olona sao sao dia heverinareo fa vazivazy!
Nampionona an'i Hagara koa Andriamanitra anefa an!
Ankehitriny mitohy ny Sedra matoa isika mandalo eto amin'ity serasera ity. Kely no mba azo. Dire Strait niresaka momba ny comunication no nakana lesona. Jesus said, talking to you is like taliking to the wall!
Maninona moa raha ampiasaina izany?
Henoy Izy
Efa Feno ny zava-drehetra
Mandeha ny sedra ankehitriny.
Kononkononintsika olombelona ny Paradisa ao Amin'ny Tompo. Mandeha daholo izao hevitra politika rehetra izao, ahoana ny medecine, ahoana ny phylogeny.
Tadiavo marina Jerosalema Vaovao fa efa fotoanany izao ry zareo a!
Testeo daholo na ny combinaison Joany Paoly, na ny Allah ho Akbar, na ny Methode siantifika, na ny Politika. Na Ilay nofantsihana iny!
Feno ny resaka.
Vakio ny Baiboly dia torio aza asiana parasite intsony! Na mpangalatra ianao, na migadra ianao, na afaka ianao, na inona na inona fa efa Ampy ny eo ampelatanana.
Communication tsy misy parasite sy virus sy mijerijery ny an'ny hafa.
Izay manan-tsofina aoka Hiaino izay lazain'ny Fanahy!
Amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Mpanjaka!

64. ikaretsaka
(
02/08/2007 06:31)
Boraingy> ka ny tsy azoko.. tao anaty baiboly daholo ange no nivoahan'ireo fihevitra rehetra lazainao hoe "parasite e"
65. ikaretsaka
(
02/08/2007 06:55)
dia vakiana ilay izy dia mivoaka ireo hevitra ireo..
ary ilay olona niaina sy namoaka ireo hevitra ireo dia niara-belona t@ tompon'ny Teny sy nandray ny fanahy masina arakizay voalaza ao
ary ilay olona niaina sy namoaka ireo hevitra ireo dia niara-belona t@ tompon'ny Teny sy nandray ny fanahy masina arakizay voalaza ao
66. ari.malala
(
02/08/2007 14:22)
niryna a, efa betsaka iany izay fanazavana izay, fa mbola tsy azoko iany e! azavao fa ts azoko! satria zao mantsy, refa mihetsijaza, d fahasoavana s fahasambarana b refaveo fa tonga ny nandrasana, fa refa misarabady ohatra ny olona iray, na misy maty ao am fianakaviana, ts alahelo ve no manjo? d aiza hoaiza ilay fahasoavana be andrasana? ts haiko na za no tena votsa saina fa tena ts azoko mints ny tanjon'la dinika k! miala tsiny!!!
67. fijo
(
02/08/2007 21:45)
mazava amin'izay ka.izany hoe ohatra fotsiny ilay vehivavy miteraka,(ny marary tiany lazaina eto dia le faharariana fizika tsapa)ka transposeny ami'ny fiainana ilay resaka.izany hoe na mijaly aza de tokony hionona fa manana an'andriamanitra.
za aloha tsy mino,fa za kosa manaiky fa misy lalanan'ny natiora izay tsy azo hivalozana ,ka ny hany azo atao dia ny mionona sy nijery ny hoavy fa tsy hiondrika lava eo
za aloha tsy mino,fa za kosa manaiky fa misy lalanan'ny natiora izay tsy azo hivalozana ,ka ny hany azo atao dia ny mionona sy nijery ny hoavy fa tsy hiondrika lava eo
68. niryna
(
03/08/2007 06:02)
fijo:

Marina izany ry fijo a,ary misaotra anao nanazava.
69. niryna
(
03/08/2007 06:09)
ari.malala:
niryna a, efa betsaka iany izay fanazavana izay, fa mbola tsy azoko iany e! azavao fa ts azoko! satria zao mantsy, refa mihetsijaza, d fahasoavana s fahasambarana b refaveo fa tonga ny nandrasana, fa refa misarabady ohatra ny olona iray, na misy maty ao am fianakaviana, ts alahelo ve no manjo? d aiza hoaiza ilay fahasoavana be andrasana? ts haiko na za no tena votsa saina fa tena ts azoko mints ny tanjon'la dinika k! miala tsiny!!!
Izao aza no azoko omena anao e.Na inona na inona mihantra antsika amin'ny fiainana dia tsy tokony ho kivy fa ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy.Ho an'ny kristiana dia tokony manome hery azy ireo mandrakariva ny tenin'ny Tompo fa tsy mandao azy Izy na inona na inona mahazo ny olona.Raha resaka fahafatesana dia malahelo tokoa ny tena fa rehefa arahina amin'ny fiainana maha-kristiana indray dia tsy tokony atahotra na hieritreritra be loatra izany fahafatesana izany.Maro ny olona mandalo sedra-piainana isan'andro,ny satana dia mandripaka izay azony arapany,mila miambina isika ary mila mivavaka sy mamaky ny tenin'Atra.Mila mikolokolo ny finoana an'Atra izany isika toy ny sakafo izay tsy maitsy ohanina mba ahavelona.Vokisana ny tenin'ATra koa izany ny fanahintsika mba ahafantatra ny marina sy hanampy ireo namana izay very fanantenana.Raha manana an'i Jesosy izany isika dia tokony hisaotra hatrany na inona na inona zavatra mitranga amin'ny fiainantsika satria matoa mitranga ireny dia efa voasoratra daholo.Mazava aminao amin'izay,raha mbola tsy mazava dia alefaso ny fanontaniana fa vonona aho hamaly hatrany:*
70. ari.malala
(
03/08/2007 07:54)
niryna:d aminao zany efa vpoalahatra hoe ranona d hisarabady, nafa any hoany misy hoe halako ny fisaoram-bady??? mahagaga iany...:roll:
na inona na inona zavatra mitranga amin'ny fiainantsika satria matoa mitranga ireny dia efa voasoratra daholo
72. fijo
(
03/08/2007 21:41)
io resaka lahatra io aloha ,hialao satria raha hiafina ao ambadik'io daholo,korontana no hiainana eto an tany.mangalatra aho ,dia lazaiko hoe efa izay no lahatra,mamono olona aho ,dia izay no efa anjara sy lahatra hoazy.miteraka ery ivelan'ny tokantrano aho dia efa izay no lahatra hoan'ilay zaza sy ilay reniny.tena loza io fa aza mitsabaka ao
74. deric
(
04/08/2007 08:57)
Afaka mba hanaza ve ianao raha oharina amin'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fahoriana mahazo antsika?
Raha ny fahorian'ny vehivavy mihetsi-jaza dia raisiko hoe: Fahoriana hivadika fifaliana satria misy fanantenana, aorian'io fahoriana io mantsy ilay andrasana dia ilay sombin'ny aina.
Raha ny fahorian'ny vehivavy mihetsi-jaza dia raisiko hoe: Fahoriana hivadika fifaliana satria misy fanantenana, aorian'io fahoriana io mantsy ilay andrasana dia ilay sombin'ny aina.
75. niryna
(
05/08/2007 06:02)
ari.malala:
niryna:d aminao zany efa vpoalahatra hoe ranona d hisarabady, nafa any hoany misy hoe halako ny fisaoram-bady??? mahagaga iany...:roll:
na inona na inona zavatra mitranga amin'ny fiainantsika satria matoa mitranga ireny dia efa voasoratra daholo
Efa lahatra daholo ny fiainantsika rehetra,ary Atra tsy manome zavatra tsy zakantsika.Fantany hoy Izy isika raha vao tany am-bohoka aza,na isan'ny volondohantsika koa aza dia fantany.
Raha resaka fahoriana amin'ny fiainana dia tsy mahafantatra ny antony isika kanefa iny zavatra manjo iny no fomba iray hitarihan'Atra ny olona hiverina Aminy.
Dia izay no antony iray hianarana sy hamakiana ny teniny.Ohatra hoe resaka fanambadiana?
Dia hita ao anaty baiboly daholo izany rehetra izany ka manome hery ny iray izay manantona an'ATra.
-Aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho. Jereo ny Mat 28:20
-Dia manome heri-tsaina koa Izy,milaza fa hoe mankanesa ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.Jereo ny Mat 11:28
Rehefa mahazo ilay fampaherezana ilay olona dia maivamaivana ny fahoriany,ary eo amin'izay izy manomboka manankina ny fony tokoa amin'Atra.Andramo anie e.
Na inona na inona mahazo,aza kivy,mitraka,mivavaha,mifona,ary mangataha famelan-keloka sy mamela ilay olona izay miady na nanao zavatra tsy nifanaraka ny sitraponao ka nampatezitra anao ohatra.Andramo fotsiny aloha ny mamela ilay olona na mivavaka azy eo noho eo e .
Hitanao fa maiva ilay izy.
Mety ihany koa satria efa niteny Izy hoe raha misy iray na roa no mangataka zavatra amin'ny Anarany dia ataony tokoa izany,anjaranao ny mitady namana kristiana ary afaka miteny aminy ianao mba hiara-mivavaka na hivavahany.Andramo daholo fa raha nandaitra tamin'ny hafa dia mandaitra aminao koa.Izay ilay hoe ampiarina amin'ny fiainana mihitsy ny fivavahana.
76. ikaretsaka
(
05/08/2007 15:31)
tsy maniry loza ho anao aho ary tsy tiako izany anie ianao ka hisara bady dia hahalala hoe lahatra izany! fa imagine fotsiny raha iznay no mitranga !
77. ari.malala
(
06/08/2007 12:23)
o ry niryna a! aza maiavanina otranzany nyz avatra! refa tsy mihatra mainao v d moramoraina b otranzany!!! zany matetika no mahatonga ny olona kivy sy tsy mety mivavaka satria tsy mba fampaherezana no omen'ny sasany fa tena toa fandatsana! amiko alo d fandatasna izany teninao zany e! tsy laviko fa ilaina ny mivavaka sy manaotna an'Atra @ izay manjo, fa mba ts odiana atao we zay no lahatra, fa ra olona mbola donton'ny fahoriantsainy no itenananao we zay aky no lahatra d ozizy we hay zany le Atra no mahatonga ny fahoriana isankarazany d ts hivavaka tsony izy!!! d aona???raha fahafatesana no ilazana hoe zay no lahatra ekeko, fa raha ohatra hoe olona vao avy very asa, na nisarabady na vevavy bevoka nilaozan'ny rain-janany ts ekeko kosa e!!
78. tywa68
(
06/08/2007 14:21)
Ka samy manana ny réaction-ny ry ari.malala fa marina aloha hoe mety manimba olona koa raha valy boraingina sns ... :lol:
79. niryna
(
07/08/2007 06:27)
ari.malala:
o ry niryna a! aza maiavanina otranzany nyz avatra! refa tsy mihatra mainao v d moramoraina b otranzany!!! zany matetika no mahatonga ny olona kivy sy tsy mety mivavaka satria tsy mba fampaherezana no omen'ny sasany fa tena toa fandatsana! amiko alo d fandatasna izany teninao zany e! tsy laviko fa ilaina ny mivavaka sy manaotna an'Atra @ izay manjo, fa mba ts odiana atao we zay no lahatra, fa ra olona mbola donton'ny fahoriantsainy no itenananao we zay aky no lahatra d ozizy we hay zany le Atra no mahatonga ny fahoriana isankarazany d ts hivavaka tsony izy!!! d aona???raha fahafatesana no ilazana hoe zay no lahatra ekeko, fa raha ohatra hoe olona vao avy very asa, na nisarabady na vevavy bevoka nilaozan'ny rain-janany ts ekeko kosa e!!
Tsy manamaivana aky aho a,misy antony daholo ny zavatra rehetra,indraindray zavatra tsy ampoizina no mahatonga ny olona hanantona an'Atra.Misy fisedrana mahazo amin'ny fiainana isika saingy ny fisehoany no tsy mitovy.Rehefa mianatra manantona ary manaiky izay zavatra mitranga amin'ny fiainantsika isika dia miha-maivana ilay fahoriana.Eny mafy be izany ary mampalahelo,tsy sitrapon'ilay vehivavy ilay izy.Tsy satry aza ve hiaraka,saingy isika tsy afaka ny hanova izay nitranga.Lahatra ilay izy satria tsy isika no nandahatra azy fa efa voasoratra daholo ny fianana misy antsika,saingy tsy fantantsika izay ho avin'ny ampitso.Ny mangataka amin'Atra famelana no atao voalohany(satria mety ohatra hoe tezitra mafy ary mety nanana fankahalana an'ilay lehilahy nandao ilay ramatoa sy ny zanany mafy mihitsy ilay vehivavy,mianatra mamela ny tenany izy izany aloha,dia avy eo mamela ilay lehilahy nandao azy mianaka.Tsy mora aloha a,ary miankina amin'ilay ramatoa daholo io,hivavahana ilay rangahy mba ho voavonjy koa ny fanahiny.Atra ari-malala mahay manova zavatra betsaka ao anaty fivavahana.Andramo anie e.
Izaho tsy mandatsa fa miezaka ny hanampy raha manana namana ianao ka niantra toy izany,ampio izy mba tsy hanana fankahalana na ny tenany (blame,manome tsiny azy amin'izay mitranga)ary mamela ilay lehilahy.Ireo no fanafody haingana amiko,maro ny olona raha tantaraiko anao daholo dia ho gaga sy alahelo ianao kanefa rehefa nandalo izany fitsapana maha-may izany daholo izy ireo ka nahalala namela ny tenany voalohany indrindra avy eo ny hafa dia nisy fiovana tanteraka izany.
Hoy i ari.malala:
f'angaha izao Andriamanitra izao mpanao didy jadona no hoe aza anotaniana Azy ny antony? dia lasa tsy fifandraisan'ny Ray sy zanaka intsony zany fa tian-kano tsy tian-kano, sy didikofehy lehibe fts? nefa Izy no efa niteny hoe "antsoy aho dia hovaliako ianao", "izay manatona ahy tsy mba holaviko velively", de aona zany?
Atra tsara fanahy tokoa Izy,tsy manao didijadona izany.
Rehefa misy zavatra mitranga amin'ny fiainana dia tsy miverin-dalana na mitsoaka mandositra manalavitra Azy.Matetika io fiteny foana fa maninona ......Izy anie efa mahafantatra ny lalana alehantsika e.Ny tokony atao izany dia ny mivavaka,mangataka aminy mba ahay hitondra ilay mangidy mahazo,mangataka Aminy mba omeny hery hatrany fa fantany ny zavatra tadiavintsika raha mbola vao tsy mangataka akory aza isika.
Marina fa misy mafy tokoa ny mahazo ny olona:Tsy mbola nahita olona ianao lasa adala ,nipitsoka ny sainy noho ny tsy fahazakany ny onjam-piainana?Nisy indray nitady poizina ,antsy, fanafody,hianjera eo ambaravarakely,ny iray moa dia efa nolazaiko fa nianjera tany amin'ny rihana faha folo ary maty teo noho eo.Ireo rehetra ireo dia mitady vahaolana haingana kanefa dia fijaliana no miantra.Misaotra an'Atra isika fa mbola nomeny fanantenana ka na inona mitranga manana fanantenana ary ankino aminy mandrakariva ny fiainana fa mahay manova zavatra betsaka izy.Izany no ilaina namana hiara-mivavaka ,mangataka amin'ny Tompo ny vahaolana sy ny mba hanomezany heri-tsaina hatrany.