KONFESY

1. bosista ( 07/07/2007 17:44)
Manaona daoly,
tsy haiko na efa nisy niresaka ity resaka ity na tsia fa sendra nanitikitika ny saiko lay izy de tsy hitako koa we aiza no hitadiavako azy ato, dia miala tsiny, izao lay izy:ny fampianarana katolika dia mampianatra fa raha tsy mikonfesy ianao dia tsy ho voavela ny fahotanao ,ary tsy mendrika ny handray ny fanasan'ny tompo ianao(komonio) ,fa aiza ao amin'ny baiboly kay no misy an'io,indrindra koa le we fahefana azon'ny mompera mamafa fahotana, moa tsy mipetraka amin'ny toeran'A/TRA VE IZY? ary zaho aloha tsy hilaza we tsy manota ny pretra , fa izao raha manota izy de amin'iza izy no mikonfesy, ny eveka, ny papa koa dia sahala amin'izany.
dia misaotra mialoha!
répondu par booboo le 04/08/2007 15:22
2. ravakamalala ( 07/07/2007 19:16)
jaona 20, 23 : http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=20&andininy=21-23&dika=
3. ravakamalala ( 07/07/2007 19:21)
Niresaka tamin ny apôstôly Jesoa teo, noho izany nomeny alalany ny apôstôly hamela ny fahotan'ny olona.

4. ikaretsaka ( 07/07/2007 20:17)
Voalohany indrindra dia mila fantatrao aloha ilay hoe katolika apostolika izany hoe nandimby ny fivavahana sy ny fomba nampianarina sy nampitain'i Kristy hatrany @ apostoly sy ny dimbiny nandritra izay 2000 taona mahery izay!

ny Zavatra ara-baiboly manazava an'io amin'izay ary dia ilay hoe i Kristy dia nanana fahafahana namela heloka, dia nampitainy t@ apostoly ilay izy, t@ izy niteny t@ Piera nanao hoe: "Omeko anao ny lakilen'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay fehezinao eto an-tany dia fehezina kao any an-danitra, ary izay avotsotrao eto an-tany dia avotsotra koa rehefa any an-danitra" (Matio 16, 19)

Tsy noferana t@ Piera io satria nanana izay fahefana izay i Piera dia avy eo napasipasiny t@ apostoly rehetra sy ny dimbiny ilay izy dia tonga hatr'izao vaninandro misy antsika izao!

dia io efa nomen'i Ravakamalala io koa ny andininy iray (Jaona 20,23)

Misy tenin'i Md Cyprien izay koa manao hoe: "maninona rehefa atao batisa na batemy ianareo , dia i Mompera no manao batemy,nefa ekenareo fa Andriamanitra no nanao batemy anareo, Dia rehefa mikonfesy ianareo mbola mompera ihany no mampikonfesy anareo... nefa tsy ekenareo fa amin'Andriamanitra no ikonfesenareo?
5. hery ( 07/07/2007 20:53)

Fa i bosista ve anefa te hahalala marina ny momba ny atao hoe konfesy sa te hampiseho ny hevitr'i bosista momba ny atao hoe konfesy?

ILay fanontaniana mantsy somary hafahafa ihany satria efa misy fitsarana amboalohany avy hatrany.

Sarotra be ho anao ny mahazo izany resaka konfesy izany raha toa ka efa manana izay eritreretinao ianao. Ho an'ny katolika kosa dia mora azony tsara izany. Ka raha toa ka te hahalala ny fiheveran'ny katolika ny atao hoe konfesy ianao dia azo atao tsara ary efa natomboky ny namana hafa ny fanazavana izany.

6. ikaretsaka ( 07/07/2007 22:00)
ilay hoe mopera mikofesy amin'iza?
mikonfesy @ mompera hafa namany na tsy fantany mihitsy izy ka manana fahefana mampikonfesy
ohatra hoe ianao mompera dia izaho koa mompera doa na mifankafantatra isika na tsy mifankafantatra dia afaka mifampikonfesy (fa matetika aloha ilay tsy mifankafantatra e)
ny eveka sy ny papa: mikonfesy @ izya olona rehetra afaka mampikonfesy izy!
7. cutie ( 07/07/2007 22:31)
Mpandefa : bosista [ Valio ] 07-07-2007 19:44:07
Lohateny : KONFESY
Manaona daoly,
tsy haiko na efa nisy niresaka ity resaka ity na tsia fa sendra nanitikitika ny saiko lay izy de tsy hitako koa we aiza no hitadiavako azy ato, dia miala tsiny, izao lay izy:ny fampianarana katolika dia mampianatra fa raha tsy mikonfesy ianao dia tsy ho voavela ny fahotanao ,ary tsy mendrika ny handray ny fanasan'ny tompo ianao(komonio) ,fa aiza ao amin'ny baiboly kay no misy an'io,indrindra koa le we fahefana azon'ny mompera mamafa fahotana, moa tsy mipetraka amin'ny toeran'A/TRA VE IZY? ary zaho aloha tsy hilaza we tsy manota ny pretra , fa izao raha manota izy de amin'iza izy no mikonfesy, ny eveka, ny papa koa dia sahala amin'izany.
dia misaotra mialoha!

Ny henoko de we tsy mamela heloka mopera fa Atra rery ihany no afaka manao an'zany ,anjaran'ny mopera fotsiny no mampatonga saina an'le oul mikofensy, ary raha mino le oul de voavela ny helony :D
8. piste ( 08/07/2007 10:53)
Avaho tsara ary ny hoe: "raha henoko" sy ny hoe "raha ny tena izy" sy ny "raha ny iainako azy".
9. cutie ( 08/07/2007 15:16)
ny henoko wa io koa :roll:
10. bosista ( 08/07/2007 16:04)
manaona daoly
hery>> fa i bosista ve anefa te hahalala marina ny atao hoe konfesy....oui ny valiny ary te-hahalala marina aho, ary tsy manana hevitra aho fa raha nanana aho de tsy ho nanontany eto, ary tsy mitsara sahady izany aho fa zany angambany dia avy aminao tompoko, ary tsy manana izay eretreritiko koa aho afa-tsy ny we: maninona ary ny kristianina sasany ankoatran'ny katolika no tsy mikonfesy no tsy mampinkofesy, ny protestanta, jesosy mamonjy, advantista,temoin de jehovah,assemble de dieu sns...
tsy nahazo ilay passe-passe zany reny angambany...!!!
11. ikaretsaka ( 08/07/2007 16:22)
dia efa voavaly io ambony io ny tianao anontaniana
zahako tao ambony tao:
"maninona rehefa atao batisa na batemy ianareo , dia i Mompera no manao batemy,nefa ekenareo fa Andriamanitra no nanao batemy anareo, Dia rehefa mikonfesy ianareo mbola mompera ihany no mampikonfesy anareo... nefa tsy ekenareo fa amin'Andriamanitra no ikonfesenareo?

dia aleo apetraka @ ndry zalahy sy aminao ohatra io fanontaniana io
12. pissoa ( 08/07/2007 19:10)
manaona daoly
hery>> fa i bosista ve anefa te hahalala marina ny atao hoe konfesy....oui ny valiny ary te-hahalala marina aho, ary tsy manana hevitra aho fa raha nanana aho de tsy ho nanontany eto, ary tsy mitsara sahady izany aho fa zany angambany dia avy aminao tompoko, ary tsy manana izay eretreritiko koa aho afa-tsy ny we: maninona ary ny kristianina sasany ankoatran'ny katolika no tsy mikonfesy no tsy mampinkofesy, ny protestanta, jesosy mamonjy, advantista,temoin de jehovah,assemble de dieu sns...
tsy nahazo ilay passe-passe zany reny angambany...!!!

tsy hoe tsy nahazo angamba fa tsy te handray ka :-D:-D:-D
13. marozevo ( 08/07/2007 19:37)
ilay hoe mopera mikofesy amin'iza?
mikonfesy @ mompera hafa namany na tsy fantany mihitsy izy ka manana fahefana mampikonfesy
ohatra hoe ianao mompera dia izaho koa mompera doa na mifankafantatra isika na tsy mifankafantatra dia afaka mifampikonfesy (fa matetika aloha ilay tsy mifankafantatra e)
ny eveka sy ny papa: mikonfesy @ izya olona rehetra afaka mampikonfesy izy!


ie marina dia marina io, fa ny mba ambarako kely fotsiny dia ny momba ity :

(fa matetika aloha ilay tsy mifankafantatra e)


IO dia tsy dia marina loatra. Ny konfesy koa manko, ankoatra ny maha-fanalana ny fahotana azy, dia fitantanam-panahy koa. Ny tena conseillé aza dia "régulier" ny fotoana hikonfesena, indrindra raha Mopera na Relijiozy. Tsy misakana ny fahazoam-pahasoavana, fa vao maika manamafy izany aza, ny hoe mifankalala tsara ny mpikonfesy sy ny Mpampikofesy.

Ny Eveka sy ny Papa dia afaka mikonfesy amin'ny Mopera koa. Ohatra : Ny Mpampikofesy ny Papa Joany Paoly faharoa dia Mopera fa tsy eveka, ary tsy niova mihitsy fa olona iray ihany nanomboka tamin'ny naha-Eveka azy (années 60), ka mandram-pahafatiny. Ny an'i Benoit 16 tsy haiko.
14. cutie ( 08/07/2007 21:35)
tsy nahazo ilay passe-passe zany reny angambany...!!!

in le passe-passe lazaina eto fa tsy azoko :roll:
15. marozevo ( 08/07/2007 21:56)
Cutie ! Ity ilay hoe pass-pass, lazain zareo :

Tsy noferana t@ Piera io satria nanana izay fahefana izay i Piera dia avy eo napasipasiny t@ apostoly rehetra sy ny dimbiny ilay izy dia tonga hatr'izao vaninandro misy antsika izao!
ikaretsaka no nilaza an'io ao ambony ao.

Tena marina io fampianarana io.
16. cutie ( 08/07/2007 22:11)
17. ikaretsaka ( 08/07/2007 22:17)
Voalaza teo :
(fa matetika aloha ilay tsy mifankafantatra e)


IO dia tsy dia marina loatra. Ny konfesy koa manko, ankoatra ny maha-fanalana ny fahotana azy, dia fitantanam-panahy koa. Ny tena conseillé aza dia "régulier" ny fotoana hikonfesena, indrindra raha Mopera na Relijiozy. Tsy misakana ny fahazoam-pahasoavana, fa vao maika manamafy izany aza, ny hoe mifankalala tsara ny mpikonfesy sy ny Mpampikofesy.

Ny Eveka sy ny Papa dia afaka mikonfesy amin'ny Mopera koa. Ohatra : Ny Mpampikofesy ny Papa Joany Paoly faharoa dia Mopera fa tsy eveka, ary tsy niova mihitsy fa olona iray ihany nanomboka tamin'ny naha-Eveka azy (années 60), ka mandram-pahafatiny. Ny an'i Benoit 16 tsy haiko.


Ny ahy io ka:wink: (izay no nanaovako azy entre parentheses)
18. ikaretsaka ( 08/07/2007 22:22)
ilay napasipasiny no hafahafa ve?..ao ary fa sintomiko dia ataoko hoe:

nafindrany t@ dimbiny, dia nafindran'io anankiray io tamin'ny dimbiny indray ,dia nafindrany t@ dimbiny indray, dia nafindrany t@ dimbiny indray, dia nafindrany tamin'ny dimbny indray, dia................................................


Nifindra t@ ireo dimbiny mbola hitantsika @ izao vaninandro izao...

dia mifindra .. dia hifindra.......
19. marozevo ( 08/07/2007 22:32)
Mety hipetraka ny fanontaniana hoe, ahoana no fisehon'io fifindràna (passe passe) io? Raha vao amasinin'ny Eveka ho Mopera ny olona iray dia mandray io fahefana io avy hatrany izy.

Niresaka tamin-na Mopera malaza be any Madagasikara izay aho, dia hoy izy, momba ny Konfesy : "Rehefa mampikofesy aho, dia tsapako ho mitombo ny finoako". Entina hilazana izany, fa tsy ny mpikofesy ihany no mahazo tombon-tsoa amin'ny Konfesy, fa ny Mpampikofesy koa.

Malaza ? : Niteny tao amin'ny Radio foana Rangahy io taloha...
20. niryna ( 09/07/2007 00:57)
Ny mikonfesy dia ireo voalaza eo ambony ireo,eny fa na ny samy mpinamana aza mifampizara izay zavatra nataony dia efa milaza ny tsy mety tamin'ny hafa izy izany.Ary dia mibebaka sy manantona an'Atra fa tsy anao an'iny intsony.
Raha miaiky ny fahotantsika isika ,dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra)ka mamela ny fahotantsika,sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra: If we confess our sins(to God),he is faithful and just and forgive us our sins and purify us from unrighteousness IJaona 1:9
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1964