KONFESY

21. soanja ( 09/07/2007 01:21)
Raha manaraka tsara ny tantaran\'ny fisarahan\'ny fiangonana zany hoe ny niforonan\'ny fiangonana protestant dia ny fisian\'ny konfesy no nolaviny voalohany, satria tamin\'izany andro izany dia anisan\'ny natao fitaovana na fomba hanangonam-bola ho an\'ny eglizy koa ny konfesy.
Izay hitako fa nahadiso tokoa ka nahatonga ny tsy finoan\'ny protestant intsony ny fahamasinan\'ny konfesy.

Matetika anefa raha miala amin\'ny fomba na fitoam-pivavahana ny fomba iray nahazatra dia sarotra amin\'ny hafa tsy naharaka ny tantara ny hino indray izany na hanaraka iny fomba iny.
Zany hoe normal tsara raha tsy mahatoky ny tokony hisian\'ny konfesy ny protestant satria tsy mazava aminy ny antony sy ny nisiany.

Ny hoe konfesy raha tsorina ny tontolony dia ny fahatsapana fa diso ny olona iray ary mitaky fibebahana izany: fiovan\'ny fihetsika na zavatra atao ary tsy hamerina intsony izany hadisoana na ota izany. Misy miaraka amin\'izany ny asa fivalozana na ny onitran\'ilay fahadisoana natao.
Io hetsika na fahatsapana fa diso io no takian\'Andriamanitra amintsika. Ka raha misy ny fifamelana amin\'ny samy olombelona dia izay no tsara indrindra saingy ny olona nanaovan-dratsy na niharan\'ny haratsiana natao no ibabohana na ifonana amin\'izany. Io no mety hevitra omen\'ny mopera anao raha mihaino izy. Ny onitra moa izany dia ny fikatsahana ny famerenana ny fahatokisan\'ilay nanaovana ratsy ary ny fitadiavana ny fahasoavana amin\'izany fiombonana izany. Izay takian\'Andriamanitra amintsika koa satria nanao ratsy amin\'ny hafa na ny tenantsika isika dia nanao izany aminy koa.

Koa amin\'ny maha Kristianina ahy dia azo atao tsara izay fomba rehetra ahafahanao mifandray amin\'Andriamanitra ka ahafahanao mibaboka sy mibebeka amin\'izay hitanao fa tsy mety sy maamora izany fifandraisana izany.
Ny zava-dehibe dia olom-baovao ianao rehefa avy nifona sy nibebaka, ka na konfesy io na tonga dia direkta tsy misy mpanelanelana dia mety avokoa.

Mihaino anao Andriamanitra amin\'ny fomba rehetra. Mahatsapa ny ao anatinao Izy ary mahita ny fahadiovana sy fahamarinan\'izany fomba entinao izany.
Zany hoe enga anie ka tsy fanarahana ambokony fotsiny ny fomba (ritual) no miaina ao anatinao raha nitady mopera hikonfesy ianao fa mahatsapa tanteraka ny filana fa mila fibebahana ny fiainana satria nofo isika ka manota tokoa.

Folo taona lasa izay dia nisy karazana statistika natao ka hoe betsaka kokoa ny tanora protestant no mamono tena noho ny tanora Katolika.
Satria nahoana?
Ilaina ny sofina mihaino. Ny samy olombelona mifandray sy mifampizara dia manamaivana ny fangirifiriana.
Rehefa avy mikonfesy ianao dia hilaza aminao aho fa maivamaivana kokoa noho ianao miezaka miresaka direkta amin\'Andriamanitra. Ny anton\'izay dia ao anaty saina avokoa na psikolojika. Sarotra ny mivavaka ary betsaka ny tsy mahay mivavaka sy mampita ary manome ny fony sy ny sainy an\'Andriamanitra ka zary mahatsapa fa very izy.

Aty an-dafy, tsy arako ny Mada, dia betsaka ny support groups (AA sy ny hafa) na toerana alehanao dia itantaranao ny zava-manahirana anao sy mandreraka anao ary maharary anao. Ao ny olona mifampizara sy mifanome torohevitra ary mifanohana satria takin\'ny saintsika olombelona izany indraindray. Manampy be ny olona tsy Katolika izany. Koa raha te hanana fiarahamonina salama dia ilaina ny fisian\'io karazana toerana fikonfesena hoan\'izay tsy Katolika io, raha tsy izay dia ahita isika fa miakatra ny fitombon\'ny famonoan-tena.

Azo atao tsara koa ny manantona Pastora ary mizara ny olana misy ary mitady torohevitra aminy. Toy ny manao konfesy ihany izany. Ho hitanao fa manampy be tokoa io.

Tsarovy fa tsy miaina ao anatintsika Andriamanitra raha tsy miezaka mifandray aminy isika.

Mahereza daholo.
22. xxx ( 09/07/2007 10:30)


Misaotra an'i soanja aloha nitondra io fanazavana lava be io.

Ny hanampiako izay voalaza rehetra izay dia izao:

1 - Ny voambolana tena tsara ilazana an'io konfesy io dia ilay hoe: Sakrametan'ny fampihavanana (réconciliation).
Maro mantsy no mihevitra fa fanaovana déchargement ny fahotana ny konfesy. Tsy izay anefa no izy.
Ny sakrametan'ny fampihavanana (na konfesy) dia mampihavana indray ny tena amin'Andriamanitra, amin'olombelona, ary amin'ny zava-boaary. Tsy fiekena sy fitanisana ny hadisoana fotsiny izy, fa fiarenana, fihavaozana, ary fiaingana vaovao.

2 - Hanamafisako izay voalazan'i Soanja io ambony io dia izao: Ao amin'ny college Saint Michel sy any amin'ny College Saint François Xavier Fianaratsoa dia maro ny tanora protestanta no manatona pretra mikonfesy. Marihako fa tsy an-tery akory io, fa ny tanora no mahatsapa fa ilainy izay.

3 - Ny konfesy dia tsy fombafomba fa resaka, izany hoe: vavaka. Tsy ny pretra akory no ivavahana, fa Andriamanitra.
23. xxx ( 09/07/2007 10:36)
4 - Lehibe noho ny fahotantsika ny fitiavan'Andriamanitra. Io no tokony haharesy lahatra voalohany. Fa raha mahafindra tendrom-bohitra ny finoana, ny fitiavana kosa mahatsangan-ko velona.

Hitoky mandrankariva amin'izany fitiavan'Andriamanitra izany anie isika mianakavy, ka ho faty tsy ho tratry ny nenina, fa velona ho tra-pamonjena. Amen!
24. ikaretsaka ( 09/07/2007 11:20)
za kao dia mahamarika io, tato ho ato ny tanora protestanta dia mihabetsaka no mandeha manao resaka 1 sy 1 amin'i mompera, sy mandray anjara @ "hono ho'aho mompera" ?

tsy hitako izay maharatsy azy: ary ity voalazan'i Zoky soanja ity no mahafehy azy

soanja:

Ny hoe konfesy raha tsorina ny tontolony dia ny fahatsapana fa diso ny olona iray ary mitaky fibebahana izany: fiovan'ny fihetsika na zavatra atao ary tsy hamerina intsony izany hadisoana na ota izany. Misy miaraka amin'izany ny asa fivalozana na ny onitran'ilay fahadisoana natao.
Io hetsika na fahatsapana fa diso io no takian'Andriamanitra amintsika. Ka raha misy ny fifamelana amin'ny samy olombelona dia izay no tsara indrindra saingy ny olona nanaovan-dratsy na niharan'ny haratsiana natao no ibabohana na ifonana amin'izany. Io no mety hevitra omen'ny mopera anao raha mihaino izy. Ny onitra moa izany dia ny fikatsahana ny famerenana ny fahatokisan'ilay nanaovana ratsy ary ny fitadiavana ny fahasoavana amin'izany fiombonana izany. Izay takian'Andriamanitra amintsika koa satria nanao ratsy amin'ny hafa na ny tenantsika isika dia nanao izany aminy koa.

Koa amin'ny maha Kristianina ahy dia azo atao tsara izay fomba rehetra ahafahanao mifandray amin'Andriamanitra ka ahafahanao mibaboka sy mibebeka amin'izay hitanao fa tsy mety sy maamora izany fifandraisana izany.
25. ari.malala ( 09/07/2007 11:39)
Izaho ry reto menatra raha toa ka fantatro ilay mompera mampikonfesy a! :oops: de bedy fona hoe Andriamanitra no atao antsaina fa tsy mompera! Taloha za miandry ny celebration penitentielle iombonana foana ohatra hoe paka na krismasy satria @ iny betsaka ny pretra tonga ao am paroasy mampikonfesy, na miandry hoe misy pretra hafa tonga ao am paroasy :oops:
26. ikaretsaka ( 09/07/2007 12:26)
hihihi azoko an-tsaina...
ny ahy io arakarak'ilay zavatra sy otako sy ny finoako hoe ity no afaka manampy ahy bebe kokoa momban'ny resaka izao!
27. bosista ( 09/07/2007 18:26)
tena misaotra betsaka an'i soanja namaly sady nanazava ny dikan'ny konfesy ary tsy izy irery iany fa ireo zay nanome referansy koa hitako fa lay katolika iany mahavoavaly azy!
28. gasynamana ( 09/07/2007 19:03)
Hivavaka aho mba ho ohatra anao koa ry bosista ilay olona iray izay.
29. ikaretsaka ( 09/07/2007 21:29)
gasynamana> tsy anao irery ka...enga anie..
30. marozevo ( 09/07/2007 22:22)
Ny ahy indray rehefa misy Konfesy ao amin'ny Paroasinay, tany Mcar, dia jereko tsara hoe ao ve le Mopera fikofeseko, raha tsy ao izy dia miandry amin'ny manaraka aho.

Nony tonga aty an-dafy aho tena sahirana, fa resaka ny resaka, ary tsy anafenana ianareo fa namana : Sahirana be aho hoe iza indray ary no hataoko mpampikofesy ahy. Efa nahita ihany aho fa mbola tsy tena afa-po....
31. ari.malala ( 10/07/2007 05:53)
ny ahy ny tena mahasadaikatra ahy hanatona ireo pretra ao am paroasy anie dia ireo mahalala tsara ahy e, t@ mbola tao Ambanidia moa izany, fa zao efa niova paroasy indray dia hitako eo ndray...
32. marozevo ( 10/07/2007 07:24)
Sambatra ianao tao Ambanidia.... Nisy fotoana nipetrahako enin-taona tao Antananarivo tamin'izaho nianatra teny amin'ny Université.... dia i Père Ganappini no mpampikofesy ahy.
33. mimich ( 10/07/2007 08:10)
ari.malala:

Izaho ry reto menatra raha toa ka fantatro ilay mompera mampikonfesy a! :oops: de bedy fona hoe Andriamanitra no atao antsaina fa tsy mompera! Taloha za miandry ny celebration penitentielle iombonana foana ohatra hoe paka na krismasy satria @ iny betsaka ny pretra tonga ao am paroasy mampikonfesy, na miandry hoe misy pretra hafa tonga ao am paroasy :oops:



:-D:-D, ari> tsika sy ndry koa raha ampitovy hihihih.Za koa tena manana io olana io. Ary ny loza de ity tam niasa teo am paroasy de vitsy2 ny mopera fantatra , fa rehefa niasa eo anivon'ny distrika sy ny diosezy de miha betsaka ny fantatra de tena efa mila tsy hikofesy tsony am zao, raha tsy mande vakansy de any no manararaotra lol!!!
Fantatro fa tsy mety le izy fa grrrrrrr!!!! mbola mila ezaka be.


Tsy hanazava ny momba ny resaka konfesy intsy aho , fa ataoko fa efa ampy angamba ny voalaza ny teo aloha. Miombon-kevitra am Saonja sy Ikaretsaka sns, am-bava homana am-po mieritreritra ry bosista

34. xxx ( 10/07/2007 08:37)
Io tsy voatery mikonfesy @ Mompera fantatra isika ka. Isan'ny lalàna ao @ Konfesy ny Liberté de conscience. Ka aleo aza @ ireny olona tsy dia mahalala na tsy mahalala anao ireny no ikonfesena @ izay malalaka tsara ianao milaza ny ao am-ponao.
Mety ihany koa anefa ny manana mpintantana ara-panahy na directeur spirituel hitantana anao sy ikonfesenao matetika.
35. piste ( 10/07/2007 08:47)
Ny mikonfesy dia ireo voalaza eo ambony ireo,eny fa na ny samy mpinamana aza mifampizara izay zavatra nataony dia efa milaza ny tsy mety tamin'ny hafa izy izany.Ary dia mibebaka sy manantona an'Atra fa tsy anao an'iny intsony.
Raha miaiky ny fahotantsika isika ,dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra)ka mamela ny fahotantsika,sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra: If we confess our sins(to God),he is faithful and just and forgive us our sins and purify us from unrighteousness IJaona 1:9


Hafa indray io konfesy voalazanao io satria tsy sakramenta io fa famborahana ny alahelo na hadisoana @ namana.
Ny Konfesy ao @ Fiangonana dia Sakaramentam-pihavanana @ Andriamanitra sy @ namana. Io fahefana io dia avy @ Jesoa nampitainy t@ ireo mpianatra "...izay fahotana tananareo dia voatana ary izay voavelanareo dia voavela",
Ka ny Pretra sy ny Eveka ihany no afaka mampikonfesy fa tsy ny olona rehetra.
36. mimich ( 10/07/2007 09:19)
hoy xxx
Mety ihany koa anefa ny manana mpintantana ara-panahy na directeur spirituel hitantana anao sy ikonfesenao matetika.
io mihitsy no ho ezahiko atao zao
37. bozyboleta ( 10/07/2007 10:38)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 09-07-2007 13:20:14
Lohateny : Re : KONFESY
za kao dia mahamarika io, tato ho ato ny tanora protestanta dia mihabetsaka no mandeha manao resaka 1 sy 1 amin'i mompera, sy mandray anjara @ "hono ho'aho mompera" ?


Aiza nga no misy an'zany ry ikaretsaka? Tô tsa vô naheno an'zany za!
38. mimich ( 10/07/2007 11:23)
bozyboleta:

Aiza nga no misy an'zany ry ikaretsaka? Tô tsa vô naheno an'zany za!

odryy, be die be zany; ny mpianatra any amin'ny sekoly katolika matetika no manao an'io sy mbola manohy an'izany na dia efa miala tao aza.
39. xxx ( 10/07/2007 11:45)
Sady ilaina dia ilaina ny konfesy eny na dia mba hitaizana ny conscience-ntsika fotsiny aza.
Firifiry moa ny olona voagejan'ny conscience-ny rehefa nahavia fahotana anankiray ka miafara @ famonoan-tena. Tadidio anefa fa tsy ny fiaraha-monina na ny conscience-ntsika no tompon'ny teny farany fa Andriamanitra. Tadidio fa t@ Andriamanitra aloha isika nanota ary izy irery ihany no afaka mamindra-fo @ izany( @ alalan'ny Pretra).
Firifiry moa ireo teren'ny fiaraha-monina ka manao ny tsy fanao(manala zaza, ohatra) hitazonana ny "haja amam-boninahitra". Amin'izay dia manjary "sentiment de honte" no mibaiko ny vie morale ny olona fa tsy fatahorana an'Andriamanitra intsony.

40. ari.malala ( 10/07/2007 11:57)
marozevo, efa ts ao Ambanidia tsony zao izy fa efa retirety de eny Tongarivo ka!

mimich, za aky ts mbola mieritreritra guide spirituel zany alo amzao ka! hihihi! tiko kokoa raha olona tsy mahalala ahy no mampikonfesy ahy, de ny tena mampatahotra ana koa le konfesy ampahibemaso fa tsy anyam confessionnal, gay gay gay.. mivoajamala mitnsy teratsemboka vao afaka eo... :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083