KONFESY

61. vavolombel ( 15/07/2007 17:00)
piste>> tianao hambara ve fa ny katolika irery iany no nahazo io fahefana hamela fahotan'oll io?? fa ny sasany tsy nahazo sa tsy mi-pratique ny baiboly??
ary tsy d'accord zany enao amle we midira ao amin'ny mangingina? ary io verset nomenao io ve konfesy ny dikany sa kosa milaza ny tokony hifamelan-tsika samy isika, mba ahatonga Andriamnitra hamela antsika koa??
anisan'ny vavaka nampianarin'ny tompo ny hoe>> fa tsy hoe izay nanao ratsy tamin'Adriamanitra de enao no hamela azy?
ary ahoana ary ianao zany no mahasamy milaza fa izaho manatona direct an'Andriamnitra indray no very fahasoavana!!! aoka hijanona ho tsiambaratelonao sy ANDRIAMNITRA ny fahotanao mifona Aminy Izy irery iany!
ikaretsaka>>> any meksika hoy izaho betsaka ny olona manatona bb kokoa ny pretra alohan'ny polisy ka mandefa ny fitarainany isaky ny misy zava-miseho fa tsy hoe tany no niseho ny tantara!
62. ikaretsaka ( 15/07/2007 17:16)
vavolombel: fa ity ho'a no tsy mety voavalinareo mihitsy e
St Cyprien:
"maninona rehefa atao batisa na batemy ianareo , dia i Mompera no manao batemy,nefa ekenareo fa Andriamanitra no nanao batemy anareo, Dia rehefa mikonfesy ianareo mbola mompera ihany no mampikonfesy anareo... nefa tsy ekenareo fa amin'Andriamanitra no ikonfesenareo?
63. ikaretsaka ( 15/07/2007 17:18)
Diso ilay meksika ka... vavolombelona ny tenako fa aza mamorona :wink:
64. piste ( 16/07/2007 02:53)
piste>> tianao hambara ve fa ny katolika irery iany no nahazo io fahefana hamela fahotan\'oll io?? fa ny sasany tsy nahazo sa tsy mi-pratique ny baiboly??quote]

Asa na arakao ny tantaran`ny Fiangonana. Hatrany am-boalohany dia iray ihany ny Fiangonana naorin`i Kristy t@ alalan`ireo Apostoly sy Piera. Ary efa nampiarina ny Konfesy hatr@ taonjato Voalohany, fa natao am-pahibemaso( 2 eme penitence no fiantso azy). Nivoatra io taty aoriana ka natao privee.
Tsy ny olon-drehetra no mahazo alalana mampikonfesy satria io dia fahefana nomen`i Kristy mivantana ho an`ireo Apostoly irery ihany sy ireo dimbiny.

Ka tradition apostolique sady miharihary be ao anatin`ny Baiboly io tompoko fa tsy zavatra noforonina velively. Ka izay fifandraisanao azy indray tsy fantatro. Ary hitan`ny Fiangonana fa mahavonjy ny fanahin`ny olona tokoa io.
Ireo Fiangonana nisaraka t@ Fiangonana foibe taty aoriana dia nanda tsy nanaiky ny Konfesy ho Sakramenta( isan`izany ilay nidiranao @ izao). Ka safidy ny azy.


[quote]ary tsy d\'accord zany enao amle we midira ao amin\'ny mangingina? ary io verset nomenao io ve konfesy ny dikany sa kosa milaza ny tokony hifamelan-tsika samy isika, mba ahatonga Andriamnitra hamela antsika koa??
anisan\'ny vavaka nampianarin\'ny tompo ny hoe>> fa tsy hoe izay nanao ratsy tamin\'Adriamanitra de enao no hamela azy?


Ny konfesy tsy manafoana ny fifamelana @ samy olombelona ary izany aza no irina satria mariky ny fibebahana tsara indrindra. Ary tadidio fa tsy misaraka ireto roa ireto: rehefa avy nanota t@ namana ianao dia manonta @ Andriamanitra koa. Koa izay no antony tokony ifonana Aminy @ alalan`ny Pretra.

Ary averiko indray, tsy hery avy @ olombelona fotsiny io fa avy @ Andriamanitra( RAiso ny Fanahy Masina). Ary tsy mandaitra anefa izany raha tsy mitsotra tanteraka @ fahotana vitany ilay olona. Indrindra moa raha fahotana mahafaty no nataony.
Beetsaka be hoy aho ny fahasoavana azo @ io, sady fanampiana ilay olona hiala @ ilay kilema ratsiny koa io. Raha misy ny dokoteram-batana dia tokony hisy koa ny an`ny fanahy.

Farany, fampatsiahivana: mba valio kely hono ny fanontanian`i Ika ambony io.
65. ari.malala ( 16/07/2007 06:08)
i ari.malala koa miandry ny valin'ilay fanontaniana izay tsy misy mpamaly mintsy hatreto.

marozevo, olona natokisako sy noraisiko ho zoky anie zany e! fa tsy nampoiziko mintsy le zavatra :-( ms bon, efa ela aho no namela azy...
66. ikaretsaka ( 16/07/2007 14:32)
ari> rehefa tsy notenenina mivantana hoe ianao ilay izy dia efa ao izany e...
67. ari.malala ( 17/07/2007 14:13)
tsy azoko, ao izany ahoana?
68. ikaretsaka ( 17/07/2007 14:43)
ao izany=ao anaty norme, tsy maninona
69. vavolombel ( 17/07/2007 18:07)
miala tsiny i vavolombel fa tsy cyprienista! avy amin'ny baiboly no akanay ny fampianarana fa tsy mifangaro, ary zahay tsy anisan'ny mampitovy ny pretra amin'Andriamanitra, atodiho amin'ny mompera koa ary ny fanompoam-pivavahanareo fa iray ihany i mompera sy Andriamnitra!!
70. ikaretsaka ( 17/07/2007 19:02)
vavolombel>
fa na izany na tsy izany... afaka valianao ve io fanontaniana io?

Pasitera no nanao batisa anao... ekenao fa natao batisa t@ andriamanitra ianao !
Mopera no manao konfesy anao.. maninona no tsy ekenao fa nnanao konfesy t@ andriamanitra ianao?
zavatra hafahafa be ange izany e!

teneno koa i Pasitera tsy anao batisa izany ko!

Ary ordre nomen'i Jesoa ny apostoly sy ny dimbiny na
- @ ny fanaovana batisa... (manaova batisa amin'ny anarako)
-@ ny Konfesy (Omeko anao ry Piera ny lakilen'ny Fanjakan'ny lanitra, ka izay heloka avelanao eto an-tany dia avela koa any an-danitra, izay tsy avela, tsy avela koa any an-danitra)
71. piste ( 17/07/2007 23:20)
Tsy aleo ve ry Vavoloombel manokatra site vaovao ho an`ny fiangonanareo toy izay maka lagy eto.
Sady sao dia miverina ho Katolika tampoka eo ianao ko.
72. pissoa ( 17/07/2007 23:27)
Ika : tsy hovaliana njay ngamba io fanontaniana io fa manelingelina be e ... :oops:
73. ikaretsaka ( 17/07/2007 23:40)
Efa azoko veroka fa tsy hahita valiny mazava hanazavana ny anton'io izy dia mody haodiny any @ St Cyprien ilay resaka ... fa tsy ny fanontaniana no novaliany ka!
Raha mamaky zavatra nosoratan'i Joany ve ianao dia i Joany no tazominao @ teniny fa tsy ny zavatra ambarany?
tsy hita re ry pissoa o!
74. ari.malala ( 18/07/2007 06:46)
ra izany anie no izy tsy tokony vakianzareo ko ny baiboly satri ts tanan'Atra mivantana no nanoratra an'iny e!:-D:-D:-D
75. ikaretsaka ( 18/07/2007 13:02)
asa re!
76. pissoa ( 18/07/2007 22:51)
:-D:-D:-D:-D:-D
77. ikaretsaka ( 18/07/2007 23:22)
mbola ho avy koa ny olona hiteny ny tenany hoe "tsy Paolista"
nefa avy eo any @ Galatianina izy no maka citation!
Ihomehezanareo, fa ahiako fa Mbola hisy, ho avy tsy ho ela!
78. pissoa ( 18/07/2007 23:31)
:-D:-D:-D:-D:-D
79. ari.malala ( 19/07/2007 06:07)
:-D:-D:-D:-D
80. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:36)
ho avy tsy ho ela eto izany..
zavatra efa nitraga io ko.. baibolista hono, mi persiste fa ao amin'ny baiboly ihany ny hafatra... tsy niodina akory ny volana dia avy eo ilay ni persiste iny milaza fa miditra aminy sy miteny aminy indray ny FM!

tsy cyprienista hono: nefa rehefa tratran'ilay fanontaniana tsy sahy mamaly!

Ho avy e!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081