asaina mandainga...

1. ari.malala ( 05/07/2007 14:19)
Raha misy ngamba ny olona tsy hahazo izany fanjakan'ny lanitra izany dia ny secretaires sy ny standardistes... itako am cas ko mantsy, asaina mandainga lava izao! olona eo fa tsy te hiresaka am le mpiantso de we lazao fa ts eo za... de ahoana tokoa moa izany zà vis à vis an'Andriamanitra satria ao anatin'ny didy 10 ny hoe aza mandainga? le izy tsy intentionnelle le mandainga...
répondu par niryna le 19/07/2007 04:37
2. lapino ( 05/07/2007 14:22)
ary raha atao hoe : "tsy ao hono izy" ? :)
3. bozyboleta ( 05/07/2007 14:39)
Tsy hoe lainga MASINA ve zany?
Mety tsy fahotana aloha zany an!
4. Kota ( 05/07/2007 14:55)
bozyboleta:

Tsy hoe lainga MASINA ve zany?
Mety tsy fahotana aloha zany an!


ny lainga miaro ain'olona ihany no tsy fahotana ! sisan'izay dia fahotàna ! rehefa madinidinika eny ilay izy dia ohatran'ny hoe tsy giravy nefa fahotàna satria ilay patron anao no tena atahoranao. Ngaha tsy azo atao hoe tsy disponible fotsiny ilay olona dia manao entitra fotsiny ianao hoe tsy afaka miresaka aminao ilay olona ! mora aloha angamba ny miteny fa mba mila ampianarina koa anie ilay olona fa tsy ianao foana no voatery hanaraka ny onjany eo ! izay ilay hoe aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao...
5. kally ( 05/07/2007 15:35)
ari.malala:

Raha misy ngamba ny olona tsy hahazo izany fanjakan'ny lanitra izany dia ny secretaires sy ny standardistes... itako am cas ko mantsy, asaina mandainga lava izao! olona eo fa tsy te hiresaka am le mpiantso de we lazao fa ts eo za... de ahoana tokoa moa izany zà vis à vis an'Andriamanitra satria ao anatin'ny didy 10 ny hoe aza mandainga? le izy tsy intentionnelle le mandainga...



Tsy voatery handainga anie fa lazaina fotsiny ilay olona hoe mbola tsy afaka mandray antso izy hoe dia izay ifanosehany any. Rehefa misisika ny iray dia asaivo mametraka hafatra dia vita e!
6. ikaretsaka ( 05/07/2007 16:35)
raha tena ny tokony ho izy aloha dia tokony miteny fotsiny hoe:
mbola misy zavatra maika be mbola ilana azy sy manahirana azy ka tsy afaka mandray anao na tsy afaka miresaka aminao "hono" izy! fa apetraho ny numero na ny hafatra dia antsoiny ianao rehefa avy eo
7. Bita ( 05/07/2007 17:15)
Anjaranao ny mampita hafatra na hilaza hoe inona ianao fa ilay Chef-nao dia mitady hevitra fotsiny ny tsy hanelingelenan'ny olon-kafa azy. Ka dia anjaranao izany ny mitady hevitra hilazana izay @ ilay olona miantso na mitady ka tsy voatery handainga ianao. Fantatro fa sarotra ny hilaza direct hoe tsy te hiresaka aminao hono izy ary tsy te hilaza koa ianao hoe: tsy eo izy kanefa io anilanao io, dia mitadiava zavatra hafa holazaina izay ahatonga ilay olona tsy hiantso intsony e! toy ireo soson-kevitry ny teo aloha tsaradaholo.
8. marozevo ( 05/07/2007 18:49)
Fahotana ve izany ?
Ara-moraly aloha dia tsy azo tànana ho heloky ny olona iray ny fanerena. Izany hoe tsy tompon'andraikitra amin'ny acte iray ataony ny olona iray raha toa ka voatery hanao izany acte izany.

Toy izany ohatra ny "bourreau". Asaina mamono olona izy, moralement tsy azy ny heloka fa an'ilay nampamono.

Ary inversement, raha asa tsara no voatery hataony, dia mbola tsy izy koa no tompon'andraikitra.
9. pissoa ( 05/07/2007 19:08)
Sarotra ! le izy toa tsy hoe sahirana dia tsy afaka miresaka fotsiny, fa tena hoe tsy te mihitsy
olona eo fa tsy te hiresaka am le mpiantso de we lazao fa ts eo za...

ka raha tsy hiteny aza hoe tsy ao izy, fa holazaina hoe sahirana izy dia mbola lainga ihany :oops:

tsy haiko aloha ze hevitr'Andriamanitra amin'io :oops::-D
10. marozevo ( 05/07/2007 19:23)
Ka izay no asaina lazainy kooo....
11. rakaroka ( 05/07/2007 20:11)
Mahafinaritra ahy ny "sujet" eto: tranga iray @ zava-misy etsy sy eroa izy ity raha ny marina, ary tranga mangeza indrindra , mamoritra ny fivelaranan'ny maha-olona:roll::wink:ara-panahy,sns... ve aza sa "test de personnalité"sns...asa mety misy tranga natao hihoirana:?::?:
Misy boky nahitako fihevitra toa izao: Ny tranga misy @ toerana samihafa dia arakaraka izay "sahaza" ho an'ilay olona na andian'olona diavin'izany!: Mila "etat de conscience" sy "zavatra azo atao voafaritra ahafahana manatsara ny fiainan'ny olona mandia izany, fa miankina @ ilay olona...
Somary sarotra fintinina fa tahatahaka izay!
12. marozevo ( 05/07/2007 20:49)
Io lazain'ikaretsaka io indrindra no nahatonga ahy hanontany indray mandeha izay hoe "Moa fahotana ve ny fahotana ho an'ny tsy mino?". Mety tsy tena mitovy, fa misy ifandraisany ihany. Ohatra : Eo amin'ny fiaraha-monina Bara (traditionnel), ny tranga "halatra omby" dia tsy heloka eo anivon'ny fiaraha-monina.

Marihina fa misy tsy fahalalana koa fa tsy hoe manao iniana, ka na tranga iombonan'ny rehetra aza, nefa fantany ny tsy maha mety azy, dia tsy manamarina ilay hetsika akory izany.

Sarotsarotra azavaina, nefa tahatahaka izay !
13. ikaretsaka ( 05/07/2007 21:54)
ary raha lazaina hoe .. tsy mbola fotoanan'ny firesahany aminao hono izao!?
tsy haiko fa mba mi suggerer fotsiny aho an
14. marozevo ( 05/07/2007 21:57)
Ko le izy anie na iza izany na iza miantso eo dia efa izay no valiny eh... Ka raha vao miteny hoe ianao na aminao ilay secretaire dia heverin'ilay miantso fa misy zavatra ao.
15. cutie ( 05/07/2007 21:58)
ary raha atao we , afaka miantso kely ve enao refa kelikely eo :lol:
16. marozevo ( 05/07/2007 21:59)
ie... mety izany raha tena handray tokoa ilay tale rehefa kelikely eo...
17. cutie ( 05/07/2007 22:01)
ka mety sendra le tale ocp le oul no miantso koa, na le izy mbola kamo hiresaka iny.:wink:
18. marozevo ( 05/07/2007 22:07)
Fa misy koa tale tsy te-horebirebena rehefa eo ny Sekretera. Tsaroanareo ve ilay hiran'i Nanahary : "Tonga ny vadin'ny Sekretera, mody snob ny Direktera. Raha tonga ny vadin'ny Direktera, miditra tara ny Sekretera".
19. cutie ( 05/07/2007 22:09)
ie:-D:-D:-D:-D
ka zay wa kamo hiresaka i tale :-D
20. marozevo ( 05/07/2007 22:13)
Moa misy koa ireny secretaire na standardiste ireny na tsy milaza izany akory aza le direktera dia lazainy fa tsy ao, na lazainy fa tsy afaka... Raha io indray dia tena le secretaire mihitsy no mandainga .... Za efa nahita an'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.321