aiza ao @ Baiboly kay ........???

1. nathie86 ( 19/06/2007 07:00)
no misy hoe tsy azo hoanina ny Kisoa fa fahotana izany?
Misy rangahy zay mantsy miteny anà io fôna eh.
Misaotra mialoha
répondu par marozevo le 06/07/2007 19:04
2. hery ( 19/06/2007 08:12)
Asa 10. 1 - 15
3. bozyboleta ( 19/06/2007 08:22)
Ny mba fantatro aloha de hoe rehefa namoaka demonia maro Jesoa de niditra tao @ kisoa le demonia (Mat 8:32, Mar 5:13, Lio 8:33). Ara-pinoana angamba mety hoe biby misy demonia zany ny kisoa ho an'ny sasany ka io no antony tsy hihinanany azy. Asa aloha fa hevitro ihany io.

Misy reo tsy mihinan-kisoa niteny fa hoe ny antony tsy hihinanany hono de hoe biby maloto, fa le famaritana le maloto koa no tsy haiko.
Fa ny ahy de ampy ho ahy tsara ny voalazan'ny Asan'ny Apostoly 10:12-15 "ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady mikisaka ety an-tany ary ny voro-manidina. Ary nisy feo nanao taminy hoe: Mitsangana ry Petera; vonoy, ka hano. Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady."
Ka de nihinana henakisoa sy ravitoto na voanjobory ny tenanay.
4. LazaDaddy ( 19/06/2007 08:24)
Romana 14
5. ndrena ( 19/06/2007 08:41)
Any @ testamenta taloha aloha misy fanambarana ny @ io ihany saingy aty @ testamenta vaovao dia manazava ny tokony hatao koa A/tra;
6. Imahaka ( 19/06/2007 09:04)
anana ihany koa toa be dia be tsy fihinana hono
7. sahary ( 19/06/2007 09:33)
Nathie:

"Ceux qui se sanctifient et se purifient dans les jardins,Au milieu desquels ils vont un à un,qui mangent de la chair de Porc,Des choses abominables et des souris,tous ceux-là périront,dit l'Eternel.Esaîe 66:17"

"Vous ne mangerez pas le porc,qui a la corne fendue,mais qui ne rumine pas:vous le regarderez comme impur.Vous ne mangerez pas de leur chair,et vous toucherez pas leurs corps morts. Deutéronome 14:8"
8. koioty ( 19/06/2007 09:38)
Levitikosy toko faha 11
9. koioty ( 19/06/2007 09:39)
Levitikosy toko faha 11
10. ndrena ( 19/06/2007 10:38)
Dia miditra @ testamenta vao² isika e:1 Korint 10/25 izay milaza fa izay hena amidy rehetra eny antsena dia hano avokoa....na dia ny henakisoa aza,na ny voalavo sy alika nefa ireny aloha tsy misy mivarotra e,mazotoa homana hatrany
11. caprio ( 19/06/2007 10:55)
Andriamanitra dia fanahy,ary izay mivavaka @Atra dia mivavaka @fanahy sy ny fahamarinana.tsy misy hilan'Antra izay vatanao mihinana sy tsy mihinana kisoa,fa izay rehetra madio fanahy no hilainy.Efa nandrara ny zava-pihinana fady ny tst taloha,ka hitan'Atra fa mavesatra loatra izany ka dia niova ny lalàna sasany tao @tst vao2 t@ alalan'i Jesosy kristy.Na ny tavaratra tsy mihinan-kisoa aza,betsaka ny tsy mahalala ny antony tsy hinanay kisoa,fa dia manaraka izay netin-drazana fotsiny.Rehefa namakivaky ny tany efitra ny mpaminany taloha,dia fombany ny mivimbina ireo karazana hena atao vatsy,ka rehefa miala-sasatra kely iny izy dia atapy andro fotsiny ireo hena dia hiny no hoanina,ka ny hena-kisoa dia fantatsika fa matavy sy mora simba ka dia narary ny mpaminany raha vao nihinana io hena-kisoa io,ka izay no antony nandrarany tsy hihinana hena-kisoa satria hena anisan'ny mavesatra ny hena-kisoa.Ka raha araka io tantara io zany, dia efa tokony tsy aninona ireo tavaratra ireo raha mihinana hena-kisoa @izao andro-tsika izao satria efa misy afo azo andrahona azy tsara fa tsy atapy andro tahaka ny taloha intsony,vavolombelona ny tenako fa za efa niara-nihinana hena-kisoa niaraka t@na tavaratra zay fa nilaza izy we:ao an-trano hiany za no tsy mihinana,fa refa aty ivelany dia mihinana.Misy iray zay koa nilaza fa tsy resaka fivavahana mihintsy no tsy hihinanay kisoa, fa mivoaka bouton ny tenany refa mihinana satria tsy mazaka fa ny fahandrony azy dia tsy atao masaka tsara tahaka ny fahandron-tsika,koa dia samia mandinika tsara fa sao de mihinankinam-poana,na ny hanina matsiro ndray no lavina
12. xxx ( 19/06/2007 12:08)
ilay Atra ivavahan'i caprio kay izany Atra miovaova knou,omaly izy niteny hoe aza kasihina ity d aza hohanina iry d ny ampitso izy milaza ndray hoe hano iry,dia ilay fahavetavetana omaly lasa notsofiny rano androany dia azo hanina,mazotoa e!
13. ari.malala ( 19/06/2007 12:55)
xxx>> Tsy ny Andriamanitra ivavahan'i caprio mintsy no miovaova, fa jereo daolo ireo tenenin'ny namana ao ambonimbony ao ireo! any @ testamenta taloha misy fandraràna. Ary Jesoa mintsy no niteny fa tsy izay hanin'ny olona no mahaloto azy, fa izay avy ao am-pony...
14. nathie86 ( 19/06/2007 14:05)
Inona no tena marina ry reto an, za aloha dia mihinana eh.
@ko mantsy efa nodiovin'ny Jesoa daolo ny ratsy reetra t@izy nofantsihana teo @ hazo fijaliana. Nefa na ao @ TV ary zany mbola misy fandrarana iany tssss
Ny frappe omeko an'io rangahy io mintsy no tena ilaiko fa reraka b za mihaino an'azy:)
15. ari.malala ( 19/06/2007 14:32)
raha izà nathie de io tenin'i Jseoa io no avaly azy hoe tsy izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy fa izay avy ao ampony. Mazava be anie zany e, tsy mampaloto ary tsy maloto velively ny mihinana henankisoa...
16. xxx ( 19/06/2007 15:04)
nathie86: Io notenenin'i ari.malala io no marina. Io lazaina azy.
Faharoa: lazao azy fa maro hoe ny zavatra ao amin'ny testamenta taloha no novain'i Jesoa: ohatra ny fampirafesana dia azo natao tao amin'ny testamenta taloha fa noravain'i Jesoa izany. Toy izany koa ny fandrarana ny tsy fihinana kisoa.

Anampy antsika hahazo ny tenin'Andriamanitra hatrany ny Fahazavan'i Kristy! Amen.
17. Samoana ( 19/06/2007 16:02)
caprio:

...Ka raha araka io tantara io zany, dia efa tokony tsy aninona ireo tavaratra ireo raha mihinana hena-kisoa @izao andro-tsika izao satria efa misy afo azo andrahona azy tsara fa tsy atapy andro tahaka ny taloha intsony...


mety ahita jambon "hallal" ve izany isika indray andro any :-D?

18. marozevo ( 19/06/2007 18:30)
Ny Testamenta Taloha dia endrim-panabeazana nomen'Andriamanitra ny vahoakany hiomana handray ilay "teny tonga nofo = Kristy = Fanekena vaovao = Testamenta vaovao". Endrim-panabeazana...

Rehefa manabe zanaka ny Ray aman-dreny dia hoy izy : "Fadio ny mandray antsy anaka...".
Nefa rehefa avy eo dia izy Ray aman-dreny mihitsy no mampiasa antsy handidiana hena...

Ny ohatra matavy tapaka.
19. ikaretsaka ( 19/06/2007 18:34)
mety ahita jambon "hallal" ve izany isika indray andro any ?
possible:°)
fa somary hors sujet ity fa mba fanontaniana fotsiny:
Za tany Madagasikara tany @ dezaka be izay dia nisy Silamo nihinana lambo. dia hoe tsy kisoa hono ny lambo???:roll:
20. cutie ( 19/06/2007 18:39)
tsetsatsetrra tsy aritra koa
reny henakisoa reny hono refa atao anaty vera misy coca de misy kankana kely bdb mivoaka avy ao anatiny beurkkkkkkkkkkkkk. Asa na marina alou io :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1214