aiza ao @ Baiboly kay ........???

81. ikaretsaka ( 21/06/2007 11:45)
marozevo:

Henakisoa efa masaka sa henankisoa manta no nataon'i ikaretsaka ?



manta sy masaka samy nataoko aby
82. marozevo ( 22/06/2007 09:55)
Mazava
83. Mandefitra ( 22/06/2007 10:29)
Titosy 1:15 madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.

Romana 14:17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina....
22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.
23 Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.

Ka vavan-kisoa miy sira io , tokinao hihinana azy ihany :lol:

84. marozevo ( 22/06/2007 17:38)
Mampihomehy indray nareo amin'ity ohabolana ity Rangahy!... Tsara ampidirina ary amin'ny ohabolana io.

"Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'ny zavatra ekeny".... OK !

Sambatra izay mihinana kisoa raha tsy manameloka ny tenany amin'izany izy. Sambatra koa izay tsy mihinana kisoa raha tsy manameloka ny tenany amin'izany izy.

Fa "tsy sambatra" kosa izay mihinana kisoa raha ny eritreriny aza manenjika azy. Tsy sambatra koa izay tsy mihinana kisoa raha tsy mihinana nefa tsy misy mandrara azy amin'izany akory.
85. xxx ( 28/06/2007 09:12)
ari.malala:

majesty, manaiky aho fa resaka mihinankanina @ tanana tsy misasa io resaka io, fa hono hoa, raha sasanao aza ny tananao, ka mihinana ilay zavatra heverinao fa maloto ianao, tsy mitovy iany v?:D nefa dia io ny valiny, fa tsy izay miditra no mahaloto ny olona, na hanina @ tanana misasa io na hanina @ tanana tsy misasa na inona na inona, tsy ireny no mampaloto hoy Jesoa fa izay mivoaka avy ao am-po e! izingiziniko io fa fahamarinana tsy azo lavina! :D


ie tena marina fa ny mivoaka avy ao ampo no mampaloto. De hanontany anao aho ara-panahy ve zany sa ara-nofo? amiko dia ara-panahy zany! zany hoe fahalotoana ara-panahy io. De tamin'i Jesoa niteny an'io iza ireo olona nitenenany an'io ? valiny olona Jiosy. izay dia midika fa sakafo araka ny fomba jiosy io nohanina tamin'ny tanana maloto io. En quelque sorte tsisy hena-kisoa. Fa raha nisy hena-kisoa io hafa mihitsy ny nolazain'ireo Jiosy reo taminy.
Jereo ange i Jesoa niresaka tamin'ny le vehivavy tsy jiosy teo @ dobo ampatsakana iny e!! sadaikatra ny mpianany (izay jiosy) satria tsy fanao ny miara-misakafo na mifanerasera amin'ny jentilisa. Fa bon, io an, voalaza ao amin'ny baiboly fa tsy tokony hohanina ny kisoa sy ny tariny REHEFA HANOMPO AN'ANDRIAMANITRA, ka tsy izaho manko no ihinana fa ianao de anao sy IO ANDRIAMANITRA NITENY AN'IO zany raha ihinana ianao, fa tsy mahafantiantoka ahy ny tsy mihinana an'io.
86. xxx ( 28/06/2007 09:25)
marozevo:

Mampihomehy indray nareo amin'ity ohabolana ity Rangahy!... Tsara ampidirina ary amin'ny ohabolana io.

"Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'ny zavatra ekeny".... OK !

Sambatra izay mihinana kisoa raha tsy manameloka ny tenany amin'izany izy. Sambatra koa izay tsy mihinana kisoa raha tsy manameloka ny tenany amin'izany izy.

Fa "tsy sambatra" kosa izay mihinana kisoa raha ny eritreriny aza manenjika azy. Tsy sambatra koa izay tsy mihinana kisoa raha tsy mihinana nefa tsy misy mandrara azy amin'izany akory.




De sur ve ise fa amin'ny zavatra rehetra tout court no tiany holazaina amin'io fa tsy misy condition hafa?
Aona ary le hoe ".. raha miray amiko ianareo ... dia angataho izay angatahanareo fa omena anareo izany ..."
ianao ve sur fa raha hangataka ny ahafahako mangalatra ny volanao no ataoko dia omeny zany?
Na koa hoe satria efa manompo anao aho Jesoa, satria efa (ndlr) noravainao le lalàna de mangataka aho mba ahafahako mangalatra ny vadin'i marozevo fa reveko iny. Satria tsisy fanamelohana satria tsisy lalàna mandrara izany tsony ?? !!!!!:?:
De io ohabolana raha ampiasaiko sahala amin'izany amin'ny fangalarana sy ny fanompana sy ny famonoana de tsy maninona satria nadio ny eritreritro nanao an'ilay izy ????
87. marozevo ( 28/06/2007 09:32)
Raha tena madio tokoa ny eritreritrao (conscience no lazaina fa tsy pensée), dia tsy maninona ka ! Na mbola ampianao ny vadin'ny hafa koa aza.

"Amiko aloha raha mbola mampirafy roa,
na miampy iray aza mbola antonony.
Fa ny amin'ny Baiboly no manakana an'izany
sady olana amin'ny fiaraha-monina".

Ka raha tsy misy olana ho anao ara-baiboly sy ara-piaraha-monina dia tsy olana mihitsy... raha manaiky ry zareo vehivavy.
88. xxx ( 28/06/2007 09:57)
marozevo:

Raha tena madio tokoa ny eritreritrao (conscience no lazaina fa tsy pensée), dia tsy maninona ka ! Na mbola ampianao ny vadin'ny hafa koa aza.

"Amiko aloha raha mbola mampirafy roa,
na miampy iray aza mbola antonony.
Fa ny amin'ny Baiboly no manakana an'izany
sady olana amin'ny fiaraha-monina".

Ka raha tsy misy olana ho anao ara-baiboly sy ara-piaraha-monina dia tsy olana mihitsy... raha manaiky ry zareo vehivavy.


conclusion: misy condition iany le fampiasana le ohabolana !!

ia
89. marozevo ( 28/06/2007 19:14)
Tsy io ohabolana io ihany fa ny ohabolana rehetra, dia misy condition avokoa... ny antony ? Izay ohatra rehetra dia matavy tapaka. Raha tsy izany tsy misy maha ohabolana azy.
90. Mandefitra ( 29/06/2007 11:01)
Io aloha samy manana ny finoany.
Ataoko fa ny famonjena vitan'iKristy lehibe lavitra noho ny fihinana na tsia, fisotroana na tsia, fitandremana andro na tsia ....
Ny finoana azy no zavadehibe, ny fitandremana ny didim-pitiavany.Very maina ny ran'i Kristy raha ny fihinana patsa oh de tsy hahazoana ny fiainana mandrakizay.Asanareo anefa, fa za rehefa mihinana de haniko @ fisaorana.
fa hoy Paoly:
IKorintiana 10:30 Fa raha amin'ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin'izay anaovako fisaorana?

91. marozevo ( 29/06/2007 19:07)
Amin'ny maha zava-boary azy (en tant que créatures) dia mitovy ihany ny patsa sy ny kisoa. Ka mitombina, araka ny hevitro, io lazain'i mandefitra io.
92. bosista ( 06/07/2007 17:08)
manaona daoly,
mba afaka mandika ve isika mpamaky ireto??? ny hevitry ny soratra masina???
ny baiboly de milaza fa Adama sy EVE dia niaina tao anatin'ny paradisa nefa nohon'ny tsy fitandremany ny sakafo izay voarara ho azy ireo dia voaroaka niala avy tao, ka izao no ataoko amintsika kristianina havana, fa manino kay isika no manao sangisangy sy tsy mivaky loha amin'ireny resaka fady ireny?? tsy ampy lesona ho antsika va ny tantaran'i Adama sy Eva??? izao fa tao amparadisa no navoaka, fa aona ary isika izay mbola tsy tafiditra mintsy ireto no tsy mitandrina!!!???
ny testamenta taloha izay bokin'ny lalana dia milaza fa tsy azo hanina io araka ny referansy tery ambony,fa maloto !! ary disoiko ranoray izao tompoko lay resaka tery ambony avy amin'i xxx fa we betsaka ny zavatra novain'i jesosy ntao amin'ny testamenta taloha, inona no novainy eo??? au contraire , zao no lazain'ny soratra masina:: hoy jesosy: aza heverinareo fa tonga aho handrava ny lalana na ny mpaminany tsy tonga handrava aho fa hanatanteraka fa lazaiko aminareo marina kokoa fa mandrapahafoanan'ny lanitra sy ny tany dia tsy ho foana na dia iray akory ao amin'ny lalana aza eny fa na dia tendrotsoratra iray....midika izany fa nanamafy ny testamenta taloha indrindra ny lalana i jesosy, izao no teniko: ry havana malala ao amin'ny tompo: mbola tsy foana ny lanitra sy ny tany izay delai nomen'i jesosy fa fotoana farany hiovan'ny lalana , fa maninona ary ny kristinina ankehitriny no tsy mitandrina sy miaritra raha toa ka mila ny hiditra y paradisa??? raha toa ka mila mankato an'A/TRA marina amin'ny lalanany??
ambava homana ampo mieritreritra!!!
93. marozevo ( 06/07/2007 19:04)
ie tena nanatanteraka (nandavorary) izy, satria ny lalàna namatotra dia nolavorariany mba ho lalàna manafaka. Tsy manova izy fa mandavorary...

Voalaza tamin'ny Razanareo hoe.... (TT)
Fa izaho kosa milaza aminareo.... (TV).
..........

Efa mipetraka eo amin'ny fiandrianan'i Moizy ny mpanora-dalàna sy ny Fariziana. Aza manaraka izay ataony... fa miteny fotsiny izy fa tsy manao...

Atainginy eo an-tsoroky ny tsy manan-tsiny ny enta-mavesatra (lalàna), nefa izy tsy mikasika izany amin'ny ankihikeliny akory. Somitra aviavy lavalava kokoa no anaovany, ary Filakitera lehibebe kokoa no entiny. Ny mba ho hitan'ny olona no anaovany ny zavatra rehetra.... Baiboly io ahn
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.2527