raha misy andriamanitra

1. fijo ( 16/02/2007 06:20)
raha misy tokoa sanatria io andriamanitra io,iza no zanany.jesosy sa mahomet
répondu par niryna le 12/03/2007 03:19
2. Fiffi ( 16/02/2007 06:41)
tena misy Andriamanitra kah ! ary isika rehetra...ny olombelona rehetra dia zanany....
Na mino na tsy mino azy de tsy misy fanavakavahana fa zanany avokoa satria "Ce n’est pas nous qui avons aimé Dieu,
Mais c’est lui qui nous a aimé le premier
Andriamanitra be fitiavana.....
raha misy tokoa sanatria io andriamanitra io,iza no zanany.jesosy sa mahomet
Jesoa zanany lahy tokana Tompontsika....
3. majesty ( 16/02/2007 06:49)
fijo:ny essentiel aminao alou raha ny fahitako azy dia ny ho resy lahatra hoe misy Andriamanitra na tsia fa lasa faux problem le hoe iza no zanany ....
4. xxx ( 16/02/2007 07:30)
fijo:

raha misy tokoa sanatria io andriamanitra io,iza no zanany.jesosy sa mahomet

=))=)):b:b:evil::evil:

Fantatra foana ny voankazo tsara na ratsy araka ny nanakolokoloina azy.
5. antandroy ( 16/02/2007 08:18)
io miankina @ ny tsirairay samy manana ny fijeriny sy ny finoany. Amiko dia fifandaminana teo @ ny firaha-monina no nampisy ny fivavahana sy ny finoana an'andriamanitra, ka io samihafa ny andriamanitra inoany araka ny firenena sy kolon-tsaina ary ny sivilizasiona, ny antsika gasy dia hafa mihitsy ny andriamanitra na dia misy aza ny mampitovy azy @ ny kristiana. Ka avy @ izay fifandaminana izay no nampisy ny finoana ka ireo zay tsy manaraka de lazaina fa ratsy na koa lasa zvt hafa ( afobe, devoly, satana @ ny kristiana). Ka io miankina aminao ihany sy zay finoanao sy ny heritreritrao
6. Rafotsy ( 16/02/2007 10:00)
fijo:

raha misy tokoa sanatria io andriamanitra io,iza no zanany.jesosy sa mahomet


Izaho aloha dia mino fa misy Andriamanitra ary ny zanany lahy tokana dia i Jesosy Kristy , dia izaho Rafotsy koa dia lasa zanany satria mino ny maha Andriamanitra Azy ary manaiky Azy hitondra ny fianako manontolo ! Sahala ny pueril raha jerena aty ivelany kanefa dia izay no tena izy ary soa ihany fa misy Andriamanitra !:-*:-*:-*
7. prime ( 16/02/2007 10:53)
Marina ny fanamarihan'i majesty, raha misy Izy dia mitombina ny fanontaniana... rehefa tsy misy Izy dia tsy ilaina akory ny mahafantatra izay zanany hoe iza sy ahoana?

rafotsy> mitovy hevitra aminao...=D
8. mignone ( 16/02/2007 11:16)
- refa mino azy ianao dia misy andriamanitra
-refa tsy mino ianao dia tsy misy izy !
9. pika ( 16/02/2007 11:40)
rehefa tsy mino moa ianao hoe misy Atra tsy hitako izay hilana ny hoe iza ny zanany ok
10. HESHA ( 16/02/2007 13:57)
Aza dia mba sanatriavina kosa ry Fijo a.
I Mahomet aloha raha le tantara toa mpaminany toa ny mpaminany rehetra ihany e, fa izy no nanorina ny finoana Silamo. Ialako ny tsiny raha diso.
I Jesoa raha ny tantaran'ny kristianisma no zanaky ny Ray satria izay no fotory ny finoana, Ray - Zanaka - Fanahy Masina.
Ny Andriamanitra dia misy fa tsy hita vatana, na izany aza misy hamantarana azy toy ny hoe ny olona dia nataony mitovy endrika Aminy ohatra, sns . . .
11. mpanota ( 16/02/2007 14:36)
Miombikevitra @ ANTANDROY tanteraka aloh ny tenanay eh ary izany mhitsy no fahamarinana eto @ ty tany ity eh , ny resaka fivavahana anie no fototry nèy adi-poko sy ny tsy fitoviantsaranga eran'izao tontolo izao eh :twisted::twisted::twisted:
12. cutie ( 16/02/2007 17:01)
Mpandefa : antandroy [ Valio ] 16-02-2007 09:18:29
Lohateny : Re : raha misy andriamanitra
io miankina @ ny tsirairay samy manana ny fijeriny sy ny finoany. Amiko dia fifandaminana teo @ ny firaha-monina no nampisy ny fivavahana sy ny finoana an'andriamanitra, ka io samihafa ny andriamanitra inoany araka ny firenena sy kolon-tsaina ary ny sivilizasiona, ny antsika gasy dia hafa mihitsy ny andriamanitra na dia misy aza ny mampitovy azy @ ny kristiana. Ka avy @ izay fifandaminana izay no nampisy ny finoana ka ireo zay tsy manaraka de lazaina fa ratsy na koa lasa zvt hafa ( afobe, devoly, satana @ ny kristiana). Ka io miankina aminao ihany sy zay finoanao sy ny heritreritrao

miobon-kevitra:lol:
13. Salut ( 16/02/2007 17:12)
Ny fototry ny olana eto amiko dia hoe: tena tsy fahalalana ve no mahatonga ilay olona hanontany sa fitsapatsapana?
Antandroy dia milaza fa
Amiko dia fifandaminana teo @ ny firaha-monina no nampisy ny fivavahana sy ny finoana an'andriamanitra"

Marina io raha andriamanitra (les dieux) no resahana, fa diso kosa raha ilay Mpahary no asina teny.
Nambaran'i mignone fa
- refa mino azy ianao dia misy andriamanitra
-refa tsy mino ianao dia tsy misy izy !

Tsy miankina velively amin'ny olombelona ny fisian'Andriamanitra ry havana. Toy ny tsy iankinan'ny fisianao amin'ny fisian'ny hafa. Fa MISY izy satria MISY, mino ny fisiany ianao tsara izany, tsy mino ianao atao ahoana moa.
Mpanota: diso hevitra tanteraka ianao. Jereo ny tantara fa noho ny fitiavan-tenan-draolombelona no fototry ny haratsina rehetra: adim-poko, adin-tsaranga... Ary ny fiaraha-monina manilika an'Andriamanitra no tena hanjaka ny fankahalana ny hafa sy ny tsy fanajana ny hafa ho toy ny olona. Ohatra: Sartre (athée fata-daza): izy dia nilaza fa ny hafa dia afobe ho azy. Manaraka izay, ho an'ireo siantifika ny olona dia OBJET toy ny objet rehetra, ka azo atao amin'izay tiany anaovana azy.
Farany: raha tsy misy Andriamanitra dia avy aiza ary isika? Sa hanaraka ny hevitr'i Darwine hoe avy amin'ny fivoharan'ny izay efa nisy ve? Fantaro anefa fa tsy voavaliny sy ireo mpomba azy hatramin'izao ireto fanontaniana ireto hoe: nahoana ary no tsy misy intsony amin'izao ny fivoharan'ny zava-boaary? ny rajako toa rajako foana fa tsy lasa olombelona intsony? Avy aiza ilay zavatra nisy voalohany, iza no niaviany? sns...
14. Belle ( 16/02/2007 17:29)
raha misy tokoa sanatria io andriamanitra io,iza no zanany.jesosy sa mahomet


fijo: ka Izy aza lazainao fa "raha misy tokoa sanatria" ka inona indray no mbola itadiavanao izay marina momba ny zanany? fanontanian'adala (miala tsiny amin'ny fiteniko aho) ny anao.
15. Fiffi ( 16/02/2007 17:33)
Salut:
Farany: raha tsy misy Andriamanitra dia avy aiza ary isika?
tsara fipetraka ny fanontanianao.......(ho an'ny tsy mino)


16. lapino ( 16/02/2007 17:48)
fijo:
raha misy tokoa sanatria io andriamanitra io,iza no zanany.jesosy sa mahomet
JESOSY
17. pissoa ( 16/02/2007 19:26)
:-D:-D:-D
18. Fiffi ( 16/02/2007 20:09)
ka marina io koh ! :) fa ho iza indray ozy ndry ry pissoa ? heu...de isika rehetra koh zanany....
19. fijo ( 16/02/2007 21:26)
tandroy sy mignone dia manao resaka misy fandinihana kokoa,nefa toa odiantsihita.
za tsy mino ny fisiany,io mazava.fa hoanreo izay mino anie no anontaniako e.hoahy io tsy misy dikany,samyresaka rediredy sy fanadalana olona fotsiny.
fa ianareo le mino nefa tsy manana porofo no mahatonga ahy hanontany.
20. cutie ( 16/02/2007 23:37)
njaso fa mbola ho avy ey ny mpitsimpona baiboly hamaly an'i fijo :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2794