raha misy andriamanitra

41. Fiffi ( 20/02/2007 18:09)
tsy manavakavaka Andriamanitra kah ! zanany avokoa ny olombelona rehetra satria izy no nanomé aina . Andriamanitra be fitiavana......
42. xxx ( 20/02/2007 18:21)
Fiffi> sao de mba misy fahadisoana izay eritreritrao izany. Asa na izaho no diso fa miala tsiny.

Satria amiko dia mbola betsaka ny olona tsy miraharaha azy. Ary Andriamanitra nefa dia tezitra amin'ny olona manao ratsy kanefa tsy miverina Aminy.

"Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy." Salamo 34:16

"tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy hianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamamnitra teo amin'izao tontolo izao; fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana," Efesiana 2

Izay manaiky sy mino ny fampihavanana ao @ Kristy ihany no tena zanany.

Misaotra.





43. Fiffi ( 20/02/2007 18:33)
xxx:
Fiffi> sao de mba misy fahadisoana izay eritreritrao izany. Asa na izaho no diso fa miala tsiny.

Satria amiko dia mbola betsaka ny olona tsy miraharaha azy. Ary Andriamanitra nefa dia tezitra amin'ny olona manao ratsy kanefa tsy miverina Aminy.

Izay manaiky sy mino ny fampihavanana ao @ Kristy ihany no tena zanany.
xxx: heu....misy fahadisoana hoy enao izany heritreritro zany ? amiko de tsia ! satria:
-Tsy manavakavaka Andriamanitra

-Na ireo mino azy na tsy mino azy , zanany daholo ny olombelona...

-Marina fa mbola betsaka ny olona tsy miraharaha azy....midika ve zany fa tsy mandray azy ho zanany Andriamanitra ? Mbola hisy tsinona ny fitsaran'zao tontolo zao:
-"Ary ho avy ny hiaviana indray hitsara ny velona sy ny maty"
-Tezitra @ ireo olona manao ratsy Andriamanitra hoy enao.....ekena zany ! fa na izany aza Andriamanitra tsy manary ny zanany.....


44. naughtyboy ( 20/02/2007 18:44)
an3 marina ny an'i fiffi oe tsy misy ankanavaka,tadidio tsara fa nisytantaran'ilayjiolahy niara nohomboana t@ Jesosy,ora farany alohany execution de nitsotra lery ra misy marina ny fanjakanao de mba ento any aho,novaliany hoe androany ihany de ifankahita ao @ fanjakan'ny raiko isika,ny azo tsoahina @ io zany de neken'i Jesosy na
jiolahy tsy nifaditrovana aza no nangataka fidirana ao fanjakany
45. xxx ( 20/02/2007 20:43)
Fiffi> Tsy ho be resaka aho fa izao no hevitro farany:

\"Ary amin\'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan\'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan\'ny Raiko Izay any an-danitra.
Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan\'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan\'ny Raiko Izay any an-danitra.\" Mat 10:32-33

>>> misy ny ho eken\'Andriamanitra, Fa misy kosa ny ho laviny.

Ekeko fa tsy manavaka Andriamanitra fa izay te hanantona Azy dia afaka manantona daholo, [na dia ilay jiolahy lazain\'i naughty io aza, izay marihiko fa noho ny fibebahany fa Jesosy tokoa no ilay Messia no nanekena azy]:

\".. ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.\" Jaona 6:37

Fa ny tiako marihina dia tsy marina kosa ilay hoe tonga dia zanak\'Andriamanitra [automatique] daholo ny olona rehetra, n\'iza n\'iza.

\"... nataon\'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.\" Mpitoriteny 7:29

Nisafidy ny hanao ratsy sy hanota ny olona ka izay no maha-tafasaraka antsika @ Andriamanitra.

Kanefa dia ny nahatongavan\'i Jesosy Kristy ilay Mpamonjy teto antany dia ny hampihavana antsika olombeloa @ Andriamanitra, kanefa... kanefa... kanefa izay MINO izany ihany no ho vonjena.

Ito teny ito angamba hainao tsara ry Fiffy:

\"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay

>>> IZAY REHETRA MINO IHANY, FA TSY OLON-DREHETRA AKORY.
46. xxx ( 20/02/2007 20:48)
an3 marina ny an'i fiffi oe tsy misy ankanavaka,tadidio tsara fa nisytantaran'ilayjiolahy niara nohomboana t@ Jesosy,ora farany alohany execution de nitsotra lery ra misy marina ny fanjakanao de mba ento any aho,novaliany hoe androany ihany de ifankahita ao @ fanjakan'ny raiko isika,ny azo tsoahina @ io zany de neken'i Jesosy na
jiolahy tsy nifaditrovana aza no nangataka fidirana ao fanjakany



Marina ny voalazanao. Fa adinanao anga ilay Jiolahy iray izay tsy nanaiky hatramin'ny farany?

naninona tsy tonga dia niteny Jesosy hoe ifankahita daholo isika any @ fanjakany?
47. Fiffi ( 20/02/2007 21:39)
Fa ny tiako marihina dia tsy marina kosa ilay hoe tonga dia zanak'Andriamanitra [automatique] daholo ny olona rehetra, n'iza n'iza.
xxx: ny tiako lazaina @ io de zao: tsy manavakavaka Andriamanitra , io aloha de mino an'io zah !

Hoy zah hoe zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra noho io tsy fanakavahana io.....Nomen'Andriamanitra "opportunité" ny olona mba hizorany @ lalan'ny marina saingy.....teo no nisian'ny safidin'ny olona tsirairay...
misy ny ho eken'Andriamanitra, Fa misy kosa ny ho laviny.
marina io .....fa na izany aza , izay tsy nahay nisafidy t@ nanomezany an'le opportunité hisafidy azy no ho laviny...na izany aza niatombohany de tsy nanavakavaka izy....ary noraisiny ho zanany ny olona saingy.....
48. cutie ( 20/02/2007 21:42)
xxx: heu....misy fahadisoana hoy enao izany heritreritro zany ? amiko de tsia ! satria:
-Tsy manavakavaka Andriamanitra

-Na ireo mino azy na tsy mino azy , zanany daholo ny olombelona...

-Marina fa mbola betsaka ny olona tsy miraharaha azy....midika ve zany fa tsy mandray azy ho zanany Andriamanitra ? Mbola hisy tsinona ny fitsaran'zao tontolo zao:
-"Ary ho avy ny hiaviana indray hitsara ny velona sy ny maty"
-Tezitra @ ireo olona manao ratsy Andriamanitra hoy enao.....ekena zany ! fa na izany aza Andriamanitra tsy manary ny zanany.....

miombon-kevitra :lol:
49. Fiffi ( 20/02/2007 22:30)
Fiffi:

Hoy zah hoe zanak'Andriamanitra daholo ny olombelona rehetra noho io tsy fanakavahana io.....Nomen'Andriamanitra "opportunité" ny olona mba hizorany @ lalan'ny marina saingy.....teo no nisian'ny safidin'ny olona tsirairay...



50. majesty ( 21/02/2007 11:30)
Hoy mignone:

refa mino azy ianao dia misy andriamanitra
-refa tsy mino ianao dia tsy misy izy !


Rehefa mino azy ianao dia misy Andriamanitra
Rehefa tsy mino azy ianao dia misy foana Andriamanitra fa ianao no mety minia mikimpy na mody fanina ny amin'ny fisiany tsotr'izao ka fampianaran'olombelona momba ny siansa dia ampy hanoherana ny fahamarinana ara-tsoratra masina.:D
51. Fiffi ( 21/02/2007 11:49)
ary tsy hanomezan-tsiny an'zay tsy mino......
52. vydal ( 21/02/2007 15:28)
Jesosy sy Mahomet moa no niantombohan\' ny resaka fa niova niandalana. Tsy maninona fa raisintsika arak\'izay fandehan\'izay.

Aoka ary aloha hazava tsara ny resaka ! tian \'Andtra daholo ny olona rehetra. (Jaona 3:16 Fa toy izao no nitiavanAndriamanitra an\'izao tontolo izao) Tsy milaza anefa izany fa zanany daholo isika. Izay mino Azy (Jesoa) dia nomeny hery ho tonga zanak\'Andriamanitra (Jaona 1 : 14). Rehefa atao batemy (batisa) isika dia eo vao lasa zanak\'Andriamanitra (ateraky ny rano sy ny Fanahy Jaona 3 : 5 ?). Fahiny mantsy isika dia zanaky ny devoly. Jesoa mihitsy no niteny izany tamin\' ireo fariziana (fariseo): Ianareo hoy Izy manao ny sitrapon\' ny rainareo (devoly no tiany hotenenina @ io) Ampio aho fa tsy tadidiko tsara ilay teny sy ilay toko sy andininy misy azy.

Rehefa ateraky ny Fanahy isika dia amin\' izay vao ambaran\' ny Fanahy fa zanak\'Andriamanitra isika (Romana 8). Tahaka an\' i Jesoa vao vita batemy dia nisokatra ny lanitra dia nidina ny Fanahy ary niteny Andriamanitra hoe : Ity no Zanako Izay sitrako. Izy no henoy.
53. fijo ( 21/02/2007 23:15)
o ry XXXX an,milaza enao ,fa efa nampahafantarina ano ny hoalehanao rehefa maty?????efa tany ve io olona nampianatra azy anao io????????
milaza mazava be prime fa jesosy no zanany.ary hoan'ny silamo ve ,manaiky izay izy???sa ny azy tsy finoana marina koa?
manizingizina ny sasany fa misy andriamanitra.
za tsy manome tsiny anareo anie e,ary tsy manenjika anareo mpino koa,satria samy tsy mbola nisy nahita izany isika.samy manana zo hino sy tsy hino,fa hoanareo izay milaza fa mino di ahomeo profo izahay mba hino koa e.
54. naughtyboy ( 22/02/2007 00:51)
xxx tsy adino akory le jiolahy iray fa voalaza fa tsy nanaiky ka inn no azo atao aminy refa tsy manaiky?ho voa @ heviny eny ihany izy satria tsy Jesosy no miantoka ny fidirana ao @ fanjakany ho an'ireo zay manda, miankina @ safidiny tsi1.1 io..
55. Salut ( 22/02/2007 11:04)
Fijo: Voalohany: Na tsy mino an'Andriamanitra aza ianao dia aza manalabaraka tena ohatra an'izao. Fantaro fa ity fanontaniana ity dia mampiseho ny tsy fahampian'ny "culture" ao aminao. Raha mba nahalala kely fotsiny mantsy ianao dia tsy hametraka io fanontaniana io velively, na tsy toy io no nametrahanao azy.
Faharoa: ny tsy finoanao an'Andriamanitra dia BOTOLO. Ahoana no handavanao zavatra tsy fantatra? Amin'ny fomba ahoana no afahanao milaza fa tsy misy dikany izy na fandrebirebena saim-bahoaka kanefa tsy misy zavatra fantatrao ny aminy? Milaza ianao fa tsy mino ny fisiany ka inona no mbola hitadiavanao porofo? Ny tsara aminao dia mamaky ireo sangan'asan'ireo athée maro (Sartre, Marx,...)mba hanamafy kokoa ny tsy finoanao, sy mba ho raisonable kokoa.
56. Fiffi ( 22/02/2007 16:32)
Salut:
Milaza ianao fa tsy mino ny fisiany ka inona no mbola hitadiavanao porofo?
zo-ny tsirairay ny fangatahana porofo na mino na tsy mino kah ! raha tsy mino izy ka mangataka porofo......midika zany fa raha azony io porofo io de......(hanomezan-tsiny azy ve zany) ?


57. kiranil ( 22/02/2007 17:31)
Fiffi>

Resaka hoe mila porofo moa ny mpiserasera iray izay mitondra ny solon\'anarana hoe fijo, dia izao no mba andraisako anjara kely, ka raha sendra misy fotoana malalaka izy dia mba asaivo vakiany miadana ito manaraka ito:

\"Nefa na dia efa nanao izany famantarana [porofo] betsaka izany teo anatrehany aza Jesosy Kristy, dia tsy mba nino Azy ireo, mba hahatanteraka ny teny nataon\'Isaia mpaminany hoe: \"Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisahoana ny sandrin\'i Jehovah?\" (Isa. 53. 1.)

Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
\"Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hahasitrana azy Aho\" (Isa. 6. 10).

Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin\'ny andro farany,

Jaona 12.

Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin\'izao tontolo izao ny mazava [Jesosy Kristy], nefa aleon\'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.

Ny nahatongavan\'i Jesosy Kristy dia ny hitondra famonjena izay mino Azy, kanefa ny olona no nisafidy ny handa Azy. Izay ilay tonga @ teny hoe \"akory atao\".

Jesosy Kristy, ary izaho manokana koa, dia tsy manameloka na iza na iza, fa ny teny rehetra izay efa henony momba ny Fitiavan\'i Jesosy ihany no hanameloka azy @ andro farany.

Misaotra naharitra hatramin\'ny farany.

58. Fiffi ( 22/02/2007 17:41)
kiranil: izy no nanao ny dinika ka mino zah fa ho vakiany ireo voalazanao ireo.....
59. fijo ( 22/02/2007 23:35)
salut,mila za enao fa ny tsy finoako dia bontolo.ny argument entinao hanamarinana ny tianao lazaina dia hoe :"ahoana no tsy hinoako zavatra tsy itako",hono wa,ary ny mino zavatra tsy mbola itany ve tsy bontolo????sa le mino tsy bontolo fa ny tsy mino bontolo???raha izay dia tena avo lenta be le finoana fa misaotra.
kiranil.io le lazain'i cutie sy ikaretsaka hoe mitsimpona baiboly.tsy mandresy lahatra ianareo fa mamerina ny ao anaty baiboly.izay tsy ilaiko.fa profo no ilaiko.
60. prime ( 23/02/2007 08:24)
fiffi> Tia ny olombelona rehetra Andriamanitra, ary indrindra ny mpanota aza mba iverenan\'ireo Aminy... hafa indray ny mahazanak\'Andriamanitra na tsia...

Tsy ny olombelona rehetra no zanak\'Andriamanitra, fa ny olombelona rehetra no tian\'Andriamanitra...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2809