raha misy andriamanitra

61. kiranil ( 23/02/2007 16:01)
tsy mandresy lahatra ianareo fa mamerina ny ao anaty baiboly.izay tsy ilaiko.fa profo no ilaiko.


DISO.

Satria:

Voalohany: - Tsy fandresen-dahatra na iza na iza no ataoko eto @ ity serasera ity. Resy lahatra ny olona sasany mamaky, tsara izany; tsy resy lahatra, akory atao. Inona moa ny tombotsoako @ faharesena na tsy faharesen-dahatry ny olona iray? zah anga hanangana antokom-pivavahana sa hanao politika, ka miezaka mandresy lahatra?

Faharoa: - Na dia hisy porofo aman\'aliny soratana aza eto, fantaro fa rehefa namafisin\'Andriamanitra ny fon\'ny olona dia tsy misy dikany izany.

Averiko ihany ito, na mahafaly ny mpamaky na tsia, satria tenin\'Andriamanitra no teneniko eto, fa tsy hevitro izaho olombelona nofo sy ra:

\"Nefa na dia efa nanao izany famantarana [na porofo] betsaka izany teo anatrehany aza Jesosy Kristy, dia tsy mba nino Azy ireo... satria \"Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Andriamanitra, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hahasitrana azy Aho\" Jaona 12


>>> Ny hafatro farany ho an\'ny hafa dia ito : Jaona 3:16

Tia anao Andriamanitra ary vonona ny hamonjy anao raha mino ilay Jesosy Kristy zanany ianao.

misaotra.









62. HESHA ( 23/02/2007 16:40)
hihihihi, manomboka mampme le resaka ny farany, satria lasa cible ra-fijo ato.
Zaho mino, zaho tsy mino, tsy olana fa refa maty ve tsy ho hita eo hoe mankaiza daholo isika e.
Sao tafaraka ihany manko e.
Za ndray ry Salut mieritreritra fa noho izy nanovo fianarana ambony sy nandalina ny resaka lalana ety antany no anton'ilay fiovan-tsaina lasa tsy hino fa tsy ilay fahampiana culture. C est tout le contraire.
63. kiranil ( 23/02/2007 18:05)
HESHA> hoy ianao:

hihihihi, manomboka mampme le resaka ny farany, satria lasa cible ra-fijo ato.


Izy no nanao cible ny tenany izany, raha izany satria fantatrao tsara hoe iza no nanokatra ity adi-hevitra ity.

Aleo izy aneho ny heviny fa ny mpamaky koa olon-dehibe afaka mandinika tsara ny mitombona sy ny tsy mitombona.

Hoy ianao:
Zaho mino, zaho tsy mino, tsy olana fa refa maty ve tsy ho hita eo hoe mankaiza daholo isika e.
Sao tafaraka ihany manko e.


\" Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran\'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.\" Jaona 3:36

\"Fa ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin\'ny farihy mirehitra afo sy solifara;\" Apokalypsy 21:8


Raha hoy ianao hoe diso ireo teny ireo, dia izay zany.. inona no azoko atao.

Fa raha ny amiko aloha no lazaiko fohifohy dia tsapako fa tsy maintsy mihatrika izany fahatezeran\'Andriamanitra izany aho noho ny ratsy maro vitako ary noho ny tsy finoako, kanefa taty aoriana aho nino fa Jesosy Kristy, ilay Mpamomjy izao tontolo izao, naneho ilay tena fitiavana ka nanaiky ho faty noho ny fahotako, noho ny fahotanao; ary hitondra ahy sy ireo izay mino Azy any amin\'ny fanjakany aorian\'ny fialan\'ny fofon\'aina eto an-tany.

Dia izay fitiavana izay no ambarako amin\'ny hafa eto @ forum serasera .

64. fijo ( 23/02/2007 23:59)
za tsy mahatsiaro tena ho cible ka,ady hevitra ity de vitsy an'isa aho,fa tsy hoe mitifitra ny namana.
prime,hoe tia ny mpanota izy ,mba hiverina ao aminy..aoka nama,fa raha ho lasa "mpanompony aleo hilamina ka"za aleo halalaka toa izao ihany fa tsy tiako le gadraina
65. xxx ( 24/02/2007 03:09)
\"saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan\'ny fon\'ny zanak\'olombelona amin\'ny fanaovan-dratsy.\" Mpitoriteny 8:11

mety mbola mahatsiaro malalaka ianao izao fa ny iafarany no tsy ao an-tsainao. Na tianao na tsy tianao dia tsy maintsy hisy ny valin\'ny ratsy vitanao hatramin\'izay, na dia ny blasphemy sy ny fanaratsiana an\'Andriamanitra aparitakao eto @ serasera fotsiny aza.

Ianao moa atsy @ hevitra hafa dia mbola misalasala @ fisian\'i Satana, izay mpanohitra an\'Andriamanitra, ary ny tsy hainao dia tsy mila mino ny fifiany ianao dia efa eo ambanin\'ny ziogany.

Mankanesa ao @ youtube na google dia manaova search, ataovy hoe : satan master, na hell blasphemy, son of satan, hell, sns ... dia ho hitanao tsara fa Satana dia misy tokoa ary mamitaka ny olona mba tsy hino an\'i Jesosy Kristy ho ilay messiah tonga hamonjy izao tontolo izao, ary mba tsy hanarahin\'ny olona an\'Andriamanaitra. Ary @ fomba rehetra mihintsy no hanaovany izany.

http://www.youtube.com/watch?v=b_JujbsZfkM

http://www.youtube.com/watch?v=yoK04XGT9kg

http://www.youtube.com/watch?v=gvzu5u5D3fU

Dia mbola hilaza ihany ve nareo hoe foron\'ny kristianina mino an\'i Jesosy Kristy fotsiny ny resaka Satana sy ny Devoly ary ny helo?


\"Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin\'ny fasana.

28 Fa nony nahita an\'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin\'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izay sy Hianao, ry Jesosy, Zanak\'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Masina Hianao, aza mampijaly ahy.

29 Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin\'ny gadra, na ny tànany na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin\'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.

30 Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.

31 Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin\'ny lavaka tsy hita noanoa.\" Lioka 8
66. fijo ( 24/02/2007 06:12)
tsy hoe rehefa miteny google hoe misy satana de misy izy akory.misy ao amin'ny google izy satria isan'ny resaka be eran'izao tontolo izao.toa an'andriamanitra koa.za tsy misalasala ny fisian'ny satana.amiko tsy misy izy.
ary aoka wa ity famerenana baiboly ity fa tsy mila famerenana baiboly aho,fa ny sainareo no tiako hiasa
67. hertix ( 24/02/2007 08:42)
mba handray anjara kely ato aho zany e!
miteny ianao ry fijo hoe tsy mila famerenana baiboly fa porofo no ilainao. Mino aho fa betsaka no efa nahita sy niaina fahagagana na fandresen-dahatra nataon'Andriamanitra teo @ fiainany ny @ fisiany sy ny heriny, indrindra fa t@ zava-tsarotra. Raha misy afaka mitantara izany isika dia mba ataovy ho an'i fijo fa asa napetraky ny Tompo amintsika izany hoe mitory Azy sy mitondra ondry hiverina ao am-bala izany.8)8)
Raha misy tokoa sanatria olana eo @ fiainanao indray andro any ry fijo, mba andramo kely ange ny miantso ny an'i Jehovah Andriamanitra @ anaran'i Jesoa Kristy zanany mba hanampy anao e! Dia ho hitanao ny tohiny. Enga anie ianao ka ho resy lahatra @ izay fotoana izay.:D:D:D
68. xxx ( 25/02/2007 01:32)
fijo> nga nareo tsy matoky science ndray e... google zao no vokatry ny science laizanareo fa itomponareo fatratra...sady io an'isan'ny technology farany eto @ sehatry ny internet.

dia mandiniha tena fa ireto zavatra manaraka ireto dia tsy ny mpanaraka sy ny tena mino an'i Jesosy Kristy no namorona ireo :

http://www.youtube.com/watch?v=b_JujbsZfkM

http://www.youtube.com/watch?v=yoK04XGT9kg

http://www.youtube.com/watch?v=gvzu5u5D3fU

mbola maro no afaka lazaina momba io.

Satana anefa dia fahavalo efa resin'i Jesosy Kristy t@ nitsanganan'ny tamin'ny maty, ka izay mino sy efa novonjeny dia maharesy tahaka Azy.


" Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izay sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Masina Hianao, aza mampijaly ahy."







69. Salut ( 27/02/2007 17:04)
Fijo:
ary aoka wa ity famerenana baiboly ity fa tsy mila famerenana baiboly aho,fa ny sainareo no tiako hiasa

Ka ampiasao koa àry ny sainao hilaza aminay fa tsy misy Andriamanitra e. Porofoy eto amin'ny alalan'ny sainao hoe avy aiza ny misy rehetra? Angaha rehefa lazaina fa tsy misy dia tsy misy? Rehefa ambara fa tsy marina dia tsy marina? Izaho afaka manamarina aminao fa misy Andriamanitra tsy mila Baiboly, fa ianao kosa ary ve afaka manam-porofo eto fa tsy misy izy? Anao ny fitenenana aloha. Miandry
70. fijo ( 27/02/2007 23:00)
ka milaza enao fa hafaka manamarina azy.asehoy ary izay fahafahanao manamarina azy izay aloha dinihana e
71. linarako2 ( 03/03/2007 01:47)
fijo:

ka milaza enao fa hafaka manamarina azy.asehoy ary izay fahafahanao manamarina azy izay aloha dinihana e

Ny olona tsy mino tsy ahafantatra ny fahasoavana nomen'Andriamanitra azy.Tsy voatery hanamarina ny teniny ny hafa.Rehefa nomeny fahasoavana izy dia efa porofo izay.Porofo:io manome sujet betsaka mikasika ny fivavahana io ny olona nomen'Andriamanitra fahasoavana ao amin'ny Tompo.Porofo:io enjehinao io ny mpilaza ny tenininy kanefa izahay mba faly manaraka ny fivavahana eto.Porofo:Manenjika anao ny eritreritrao ka any amin'ny mpivavaka ianao no manala vokona.Porofo:nangataka ka tsy nahazo ianao satria tsy nino Azy fa niantehitra ny herin'ny tenanao irery ihany ka ny hafa no nanaovanao alifaty.Porofo;Manaiky ianareo rehetra hidiran'ny fanahy maloto handoto rano ato amin'ny fivavahana.Ka io ilay hoe valifatin'ny fo menarana:roll:


72. fijo ( 03/03/2007 05:56)
Porofo:io enjehinao io ny mpilaza ny tenininy
ka enao ihany ve no hilaza ny momba anao de hisy hino eo e
73. lamie ( 04/03/2007 07:30)
fijo:sambatra izay tsy mahita nefa mino!
ianao zany zao anisan'ny tsy mino,tsy fahadisoana izany, tsy fahafantarana no ilazana azy,ny mpino dia mivavaka, mihezaka mampiasa ny didy folo,mankalaza,mihoby,mahay misaotra an'Andriamanitra,mizara fitiavana,soa,manaja ny finoan'ny hafa,raha tsy secte lay olona dia miditra any ampiangonan'ny hafa,misy mantsy reo tsy manao zany,tsy mino ny batisa ao @ eglise fa robo-drano no atao ,ka tsy haresy lahatra ny mpino ianao, samia anefa mazoto e!
74. lamie ( 04/03/2007 08:19)
fa zay tsy mino koa ange tsy mpangalatra, mpamono olona,sy manao ny ratsy rehetra fa tsy kristiana, sy tsy mino an'Andriamanitra fotsiny ry zareo e!droit-ny zany, ny scientifiques ange ka tsy mino hafatsy ny sciences ihany e!tsy izy rehetra fa ny akabetsahany e!tsy ny dokotera ihany zany fa ny astronotes etc........
75. HESHA ( 05/03/2007 10:41)
taiza no nisy hoe ny dokotera dia tsy mino an'Atra satria siantifika ?
mivaona be zany resaka zany
76. niryna ( 12/03/2007 03:19)
HESHA:

taiza no nisy hoe ny dokotera dia tsy mino an'Atra satria siantifika ?
mivaona be zany resaka zany



=))=))=))
Ireny mihitsy no mivavaka alohany handidiany koa ary tena marary ny fony rehefa very ny marary notsaboiny,saingy rehefa nametraka ny fiainan'ilay narary teo amin'Atra izy dia maivana ny alahelony^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0766