Ahoana raha i Ny Hasina Andriamanjato?

1. jpeg ( 28/10/2006 15:00)
Ahoana ny hevitrareo raha i Ny Hasina no lasa filoha?
Mety ho tonga haingana ny ADSL lol.
Ary mety izy no hanao 2 eme tour amin'i Ravalomanana, satria mety hanohana azy i Pierrot sy maro hafa koa.
hita tao amin'ny lgdi
répondu par fijo le 10/11/2006 22:58
2. kitjo ( 28/10/2006 15:30)
Tttssss....
ADSL fts no ifidianana azy d zay ve d ampy?

efa niala t@ le east Africa ndray tsika @projet fibre optique ka mitady lalana haingana kokoa ..

za mahatoky!
3. vetsoko ( 28/10/2006 15:34)
tsy dia manana passée politique ratsy aloha leiry e!tsy nana-potoana firy koa tena ni-démontrerna ny compétanceny,nitondra révolution ngeza be t@ lafiny communication tao an-tanana,izay tena ilain'ny économie du 3ème millénaire (service ,media et communication),sady manana program mazava ary azo tanterahina tsara fa tsy ankamantatra
tsy dia mahasosotra ahy leiry,aleoko leiry toy izay ra8
4. besoiiin ( 28/10/2006 15:35)
ADSL v? efamisy ngeh eto zao e! ilay backbone fibre kou efa andalana, tonga foana io razoky a, ary io wa tsisy 2è tour zany....
5. manantsoa ( 28/10/2006 15:38)
Mba mieritreritra ry zalahy a!
Olona mora andairan' mosavy ny fonoka toy ireny ve no ho filoham-pirenena tsy angamba dia asa fotsiny ny ahazo antsika mianakavy......Isaky ny réception aleha' i leiry dia tavela . Isan'alina matory dia very fananana ......
6. kitjo ( 28/10/2006 15:38)
zay manko mahagaga anah ry besoiin!
Ny ADSL ve tsy efa ela?

vetsoko> marina fa tsy dia misy tantara lotra izy fa raha jerena @ lafiny rehetra aloha tsy atokisako hahavita izy e,

inddra raha mbola eo koa ra-baininy!

Fa na zany na tsy izany aleoko izy toy izay fisaka
7. jpeg ( 28/10/2006 15:49)
besoiiin:

ADSL v? efamisy ngeh eto zao e! ilay backbone fibre kou efa andalana, tonga foana io razoky a, ary io wa tsisy 2è tour zany....

efa misy ADSL i madagasikara fa anarana fotsiny, mitovy amin'ny internet RTC ihany ny vitesse-ny.
Hanontanio izay olona mampiasa ADSL any madagasikara fa
hanamarina an'izany.

Sady Ny Hasina koa anie mbola tanora e, dinamika tsara.

8. kitjo ( 28/10/2006 15:51)
fa ngah ravalo antitra?
9. jpeg ( 28/10/2006 15:52)
Tsy hoe antitra Ravalo fa i Ny Hasina mbola 40 taona mahery kely.
Diniho tsara anatin'ny orinasa iray ohatra fa ireo tanora no tena mavitrika indrindra.
10. kitjo ( 28/10/2006 15:56)
marina izany fa tsy izy irery ange ny ao fa mila ekipa e..

mbola sarotra be zany vao hanangana ekipa izany sy hamerina ny zvt rehetra izany k!

dia hanohy ilay asa efa natomboka ireny ve izy.

Ohatra oe ilay puce @omby ho avy @ Janvier mety tonga ny 15% fa ny ambiny ve ho tongany?

Ny lalana...raha tsy manambola ny fanjakana ny Groupe TIKO mety manao aloha dia atao trosa..hahahhahahahhaha:-D:-D:-P

sinon, izy ve no tanora indrindra amreo candidat ireo?

tsy mahatoky aho e!
11. jpeg ( 28/10/2006 16:09)
N'iza na iza olona tonga eto dia tsy maintsy manohy izay zavatra hita fa tsara sy mahasoa ny malagasy.

Resaka lalana sns, tsy tokony hatambatra ny fitondrana firenena sy orinasa. Ohatra hoe manana orinasa ianao, dia afangaronao ny vola ao antrano sy volan'ny orinasa.

12. manantsoa ( 28/10/2006 16:14)
Tsy mantsy ho fanavaozana no maro anisa amin' ny ekipany . Jereo anefa ny fitantanan'ireo ny tananan'Antananarivo tamin'izy tao amin' ny fivondronana . Gaboraraka be ; tsy nisy mihitsy fanajana ny lalàna ( plan d' urbanisation , sns ... ). Ireny niaraha-nahita ireny ny arcades tetsy Analakely fa dia navela samy nanao izay tiany ny rehetra . La réunion kely teo Ampefiloha moa dia aoka fotsiny . Tsenan' Anosibe sy ny rano-potaka ...........
Raha ny tao amin' ny PTT no nampalaza azy , f'angaha tsy mandeha ny asa ao ankehitriny . Raha ireo nanodikodina vola tao amin' ny paoma sns ; olon' iza ireny ??? Efa hatramin'ny fitondran-dry zalay anie no misy maka vola toy ireny ampiasaina dia averina rehefa avy eo e ! saingy henjana be ny controle amin' izao fotoana dia tratra ry lematy .
13. kitjo ( 28/10/2006 16:15)
fantatro re zany fa jpeg koa ohatra ts mba mahalala vazivazy :P

fa teo aloha HONO ny fanjakana efa nindram-bola t@ famille Ramanandraibe.

Vao haingan za nahare anzay

Aiza no ahatokisana fa tena hanohy? ny TE ie fa ny hoe HAHAVITA ve? mbola tantara hafa
14. besoiiin ( 28/10/2006 16:30)
jpeg> :-D:-D:-D ADSL kousa v mou tsy hitovy @ RTC rehefa atao 56k ny vitesseny e???? :D:D:D sa tsy marina izany???? fa na izany aza samiafa b razoky ny vitesseny a! efa miainga tsara ny ADSL eto @ tanana @ toerana vitsivitsy, fa saingy ny débit no mbola limité eo @ 512kbps na 1M eo ngamba au max, sady lafo koa par rapport @ ampita, satria mantsy fehezin'ny backbone par satellite d tsy afamanoatra e, fa aleo ho avy eo ny fibre d ho itandrangahy fa tsy mena mitaha @ ny any ny aty e! sa tsy izany??? ary aleo hivalona @ zay fa toa lasa resaka technik b ndray izy zany :D
15. kitjo ( 28/10/2006 16:38)
ie za efa mitady hanomboka hijery flora sisa
16. tenagasy ( 28/10/2006 16:43)
Mankamamy jpeg! Tafaray samy tia mozika izany isika, mahafinaritra! Dia mahavoaza eh!
I Zanak'i Dada tsy afa-bela @ aloky ny tandindon'i Dada [mpivaro-drano tratr'orana i Dada malala sy ny fianakaviany ka rendriky ny resaka be loatra vita (nalama loatra tafahoatra)]
Hasin'i Vatokely ve? Ny vatobe bevohoka aza tsy nety teraka! Ny poti-bato indray manindrona ihany saingy azo odian-tsy re sady tsy mahafaty, moa tsy ren'ny faladia matevinay tambanivohitra (tamanivohitra nananjara mba handalina, hanasoavana ny anarandray atsy ho atsy - fa tsy ny anaran'ny tena).
Amiko na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary, ary rehefa volon-kary ariana. ""Teneno ahy izay namana iarahanao dia ho lazaiko hoe iza moa ianao!"" Ary na maloto na maloton'akoho dia samy ... daholo ka maimbo sy maharikoriko -androràna!
Rehefa hanova ihany, hafahafa kokoa aroso, satria indrisy fa mbola tsy hitako izay maharesy lahatra amin'ireo te-handimby rehetra ireo.
- He izany ny ataon'i "Ne Pas Menacé" (hay saka manafin-koho??? Hitako moa!!!).
- Izay tsy hiriko sy ny namany indray: ny dahalo @ pilotra sy vato, RANO - FOTAKA (sady miongana hi hi) aza tsy vita ka URANIUM aho, MAHERY FIHETSIKA aho (sao tera-... any eh!!)
- Ireo betsizaka indray, manana fiseho manokana satria sady sisin-tany no ivony ihany koa (Fianarantsoa), saingy ny iray ela loatra nihodinana ka efa fanina (songonan'ny taizany), ny iray taiza dongadongabe an'i Debaridera (bokon'ny tavy, tsy namono antoka ...), ary ny farany lazain'ny namana hoe lany session (manorambaratra @ balarora fa tsy man'erika fotsiny intsony - RESTO ANGAHA IO SA DELEGUE DE CLASSE???)
... SNS ... SNS ... (sady ravahana hatsikana moa fa aza tezitra @ vetson'i caprio e, izany jpeg an)

Zary toa lasa mirona angamba ny fanehoako hevitra, aza tsiny indrindra, tsy manana antoko aho (Mety hamorona raha ... fa tandremo8O: LES APOLITIQUES:roll: ; saingy manana maso, sofina, orona, tanana aman-tongotra, ...sns (velona tsra daholo ny rehetra)... ary indrindra "saina" ka dia izao aloha no fahitako ny trangan-javatra eo amintsika Malagasy!
Mirary soa!
17. kitjo ( 28/10/2006 16:54)
tenagasy tena lasa inspiraka mitsy t@ty indray mitoraka ity an
18. tenagasy ( 28/10/2006 16:56)
Mankamamy!
Gravy izany an!
Mbola tsy nisy namaly teo no nanomboka nanoratra aho, vao lasa ny ahy (hi hi hi) efa 15 sahady no nahavaly talohako! :lol:
Mirary soa!
19. tenagasy ( 28/10/2006 16:58)
kitjo!
Hainao fa Samedi Choir ny andro! he he he!
Mankasitraka sy mankamamy e!
De mirary soa!
20. manantsoa ( 28/10/2006 16:59)
Ary leiry ve anisan' ilay nanao pacte tamin'i satana ?????
- Anisany matoa mora voan' ny fonoka an !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1005